Fandokoana Lamba
Toa efa talohan’ny andron’i Abrahama, ary angamba efa hatramin’ny nahaizan’ny olona tenona, no nahay nampiasa akora samihafa izy ireo mba handokoana kofehy, lamba, na zavatra hafa. Kofehy manga sy mena midorehitra ary volonondry nolokoana volomparasy somary mena, ohatra, no nanaovan’ny Israelita ny tranolay masina sy ny akanjon’ny mpisorona. (Ek toko 25-28, 35, 38, 39) Lasa natao fitadiavam-bola fa tsy asa tao an-trano intsony ny fandokoana lamba tatỳ aoriana, tany amin’ny toerana samihafa. Nampahalaza an’i Ejipta fahiny ny loko marevaka. (Ezk 27:7) Rehefa nihena ny heriny, dia i Tyro sy ny tanàna fenisianina hafa no lasa foiben’ny fandokoana lamba.
Fomba fandokoana fahiny. Niovaova arakaraka ny toerana izany, ka na ny kofehy no nolokoana, na ny lamba. Toa natsoboka indroa tao anaty loko ny kofehy, ary nofiazana tsara mba tsy ho verivery fotsiny ilay loko sarobidy. Nahahy ilay kofehy avy eo.
Samy hafa ny fandokoana ny kofehy tsirairay. Tonga dia niraikitra tamin’ny kofehy ny loko indraindray, saingy nahalana izany. Nilaina kosa matetika ny nampiasa zavatra nampiraikitra ilay loko tamin’ny kofehy. Tokony ho mora mifangaro amin’ilay loko io zavatra io, mba tsy hiala ilay loko rehefa azon-drano. Hitan’ny mpikaroka fa nampiasa zavatra nampiraikitra loko toy izany ny Ejipsianina, izay nampiasa loko mena, mavo, ary manga. Azo inoana anefa fa tsy niraikitra ireo raha tsy nisy oksidana arsenika, oksidana vy, ary oksidana firapotsy.
Ny hodi-biby kosa nokarakaraina, vao nolokoana. Na tato ho ato aza, dia notanehina niaraka tamin’ny karazana maroavolona (mena ny voninkazony) aloha ny hoditr’ondry tany Syria, vao nolokoana. Nohosorana menaka sy natao nangirana ilay hoditra, rehefa maina ilay loko. Nolokoana mena ny kiraro sy fitaovana hoditra nampiasain’ny Arabo mpifindrafindra monina, ka mampahatsiahy an’ireo “hoditr’ondry nolokoana mena” nampiasaina tao amin’ny toerana masina.—Ek 25:5.
Miresaka zavatra nolokoana ny soratra nataon’i Tiglato-pilesera III mpanjakan’i Asyria. Notantarainy ny nanafihany an’i Palestina sy Syria, ary ny nahazoany hetra avy tamin’i Hirama mpanjakan’i Tyro sy ny mpanjaka hafa. Anisan’izany hetra izany “ny akanjo rongony misy haingony mareva-doko, volonondry nolokoana manga, volonondry nolokoana volomparasy, ... hodi-janak’ondry efa henjana nolokoana volomparasy, (ary) voron-dia manana elatra mivelatra izay nolokoana manga.”—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 282, 283.
Ny nahazoana loko. Ravina amandie sy hoditr’ampongabendanitra voatoto no nahazoana loko mavo tany Palestina, fa ny an’ny Fenisianina kosa niampy tamotamo sy voninkazo kartama. Hodi-kazon’ampongabendanitra no nahazoan’ny Hebreo loko mainty, ary fakan’ny garansy (Rubia tinctorum) no nahazoany mena. Ny loko manga kosa avy tamin’ny aika (Indigofera tinctoria), zavamaniry avy any Ejipta na Syria fa angamba nampidirina tany Palestina. Toy izao ny fomba iray nandokoana ny volonondry ho volomparasy: Nalona nandritra ny alina tao anaty ranom-boaloboka izy io, ary norarahana potika garansy.
Bibikely mpitsentsitra (Coccus ilicis) tsy manan’elatra anisan’ny fianakaviamben’ny Coccidae no nahazoana ny mena midorehitra sy mena antitra. Io bibikely io no fakana loko tranainy indrindra. Nataon’ny Grika hoe kôkkôs (“voaroy”) ny vavy amin’izy io, satria mitovy habe amin’ny voaroy. Kirmiz na kermez no iantsoan’ny Arabo an’ilay bibikely. Ahitana azy io manerana an’ireo tany any atsinanan’i Mediterane. Ny atodiny ihany no misy an’ilay loko mena volomparasy be asidra kermezika. Mipetaka amin’ny rantsana na ravin’ny hazo
oaka (Quercus coccifera) ny vaviny rehefa feno atody amin’ny faramparan’ny Aprily, ka ny fantsona amin’ny vavany no iraiketany eo. Angonina sy hamainina ireo zanany vao foy, ary ampangotrahina anaty rano mba hahazoana an’ilay loko sarobidy. Ny loko mena avy tamin’izy ireny no tena nampiasaina tamin’ireo fitaovan’ny toerana masina sy ny akanjon’ny mpisoronaben’ny Israely.Avy amin’ny sifodranomasina toy ny Murex trunculus sy Murex brandaris no nahazoana ny volomparasy. Mamoaka ranoka indray mitete ny fihary kely ao amin’ny hatok’izy ireny. Marihitra sy mitovy loko amin’ny hero-dronono ilay ranoka, fa miova tsikelikely ho volomparasy be na volomparasy somary mena rehefa azon’ny rivotra sy hazavana. Eny amoron’ny Ranomasina Mediterane no misy an’ireo sifodranomasina, ary arakaraka ny toerana misy azy ny loko azo avy aminy. Vakina tsirairay ny sifotra lehibe ary alaina tsimoramora ny ranoka sarobidy ao anatiny, fa izay kely kosa totoina ao anaty laona. Kely ihany ny ranoka azo avy amin’ny iray, ka sifotra maro vao nahazoana betsaka nefa nilana vola be izany. Lafo àry ny loko avy taminy, ka ny mpanankarena sy olona ambony ihany no mpanao akanjo nolokoana volomparasy. (Es 8:15; Lk 16:19) Misy betsimitsitekiteky, hono, ahazoana loko manga.
Nampahalaza an’i Tyro fahiny ny loko volomparasy na mena antitra (volomparasin’i Tyro na volomparasin’ny mpanjaka). Loko naverina indroa, hono, izy io, nefa tsy fantatra marina ny fomba nahazoan’ny olona tany azy io. Azo inoana fa avy tamin’ny sifodranomasina Murex sy Purpura no nahazoana azy io, satria ahitana akorana Murex trunculus mivangongo eny amoron-tsirak’i Tyro sy akaikin’i Sidona. Nanana sy nivarotra volonondry nolokoana volomparasy somary mena sy lamba maro loko i Tyro, tanàna fenisianina, hoy i Jehovah.—Ezk 27:2, 7, 24; jereo LOKO.