Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famindram-po

Famindram-po

Toetran’olona tsara fanahy sy miantra, ka manampy an’izay ory; fangoraham-po. Midika ho fanalefahana ny didim-pitsarana na ny sazy koa izy io indraindray.

Matetika no adika hoe famindram-po ny teny hebreo hoe rahamim sy ny teny grika hoe eleôs (matoanteny: eleeô). Hanampy antsika hahatakatra ny tena dikany ny famakafakana an’ireo teny ireo sy ny fomba nampiasana azy. Midika hoe “miantra; ... mangoraka” ny matoanteny hebreo hoe raham. (Diksionera Hebreo sy Kaldeanina, nataon’i B. Davies, 1957, p. 590) Milaza i Gesenius, mpanao diksionera, fa toa midika hoe “tia, mampionona, ary malemy paika” izy io. (Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy, nadikan’i E. Robinson, 1836, p. 939) Misy ifandraisany amin’ny “kibo” ny hoe famindram-po, ary mety hanondro “tsinay.” Misy vokany any amin’ny tsinay tokoa ny fangorahana na fiantrana olona.​—Ampit. Is 63:15, 16; Je 31:20.

Hoy ny mpanao salamo: “Hiraiki-po [endriny hafa amin’ny hoe raham] aminao aho, Jehovah ô, fa ianao no heriko.” (Sl 18:1) Olona no resahina ho maneho raham amin’Andriamanitra eo, ary eo ihany ny Soratra Masina no mampiasa an’io teny io toy izany. Olona samy olona kosa matetika no mifaneho azy io. “Nihetsi-po be [endriny hafa amin’ny hoe rahamim]” noho ny amin’i Benjamina rahalahiny, ohatra, i Josefa ka nitomany. (Ge 43:29, 30; ampit. 1Mp 3:25, 26.) Naniry hamindrana fo sy hiantrana ny olona rehefa nanahy hoe mety hampahory na hampijaly azy ny mpamabo azy (1Mp 8:50; Je 42:10-12) na ny manam-pahefana (Ge 43:14; Ne 1:11; Da 1:9). Nivavaka koa izy ireo mba ho tsara fanahy aminy sy hiantra azy izy ireny.​—Ampifan. Is 13:17, 18.

Famindram-pon’i Jehovah. Ny fifandraisan’i Jehovah tamin’ilay vahoaka vita fifanekena taminy no tena ampiasana ny hoe famindram-po. Toy ny angorahan’ny vehivavy ny zanany naterany sy ny iantran’ny ray ny zanany no iantran’i (raham) Jehovah ny firenen’Israely. (Is 49:15; Sl 103:13) Matetika anefa izy ireo no nanota ka nahita olana, ary tena nila famindram-po sy fanampiana. Tezitra tamin’izy ireo i Jehovah, nefa nangoraka sy nankasitraka azy ireo, rehefa niova fo izy ireo ka nitodika tamin’Andriamanitra. (De 13:17; 30:3; Sl 102:13; Is 54:7-10; 60:10) Naniraka ny Zanany mba hateraka teo amin’ny firenen’Israely izy. Izany no porofo fa hisy “mazava hiposaka” ho azy ireo, izany hoe hangoraka azy ireo Andriamanitra ary hamindra fo aminy.​—Lk 1:50-58, 72-78.

Mitovitovy hevitra ny teny grika hoe eleôs sy ny teny hebreo hoe rahamim. Hoy ny Diksionerani Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao: “Fomba hita maso isehoan’ny fiantrana ny hoe ELEÔS (ἔλεος); asehon’izy io fa mila iantrana ilay olona anehoana azy io, ary manana izay ilaina mba hiantrana azy ilay olona miantra.” Midika hoe mahatsapa “ny fahorian’ny hafa, indrindra fa manao zavatra ho fiantrana olona”, ny matoanteny hoe eleeô. (1981, Boky Faha-3, p. 60, 61) Nahatonga an’i Jesosy haneho famindram-po sy fiantrana (eleôs) àry ny fahitany olona jamba, nisy demonia, boka, nanana zanaka nijaly, sy ny toy izany. (Mt 9:27; 15:22; 17:15; Mr 5:18, 19; Lk 17:12, 13) Niangavy an’i Jesosy izy ireo hoe “mba iantrao izahay.” Nanao fahagagana hanampiana azy ireo àry izy. Tsy nanao izany tamim-pahazarana fotsiny izy, fa nihetsi-po mihitsy ary tena “nangoraka.” (Mt 20:31, 34) Eo ilay mpanoratra dia mampiasa endriny hafa amin’ilay matoanteny hoe splagknizômai, izay iray tarika amin’ny hoe splagkna (a.b.t.: tsinay). (As 1:18) Manana heviny hoe mangoraka (fihetseham-po) io matoanteny io, fa ny eleôs kosa midika hoe manao zavatra mba hanehoana an’ilay fangorahana, izany hoe aseho amin’ny atao ilay famindram-po.

Tsy voatery hoe misy fitsarana. Matetika no olona mifehy tena tsy hanao zavatra iray no tonga ao an-tsaina amin’ny hoe mamindra fo, ohatra hoe mifehy tena tsy hanasazy satria mangoraka sy miara-miory amin’ny hafa. Matetika àry ny famindram-po no mifandray amin’ny raharaham-pitsarana. Mety hamindra fo amin’ny voaheloka, ohatra, ny mpitsara ka hanalefaka ny saziny. Matetika no nila namindra fo Andriamanitra rehefa namela heloka na nanalefaka didim-pitsarana na sazy (Sl 51:1, 2; 103:3, 4; Da 9:9; Mi 7:18, 19), satria nandova ota ny olona rehetra ka mendrika ny ho faty (Ro 5:12; ampit. Sl 130:3, 4; Da 9:18; Tit 3:5), ary satria koa mifanaraka foana amin’ny toetrany hafa sy ny fitsipiny marina (anisan’izany ny fanaovany ny rariny sy fahamarinany) ny famindram-pony. (Sl 40:11; Ho 2:19) Hita amin’izany àry fa tsy voatery hoe famelan-keloka na fifehezan-tena tsy hampihatra didim-pitsarana fotsiny ny hevitry ny teny hebreo sy grika (rahamim; eleôs). Tsy famelan-keloka koa ilay famindram-po tiana holazaina amin’ireo teny ireo. Ny famelan-keloka kosa no mety hahazoana famindram-po. Manaja ny rariny foana Andriamanitra na dia mamindra fo aza. Izany no antony nanomezany ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy Zanany, ka sady mamela heloka izy amin’izay no manao ny rariny koa.​—Ro 3:25, 26.

Tsy hoe mifehy tena tsy hanasazy àry ny hoe mamindra fo, fa midika kosa hoe tsara fanahy sy mangoraka ka manampy an’ireo ory mila amindrana fo.

Izany no asehon’ilay fanoharan’i Jesosy momba ilay Samaritanina nahita olona nitsirara teo amoron-dalana, rehefa nendahan’ny jiolahy sy nokapohiny. ‘Namana’ ho an’io olona io ilay Samaritanina satria nangoraka sy “niantra azy” na namindra fo taminy, ka nitsabo ny ratrany sady nikarakara azy. (Lk 10:29-37) Tsy misy resaka fitsarana na famelan-keloka eo.

Asehon’ny Soratra Masina àry fa tsy hoe rehefa misy olona manao fahadisoana ka miatrika ny fitsaran’Andriamanitra ihany i Jehovah vao mamindra fo. Efa toetrany mihitsy ny famindram-po, ary mamindra fo foana izy rehefa misy olona mila izany. Fomba isehoan’ny fitiavany koa izy io. (2Ko 1:3; 1Jn 4:8) Tsy toy ny andriamani-diso mafy fo sy tsy mangoraka tompoin’ireo firenena izy, fa ‘tsara fanahy sy mamindra fo, ary tsy mora tezitra sady be hatsaram-panahy feno fitiavana. Tsara fanahy amin’ny rehetra i Jehovah, ary hita eo amin’ny asany rehetra fa mamindra fo izy.’ (Sl 145:8, 9; ampit. Sl 25:8; 104:14, 15, 20-28; Mt 5:45-48; As 14:15-17.) “Manankarena famindram-po” izy. “Be famindram-po” ny fahendrena avy aminy. (Ef 2:4; Jk 3:17) Nampahafantatra ny Rainy i Jesosy Zanany (Jn 1:18), ka nasehony tamin’ny toetrany sy ny teniny ary ny nataony fa be famindram-po ny Rainy. “Nangoraka [endriny hafa amin’ny hoe splagknizômai]” an’ireo vahoaka tonga hihaino azy i Jesosy, na dia mbola tsy fantany aza hoe handray ny fampianarany izy ireo na tsia. “Nampahorina sady naparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry” mantsy izy ireo.​—Mr 6:34; Mt 9:36; ampit. Mt 14:14; 15:32.

Mila famindram-po ny olombelona. Nandova ota avy tamin’i Adama razambeny ny olombelona ka lasa tsy lavorary. Mampahonena àry izy rehetra ka tena mila famindram-po. Namindra fo tamin’izy ireo i Jehovah Andriamanitra ary nataony izay hanafahana azy ireo amin’ny tsy fahalavorariana sy ny vokany, dia ny aretina sy ny fahafatesana. (Mt 20:28; Tit 3:4-7; 1Jn 2:2) Andriamanitra mamindra fo izy, ka manam-paharetana satria “tsy tiany hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.” (2Pe 3:9) Te hanao soa amin’ny rehetra i Jehovah. Tiany kokoa ny manao izany (ampit. Is 30:18, 19), satria ‘tsy sitrany ny hahafatesan’ny ratsy fanahy’ ary “tsy sitraky ny fony ny mampahory sy manao izay hampalahelo ny zanak’olombelona”, toy ny tamin’ny nandravana an’i Joda sy Jerosalema. (Ezk 33:11; Ft 3:31-33) Voatery miova anefa izy ka ‘tsy mamindra fo’, rehefa mafy fo ny olona ary be di-doha sy tsy miraharaha ny hatsaram-panahiny sy ny famindram-pony.​—Sl 77:9; Je 13:10, 14; Is 13:9; Ro 2:4-11.

Tsy tokony hohararaotina. Marina fa tena mamindra fo amin’izay manatona azy amim-pahatsorana i Jehovah, nefa tsy maintsy manasazy an’izay tena mendrika hosazina sy tsy mibebaka koa izy. (Ek 34:6, 7) Tsy mety ny manararaotra ny famindram-pon’Andriamanitra. Tsy misy olona manota ka hoe tsy ho voasazy. Tsy maintsy mijinja ny vokatry ny nataony ny olona. (Ga 6:7, 8; ampit. No 12:1-3, 9-15; 2Sa 12:9-14.) Mety hamindra fo i Jehovah ka hanam-paharetana sy hahari-po, ary hanome fotoana hiovan’ny olona. Marina fa tsy ankasitrahany ny ratsy nataon’izy ireo, nefa mety tsy hahafoy tanteraka azy ireo izy. Mety hamindra fo kosa izy, ka mbola hanampy sy hitari-dalana azy ireo ihany. (Ampit. Ne 9:18, 19, 27-31.) Manam-petra anefa ny faharetany raha tsy miova izy ireo. Tsy mamindra fo intsony izy amin’izay, fa manasazy azy ireo kosa satria voakasika ny anarany.​—Is 9:17; 63:7-10; Je 16:5-13, 21; ampit. Lk 13:6-9.

Tsy fehezin’ny fitsipik’olombelona. Tsy anjaran’ny olombelona ny mamaritra ny fitsipika tokony harahin’Andriamanitra eo amin’ny resaka famindram-po. ‘Hamindra fo amin’izay hamindrany fo’ izy, satria any an-danitra ka mahita ny zava-drehetra, ary manao zavatra mifanaraka amin’ny fikasany, sady mahalala ny hoavy sy mahay mamantatra ny ao am-po. (Ek 33:19; Ro 9:15-18; ampit. 2Mp 13:23; Mt 20:12-15.) Hazavain’ny Romanina toko faha-11 fa tena hendry sy mamindra fo izy ka navelany hahazo ny Fanjakan’ny lanitra ny hafa firenena. Tsy anisan’ny Israely, firenen’Andriamanitra, ny hafa firenena ka tsy namindrana fo taloha, satria tsy nifanaovan’Andriamanitra fifanekena, sady tsy nankatò azy. (Ampit. Ro 9:24-26; Ho 2:23.) Nilaza i Paoly fa ny Israely no firenena voalohany afaka nahazo ny Fanjakan’ny lanitra. Tsy nankatò koa anefa ny ankamaroany, ka azon’ny hafa firenena natao ny ho anisan’ilay ‘fanjaka-mpisorona sy firenena masina.’ (Ek 19:5, 6) Hoy i Paoly eo am-pamaranana ny teniny: “Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra [Jiosy sy hafa firenena] tao anatin’ny tsy fankatoavana, mba hamindrany fo amin’izy rehetra.” Noho ny sorom-panavotan’i Kristy àry dia azo afahana amin’ny ota nolovana tamin’i Adama ny olona rehetra maneho finoana (anisan’izany ny hafa firenena). Azo afahana amin’ny ozon’ny Lalàna koa ny Jiosy, noho ny fahafatesan’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana. Hahazo famindram-po ny rehetra amin’izay. Hoy i Paoly: “Lalina tokoa ny harenan’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Tsy takatry ny saina tokoa ny fitsarany ary tsy hay fantarina ny lalany!”​—Ro 11:30-33; Jn 3:16; Kl 2:13, 14; Ga 3:13.

Te hahazo famindram-po. Izay te hahazo ny famindram-pon’Andriamanitra, dia mila mitady azy, ka miala amin’ny ratsy fanaony sy manitsy ny toe-tsainy mba hananana toe-po tsara. (Is 55:6, 7) Tokony hatahotra an’Andriamanitra koa izy, ary hankasitraka ny fitsipiny marina. (Sl 103:13; 119:77, 156, 157; Lk 1:50) Tsy tokony hanarontsarona ny fahotana vitany izy, fa hiaiky izany ary hanenina mafy sy halahelo be. (Sl 51:1, 17; Oh 28:13) Tena tokony hamindra fo koa izay te hahazo famindram-po, satria hoy i Jesosy: “Sambatra ny mamindra fo, fa izy no hamindrana fo.”​—Mt 5:7.

Fiantrana ny mahantra. Tsy mba namindra fo ny Fariseo, ka niteny mafy azy ireo i Jesosy hoe: “Mandehana àry, ka ianaro ny dikan’ny hoe: ‘Famindram-po no sitrako, fa tsy sorona.’” (Mt 9:10-13; 12:1-7; ampit. Ho 6:6.) Anisan’ny “mavesa-danja kokoa ao amin’ny Lalàna” ny famindram-po, hoy izy. (Mt 23:23) Azo lazaina hoe famindram-po ny fanalefahana sazy, ary afaka naneho izany ny Fariseo satria anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy ny sasany. Ny tena famindram-po anefa dia manao zavatra mihitsy mba hiantrana na hangorahana olona.​—Ampit. De 15:7-11.

Mety handrisika olona hanao fanomezana ny famindram-po. Tsy tokony hisy fitiavan-tena anefa ao ambadik’izany, raha tiany hisy dikany amin’Andriamanitra izany. (Mt 6:1-4) Nanome zavatra ho ‘fiantrana [endriny hafa amin’ny hoe eleemôsyne] ny mahantra’ i Dorkasy, ary nahavita be tamin’izany. (As 9:36, 39) Azo inoana fa fanomezana toy izany koa no nataon’ny ankohonan’i Kornelio. Nankasitrahan’Andriamanitra ny fanomezana sy ny vavaka nataony. (As 10:2, 4, 31) Nilaza i Jesosy fa tsy nety ny nataon’ny Fariseo, satria tsy ‘izay tao am-pon’izy ireo no nomeny ho fiantrana ny mahantra.’ (Lk 11:41) Tokony ho vokatry ny fo àry ny tena famindram-po.

Niavaka i Jesosy sy ny mpianany satria namindra fo ka nanampy olona hifandray tamin’Andriamanitra. Sarobidy kokoa noho ny fanomezana ara-nofo izany. (Ampit. Jn 6:35; As 3:1-8.) Mila miezaka hamindra fo ny Kristianina, indrindra fa ny mpiandry eo anivon’ny fiangonana. (1Pe 5:1, 2) Tokony hamindra fo “amim-pifaliana” anefa izy ireo fa tsy himenomenona, na fanomezana ara-nofo no ataony na fanampiana olona hifandray amin’Andriamanitra. (Ro 12:8) Mety hanjary halemy finoana ny Kristianina sasany ka harary ara-panahy, na hisalasala mihitsy aza. Atahorana ho faty ara-panahy izy ireo. Ampirisihina àry ny Kristianina hafa mba hamindra fo foana amin’izy ireo ka hanampy azy tsy ho ringana. Marina fa miezaka hamindra fo amin’ny olona toy izany ny Kristianina, nefa koa mila mitandrina sao ho latsaka amin’ny fakam-panahy. Tokony hotadidiny fa tokony hankahala ny ratsy koa izy, fa tsy ho tia ny fahamarinana fotsiny. Tsy milefitra amin’ny zava-dratsy izy, araka izany, rehefa mamindra fo.​—Jd 22, 23; ampit. 1Jn 5:16, 17; jereo FIANTRANA NY MAHANTRA.

Mandresy ny fitsarana ny famindram-po. Hoy i Jakoba, mpianatr’i Jesosy: “Hotsaraina tsy misy indrafo izay olona tsy mpamindra fo. Fa ny famindram-po dia mandresy ny fitsarana.” (Jk 2:13) Mbola ny hevitra teo aloha ihany no nohazavainy eo, izany hoe ny momba ny fivavahana marina. Nilaza, ohatra, izy fa tokony hamindra fo amin’ny ory ny tena mpivavaka, ary tsy tokony hiangatra amin’ny manankarena ka hanavakavaka ny mahantra. (Jk 1:27; 2:1-9) Mbola nanazava momba ny fivavahana marina ihany izy taorian’izay, ka nilaza fa tokony hampiana ny rahalahy “tsy manan-kitafy sady tsy ampy sakafo isan’andro.” (Jk 2:14-17) Mifanaraka amin’ny tenin’i Jesosy àry ny fanazavan’i Jakoba. Nilaza mantsy i Jesosy fa izay mamindra fo no hamindrana fo. (Mt 5:7; ampit. Mt 6:12; 18:32-35.) Rehefa hitsara Andriamanitra, dia hamindrany fo izay namindra fo, izany hoe izay niantra na nangoraka ka nanao zavatra hanampiana ny sahirana. Handresy ny fitsarana àry ny famindram-pon’izy ireo, izany hoe handresy an’ilay fanamelohana mety ho azon’izy ireo raha tsy namindra fo izy ireo. Hoy ny ohabolana: “Izay miantra ny mahantra dia mampisambotra an’i Jehovah, ary Izy no hanonitra an’izay nafoin’ilay olona.” (Oh 19:17) Misy andinin-teny maro koa manamafy an’io voalazan’i Jakoba io.​—Ampit. Jb 31:16-23, 32; Sl 37:21, 26; 112:5; Oh 14:21; 17:5; 21:13; 28:27; 2Ti 1:16, 18; He 13:16.

Mpisoronabe mamindra fo. Tsy maintsy tonga olombelona sy nijaly ary maty i Jesosy, izay Mpisoronabe ambony lavitra noho ny mpisorona taranak’i Arona. Nahoana? Izao no lazain’ny bokin’ny Hebreo: “Tsy maintsy tonga tahaka an’ireo ‘rahalahiny’ izy tamin’ny lafiny rehetra, mba ho tonga mpisoronabe mamindra fo sy mendri-pitokisana raha ny amin’ny zavatra momba an’Andriamanitra, ka hanolotra sorona fampihavanana noho ny fahotan’ny olona.” “Afaka manampy an’izay iharam-pitsapana izy”, satria efa nijaly rehefa niharam-pitsapana. (He 2:17, 18) Afaka matoky àry isika rehefa manatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy, satria fantatsika ny fiainan’i Jesosy sy izay nataony ary nolazainy. “Fa tsy mba mpisoronabe tsy mahay mangoraka antsika amin’ny fahalementsika no ananantsika, fa izay efa notsapaina tamin’ny lafiny rehetra toa antsika koa, nefa tsy nanota. Koa aoka àry isika hanatona ny seza fiandrianan’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa, ary ho sahy hiteny rehefa manao izany. Amin’izay isika dia hahazo famindram-po ary hanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa, mba hahazoana fanampiana amin’ny fotoana mety.”​—He 4:15, 16.

Tena niavaka ny famindram-po sy fitiavana nasehon’i Jesosy tamin’izy nanao sorona ny ainy. Mbola namindra fo izy rehefa lasa Mpisoronabe any an-danitra, satria namindra fo tamin’i Paoly (Saoly) noho ny tsy fahalalany. Hoy i Paoly: “Nahazo famindram-po anefa aho mba ho amin’ny alalako, izay lohany amin’ny mpanota, no hanehoan’i Kristy Jesosy ny fahari-pony rehetra, ka hahatonga ahy ho santionan’ny olona izay hino azy mba hahazoana fiainana mandrakizay.” (1Ti 1:13-16) Imbetsaka i Jehovah Rain’i Jesosy no namindra fo tamin’ny Israely ary nanafaka azy ireo tamin’ny fahavalo sy ny mpampahory, ka nahatonga azy ireo handry feizay sy hiadana. Afaka manantena ny hamindrana fo toy izany koa ny Kristianina, amin’ny alalan’ilay Zanak’Andriamanitra. Hoy àry i Joda: “Mitoera ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, eo am-piandrasanareo ny famindram-pon’i Jesosy Kristy Tompontsika, sady mitsinjo ny fiainana mandrakizay.” (Jd 21) Tsy ho kivy eo amin’ny fanompoana àry ny tena Kristianina fa hahafoy tena amin’io asa io foana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy.​—2Ko 4:1, 2.

Mamindra fo amin’ny biby. Hoy ny Ohabolana 12:10: “Mitsimbina ny ain’ny biby fiompiny ny marina, fa fahasiahana kosa no mba famindram-pon’ny ratsy fanahy.” Mahalala izay ilain’ny biby fiompiny ny olo-marina, ary mikarakara azy ireny. Fantatry ny ratsy fanahy koa izany, saingy tsy mahatonga azy hamindra fo. Tia tena sy mafy fo ny olona eto amin’ity tontolo ity, ka tsy miahy ny biby fiompiny raha tsy misy tombontsoany ao. Mihevitra izy fa efa mikarakara azy ireny, nefa mety ho fampijaliana no ataony raha ny marina. (Ampifan. Ge 33:12-14.) Miahy ny biby fiompiny kosa ny olo-marina, ho fanahafana an’Andriamanitra, izay miahy an’ireny zavaboariny ireny.​—Ampit. Ek 20:10; De 25:4; 22:4, 6, 7; 11:15; Sl 104:14, 27; Jo 4:11.

Famindram-po sy hatsaram-panahy. Misy teny hafa mifandray akaiky amin’ny rahamim sy eleôs, ary ampiarahina matetika aminy. Tsy inona izany fa ny teny hebreo hoe hesed, izay midika hoe “hatsaram-panahy feno fitiavana” na “fitiavana tsy miovaova” (Sl 25:6; 69:16; Je 16:5; Ft 3:22) sy ny teny grika hoe karis, izay midika hoe “hatsaram-panahy tsy manam-paharoa.” (1Ti 1:2; He 4:16; 2Jn 3) Fahafoizan-tena na fitiavana tsy miovaova an’izay anehoana hatsaram-panahy no asongadin’ny hesed, fa ny rahamim kosa manasongadina ny fangorahana na ny fiantrana. Fanomezana maimaim-poana ho an’izay tsy mendrika izany no tena hevitry ny karis, ka asongadin’izy io fa tena malala-tanana ilay mpanome. Ny eleôs kosa manasongadina ny famindram-pon’ilay olona miantra ny ory sy ny tsy manana. Naneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa (karis) tamin’ny Zanany àry Andriamanitra, rehefa ‘nanome azy tamin-katsaram-panahy [ekarisatô] anarana ambony noho ny hafa rehetra.’ (Fi 2:9) Hatsaram-panahy vokatry ny fahalalahan-tanana sy ny fitiavana izany, fa tsy vokatry ny fiantrana.​—Jereo HATSARAM-PANAHY.