Biby
Ilazana zavamananaina lehibe manan-tongotra efatra toy ny biby fiompy, na indraindray koa bibidia, ny hoe behemah (heb.), izay nadika hoe “biby fiompy” sy “bibidia.” (Ge 1:26; Jl 2:22) Nadika hoe “biby mandady” kosa ny hoe remes (heb.), izay avy amin’ny fototeny hoe ramas (“mihetsiketsika; mandady”). (Ge 6:20; Ezk 8:10; Ge 1:28) Ny hoe haiyah (heb.) indray midika ara-bakiteny hoe “zavamananaina”, ary matetika no ilazana “bibidia.” (Ge 1:28; 3:14; Is 56:9) Zôiôn (zavamananaina) ny teny grika mifanitsy aminy, ary nadika koa izy io hoe “biby.”—Ap 4:7; 2Pe 2:12.
Noforonin’i Jehovah Andriamanitra ny karazam-biby rehetra, satria milaza ny Baiboly fa nataony “araka ny karazany avy” ny biby tsirairay. (Ge 1:25) Ny biby an-tanety anefa no tena horesahin’ity lahatsoratra ity.
Nasain’Andriamanitra nanjaka tamin’ny zavaboary samihafa teto an-tany ny olona lavorary, ka mety tsara raha i Adama no nasaina nanome anarana azy ireny. (Ge 1:26; 2:19, 20) Mbola ampamoahin’Andriamanitra foana ny amin’ny fomba ikarakarany an’ireo biby nasaina nofeheziny ny olombelona.—Lk 12:48.
Ambony noho ny biby ny olona, ka noforonina hatahotra azy ireny ny biby. (Ge 9:2, 3) Matetika, ohatra, no mitsoaka ny leopara sy ny mpanjakan’ny kôbrà, rehefa mahita olona, hoy ny mpandinika ny zavaboary, raha tsy hoe tafihina angaha izy, na ankasiahana, maratra, taitra tampoka, na sakanana ny lalany. Tsy lasa mpihinan’olona koa, hono, ny tigra raha tsy hoe voatery angaha. Mety ho antitra na maratra be, ohatra, izy ka tsy mahavita mihaza intsony, na tsy mahita hohanina fa efa saika nohazain’ny olona daholo ny biby fihinany.
Efa namono biby mba hahazoana fitafiana na hatao fanatitra ny olona talohan’ny Safodrano. (Ge 3:21; 4:4) Taorian’ny Safodrano anefa ry Noa mianakavy vao nomen’i Jehovah alalana hihinana hena koa, izay tsy maintsy ho efa nesorina ny ra taminy. (Ge 9:3, 4) Nahazo namono biby amin’izay àry ny olona mba hataony sakafo. Tsy nahazo namonomono biby fahatany anefa izy mba hahazoana fahafinaretana fotsiny, na mba hampideraderana fahaizana, toy ny nataon’i Nimroda mpikomy tamin’Andriamanitra.—Ge 10:9.
Misy milaza fa tsy maty tamin’ny Safodrano daholo ny biby an-tanety tany ivelan’ny sambofiara, matoa ahitana azy ireny any amin’ireo nosy mitokana, toa an’i Aostralia sy Nouvelle-Zélande. Hitan’ny manam-pahaizana momba ny ranomasina anefa fa nisy tany lavalava nampitohy ny faritra mitokana misy ankehitriny. Noporofoiny, ohatra, fa mety ho nisy fotoana tsy rakotry ny rano toy ny ankehitriny ny Tandavan-tendrombohitra ao anatin’ny Oseana Atlantika. Mety ho nisy tany lavalava hafa koa niampitan’ny biby nankany an-toeran-kafa, saingy efa any ambany ranomasina ireny tany ireny izao. Porofoin’ny fikarohana nataon’ny manam-pahaizana koa fa nisy kontinanta goavam-be iray tany Pasifika Atsimo, ka anisan’izany i Aostralia sy ny nosy maro any Oseania. Raha izany tokoa no izy, dia tsy ho sarotra tamin’ny biby ny nifindra monina tany amin’ireny toerana ireny.
Biby madio sy maloto. Nozarain’Andriamanitra ho sokajy roa ireo biby nasainy nampidirin’i Noa tao amin’ny sambofiara: Biby madio izay tokony hakany fito avy, ary biby maloto izay tokony hakany roa avy. (Ge 7:2, 3, 8, 9) Azo inoana fa ireo neken’i Jehovah hatao sorona no natao hoe biby madio, satria mbola tsy nahazo alalana hihinan-kena ny olona. Fantatr’i Noa àry hoe inona no biby madio azo natolotra teo ambony alitara, rehefa nivoaka ny sambofiara izy. (Ge 8:20) Tsy nisy biby tsy azon-dry Noa mianakavy nohanina tamin’izany, satria hoy i Jehovah: “Azonareo atao sakafo ny biby mihetsiketsika rehetra izay velona.”—Ge 9:3.
Vaovao àry ilay fanasokajiana ny biby ho madio sy azo hanina na ho maloto sy tsy azo hanina, ao amin’ny didin’Andriamanitra ho an’ny Israelita. Hoy ny Levitikosy 11:3: “Ny biby mandinika rehetra izay mivaky kitro ka misaraka tsara ny kitrony no azonareo hanina.” Hoy koa ny Deoteronomia 14:3-6: “Aza mihinana zava-maharikoriko, na inona izany na inona. Fa izao no karazam-biby azonareo hanina: Omby, ondry aman’osy, serfa, gazela, serfa kely, osidia, antilopa, ondridia, samoà, ary ny biby mandinika rehetra izay mivaky kitro ka misaraka roa tsara ny kitrony.”
Tsy nahazo nihinana an’izay biby tsy nahafeno an’ireo fepetra ireo (ny iray na izy roa) ny olona teo ambanin’ny Lalàna. Anisan’ny tsy azo nohanina ny bitrom-bato, bitrodia, kisoa, rameva, ary izay biby “mandeha amin’ny faladiany” toy ny liona, orsa, ary amboadia.—Le 11:4-8, 26, 27; De 14:7, 8.
Ny olona teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy ihany no voakasik’ireo fandrarana ireo, satria hoy ny Levitikosy 11:8: “Maloto aminareo ireny”, izany hoe amin’ny Israelita. Nofoanana niaraka tamin’ny Lalàna ireo fandrarana ireo, rehefa maty ho sorona i Kristy Jesosy. Azo lazaina ho ilay lalàna nomena an-dry Noa taorian’ny Safodrano indray àry no mihatra amin’ny olon-drehetra.—Kl 2:13-17; Ge 9:3, 4.
Nahoana anefa i Petera no mbola tsy nihinana biby “tsy madio” ihany, telo taona sy tapany teo ho eo taorian’ny nanafoanana ny Lalàna, anisan’izany ny fandrarana hoe tsy azo hanina ny biby tsy madio? (As 10:10-15) Tsara hotadidina fa niova be ny fiainan’ny Kristianina rehefa nofoanana ny Lalàna, ka tsy mahagaga raha nila fotoana elaela izy ireo vao takany tsara izay rehetra tafiditra tamin’izany.
Heviny an’ohatra. Ilazana an-kolaka toetra samihafa sy fanjakana ny toetra mampiavaka ny biby, ao amin’ny Baiboly. Mety ho toetra tsara ananan’Andriamanitra na ny olona izany indraindray. (Ezk 1:10, 11; Ap 4:6, 7) Azo ilazana fanjakana lozabe mampahory vahoaka sy manjakazaka aminy koa anefa ny biby.—Da 7:2-7; 8:5-8, 20, 21; Ap 13:1-17; jereo BIBY AN’OHATRA.
Ny fomba tokony hampiasana sy hiheverana ny biby. Anisan’ny biby azo natao fanatitra ny omby sy ondry ary osy raha tsy nisy kilema sy tsy novosirina, araka ny Lalàn’i Mosesy. (Le 22:23-25) Tsy azo nohanina ny ram-biby ary tsy azo nampiasaina afa-tsy tamin’ny sorona ihany. (Le 17:13, 14) Voarara mafy koa ny nivavaka tamin’ny sarina biby na zavaboary hafa.—Ek 20:4, 5.
Lazain’ny Baiboly fa tokony hoentina amin’ny fomba ara-drariny sy hanehoana hatsaram-panahy ny biby. Nilaza mantsy i Jehovah fa izy no Mpanome izay ilain’izy ireny sy Mpikarakara azy. (Oh 12:10; Sl 145:15, 16) Nandidy ny hikarakarana tsara ny biby fiompy ny Lalàn’i Mosesy. Tsy maintsy naverina tamin’ny tompony, ohatra, izay diso lalana, ary tsy navela tamin’izao ny biby voatsindrin’ny entana. (Ek 23:4, 5) Tsy tokony hampijaliana koa izy ireny rehefa miasa. (De 22:10; 25:4) Nila niala sasatra izy ireny rehefa Sabata, toy ny olona ihany. (Ek 20:10; 23:12; De 5:14) Tsy maintsy narahi-maso na novonoina izay biby nampidi-doza. (Ge 9:5; Ek 21:28, 29) Voarara koa ny nampivady biby tsy nitovy karazana.—Le 19:19.
Eken’ny olona matahotra an’Andriamanitra fa anisan’ny nomeny ho an’ny olona ny biby mba hanampy azy ireo. Mpitondra entana izy ireny, azo atao sakafo, ahazoana fitafiana, mpihinana fako sy maloto, ary manampy amin’ny asa tena ilaina dia ny asa tany sy fijinjana. Mahafinaritra erỳ ny mijery ny bikany sy ny lokony samy hafa! Maro koa ny zavatra efa hay sy mbola azo halalinina momba ny fahazarana sy fiaimpiainan’ireny zavaboary mahatalanjona nataon’Andriamanitra ireny. Maty toy ny olona ihany ny biby, saingy tsy hatsangana amin’ny maty.—2Pe 2:12; jereo koa ny anaran’ny biby, vorona, bibikely, biby mandady tsirairay, ary ny hoe BIBIKELY; TRONDRO; VORONA.