Elisa
(Elìsa) [Andriamanitra dia Famonjena].
Zanakalahin’i Safata sady mpaminanin’i Jehovah, tamin’ny taonjato fahafolo sy fahasivy T.K. Izy no nandimby an’i Elia mpaminany. Nasain’i Jehovah nanosotra an’i Elisa tany Abela-mehola i Elia. Teo am-piasana tany i Elisa no hitany, ary natsipiny teny aminy ny akanjona mpaminany nanaovany. Midika izany fa nanendry an’i Elisa handimby azy i Elia. (1Mp 19:16) Omby 24 nandeha tsiroaroa no teo alohan’i Elisa, tamin’izy niasa tany, “ary izy no teo amin’ireo omby roa faharoa ambin’ny folo farany.” Nilaza i William Thomson tamin’ny taonjato faha-19, fa fanaon’ny Arabo ny niaraka maromaro rehefa niasa tany tamin’ny angadinomby kely, mba ho mora tamin’ny mpamafy ny namafy tamin’izay tany voasa iray andro. (Ilay Tany sy Ilay Boky, 1887, p. 144) I Elisa no tany aoriana indrindra, ka afaka niato izy nefa tsy voahelingelina ny hafa. Nalainy ireo omby roa teo aminy, ary nataony sorona, ka ny hazo tamin’ny angadinomby no nataony kitay. Hita avy amin’izany fa tonga dia vonona sy tapa-kevitra ary nahay nankasitraka izy rehefa notendren’i Jehovah. Nanaraka an’i Elia avy hatrany izy, rehefa avy nikarakara sakafo.—1Mp 19:19-21.
Lasa mpanompon’i Elia i Elisa, nandritra ny enin-taona angamba. I Elia no lehiben’ny mpaminany, ary niara-niasa akaiky taminy i Elisa, izay nantsoina hoe “mpanondraka rano ny tanan’i Elia”, isaky ny nisasa tanana i Elia.—2Mp 2:3-5; 3:11.
Raha vao niaraka tamin’i Elia i Elisa, dia nanao ny asan’ny mpaminany teo amin’ny Israely, tamin’ny andro nanjakan’i Ahaba, Ahazia, Jorama, Jeho, ka hatramin’i Joasy. Ireto kosa no mpanjaka tany Joda tamin’izany: I Josafata, Jorama, Ahazia, Atalia, Joasy, ary Amazia. Nanompo nandritra ny 60 taona teo ho eo i Elisa taorian’ny nisarahany tamin’i Elia.—SARINTANY, Boky 1, p. 949.
Toa tsy milahatra araka ny fotoana nisehoany ny fitantarana ny asa nataon’i Elisa ao amin’ny bokin’ny Mpanjaka Faharoa. Tantarain’ny toko faha-5, ohatra, hoe lasa boka i Gehazy. Tsy nahazo nifanerasera tamin’ny olona intsony àry izy taorian’izay. Resahin’ny toko faha-8 anefa hoe nifampiresaka tsara izy sy Jorama mpanjakan’ny Israely. Mitantara koa ny toko faha-13 fa maty i Joasy mpanjakan’ny Israely, kanefa aorian’izay misy fitantarana momba ny resaka farany nifanaovany tamin’i Elisa. (2Mp 13:12-21) Matetika àry no nampiarahina izay asa sy fahagagana mitovitovy nataon’i Elisa, ohatra hoe 1) izay nahasoa an’ireo mpaminany sy olona manokana (2Mp 4:1–6:7), ary 2) izay mahakasika an’ilay firenena sy ny mpanjaka.—2Mp 6:8–7:20.
Nandimby an’i Elia. Tamin’ny 917 T.K. tany ho any, na taoriana kelin’izay, i Elisa no nandimby an’i Elia. Niakatra ho any amin’ny lanitra tao anaty tafio-drivotra i Elia tamin’izay. (2Mp 1:17; 2:1, 11, 12) Talohan’ny hisarahan’izy ireo anefa, dia nangataka tamin’i Elia i Elisa mba hahazo “anjaran’olon-droa amin’ny fanahy” miasa ao aminy, izany hoe anjara tokony ho an’ny lahimatoa. Nitana an’izany toeran’ny lahimatoa izany izy, noho izy notendrena handimby an’i Elia rehefa natsipy teny aminy ilay akanjona mpaminany. (2Mp 2:9) Fantatr’i Elia fa tsy anjarany ny hanome ilay zavatra nangatahin’i Elisa, ka nolazainy fa ho azon’i Elisa izany raha hitany ny hakana an’i Elia hiala taminy. Navelan’i Jehovah hahita ny niakaran’i Elia ho any amin’ny lanitra tao anaty tafio-drivotra tokoa i Elisa. Rehefa lasa i Elia, dia latsaka avy teny aminy ilay akanjona mpaminany nanaovany, izay vita tamin’ny volom-biby. Noraisin’i Elisa ilay akanjo, ka izay no famantarana fa izy no mpandimby an’i Elia. Nasehon’i Jehovah teo amoron’ny Reniranon’i Jordana fa nomba an’i Elisa Izy, matoa i Elisa nahavita nanasaraka an’ilay renirano ho roa tamin’ilay akanjo teny aminy.—2Mp 2:9-15.
Niampita an’ilay renirano i Elisa, mba hiverenana tany amin’ireo zanaky ny mpaminany tany Jeriko. Nisy porofo fanampiny fa izy no lehiben’ireo mpaminanin’Andriamanitra. Nositraniny mantsy ny rano tao an-tanànan’i Jeriko, izay ratsy ka nahatonga ny olona ho afa-jaza. Naka sira tao anaty vilia baolina kely vaovao izy, ary nankany amin’ny loharanon’ilay renirano. Natsipiny tao ilay sira, ka “mbola sitrana mandraka androany ilay rano.”—2Mp 2:19-22.
Niala tao Jeriko i Elisa, ary niakatra nankany Betela, tokotokony ho 900 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina. Efa tany amin’ireo zanaky ny mpaminany tao Betela ihany izy teo aloha, saingy niaraka tamin’i Elia. (2Mp 2:3) Teny an-dalana dia nisy andian’ankizy maditra nanao tsinontsinona azy sy ny naha mpaminany azy. Nanakora an’i Elisa izy ireo hoe: “Miakara, ry ilay sola! Miakara, ry ilay sola!” Te hilaza izy ireo hoe tokony hanohy ny diany miakatra any Betela i Elisa, na hoe tokony hiala amin’ny tany toy ilay nodimbiasany. (2Mp 2:11) Mba hahalalan’ireo ankizilahikely ireo sy ny ray aman-dreniny fa tokony hohajaina ny mpaminanin’ i Jehovah, dia niherika i Elisa ary nanozona azy ireo tamin’ny anaran’i Jehovah. Nisy orsavavy roa nivoaka tampoka avy tany anaty ala, ka namiravira 42 tamin’izy ireo.—2Mp 2:23, 24.
Nikomy i Mesa mpanjakan’i Moaba (ilay nanao an’ilay antsoina hoe Vato Moabita), ka nandeha nanafay azy i Jorama mpanjakan’ny Israely, sy Josafata mpanjakan’ny Joda, ary ny mpanjakan’i Edoma. Tafahitsoka tany an-tany efitra tsy nisy rano anefa izy ireo. Nampiantso mpaminanin’Andriamanitra àry i Josafata Mpanjaka. Niantso mpitendry lokanga i Elisa, ka rehefa nandre mozika izy dia niasa taminy ny fanahin’i Jehovah. Tsy noho i Jorama no nanaovany an’izany fa ho fanajana an’i Josafata, izay nankasitrahan’i Jehovah. (Ampit. 1Sa 10:5, 6.) Nasain’i Elisa nanao tatatra maro ny olona. Feno rano ireo ny ampitso maraina, ka rehefa nitaratra teo ny masoandro vao niposaka, dia toy ny ra no fahitan’ny Moabita ilay rano. Nihevitra ny Moabita fa nifamono ny Israely sy ireo mpiray dina taminy. Nirohotra nankeo amin’ilay toerana àry izy ireo mba haka babo. Tsy nampoiziny anefa fa nipoitra tampoka ny Israely ary nandresy azy ireo. (2Mp 3:4-27) Teo anelanelan’ny taona 917 T.K. sy 913 T.K. izany no nitranga.
Maromaro ny fitantarana momba ny fahagagana nataon’i Elisa ho an’olona manokana. Sahirana mafy, ohatra, ny mpitondratena iray (anisan’ny zanaky ny mpaminany ilay vadiny efa maty). Nanao fahagagana i Elisa ka nampitomboiny ny menaka nananan’ilay vehivavy, mba hanavotana ny zanany lahy tsy ho lasa andevon’ny tompon-trosa. (2Mp 4:1-7) Mitovitovy amin’ny fahagagana faharoa nataon’i Elia izany, tamin’izy nampitombo ny lafarinina sy ny menak’ilay mpitondratena tao Zarefata.—1Mp 17:8-16.
Tena nahay nandray vahiny ny vehivavy nanan-kaja iray tany Sonema, tany amin’ny Lohasahan’i Jezirela. Fantany fa “olo-masin’Andriamanitra” i Elisa, ka nomeny efitra fivantanana satria nandalo matetika tany. Tsara fanahy ilay vehivavy ka nampanantena i Elisa fa hitera-dahy izy, na dia efa antitra aza ny vadiny. Niteraka lahikely tokoa izy herintaona tatỳ aoriana, saingy mbola zaza izy io dia efa maty. Natsangan’i Elisa tamin’ny maty ilay zaza, ary io no fananganana tamin’ny maty voalohany nataony, toy ny nananganan’i Elia ny zanakalahin’ilay mpitondratena tany Zarefata. (2Mp 4:8-37; 1Mp 17:17-24) Novalian-tsoa ilay vehivavy tany Sonema satria tsara fanahy tamin’ny mpaminanin’Andriamanitra.—Ampit. Mt 10:41.
Niverina tany Gilgala, tany amin’ireo tendrombohitra tany avaratr’i Betela, i Elisa, tany amin’ireo zanaky ny mpaminany tany. Namely ny mosary tamin’izay. Nisy voatangomboalavo narotsaka tsy nahy tao anaty vilany, ka voapoizina ny lasopy. Hoy ny olona raha vao nanandrana an’ilay izy: “Misy zava-mahafaty ao am-bilany, ry lehilahin’Andriamanitra ô!” Nisy mosary tamin’izay, ka tsy nety ny nanary sakafo. Nangataka lafarinina àry i Elisa, ary narotsany tao am-bilany izany, ka azo nohanina ilay lasopy satria “tsy nisy zava-dratsy intsony tao am-bilany.”—2Mp 4:38-41.
Mafy ny mosary tamin’izany, ka ho fankasitrahana ny ezaka nataon’ireo mpaminanin’i Jehovah, dia namatsy sakafo azy ireo ny sisa tamin’ireo Israelita tsy nandohalika teo anatrehan’i Bala. Nisy lehilahy iray àry nitondra voa madinika sy mofo 20 vita tamin’ny vary orza, ary nasain’i Elisa nozaraina tamin’ny rehetra izany. Lehilahy 100 anefa ny “zanaky ny mpaminany” teo. Na dia nisalasala aza ilay nandroso sakafo, dia nihinana ny rehetra ka voky, ary mbola nisy sisa tsy lany aza.—2Mp 4:42-44; ampit. Mr 6:35-44.
Nositraniny i Namàna. Nasain’i Beni-hadada II mpanjakan’i Syria nankany amin’ny mpanjakan’ny Israely i Namàna lehiben’ny tafika syrianina mba hositranina. Boka mantsy io lehilahy manan-kaja sy mahery fo io, izay nanavotra an’i Syria. Mbola afaka nitana andraikitra ambony ihany ny olona boka tany Syria, fa tsy toy izany kosa tany Israely. (Le 13:46) Naniraka an’i Namàna i Beni-hadada, noho ny tenin’ny zazavavikely israelita babo iray nanompo tao an-tranon’i Namàna. Natoky an’i Jehovah io zazavavikely io, ary noresahiny tamin’ny tompovaviny ny momba an’i Elisa mpaminanin’i Jehovah tany Israely. Noheverin’ny mpanjakan’ny Israely hoe nila ady taminy i Beni-hadada, ka hoy izy: “Izaho angaha Andriamanitra ka mahay mamono na misakana tsy ho faty?” Ren’i Elisa fa very hevitra ny mpanjakan’ny Israely, ka hoy izy: “Mba alefaso atỳ amiko izy, dia ho fantany fa misy mpaminany tokoa eto amin’ny Israely.”—2Mp 5:1-8.
Tsy nankany amin’i Namàna i Elisa, fa ny mpanompony no nirahiny hilaza taminy mba handro impito tany amin’ny Reniranon’i Jordana. Tezitra be aloha i Namàna, nefa nanetry tena ihany izy ary nanao an’ilay zavatra tsotra nasaina nataony ka lasa nadio. Niverina tany amin’i Elisa i Namàna ary nivoady fa tsy hivavaka afa-tsy amin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely. Nitondra “tany zakan’ny ramole roa” avy tany Israely izy ka nentiny nody. Eo amin’izany izy no hanao fanatitra ho an’i Jehovah, ka azo inoana fa hitodika any amin’ny tempolin’i Jerosalema izy rehefa hanao izany. Manamboninahitra ambony tao an-dapan’ny mpanjakan’i Syria i Namàna, ka rehefa niankohoka tamin’i Rimona andriamani-diso ny mpanjaka dia voatery niankohoka koa izy satria izy no nitehenan’ny mpanjaka, ary anisan’ny asany izany. Nanefa ny adidiny tamin’ny mpanjaka fotsiny anefa izy tamin’izany, satria efa nilaza izy fa tsy hivavaka amin’i Rimona intsony. Nomeny fanomezana 2Mp 5:9-19; ampit. Mt 10:8.
i Elisa saingy tsy nety nandray. Mety tsara izany satria ny herin’i Jehovah no nahavitany an’ilay fahagagana fa tsy ny heriny, ka tsy tokony hanararaotra ny fahefana nomen’i Jehovah izy.—Maimay te hahazo tombony i Gehazy mpanompon’i Elisa, ka lasa nanenjika an’i Namàna ary nangataka ny sasany tamin’ireo fanomezana nolavin’i Elisa. Nandainga tamin’i Elisa izy mba hanafenana izay nataony. Nahazo ny sazy sahaza azy izy satria hoy i Elisa: “Hiraikitra aminao sy ny taranakao mandritra ny fotoana tsy voafetra ny habokan’i Namàna.”—2Mp 5:20-27.
Nila nifindra tany amin’ny toerana nalalaka kokoa ireo zanaky ny mpaminany, izay niaraka tamin’i Elisa. Nandeha nikapa hazo tany amin’ny Reniranon’i Jordana izy ireo mba hanaovany trano vaovao. Famaky nindramina no nampiasain’ny iray tamin’ireo mpaminany. Nipitika tany anaty rano anefa ny lelan’ilay famaky. Azo inoana fa tsy tian’i Elisa ho afa-baraka ireo mpaminany, ka nanipy tapa-kazo teo amin’izay nilatsahan’ilay lelam-pamaky izy, ary nitsinkafona ilay izy. Noporofoin’i Jehovah tamin’izany fa nanampy ny mpaminaniny izy.—2Mp 6:1-7.
Tsy azon’ny Syrianina ny Israelita. Nokasain’i Syria hotafihina tampoka ny Israely, tamin’ny andro nanjakan’i Jorama. Imbetsaka no nandamòka ny tetik’i Beni-hadada II, satria nampahafantarin’i Elisa an’i Jorama mpanjakan’ny Israely foana ilay izy. Noheverin’i Beni-hadada aloha hoe nisy mpamadika tao an-tobiny. Rehefa fantany anefa fa i Elisa no tena rangory fototry ny afo, dia nandefa tafika tany Dotana izy mba haka azy. Nasian’izy ireo soavaly sy kalesin’ady nanodidina ilay tanàna. (SARY, Boky 1, p. 950) Natahotra mafy ny mpanompon’i Elisa. Nivavaka anefa i Elisa mba hampahiratina ny mason’ilay mpanompo, ary dia hitany fa “indreo feno soavaly sy kalesy afo ny faritra be tendrombohitra manodidina an’i Elisa.” Rehefa nihananatona ny Syrianina dia nivavaka indray izy mba hisian’ny fahagagana nifanohitra tamin’ny teo aloha. Hoy izy: “Mba ataovy jamba re io firenena io e!” Avy eo, dia hoy izy tamin’ny Syrianina: “Manaraha ahy.” Tsy jamba ara-bakiteny izy ireo, matoa tsy nila nitantana azy i Elisa. Ny sain’izy ireo kosa no toy ny jamba, satria lasa tsy fantany ilay Elisa tokony hosamboriny, sy ny lalana nitondrany azy ireo.—2Mp 6:8-19.
Inona ilay karazana fahajambana namelezan’i Jehovah an’ireo Syrianina saika hisambotra an’i Elisa?
Hoy i William James momba an’io karazana fahajambana io: “Mahavariana fa rehefa tsy miasa tsara ny ao amin’ny fonon’ny atidoha, dia mety ho lasa toy ny jamba ny saina. Tsy ny maso no lasa tsy mahita fa ny saina no tsy mahay mamantatra an’ilay zavatra hitan’ny maso. Azo lazaina hoe tsy misy ifandraisany intsony ny fahitan’ny maso sy ny fanazavana azon’ny atidoha momba ilay zavatra hitan’ny maso. Mitranga izany rehefa misy tapaka ny fampitana hafatra avy any amin’ny maso mankany amin’ny atidoha.”—Toro Lalana Momba ny Psikolojia, 1981, Boky I, p. 59.
Nitarika an’ireo Syrianina ho any Samaria i Elisa, ary nivavaka izy mba hampahiratan’i Jehovah ny mason’izy ireo. Hitan’ny Syrianina àry fa teo afovoan’i Samaria izy ireo, teo anatrehan’i Jorama Mpanjaka. Natoky ny herin’i Jehovah i Elisa, ka tsy namaly faty satria tsy navelany hamono an’ireo Syrianina ireo ny mpanjakan’ny Israely. Nolazainy mantsy hoe efa toy ny babo an’ady ireo. Nasain’i Elisa nanao fanasambe ilay mpanjaka, ary nalefa nody izy ireo avy eo. Inona no vokatr’izany? “Tsy nankany amin’ny tanin’ny Israely intsony ny Syrianina mpandroba, na indray mandeha aza.”—2Mp 6:20-23.
Tsy nandefa mpandroba intsony i Beni-hadada II, fa tafika no nalefany hanao fahirano an’i Samaria. Tena mafy ilay fahirano matoa ny mpanjaka nandre tatitra iray, fara fahakeliny, nilaza fa nisy vehivavy nihinana ny zanany naterany. Nivoady ny hamono an’i Elisa i Jorama Mpanjaka, “zanaky ny mpamono olona”, izany hoe zanak’i Ahaba. Vava fotsiny anefa izany fa tsy notanterahiny. Niaraka tamin’ny manamboninahitra lefiny i Jorama nankany an-tranon’ilay mpaminany. Nilaza tamin’i Elisa izy fa tsy nanantena intsony hoe hanampy azy i Jehovah. Nanome toky an’ilay mpanjaka anefa i Elisa fa ho be dia be ny sakafo ny ampitson’io. Nihomehezan’ilay manamboninahitra io faminaniana io ka hoy i Elisa taminy: “Ho hitan’ny masonao izany, nefa tsy hihinana amin’izany ianao.” Nataon’i Jehovah nandre tabataba be ny tao an-tobin’ny Syrianina, ka nihevitra izy ireo hoe nitambatra ny tafik’ireo firenena ary tonga nanafika azy ireo. Lasa nandositra àry ny Syrianina, ary navelany teo ny tobiny sy ny tahirin-tsakafony. Rehefa hitan’ny mpanjaka izany, dia notendreny hiandraikitra ny vavahadin’i Samaria ilay manamboninahitra lefitra. Nirohotra nandroba an’ilay toby ireo Israelita mosarena, ka voahitsakitsaka ilay manamboninahitra, ary maty. Nahita an’ilay sakafo tokoa izy nefa tsy nihinana tamin’izany.—2Mp 6:24–7:20.
Notendrena ho mpanjaka i Hazaela sy Jeho. Narary efa ho faty i Beni-hadada II, mpanjaka tany Damaskosy, any Syria, ka naniraka an’i Hazaela mba hanontany an’i Elisa raha ho velona ihany izy. Niasa tamin’i Elisa ny fanahin’i Jehovah ka azony 2Mp 8:7-15.
sary an-tsaina ny zavatra hitranga amin’ny hoavy: Handrombaka ny fanjakan’i Beni-hadada i Hazaela, sady havelan’i Jehovah hanao zavatra faran’izay mahatsiravina amin’ny Israely. Nalahelo i Elisa, nefa sazy sahaza ny Israely izany noho ny fahotan’izy ireo. Izao no nasain’i Elisa nolazain’i Hazaela tamin’i Beni-hadada: “Ho sitrana tokoa ianao.” Hoy koa i Elisa: “Efa nasehon’i Jehovah ahy anefa fa ho faty tokoa izy.” Nolazain’i Hazaela tamin’i Beni-hadada ilay teny voalohany, fa ilay faharoa kosa notanterahiny mihitsy. Natsobony tao anaty rano mantsy ny lamba-pandrian’i Beni-hadada ary nosaronany an’iny ny tarehin’i Beni-hadada, ka maty izy. I Hazaela indray àry no lasa mpitondra an’i Syria.—Mbola nisy asa tokony ho nataon’i Elia tsy maintsy novitain’i Elisa: Tokony hohosorana i Jeho mba hanatanteraka ny fanamelohan’Andriamanitra ny ankohonan’i Ahaba ratsy fanahy. (2Mp 9:1-10) Nanatanteraka izany i Elisa, 18 taona mahery taorian’ny nanirahan’i Jehovah an’i Elia hanao izany. Hitan’i Elisa koa ny nahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny 1 Mpanjaka 19:15-17 sy 21:21-24.
I Jorama no nanjaka tany Israely, ary i Ahazia zanak’anabaviny no nanjaka tany Joda, rehefa nohosorana i Jeho. Nampijalijalin’i Hazaela mpanjakan’i Syria ny Israely tamin’ny androny, ka naratra tamin’ny ady tany Ramota-gileada i Jorama. (2Mp 9:15) Avy hatrany i Jeho dia namita ny iraka nampanaovina azy ka naripany avokoa ny ankohonan’i Ahaba, ary tsy nisy nasiany niangana. (2Mp 10:11) Novonoiny aloha i Jorama mpanjakan’ny Israely, izay mbola naka aina tany Jezirela. Tanteraka ny faminanian’i Elia ka tany ivelan’ny tanàna i Jorama no novonoina, ary natsipy teo amin’ny sombin-tanin’i Nabota Jezirelita. (2Mp 9:16, 21-26) Rehefa tonga tao Jezirela i Jeho, dia novonoiny koa i Jezebela ratsy fanahy, renin’i Jorama mpanjakan’ny Israely sady reniben’i Ahazia mpanjakan’ny Joda. Nasain’i Jeho nalevina izy, saingy navelan’i Jehovah hohanin’ny alika ny nofony. Tanteraka tamin’izany àry ilay nolazain’i Elia mpaminany. Tsy nisy fasana ho fahatsiarovana an’i Jezebela mihitsy. (2Mp 9:30-37) Notapahin-doha ireo zanak’i Ahaba 70 lahy. Novonoin’i Jeho tamin’ny sabatra koa i Ahazia, zafikelin’i Ahaba (2Mp 10:1-9; 9:27, 28), mbamin’ireo 42 lahy rahalahin’i Ahazia.—2Mp 10:12-14; 1Mp 21:17-24.
Nofongorana ny fivavahana tamin’i Bala. Nanohy ny diany niakatra nankany Samaria renivohitra i Jeho, ka nifanena tamin’i Jonadaba, izay nanohana azy tanteraka tamin’ny famongorana ny fivavahana tamin’i Bala. Niara-nandeha kalesy nankany Samaria izy roa lahy mba hahita ny ezaka farany hanafoanana tanteraka ny fivavahana tamin’i Bala nanerana an’i Israely. Nanao tetika i Jeho ka novorina tao an-tranon’i Bala ny mpivavaka taminy rehetra, ary nasainy nanao akanjo famantarana izy ireo. Feno hipoka ilay trano, ary tsy nisy mpivavaka tamin’i Jehovah mihitsy tao. Nasain’i Jeho novonoin’ireo lehilahy niaraka taminy daholo ny mpivavaka tamin’i Bala, noravana ny tsangambato masina, ary narodana ny tranon’i Bala ka natao kabine.—2Mp 10:15-27.
Novitain’i Elisa àry ny asa natombok’i Elia. Fongotra ny fivavahana tamin’i Bala nanerana an’i Israely. Tsy mba nentina nankany amin’ny lanitra tao anaty tafio-drivotra mba hafindra toerana toa an’i Elia i Elisa, talohan’ny hahafatesany. Maty noho ny fahanterana izy, tamin’ny andron’i Joasy mpanjakan’ny Israely. Nitady hanafika ny Israely indray i Syria, raha mbola teo amin’ny fandriana hialany aina i Elisa. Nankany amin’i Elisa i Joasy Mpanjaka ary hoy izy: “Ry raiko ô, ry raiko ô, ny kalesin’adin’ny Israely mbamin’ny mpitaingin-tsoavaliny!” Toa nangataka fanampiana ara-tafika hiadiana tamin’ny Syrianina izy rehefa nilaza izany. Nasain’i Elisa nikapoka ny tany tamin’ny zana-tsipìkany i Joasy. Tsy tena nafana fo anefa izy rehefa nanao izany, fa intelo fotsiny izy no nikapoka ny tany tamin’ny zana-tsipìka. Nilaza àry i Elisa fa intelo monja i Joasy no handresy ny Syrianina, ary izany tokoa no nitranga.—2Mp 13:14-19, 25.
Vita ilay asa. Niasa tamin’i Elisa ny fanahin’Andriamanitra, ka fahagagana 15 no vitany hatreto. Mbola nampiasa azy anefa i Jehovah mba hanao fahagagana faha-16, na dia efa maty aza izy. Tsy nivadika mandra-pahafatiny izy, ka nankasitrahan’Andriamanitra. Tatỳ aoriana, dia voalaza fa nisy olona maromaro handeha handevina, saingy nahatazana Moabita mpandroba izy ireo ka nandositra, ary natsipiny tao amin’ny toerana nandevenana an’i Elisa ilay faty. Rehefa nikasika ny taolan’i Elisa anefa ilay faty, dia velona ilay lehilahy ka nijoro tamin’ny tongony.—2Mp 13:20, 21.
Nantsoin’i Jesosy hoe mpaminany i Elisa ao amin’ny Lioka 4:27, ary azo antoka fa izy no tian’ny Hebreo 11:35 horesahina miaraka amin’i Elia, izay samy voalaza fa nanangana olona tamin’ny maty. Nivavaka tamin’i Bala ny Israely tamin’i Elia nanomboka ny asan’ny mpaminany, ka tsy maintsy nafana fo tamin’ny fivavahana marina izy. Nahavita asa lehibe tokoa izy, satria olona maro no voatariny hiverina tamin’i Jehovah. Nilamindamina kokoa ny fanompoana nataon’i Elisa, ary notohizany hatramin’ny farany ny asa natombok’i Elia, ka hitany ny nahatanterahan’izany. Voalaza fa fahagagana 16 no nataony, fa ny an’i Elia kosa 8. Toa an’i Elia, dia tena nafana fo ho an’ny anaran’i Jehovah sy ny fivavahana marina i Elisa. Hita hoe olona nanam-paharetana izy, be fitiavana, tsara fanahy, nefa hentitra be tamin-javatra mahakasika ny anaran’i Jehovah. Tsy natahotra nanambara ny fanamelohan’i Jehovah an’ireo ratsy fanahy koa izy. Rariny àry izy raha anisan’ireo “vavolombelona maro be toy ny rahona” resahin’ny Hebreo 12:1.