Dariosy
(Dariòsy).
Mpanjaka telo no antsoin’ny Baiboly hoe Dariosy, ka ny iray Medianina ary ny roa Persianina. Misy mihevitra fa mety ho anaram-boninahitra ny hoe “Dariosy”, indrindra fa amin’ilay hoe Dariosy Medianina, na mety ho anarana nomena azy tamin’izy lasa mpanjaka.
1. Dariosy Medianina, ilay nandimby an’i Belsazara mpanjaka kaldeanina taorian’ny nandresen’ny tafik’i Kyrosy Persianina an’i Babylona. Tokony ho 62 taona i Dariosy tamin’izay. (Da 5:30, 31) Voalaza koa fa “zanak’i Ahasoerosy, taranaky ny Medianina” izy.—Da 9:1.
Nanendry lehibem-paritany 120 nanerana an’ilay fanjakana i Dariosy. Nanendry olom-panjakana ambony telo koa izy hiandraikitra an’ireo lehibem-paritany, mba tsy hisian’ny fatiantoka ho an’ny mpanjaka. Anisan’ny andraikitra lehibe nosahanin’ny lehibem-paritany mantsy ny fanangonana vola sy hetra ho an’ny mpanjaka. (Ampit. Ezr 4:13.) Iray tamin’ireo olom-panjakana ambony telo lahy i Daniela, izay niavaka raha oharina amin’ny olom-panjakana ambony hafa sy amin’ny lehibem-paritany. Tian’i Dariosy hatao praiminisitra àry izy. Azo antoka fa nialona azy izy roa lahy niara-niasa taminy. Sosotra taminy koa angamba izy ireo, satria olo-marina izy ka tsy nahafahan’izy ireo nanao kolikoly. Niray tetika tamin’ireo lehibem-paritany àry izy ireo, mba hamandrihana an’i Daniela. Nirohotra nankao amin’ny mpanjaka izy rehetra, ka nanolotra lalàna iray hosoniaviny. Nolazain’izy ireo fa nolanin’ny manam-pahefana rehetra tao amin’ny fitondrana ilay izy (tsy anisan’izany anefa i Daniela). Araka ilay lalàna, dia voarara ny manao ‘fangatahana amin’andriamanitra na amin’olona’ hafa ankoatra an’i Dariosy, mandritra ny 30 andro. Hatsipy ao an-davaky ny liona izay mandika azy io. Toa natao hanamafisana ny fahefana vao azon’i Dariosy Mpanjaka ilay didy. Toa te hampiseho koa ry zareo tao amin’ny fitondrana hoe nanohana azy sy tsy nivadika taminy.—Da 6:1-3, 6-8.
Nataon’i Dariosy sonia àry ilay didy. Tsy ela anefa dia fantany ny antony nanaovana ilay izy. I Daniela no voalohany nandika azy io satria nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra foana izy. (Ampit. As 5:29.) Natsipy tao an-davaky ny liona àry izy, na dia efa nitady hevitra aza i Dariosy mba tsy hampiharana ilay sazy. Natoky anefa i Dariosy fa afaka miaro an’i Daniela ilay Andriamaniny. Nifady hanina i Dariosy ny alin’iny, ary tsy nahita tory. Vao maraina izy dia efa niolomay nankany amin’ ilay lavaky ny liona. Faly izy nahita fa velona i Daniela sady tsy naratra akory. Nasain’ny mpanjaka natsipy tao an-davaky ny liona àry ireo niampanga an’i Daniela sy ny fianakavian’ireo. Sazy ara-drariny izany! Nandefa filazana nanerana ny fanjakany koa izy hoe: “Tokony hangovitra eo anatrehan’ilay Andriamanitr’i Daniela sy hatahotra azy ny olona any amin’ny faritra rehetra manerana ny fanjakako.”—Da 6:9-27.
Resahin’ny mpahay tantara fa noheverina ho toy ny andriamanitra ireo mpanjaka tany Mezopotamia fahiny, ka nivavahana. Mihevitra àry ny ankamaroan’ny mpivaofy teny fa tsy fangatahana tsotra, fa fangatahana amin’andriamanitra, ilay “fangatahana” norarana tamin’ilay didy nosoniavin’i Dariosy. Nisy “lavaky ny liona” koa tany Babylona, satria resahin’ny asa soratra fahiny fa matetika no niompy bibidia ireo mpitondra tatsinanana. Hoy Ireo Bokin’ny Baiboly Navoakan’ny Fanontam-pirinty Soncino (Daniela, Ezra, ary Nehemia, p. 49): “Naka tahaka an’ireo mpanjaka asyrianina ny Persianina, ka niompy an’ireny biby ireny mba hojeren’ny olona.”—Nataon’i A. Cohen, Londres, 1951.
Tsy miresaka an’ity Dariosy ity intsony ny Baiboly aorian’ny Daniela toko faha-6, afa-tsy ao amin’ilay fitantarana momba izay nitranga tamin’ny “taona voalohany” nanjakany. Tamin’io taona io i Daniela no “nahafantatra” fa efa hifarana ireo 70 taona nahalao an’i Joda. Tamin’izay koa izy no nilazana momba an’ireo 70 herinandro sy ny hiavian’ny Mesia. (Da 9:1, 2, 24-27) Nisy anjely nanome fahitana an’i Daniela momba ny fifandrafian’ny “mpanjakan’ny avaratra” sy ny “mpanjakan’ny atsimo.” Nolazain’ilay anjely taminy koa fa nirahina hampahery sy hanatanjaka izy, tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariosy Medianina. (Da 11:1, Prot.; 11:6) Milaza ireo mpivaofy teny fa i Dariosy io nampaherezin’ilay anjely io. Azo inoana kokoa anefa fa i Mikaela izy io, satria voalazan’ny andininy eo aloha (Da 10:21) fa nanampy an’ilay anjely i Mikaela. Nifanampy àry ireo anjely rehefa niady tamin’ilay demonia ‘andrianan’i Persa’, izay nitady hanakantsakana ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah.—Da 10:13, 14.
Tombantombana momba an’i Dariosy Medianina. Tsy misy asa soratra hafa ankoatra ny Baiboly, miresaka momba an’i “Dariosy Medianina.” Tsy miresaka momba azy koa ireo mpahay tantara talohan’i Josèphe (Jiosy mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany). Mpitsikera maro àry no milaza fa tsy tena nisy i Dariosy Medianina.
Milaza ny manam-pahaizana sasany fa notendren’i Kyrosy ho “Mpanjakan’i Babylona” i Cambyse (II) zanany, taoriana kelin’ny nandreseny an’i Babylona. Nisolo tena an-drainy isan-taona tokoa i Cambyse, isaky ny fetin’ny “Taom-baovao” tao Babylona. Toa nipetraka tao Sippar foana anefa izy. Hita tamin’ny fandinihana an’ireo soratra miendri-pantsika koa, fa tamin’ny 1 Nisana 530 T.K. i Cambyse vao nitondra ny anaram-boninahitra hoe “Mpanjakan’i Babylona”, tamin’izy niara-nanjaka tamin’i Kyrosy. Lasa niantafika i Kyrosy tamin’izay, nefa maty tany an’ady. “Roa amby enimpolo taona teo ho eo” anefa i Dariosy tamin’ny fotoana naharesy an’i Babylona. Tsy mitombina àry ny filazana hoe i Cambyse II zanak’i Kyrosy no Dariosy.—Da 5:31.
Tsy mitombina koa ny hoe mety ho anarana hafa niantsoana an’i Kyrosy ny hoe Dariosy. “Medianina” mantsy i Dariosy sady “taranaky ny Medianina.” Midika izany fa Medianina i Ahasoerosy rainy. I Kyrosy kosa “Persianina”, na dia mety ho Medianina aza ny reniny araka ny filazan’ny mpahay tantara sasany. I Cambyse I no rainy, ary Persianina izy io, araka ny Varingarin’i Kyrosy.—Da 9:1; 6:28.
Misy indray milaza fa ilay “dadatoan’i” Kyrosy, izay nantsoin’i Xénophon (Grika mpahay tantara) hoe “Cyaxare [II] zanakalahin’i Astyage”, no Dariosy. Nilaza i Xénophon fa nandimby an’i Astyage mpanjaka medianina i Cyaxare, ary avy eo nomen’i Cyaxare ho vadin’i Kyrosy zanak’anabaviny ny zanany vavy, ary nomeny azy koa i Media manontolo. (Cyropaedia, I, v, 2; VIII, v, 19) Mifanohitra amin’ny fitantaran’i Xénophon anefa ny an’i Hérodote sy Ctésias (samy Grika mpahay tantara azo lazaina ho niara-belona tamin’i Xénophon). Nilaza mantsy i Hérodote fa maty tsy niteraka i Astyage. Ny Tantaran’i Nabonida indray milaza fa lasa mpanjakan’ny Medianina i Kyrosy rehefa azony babo i Astyage. Raha i Cyaxare II koa no Dariosy, dia tokony ho i Ahasoerosy ihany no Astyage, satria “zanak’i Ahasoerosy” i Dariosy Medianina. (Da 9:1) Tsy mitombina àry io hevitra io.
Iza marina i Dariosy Medianina?
Misy asa soratra maromaro hita vao haingana, miresaka momba an’i Gobaro (na ilay Gobriasy noresahin’i Xénophon ao amin’ny Cyropaedia), izay lasa governoran’i Babylona rehefa resin’ny Medianina-Persianina ilay tanàna. Toa porofoin’ireo asa soratra ireo fa i Gobaro no Dariosy.
Miresaka momba ny faharesen’i Babylona ny Tantaran’i Nabonida, ary milaza fa “tafiditra tao Babylona” i Ogbaro “governoran’i Gotioma, sy ny tafik’i Kyrosy, nefa tsy nila niady akory.” Niditra tao amin’ilay tanàna, hono, i Kyrosy, 17 andro taorian’izay. Resahiny koa fa “nanendry governora (lefitra) tao Babylona” i Gobaro “governorany.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, Da 5:31; 9:1), fa tsy ho “mpanjakan’i Persa” araka ny niantsoana an’i Kyrosy Mpanjaka. (Da 10:1; Ezr 1:1, 2; 3:7; 4:3) Toa ilay faritra nofehezin’i Dariosy ihany àry ilay nofehezin’i Gobaro.
nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 306; ampit. Dariosy Medianina, nataon’i J. Whitcomb, 1959, p. 17.) Mariho anefa fa tsy mitovy ny hoe “Ogbaro” sy ny hoe “Gobaro.” Tsy mitovy mantsy ny fanoratana ny vaninteny voalohany ho an’ireo anarana roa ireo, amin’ny soratra miendri-pantsika. Milaza koa ny Tantaran’i Nabonida fa maty herinandro vitsivitsy taorian’ilay fandresena i Ogbaro, governoran’i Gotioma. I Gobaro kosa anefa resahin’ny soratra miendri-pantsika hafa fa mbola velona sy nanao ny asany nandritra ny 14 taona. Tsy governoran’i Babylona fotsiny, hono, izy, fa governoran’i Babylonia manontolo sy ny “Faritra ampitan’ilay Renirano” koa, anisan’izany i Syria, Fenisia, Palestina, ary hatrany amin’ny sisin-tanin’i Ejipta. Nifehy an’ilay faritra lonaka miendrika volan-tsinana (Croissant fertile) àry i Gobaro, izany hoe ilay faritra nofehezin’ny Fanjakana Babylonianina. Voalaza koa fa “notendrena ho mpanjaka teo amin’ny fanjakan’ny Kaldeanina” i Dariosy Medianina (Tsy misy asa soratra miantso an’i Gobaro hoe “Dariosy” anefa. Misy àry milaza fa anaram-boninahiny na anarana nomena azy tamin’izy lasa mpanjaka ny hoe “Dariosy.” Hoy i W. Albright: “Inoako fa rehefa lasa niantafika tany Atsinanana i Kyrosy, dia nanjaka tokoa i Gobriasy [Gobaro], ary nomena anarana hoe ‘Dariosy’, izay mety ho anaram-boninahitra nentin’ny mpanjaka tany Iran fahiny.” (Gazetin’ny Haisoratra Ara-baiboly, 1921, Boky Faha-40, p. 112, f.a.p. 19) Tsy milaza mihitsy ireo takelaka tanimanga misy soratra miendri-pantsika hoe “mpanjaka” i Gobaro. Mbola misy ihany anefa manantitrantitra hoe i Gobaro no Dariosy Mpanjaka. I Belsazara koa mantsy, hono, tsy lazain’ireo takelaka tanimanga hoe mpanjaka. Milaza anefa ilay “Tononkalo Momba An’i Nabonida” fa ‘nankinin’i Nabonida’ tamin’io zanany lahy io ny “fanjakana.”
Porofo hafa aroson’ny Profesora Whitcomb koa ny voalazan’ny Tantaran’i Nabonida hoe “nanendry ... (governoram-paritra) tao Babylona” i Gobaro, izay governoram-paritra notendren’i Kyrosy. Izany, hono, no mifanitsy amin’ilay resahin’ny Daniela 6:1, 2 hoe ‘nanendry lehibem-paritany roapolo amby zato’ i Dariosy. Milaza àry i Whitcomb fa mety ho nantsoin’ireo olom-peheziny hoe mpanjaka i Gobaro, noho izy lehiben’ireo governora. (Dariosy Medianina, p. 31-33) Hoy koa i A. Olmstead momba ilay faritra midadasika nofehezin’i Gobaro (Gobriasy): “Saika i Gobriasy [Gobaro] irery no nanjaka tamin’iny faritra lonaka midadasika iny, ary tsy nofehezin’iza na iza izy.”—Tantaran’ny Fanjakana Persianina, 1948, p. 56.
Mihevitra àry ny manam-pahaizana sasany fa mety ho governoran’ny fanjakan’ny Kaldeanina i Dariosy Medianina, saingy teo ambany fahefan’i Kyrosy, izay mpitondra fara tampony teo amin’ny Fanjakana Persianina. Hoy i A. Olmstead: “‘Mpanjakan’i Babylona sady mpanjakan’ireo firenena’ i Kyrosy, tamin’ireo olom-peheziny tao Babylona. Nanizingizina izy fa mbola nitohy foana ilay tarana-mpanjaka efa nisy ela tao. Faly àry ireo mponina tao, ka nanohana azy. ... I Gobriasy, lehibem-paritany, anefa no nisolo tena an’ilay mpanjaka rehefa lasa izy.” (Tantaran’ny Fanjakana Persianina, p. 71) Ilay Dariosy resahin’ny Baiboly tokoa io governora io, hoy ny manam-pahaizana sasany, satria voalaza fa “nandray ny fanjakana” i Dariosy ary “notendrena ho mpanjaka teo amin’ny fanjakan’ny Kaldeanina.” Izany, hono, no porofo fa nisy mpanjaka nifehy azy.—Da 5:31; 9:1; ampitahao amin’ny 7:27, izay milaza fa nomen’i Jehovah, ilay “Andriamanitra Fara Tampony”, an’ireo ‘olona masina’ ny fanjakana.
Mbola tsy azo antoka anefa hoe i Gobaro no Dariosy, na dia toa mitovitovy aza ny fanazavana momba azy ireo, ary na dia mety ho governora teo ambany fahefan’i Kyrosy aza i Dariosy. Tsy resahin’ny tantara mantsy hoe inona no fiavian’i Gobaro na taranak’iza izy, mba hahitana raha “Medianina” sy “zanak’i Ahasoerosy” tokoa izy. Tsy resahin’ny tantara koa raha nanana fahefana toy ny an’ny mpanjaka izy, ka afaka namoaka didy toy ilay voalazan’ny Daniela 6:6-9. Milaza koa ny Baiboly fa toa tsy naharitra ny fotoana nanjakan’i Dariosy tao Babylona, fa noraisin’i Kyrosy ny fitondrana tao. Mety ho niara-nanjaka koa anefa izy ireo, fa ilay taona nanendrena an’i Dariosy ho mpanjakan’i Babylona fotsiny no noresahin’i Daniela. (Da 6:28; 9:1; 2Ta 36:20-23) I Gobaro kosa anefa governora nandritra ny 14 taona.
Tsy azo antoka ny voalazan’ny tantara. Tsy miankina amin’ny porofo omen’ny tantara ny maha marina ny fitantaran’ny Baiboly. Tsy vitsy ny olona na zava-nitranga resahin’ny Baiboly no nolazain’ny mpitsikera hoe ‘tsy tena marina.’ Nahitana porofo tsy azo lavina anefa izy ireny tatỳ aoriana fa tena nisy. Tsy tokony hino befahatany an’izay lazain’ny mpitsikera àry ny mpianatra Baiboly. (Jereo BELSAZARA; SARGONA.) Ana hetsiny ireo takelaka tanimanga misy soratra miendri-pantsika nofongarina tany Israely sy ireo firenena manodidina azy, kanefa mbola tsy ampy hahafantarana ny tena marina. Vitsy koa ny asa soratry ny mpahay tantara fahiny (matetika no efa ampahany sisa). Grika ny ankamaroan’ireny mpahay tantara ireny, izay velona 100 na 200 taona na mihoatra taorian’ireo zava-nitranga tantarain’ny bokin’i Daniela.
Hita ao amin’ny bokin’i Daniela ihany anefa ny antony iray mitombina kokoa, mahatonga an’ireo asa soratra babylonianina tsy hiresaka momba an’i Dariosy. Voalaza ao fa notendren’i Dariosy ho amin’ny toerana ambony teo amin’ny fitondrana i Daniela, ka tena tsy faly ny olom-panjakana ambony hafa. Nitetika ny hamono an’i Daniela àry izy ireo, nefa tsy nahomby. Ireo niampanga an’i Daniela sy ny fianakavian’izy ireo indray no nasain’i Dariosy novonoina. Azo inoana àry fa vao mainka nankahala an’i Dariosy ireo olom-panjakana sisa tsy maty. Tena tsy faly koa ireo mpitondra fivavahana tao Babylona rehefa namoaka didy i Dariosy hoe tokony ‘hatahotra an’ilay Andriamanitr’i Daniela’ ny olom-peheziny rehetra. Ireo mpitondra fivavahana sy olom-panjakana anefa no nibaiko an’ireo mpitan-tsoratra, ka tsy mahagaga raha novana tatỳ aoriana izay efa natao an-tsoratra, ary nesorina izay voasoratra momba an’i Dariosy. Efa nisy hoatran’izany koa teo amin’ny tantaran’ny firenen-kafa tamin’izany.
Tokony hekena àry fa marina ny voalazan’ny Baiboly hoe niara-nanjaka ny Medianina sy Persianina. (Da 5:28; 8:3, 4, 20) Na dia i Kyrosy sy ny Persianina aza no tena asongadin’ny tantara, dia asehon’ny Baiboly fa toa niara-nitondra tamin’ny Persianina ny Medianina, ary mbola lalàn’ny “Medianina sy ny Persianina” ihany ny lalàna tamin’izany. (Da 6:8; Es 1:19) Anisan’ireo nandresy an’i Babylona ny Medianina. (Is 13:17-19) Nilaza koa ny Jeremia (51:11) fa anisan’ireo hanafika an’i Babylona “ireo mpanjakan’ny Medianina.” Mety ho iray tamin’ireo mpanjaka ireo i Dariosy.
2. Dariosy Hystaspe, antsoina koa hoe Dariosy Lehibe na Dariosy I (Persianina). Anisan’ny mpanjaka nalaza teo amin’ny Fanjakana Persianina izy. Nilaza izy fa “zanakalahin’i Hystaspe, taranak’i Achéménès, Persianina, zanaka Persianina, Aryanina, ary taranaka Aryanina.” (Tantaran’ny Fanjakana Persianina, p. 122, 123) Taranaka mpanjaka àry, hono, izy ary nitovy ihany ny razamben’izy sy Kyrosy Lehibe, na dia samy hafa aza ny fianakaviana nipoirany.
Teny an-dalana avy tany Ejipta i Cambyse II no maty tamin’ny 522 T.K., ka i Bardiya rahalahiny (na mety ho i Gaumata mpisorona) no nanjaka vetivety tany Persa. Novonoin’i Dariosy sy ny olona ambony persianina enina ilay mpanjaka, ka i Dariosy indray no nitondra. Nosoratan’i Dariosy tamin’ny fiteny telo ny fitantarany an’iny zava-nitranga iny. Nataony sokitra teo amin’ny harambato any Béhistoun ilay soratra makadiry, tandrifin’ny lemaka iray fandalovan’ireo mpivezivezy avy any Bagdad ho any Téhéran. Voalazan’izy io fa nandrombaka fahefana i Gaumata, ary nisandoka ho ilay rahalahin’i Cambyse nisy namono. Manaiky ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa marina io fitantarana io (naverimberin’i Dariosy tao foana ny hoe “marina izany fa tsy lainga”). Misy anefa mihevitra fa “mpandainga be” i Dariosy, ary izy no tena nandrombaka fahefana, raha jerena ny porofo. Na ahoana na ahoana, dia nikomy ny vahoaka raha vao nanjaka kelikely izy. Toa niady tamin’ireo mpikomy nanerana ilay fanjakana izy nandritra ny roa taona, ary resiny ireny. Resin’i Dariosy indray i Ejipta tamin’ny 519-518 T.K. tany ho any, na dia efa tsy nanaiky hofehezin’i Persa intsony aza. Nitariny hatrany India (Inde) tany atsinanana avy eo ny fanjakany, ary hatrany Thrace sy Makedonia tany andrefana. Nalaza koa izy noho izy nahay nanavao ny rafi-pitantanana nanerana ny fanjakany, namorona fehezan-dalàna nantsoina hoe Fitsipika Momba Izay Tokony Hatao, ary nanokatra indray ilay lakandrano mampifandray ny Reniranon’i Neily any Ejipta sy ny Ranomasina Mena.
Ao amin’ilay fitantarana momba ny nanorenana indray ny tempolin’i Jerosalema no iresahan’ny Baiboly an’i Dariosy Hystaspe. Napetraka ny fototr’ilay tempoly tamin’ny 536 T.K. Voarara anefa ilay asa tamin’ny 522 T.K. ary “mbola nitsahatra izany hatramin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy” (520 T.K.). (Ezr 4:4, 5, 24) Nentanin’i Hagay sy Zakaria mpaminany ireo Jiosy tamin’io taona io, ka notohizin’izy ireo indray ilay asa. (Ezr 5:1, 2; Hg 1:1, 14, 15; Za 1:1) Nanadihady momba ilay fanorenana àry i Tatenay, governoran’ny faritra andrefan’i Eofrata, sy ny manam-pahefana hafa. Nandefa taratasy tany amin’i Dariosy mpanjaka persianina izy ireo avy eo. Noresahin’izy ireo tao fa nanorina tempoly ny Jiosy, sady nilaza fa nahazo alalana hanao azy io. Nangatahin-dry Tatenay àry ny hikarohana tao amin’ireo taratasy tahirin’ny mpanjaka, mba hahitana raha nisy tokoa ilay fanomezan-dalana. (Ezr 5:3-17) Nilaza ny Jiosy fa i Nebokadnezara Kaldeanina no nandrava an’ilay tempoly, fa i Kyrosy Persianina kosa no nanome alalana ny hanorenana azy io indray. Tsy maintsy ho nahafaly an’i Dariosy izany filazana izany, satria nisy mpikomy roa samy nitondra anarana hoe Nebokadnezara (nantsoin’ny mpahay tantara hoe Nebokadnezara III sy Nebokadnezara Faha-4) tsy maintsy niadiany, tamin’izy vao nanjaka kelikely. Nihambo ho zanak’i Nabonida izy roa lahy ireo, ary nitady hanafaka an’i Babylona tsy ho eo ambany fifehezan’i Persa.
Hita tao amin’ireo taratasy notehirizina tao Ekbatana, renivohitr’i Media fahiny, ilay didy navoakan’i Kyrosy. Nomen’i Dariosy baiko àry i Tatenay Governora sy ny manam-pahefana hafa mba Ezr 6:1-12.
tsy hanakantsakana an’ilay asa fanorenana. Nodidiany koa izy ireo hanome vola avy tao amin’ny “trano fitehirizana ny harenam-panjakana izay misy ny hetra avy any ampitan’ny Renirano”, sy hanome biby sy izay rehetra nilaina mba hanaovana sorona. Hahantona amin’ny hazo izay tsy manaiky ny didin’ny mpanjaka, ary “hatao kabinem-bahoaka ny tranony.”—Nanampy an’ireo Jiosy ny manam-pahefana, ary nanentana azy ireo foana ny mpaminany. (Za 7:1; 8:1-9, 20-23) Vita soa aman-tsara àry ilay tempoly “tamin’ny andro fahatelon’ny volana Adara, tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Dariosy.” (Ezr 6:13-15; tamin’ny 6 Martsa 515 T.K.) Nanatanteraka ny fikasan’i Jehovah Andriamanitra ilay didin’i Dariosy, ary azo antoka fa i Jehovah no nahatonga azy hamoaka izany. Resahin’ny asa soratr’i Dariosy anefa fa mpivavaka tamin’i Ahoura Mazda izy. Nanohana an’ilay asa fanorenana àry izy satria tsy azo novana ny lalàn’ny Medianina-Persianina. Tsy dia sarotiny tamin’ny fivavahana hafa koa ny fitondran’i Dariosy, araka ny nosoratany.
Nanafika an’i Gresy. Maromaro ny tanàna grika tany Ionia nikomy tamin’i Persa, tamin’ny 500 T.K. tany ho any. Resin’i Dariosy ireny tanàna ireny, kanefa tapa-kevitra izy ny hanafay an’i Atena sy Eretria izay nanohana an’ireny. Nanafika an’i Gresy àry ny tafik’i Dariosy, nefa resy tao Marathon tamin’ny 490 T.K. Mbola niomana hanafika an’i Gresy indray i Dariosy. Tsy tanteraka anefa ny fikasany, satria maty tamin’ny 486 T.K. izy. I Ksersesy zanany no nandimby azy.
3. Resahin’ny Nehemia 12:22 ny fanoratana anarana an’ireo lohan’ny fianakaviamben’ny Levita “tamin’ny andron’i Eliasiba sy Joiada sy Johanana ary Jadoa, ka hatramin’ny andro nanjakan’i Dariosy Persianina.” I Eliasiba no mpisoronabe, rehefa niverina tany Jerosalema i Nehemia. (Ne 3:1) Efa nanambady anefa ny zanakalahin’i Joiada zanak’i Eliasiba (Ne 13:28), rehefa niverina fanindroany tany i Nehemia (taorian’ny taona faha-32 nanjakan’i Artaksersesy [443 T.K.]). Azo inoana àry fa i Dariosy Ochus (antsoina koa hoe Nothus), izay nanjaka tamin’ny 423 ka hatramin’ny 405 T.K., io “Dariosy” io.
Misy taratasy hita niaraka tamin’ny Horonana Papyrus tao Éléphantine (vita tamin’ny faramparan’ny taonjato fahadimy T.K.). Milaza izy io fa i “Johanana” no mpisoronabe tao Jerosalema tamin’izany fotoana izany.