Fanasana Tongotra
Fomba fandraisam-bahiny natao talohan’ny hisakafoana matetika. Nafana tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane ka nanao kapa ny olona nandeha an-tongotra, nefa be vovoka ny lalana. Ny vahiny ihany no nanasa ny tongony rehefa avy nomena koveta sy rano, tao an-tranon’ny olona tsotsotra. (Mpts 19:21) Ny mpanompo kosa no nanao izany tao an-tranon’ny mpanankarena satria noheverina ho asa ambany izany. Nanaiky ny fangatahan’i Davida azy ho vadiny i Abigaila matoa nilaza hoe: “Intỳ aho mpanompovavinao, ho mpanompovavy hanasa ny tongotry ny mpanompon’ny tompoko.” (1Sa 25:40-42) Nanetry tena sy tia an’ilay vahiny ny tompon-trano raha izy mihitsy no nanasa ny tongotr’ilay olona.
Nosasana ny tongotry ny vahiny noraisina tsara, raha vao tonga izy. Nisasa tongotra koa ny olona talohan’ny hatoriana. (To 5:3) Tsy maintsy nanasa tongotra sy tanana ny Levita mpisorona, rehefa hanompo tao amin’ny tranolay masina na teo anoloan’ny alitara.—Ek 30:17-21; 40:30-32.
Mety ho nomen’ny tompon-trano rano hanasan-tongotra ny vahiny, norohany, ary nohosorany menaka ny lohany, fony i Jesosy Kristy tetỳ an-tany. Tsy nanao an’ireo anefa i Simona Fariseo rehefa nivahiny tao aminy i Jesosy, ary nolazain’i Jesosy taminy izany. Vehivavy iray mpanota kosa no nanakotsa tamin’ny ranomasony ny tongotr’i Jesosy, izay nohamaininy tamin’ny volon-dohany, norohany, ary nasiany menaka manitra. Hoy àry i Kristy taminy: “Voavela ny helokao.”—Lk 7:36-50.
Nanasa ny tongotry ny apostoly i Jesosy Kristy, ny alina talohan’ny nahafatesany ny 14 Nisana taona 33, mba hanome fampianarana sy “modely”, fa tsy fombafomba harahina. (Jn 13:1-16) Efa nifanditra mantsy ireo apostoly hoe iza no lehibe indrindra. Mbola nifanditra mafy momba izany izy ireo, taorian’ny nanasan’i Jesosy ny tongotr’izy ireo. (Lk 22:24-27) Hotsaroana foana anefa izay nataon’i Jesosy iny alina iny. Tsy nisy tompon-trano tao amin’ilay trano nampiasain’izy sy ny apostoly. Tsy nisy mpanompo hanasa ny tongotr’izy ireo àry tao. Tsy nisy vonona hanao an’io asa noheveriny ho ambany io ny apostoly. Nitsangana anefa i Jesosy tamin’ny fotoana hitany fa mety, raha mbola nisakafo izy ireo. Nesoriny ny akanjony ivelany, nafatony teo amin’ny andilany ny servieta, nasiany rano tao anaty koveta, ary nosasany ny tongotr’izy ireo. Nasehony àry hoe tokony hanetry tena ny tsirairay ka hanompo sy hiahy ny hafa amim-pitiavana. Nanao toy izany ny vehivavy kristianina, satria anisan’ny asa tsara nataon’ny mpitondratena nahay nandray vahiny ny nanasa ny tongotr’izy ireny. (1Ti 5:9, 10) Tsy fombafomba takina amin’ny Kristianina ny mifanasa tongotra, raha jerena ny Soratra Grika Kristianina. Tokony hanahaka ny modelin’i Jesosy Kristy anefa izy ireo, ka hanompo ny rahalahiny amim-pitiavana ary ho vonona hanao zavatra madinika sy asa toa ambany ho azy ireny.—Jn 13:34, 35; jereo FANDROANA.