Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahatezerana

Fahatezerana

Teny hebreo sy grika maromaro no ampiasain’ny Baiboly hilazana ny fahatezerana, fa ny teny hebreo hoe ʼaf no fampiasa indrindra. Midika hoe “orona; vavorona” ny ʼaf, ary matetika no ampiasaina an’ohatra hilazana ny “fahatezerana.” Misefosefo sy sempotsempotra mantsy ny olona misafoaka. (Ampit. Sl 18:7, 8; Ezk 38:18, f.a.p.) Iray tarika amin’ny hoe ʼaf ny ʼanaf izay midika hoe “tezitra mafy.” Matetika no ampifandraisin’ny Soratra Hebreo amin’ny hafanana ny fahatezerana, ka lazainy fa mirehitra. Misy teny hebreo hafa nadika hoe “romotry ny hatezerana”, sy “misafoaka”, ary “vinitra.” Ôrge sy tymôs kosa no teny grika nadika hoe “fahavinirana” sy “fahatezerana”, amin’ny ankapobeny.

Fahatezeran’Andriamanitra. Mety ho marim-pototra na tsy marim-pototra ny fahatezerana. Ny fahatezeran’Andriamanitra kosa marim-pototra foana. Manan-jo hitaky ny hanompoana azy irery ihany mantsy izy sady miaro ny fahamarinana foana, ka rariny raha tezitra izy rehefa lavina izany zony izany na atao tsinontsinona ny fahamarinana. Tiany koa ny fahamarinana sy ireo manao ny marina, ka rariny raha tezitra izy raha ireo no voatohintohina. Tsy mba tezitezi-poana izy ka hoe manenina avy eo. Mahalala ny anton-javatra rehetra mantsy izy, ary tsy misy zavatra miafina aminy. (He 4:13) Mahalala ny ao am-po izy, ary fantany raha tena noho ny tsy fahalalana, na tsirambina, na fanahy iniana no nanaovana fahotana iray. Tsy mizaha tavan’olona koa izy.​—De 10:17, 18; 1Sa 16:7; As 10:34, 35.

Manaraka ny fitsipiny izy. Voafehin’Andriamanitra tsara foana ny fahatezerany, sady mifanaraka amin’ny fitiavany sy ny fahendreny ary ny fitiavany ny rariny. Mahery indrindra izy, ka mahavita mifehy ny fahatezerany araka izay itiavany azy. (1Jn 4:8; Jb 12:13; 37:23) Misy antony sy vokany foana koa ny fahatezerany. Tsy ho afaka ny fahatezerany raha tsy ampiharina ny fitsipiny. Raha ninia namono olona, ohatra, ny Israelita iray, dia tsy nisy vidim-panavotana nahavotra azy, fa tsy maintsy nalatsaka ny rany vao nadio sy nankasitrahan’Andriamanitra ny tanin’ny Israely. (No 35:16-18, 30-33) Ho an’izay namono olona tsy nahy kosa, dia nanolotra sorona ny mpisoronabe mba hanaovana izay notakin’ny rariny sy hampitonena ny fahatezeran’ilay notendren’Andriamanitra ho mpamaly ra, satria mety ho mbola ‘nafana’ ny fon’izy io. Izany no antony nanaovana an’ireo tanàna fialokalofana.​—De 19:4-7.

Tsy ho tony ny fahatezeran’Andriamanitra raha tsy ampiharina tanteraka izay takin’ny rariny. Mahatezitra azy ny tsy fahamarinana rehetra. Tsy hilefitra amin’izany izy, ary tsy maintsy hanasazy an’izay tokony hosazina. (Ek 34:7; Ha 1:13) Azo atao ihany anefa ny mampitony ny fahatezerany, noho ny soron’i Jesosy Kristy, izay nizaka ny fanaintainana sy ny sazy tokony hihatra amin’ny olombelona. (Is 53:5) Tsy hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ny olona maneho finoana an’i Kristy, amin’izay. Afaka maneho ny fahamarinany àry i Jehovah Andriamanitra, “mba ho marina izy rehefa manambara fa marina ny olona mino an’i Jesosy.” (Ro 3:26) Sady manao ny rariny tanteraka Andriamanitra amin’izay, no manana antony hamindrana fo koa. Izay tsy mankatò no iharan’ny fahatezerany, (Jn 3:36) fa izay maneho finoana kosa tsy iharan’izany, noho ny soron’i Jesosy Kristy.​—1Te 1:10.

Ahoana no ampiharany ny fahatezerany, ary inona avy no mampahatezitra azy? Azony ampiharina mivantana na tsy mivantana ny fahatezerany. Mety hampiasa ny lalàn’ny natiora na hampiasa olon-kafa izy amin’izany. Tezitra amin’izay mandika ny lalàny momba ny fitondran-tena izy. Mandray “ny valiny sahaza azy noho ny fahadisoany” àry ny olona toy izany, satria tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny toe-tsainy, simba ny fitondran-tenany, tonga ny aretina sy ny fifamaliana ary ny fahafatesana. (Ro 1:18, 24, 27-32) Fomba tsy mivantana anehoan’Andriamanitra ny fahatezerany ny sazy ampiharin’ny manam-pahefana amin’ny olona mandika an’izay lalàna tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra. (Ro 13:1-4) I Jesosy Kristy no tena ampiasain’Andriamanitra hampihatra ny fahatezerany amin’ny ratsy fanahy.​—Je 30:23, 24; Ap 19:7-16, 19-21.

Tezitra amin’izay tsy tia sy manisy ratsy an’ireo olom-boafidiny Andriamanitra. Nidiran-doza, ohatra, ny Ejipsianina satria tsy namela ny Israely hanompo an’i Jehovah. (Sl 78:43-50) Tezitra mafy tamin’i Miriama sy Arona Andriamanitra, satria tsy nanaja an’i Mosesy olom-boafidiny izy ireo. (No 12:9, 10) Tezitra tamin’ireo mpitsara nampahory ny mahantra izy. (Is 10:1-4) Hiharan’ny fahatezerany koa ireo misakana ny fitoriana ny vaovao tsara.​—1Te 2:16.

Tezitra amin’ireo mivavaka amin’ny andriamani-diso i Jehovah, indrindra raha olona milaza ho manompo azy no manao izany. (Ek 32:7-10; No 25:3, 4; Mpts 2:13, 14, 20; 1Mp 11:8, 9) Tezitra koa izy rehefa misy maloto fitondran-tena, na misakana ny olona tsy hahalala ny fahamarinana, na tsy mibebaka, na tsy mankatò ny vaovao tsara, na manao tsinontsinona ny teniny, maneso an’ireo mpaminaniny, mitsiriritra, manisy ratsy olona, mialona, mamono olona, mifamaly, mamitaka, misompatra. Mahatezitra azy koa ny mpibitsibitsika, mpanaratsy, mpankahala an’Andriamanitra, mpanambany olona, mpanambony tena, matin-kambo, mpamorona zava-dratsy, tsy mpankatò ray aman-dreny, tsy manaja fifanekena, tsy misy antra, milalao ody, ary mpandainga. Tezitra koa izy noho ny tsy fahamarinana hafa rehetra.​—Kl 3:5, 6; 2Te 1:8; Ro 1:18, 29-31; 2:5, 8; 2Ta 36:15, 16; Ap 22:15.

Tsy toetra mampiavaka azy. “Tsy mora tezitra” anefa i Jehovah Andriamanitra, ary “be hatsaram-panahy feno fitiavana.” (Ek 34:6; No 14:18) Hamindra fo amin’izay matahotra azy sy manao ny marina ilay Avo Indrindra, satria fantany hoe tsy lavorary ny olona. Mamindra fo koa izy, noho ny soron’i Jesosy. (Sl 103:13, 14; Ge 8:21; jereo koa Ze 2:2, 3.) Mifehy ny fahatezerany izy noho ny anarany sy mba hanatanterahana ny fikasany ho an’ny olom-boafidiny. (Is 48:9; Jl 2:13, 14) Tsy tezitra intsony amin’ny olona i Jehovah rehefa lasa tena manompo azy sy miaiky heloka ary mibebaka ilay olona. (Is 12:1; Sl 30:5) Tsy Andriamanitra tezi-dava izy fa Andriamanitra falifaly. Mora hatonina sy mahafinaritra izy, ary tia fihavanana sy mandray tsara an’izay manatona azy araka ny atorony. (1Ti 1:11; Sl 16:11; ampit. Ap 4:3.) Ireo andriamani-diso tompoin’ny mpanompo sampy kosa no tezi-dava sy tsy misy antra ary masiaka be. Hita amin’ny sarin’ireny andriamanitra ireny izany.

Tokony ho tezitra ve ny mpanompon’Andriamanitra?

Mety ho rariny ny an’ny olona iray raha tezitra izy rehefa misy fitsipika voadika. Mety ho azony atao ny maneho ny fahatezerany raha izany no izy. Nodidiana mantsy isika hoe: “Ankahalao ny ratsy.” (Ro 12:9) Miresaka momba ny olona maro tezitra noho ny antony ara-drariny ny Baiboly.​—Ek 11:8; 32:19; No 16:12-15; 1Sa 20:34; Ne 5:6; Es 7:7; jereo koa 2Sa 12:1-6.

Matetika anefa no tsy marim-pototra sy tsy voafehy ny fahatezeran’ny olona. Matetika koa no antony tsy tokony hampahatezitra no mahatezitra azy, ary tsy mieritreritra izay ho vokany izy rehefa tezitra. Tsy faly, ohatra, i Jona ary “nirehitra ny fahatezerany” rehefa tsy nandringana ny mponin’i Ninive i Jehovah. Tsy namindra fo izy ka voatery nanitsy azy i Jehovah. (Jo 4:1-11) Nisafoaka i Ozia Mpanjaka rehefa nanarin’ny mpisoron’i Jehovah, ary mbola sahisahy ratsy ihany ka nosazina. (2Ta 26:16-21) Tezitra sy nisafoaka i Namàna noho ny hambom-po diso toerana, ka saika tsy nahazo ny fitahian’Andriamanitra.​—2Mp 5:10-14.

Tena ilaina fehezina. Olona maro no nanao fahotana lehibe sy nahery setra mihitsy aza, vokatry ny fahatezerana tsy marim-pototra sy tsy voafehy. “Tezitra be”, ohatra, i Kaina ka namono an’i Abela. (Ge 4:5, 8) Tezitra i Esao ka nifofo ny ain’i Jakoba izay nahazo ny tsodranon-drainy. (Ge 27:41-45) Tezitra mafy i Saoly ka nitoraka lefona an’i Davida, ary nataony toy izany koa i Jonatana. (1Sa 18:11; 19:10; 20:30-34) Tezitra mafy koa ireo nandre ny toritenin’i Jesosy tao amin’ny synagoga tao Nazareta, ka saika hanjera azy avy teny an-tampon-tendrombohitra. (Lk 4:28, 29) Tezitra ireo mpitondra fivavahana, ary “indray nirohotra” teo amin’i Stefana, ka nitora-bato azy ho faty.​—As 7:54-60.

Na marim-pototra aza ny fahatezerana, dia mety hampidi-doza raha tsy voafehy. Rariny, ohatra, raha tezitra i Simeona sy Levy rehefa nametaveta an’i Dina anabaviny i Sekema Hivita. Tafahoatra anefa ny sazy nampiharin’izy roa lahy satria naripany daholo ny lehilahy rehetra tao Sekema. Nanameloka an’izany fahatezerana tsy voafehy izany i Jakoba rainy, ka nanozona izany. (Ge 34:1-31; 49:5-7) Tokony hifehy fahatezerana ny olona, na dia misy zavatra tena mahasosotra aza. Nimenomenona sy nikomy ny Israelita ka tsy nahafehy ny fahatezerany i Mosesy, na dia lehilahy be fandeferana indrindra teto an-tany aza. Tezitra loatra izy ka tsy nanome voninahitra an’i Jehovah. Nosazina izy noho izany.​—No 12:3; 20:10-12; Sl 106:32, 33.

Anisan’ny asan’ny nofo maharikoriko ny fipoahan’ny fahatezerana, tsy misy hafa amin’ny fitondran-tena baranahiny, ny fanompoan-tsampy, ny filalaovana ody, ary ny fibobohan-toaka. Tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra izay manao izany. (Ga 5:19-21) Tsy tokony hisy Kristianina hanao teny masiaka eo anivon’ny fiangonana, rehefa tezitra. Tsy tokony ho tezitra na ho sosotsosotra any am-pony ny rahalahy rehefa mivavaka misolo tena ny fiangonana. (1Ti 2:8) Tsy tokony ho mora tezitra ny Kristianina, satria ny fahatezeran’ny olona tsy ahavitana izay marina eo imason’Andriamanitra. (Jk 1:19, 20) Tokony homen’izy ireo toerana kosa ny fahatezeran’Andriamanitra, ka i Jehovah no avelany hamaly. (Ro 12:19) Tsy azo tendrena ho mpiandraikitra ny rahalahy mora tezitra.​—Tit 1:7.

Marina fa mety ho tezitra ny olona, ary marim-pototra izany indraindray, nefa tsy tokony havelany hivadika ho lolompo izany ka hitarika azy hanota. Tsy tokony havelany ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezerany, satria hanome toerana ho an’ny Devoly izy raha manao izany. (Ef 4:26, 27) Tena tokony hanaraka ny toromarik’Andriamanitra ny Kristianina rehefa miezaka hamitram-pihavanana sy handamina olana, indrindra raha Kristianina koa no mahatezitra azy. (Le 19:17, 18; Mt 5:23, 24; 18:15; Lk 17:3, 4) Manoro hevitra antsika ny Soratra Masina mba tsy hifanerasera na hinamana amin’olona mora tezitra na mora misafoaka, sao ho lasa fandrika ho antsika izany.​—Oh 22:24, 25.

Modely lavorary ho antsika i Jesosy Kristy tamin’izy tetỳ an-tany. Tsy misy fitantarana na iray aza milaza hoe nisafoaka izy ka tsy nahafehy ny fahatezerany. Marina fa teo ireo fahavalon’Andriamanitra, izay nandika lalàna sy nikomy ary nanorisory azy. Tsy misy fitantarana mihitsy anefa milaza fa nahatonga an’i Jesosy tsy hahay handanjalanja izany, ka hoe nanala vonkina tany amin’ny mpianany na tamin’ny olon-kafa koa izy. “Nalahelo mafy”, ohatra, i Jesosy, indray mandeha, noho ny hamafin’ny fon’ny Fariseo ka nijery azy ireo tamin-katezerana. Taorian’izay avy hatrany anefa, dia nanasitrana izy. (Mr 3:5) Tezitra izy rehefa nahita mpivarotra tao amin’ny tranon’i Jehovah ka noroahiny izy ireo satria nandoto ny tempoly sady nandika ny Lalàn’i Mosesy. Tsy azo lazaina anefa hoe fipoahan’ny fahatezerana tsy voafehy sy tsy marim-pototra mihitsy izany. Hafanam-po ara-dalàna ho an’ny tranon’i Jehovah kosa no iantsoan’ny Soratra Masina izany.​—Jn 2:13-17.

Aleo misoroka ny voka-dratsiny. Manimba ny fifandraisana amin’Andriamanitra sady manimba fahasalamana ny fahatezerana. Mety hampiakatra tosidra izy io, ary mety hisy vokany eo amin’ny lalan-dra, taovam-pisefoana, aty, ranonafero, ary sarakaty. Fihetseham-po mahery ny fahatezerana sy ny fisafoahana, ka lazain’ny dokotera fa anisan’ny mahatonga na mampihombo aretina toy ny sohika (asma), areti-maso, aretin-koditra, fery, areti-nify, ary aretin’ny fandevonan-kanina. Tsy afaka misaina tsara ny olona rehefa tezitra na misafoaka, ka tsy ara-dalàna ny fanatsoahan-keviny. Matetika no kivy be sy sorena ny olona rehefa avy tezitra mafy. Fahendrena àry ny mifehy fahatezerana sy mitandro fihavanana ary miezaka hifankatia. Tsy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ihany mantsy no voakasika fa ny fahasalamantsika koa.​—Oh 14:29, 30; Ro 14:19; Jk 3:17; 1Pe 3:11.

Milaza ny Soratra Masina fa fotoanan’ny fahatezerana ny andro farany. Tezitra mantsy ireo firenena satria nandray fahefana hanjaka i Jehovah. “Tezitra mafy” koa ny Devoly rehefa natsipy tetỳ an-tany “satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.” (Ap 11:17, 18; 12:10-12) Fotoan-tsarotra toy izany no iainan’ny Kristianina, ka hendry izy raha mifehy ny fahatezerany ary misoroka ny voka-dratsin’izy io.​—Oh 14:29; Mpto 7:9.