Dihy
Fihetsehan’ny vatana manaraka mozika milamina na mihetsiketsika be, mba hanehoana toe-tsaina sy fihetseham-po, toy ny hafaliana matetika, fa mahalana vao fahatezerana sy valifaty (toy ny ataon’ireo andeha hiady). Mampivoaka an’ilay fihetseham-po koa ny akanjo maro loko anaovan’ny mpandihy na ny zavatra hafa eny aminy.
Efa hatry ny ela ny olona no nahay nandihy, ary saika ny firenena rehetra fahiny no nandihy ho fanehoana fihetseham-po, indrindra rehefa nanompo ny andriamaniny. Teny maromaro no nadika ao amin’ny Soratra Hebreo hoe “mandihy”, ‘dihy faribolana’, ‘mandihy mihodinkodina’ ary “mitsinjatsinjaka.” Nadika koa hoe ‘mandihy’ ny matoanteny hebreo hoe hol (‘mitambolimbolina’). (Mpts 21:21; ampit. Je 30:23.) Avy amin’izy io ny hoe mahôhl (‘mandihy’, Je 31:4; “dihy faribolana”, Sl 150:4) sy hoe mehôlah (“dihy”, To 6:13; ‘mandihy manao faribolana’, Mpts 21:21).
Rehefa nandresy sy nifety. Nidera sy nisaotra an’i Jehovah ny Israelita, rehefa nahita ny nandringanany ny Ejipsianina. Tena nino izy ireo fa mahery i Jehovah. Niredona hiram-pandresena àry i Mosesy sy ireo lehilahy, fa i Miriama kosa nitarika an’ireo vehivavy handihy sy hively ampongatapaka. (Ek 15:1, 20, 21) Nidera an’i Jehovah ka nandihy koa ny zanakavavin’i Jefta rehefa nivoaka hitsena an-drainy, izay nampian’i Jehovah handresy an’ireo Amonita. (Mpts 11:34) Nandihy tamin’ny feon’ny mandôlinina sy ampongatapaka ny vehivavy israelita nitsena an’i Saoly sy Davida, rehefa resin’i Jehovah ny Filistinina. (1Sa 18:6, 7; 21:11; 29:5) Nisy dihy koa tamin’ny fety sasany fanao isan-taona ho an’i Jehovah. (Mpts 21:19-21, 23) Ampirisihin’ny Salamo handihy izay te hanome voninahitra sy dera an’i Jehovah. “Miderà an’i Jah! ... Aoka izy ireo hidera ny anarany amin’ny dihy. Aoka izy ireo hihira fiderana ho Azy amin’ny ampongatapaka sy ny harpa.” “Derao amin’ny ampongatapaka sy ny dihy faribolana izy.”—Sl 149:1, 3; 150:4.
Tonga tao Jerosalema ny Vata misy ny fifanekena rehefa ela ny ela. Fotoana niavaka sy nahafaly tamin’izay, indrindra ho an’i Davida Mpanjaka ka nandihy be izy. “Ary nandihy nihodinkodina teo anatrehan’i Jehovah tamin’ny heriny manontolo i Davida ... nitsinjaka sy nandihy nihodinkodina teo anatrehan’i Jehovah.” (2Sa 6:14-17) “Nitsinjatsinjaka” izy, hoy ny fitantarana mitovy amin’io.—1Ta 15:29.
Nandihy ho an’ny andriamaniny koa ny firenena mpanompo sampy fahiny. Nanao filaharam-be ho an’ny andriamaniny ny Babylonianina sy firenen-kafa, ary matetika no nisy dihy natao tamin’izay. Natao dihy ny tantara sy dihin’ny andriamanitra resahin’ny angano, tany Gresy. Nisy koa dihy natao hanairana ny filan-dratsin’ny mpandihy sy mpijery, toy ny nataon’ny Kananita, izay nandihy nihodidina ny andriamanitry ny fahavokarana sy ny tsato-kazo masina. Nandihy nitsinjatsinjaka be ireo nivavaka tamin’i Bala, toy ireo mpisoron’i Bala tamin’ny andron’i Elia. Nandidididy ny vatany izy ireo tamin’izay, sady “nihinjakinjaka nanodidina” ny alitara, noho ny herin’ny demonia. (1Mp 18:26-29) “Nandringaringa” (Kat., f.a.p.) na “nitsambikimbikina” (Sg) izy ireo, hoy ny Baiboly hafa. Nanao dihin’ny mpanompo sampy teo anoloan’ilay zanak’omby volamena koa ny Israelita, ka nomelohin’i Jehovah.—Ek 32:6, 17-19.
Dihy hafa resahin’ny Baiboly. Niara-nandihy fa tsy nandihy irery ny Israelita, indrindra fa ny vehivavy. Raha nandihy teo koa ny lehilahy, dia toa nandihy nitokana izy ireo. Nilahatra sady nanao faribolana ny mpandihy (Mpts 21:21; 2Sa 6:14-16), nefa tsy hoatran’ny dihin’ny mpanompo sampy ny nataony. Tsy nitovy mantsy ny antony nandihizana, ny zava-kendrena tamin’ireo dihy, ny fihetsehan’ny vatana ary ny fandraisan’ny mpijery azy.
Ôrkeômai no nadika hoe “dihy” ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Hoy i W. Vine: “Toa nidika hoe manainga tongotra [izy io] tany am-boalohany; ary lasa nidika hoe mitsambikina amin’ny fomba mirindra.” (Diksionera Manazava ny Testamenta Vaovao, 1962, Boky 1, p. 266) Faly be tamin’ny dihin’i Salome i Heroda rehefa nankalazaina ny andro nahaterahany, ka nekeny ny hanomezana azy io ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa. (Mt 14:6-11; Mr 6:21-28; jereo SALOME No. 2.) Nilaza i Jesosy Kristy fa toy ny ankizy milalao sy mandihy eny an-tsena ny taranaka tamin’ny androny. (Mt 11:16-19; Lk 7:31-35) Kôrôs (gr.) kosa no nampiasainy tao amin’ny fanoharana momba ilay zanaka adala, mba hilazana mpandihy maromaro nokaramaina hampiala voly rehefa fety.—Lk 15:25.