Fanalam-baraka, Latsa
Fanaratsiana, fanimbana lazan’olona, fanesoana, na manana ny rariny ilay manao izany na tsia. Matetika no nadika hoe fanalam-baraka na latsa ny teny grika hoe ôneidismôs (sy ôneidôs) sy ny teny hebreo hoe herpah.—Ampit. Ge 30:23; Sl 69:9; Lk 1:25; Ro 15:3.
Maro ny antony mety hahafa-baraka, arakaraka ny toe-javatra. Nahafa-baraka ny lehilahy israelita iray, ohatra, ny hoe tsy voafora, tamin’ny mbola nanan-kery ny fifaneken’ny Lalàna. (Ampit. Mpts 14:3.) Hoy àry i Jehovah rehefa noforana ihany tamin’ny farany ny lahy rehetra teraka tany an-tany efitra, taoriana kelin’ny niampitana an’i Jordana: “Efa nakodiako hiala taminareo androany ny fanalam-baraka nataon’i Ejipta.” (Js 5:2-9) Mety ho antony nanalan’ny Ejipsianina baraka an’ireo Israelita ny hoe mbola tsy voafora ny maro taminy nefa ny Ejipsianina voaporofo fa nifora. Tsy afa-baraka intsony ny Israelita izao. (Je 9:25, 26; jereo FAMORANA.) Ankoatra izany, dia “famantarana an’ilay fifanekena” nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama sy ny taranany ny famorana. (Ge 17:9-11) Azo inoana fa nanamafy an’io fifanekena io ilay famorana natao tamin’ireo Israelita teraka sy nihalehibe tany an-tany efitra (efa maty tany mantsy ny taranaka teo aloha). Efa tapitra koa tamin’izay ny 40 taona nirenirenena tany an-tany efitra, ka nasehon’Andriamanitra fa nankasitraka an’ireo Israelita amin’izay izy. Nampidiriny tao amin’ny Tany Nampanantenaina àry izy ireo, ary mbola nampiany handresy an’ireo mponina tao. Voaporofo tamin’izay fa tsy nitombina izay mety ho fanaratsiana na fanalam-baraka nataon’ny Ejipsianina, raha nieritreritra izy ireo hoe tsy hahavita hitondra ny Israely any amin’ny Tany Nampanantenaina i Jehovah. Ao anatin’ny fifanekena vaovao kosa ny Kristianina, na Jiosy izy na hafa firenena, ka tsy afa-baraka na dia tsy mifora aza.—Ro 2:25-29; 3:28-30; 4:9-12; 1Ko 7:18, 19.
Nahatsiaro ho afa-baraka ny vehivavy hebreo raha nijanona ho mpitovo, na nitoetra ho maty vady (Is 4:1; 54:4), na tsy niteraka. (Ge 30:23; Lk 1:25) Anisan’ny nahatonga izany fiheverana izany ny fampanantenan’Andriamanitra momba ny taranak’i Abrahama sy ny fampanantenany hoe ho tahaka “ny fasika eny amoron-dranomasina” izany taranaka izany. (Ge 22:15-18; ampit. 24:59, 60.) Nidera an’ireo lehilahy sy vehivavy nijanona ho mpitovo kosa ny apostoly Paoly, raha noho ny faniriana hifantoka amin’ny fanompoana an’Andriamanitra no nanaovan’izy ireo izany. Hoy koa i Paoly momba ny vehivavy mpitondratena: ‘Sambatra kokoa izy, araka ny hevitro, raha mitoetra amin’izao.’—1Ko 7:25-28, 32-40; ampit. Mt 19:10-12.
Nahafa-baraka foana kosa ny nanompo sampy, nanitsakitsa-bady, nangalatra, naloto fitondran-tena, ary nivadika tamin’Andriamanitra.—2Sa 13:13; Oh 6:32, 33; Ro 1:18-32; 2:17-24.
Tsy tokony hanaratsy olona ireo te hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Nilaza ny mpanao salamo fa afaka mivahiny ao an-tranolain’Andriamanitra izay tsy “manisy ratsy olona, na manala baraka ny namany akaiky”, izany hoe tsy mampiely lainga momba ny namany akaiky. (Sl 15:1, 3) Manala baraka an’Andriamanitra, raha ny marina, ny olona manambaka ny tsy manana na manesoeso ny mahantra (Oh 14:31; 17:5), ary koa ny olona manala baraka ny mpanompon’Andriamanitra. (Sl 74:18-23) Tsy maintsy ho voa mafy izay manao izany.—Ze 2:8-10.
Natsahatr’i Jehovah ny fahafaham-baraka. Rehefa nanaraka fivavahan-diso na nanao ny tsy marina ny Israelita, dia nanala baraka an’i Jehovah Andriamanitra, satria lasa toy ny hoe ratsy noho ny fivavahan’ireo firenena nanodidina ny fivavahana tamin’i Jehovah. (Is 65:7) Nivadika taminy ny Israelita rehefa nanao izany ka navelan’Andriamanitra hisy loza hanjo azy ireo, ary nandatsa sy nanala baraka azy ireo ny hafa firenena. (Ezk 5:14, 15) Tsy fantatr’ireny hafa firenena ireny anefa hoe sazin’Andriamanitra izany nanjo ny Israelita izany. Noheverin’izy ireny kosa hoe Andriamanitra no tsy nahavita namonjy ny Israely. Vao mainka àry afa-baraka i Jehovah. Naveriny tany amin’ny taniny ny Israelita nibebaka mba tsy ho afa-baraka intsony ny anarany.—Ezk 36:15, 20, 21, 30-36.
Hoatran’ny hoe nafoin’Andriamanitra ny vahoakany indraindray, ka noheverin’ny hafa firenena fa tsy niaro na nitahy azy ireo Andriamanitra. Nanala baraka sy nandatsa azy ireo àry ny hafa firenena. (Sl 31:9-11; 42:10; 74:10, 11; 79:4, 5; 102:8, 9; Jl 2:17-19) Nasehon’i Jehovah anefa, tamin’ny farany, fa mahavita mamonjy izy ka natsahany ny latsa sy ny fahafaham-baraka.—Ne 1:3; 2:17; 4:4; 6:16.
Je 6:10; 15:15-18; 20:8), sy Kristy Jesosy (Mt 27:44; Mr 15:32; Ro 15:3), ary ny mpanara-dia azy. (He 10:33) Tokony ho faly ny olona raha alam-baraka noho ny amin’i Kristy, satria hahazo valisoa lehibe any an-danitra izy raha tsy mivadika mihitsy. (Mt 5:11; Lk 6:22, 23) Tokony ho faly koa izy satria hita amin’izany fa tarihin’ny fanahin’Andriamanitra izy. (1Pe 4:14) Tsy tokony hatahotra ny halam-baraka àry isika. Hoy i Jehovah amin’izay mahalala ny fahamarinana: “Aza matahotra ny fanalam-barakan’ny olombelona mety maty, ary aza mihorohoro noho ny fanevatevany.”—Is 51:7.
Alam-baraka noho ny amin’i Kristy. Natao tsinontsinona sy nalam-baraka ireo mpanompon’i Jehovah nirahina tany amin’ny olona. Izany no nanjo an’i Jeremia (Fantatr’i Jesosy fa ho afa-baraka tanteraka izy, rehefa manao ny sitrapon’ny Rainy. Nekeny an-tsitrapo anefa izany, na dia tonga hatramin’ny fahafatesana nahafa-baraka teo amin’ny hazo fijaliana aza ny fanaovany izany. (Is 53:3-7; Jn 10:17, 18; He 12:2; 13:12, 13) Mba hahasoa ny hafa, dia tsy nanao izay nahafaly ny tenany izy, fa vonona kosa hizaka ny latsa nataon’ireo olona nanala baraka an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny tenin’izy ireo sy ny nataony. Nasongadin’ny apostoly Paoly izany toe-tsain’i Kristy izany, rehefa nampirisika ny Kristianina hihevitra an’ireo malemy finoana izy. Hoy izy: “Isika izay matanjaka anefa dia tokony hizaka ny fahalemen’izay tsy matanjaka, fa tsy hanao izay mahafaly ny tenantsika. Aoka isika samy hanao izay mahafaly ny namany amin’izay tsara, dia izay mampahery azy. Na i Kristy aza mantsy tsy nanao izay nahafaly ny tenany. Izany dia araka ny voasoratra hoe: ‘Mihatra amiko ny latsa nataon’ireo nandatsa anao.’” (Ro 15:1-3) Niresaka momba ny Kristianina nalemy finoana i Paoly, ao amin’ny Ro 14. Mbola nitandrina sakafo sy andro fety sasany ireny Kristianina ireny. Nanazava i Paoly fa tsy tokony hanao izay hahatafintohina azy ireny ny hafa, fa tokony hampahery azy ireny kosa. Mety hidika izany fa nila nampandefitra ny zony ireo ampy fahalalana sy ireo nanana finoana sy feon’ny fieritreretana matanjaka, na dia mety ho tsy nahafinaritra azy aza izany. Nila ‘nizaka’ (midika hoe ‘nitondra’ sy hoe ‘niaritra na nandefitra’ [ampit. Ga 6:2; Ap 2:2]) enta-mavesatra izy ireo, ka nanahaka an’i Kristy. Mety hitondra enta-mavesatra mantsy ny olona rehefa mizaka an’ireo Kristianina manana feon’ny fieritreretana malemy kokoa. (Ampit. Mt 17:17-20; mariho koa ny tenin’i Mosesy ao amin’ny No 11:10-15.) Tsy mety koa raha izay ahazoana sitraka sy fitahiana ary valisoa avy amin’Andriamanitra ihany no katsahina, ka tsy raharahaina ireo malemy finoana sady heverina hoe manelingelina mihitsy aza. Ho lasan’ny Fahavalo mantsy izy ireny, raha tsy mba nihevitra na nanampy azy ireny ireo matanjaka kokoa.—Ampit. 1Ko 9:19-23; 10:23-33.
Aza manala baraka ny fiangonana. Marina fa manampo ny halam-baraka noho ny fahamarinana ny Kristianina, nefa tsy tokony hisy amin’izy ireo “hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin’ny raharahan’olona.” (1Pe 4:15, 16) Anisan’ny fepetra takina amin’ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana ny hoe “ho tsara laza eo amin’ny olona eny ivelany koa izy, mba tsy ho afa-baraka.” Amin’izay dia tsy ho afa-baraka izay manana andraikitra, ary tsy hisy hanaratsy an’ireo tena Kristianina noho ny fitondran-tenan’ny mpiandraikitra iray eo anivon’ny fiangonana.—1Ti 3:7.