Fandrika
Fomba na fitaovana atao hisamborana biby, ka vao misy voakitika kely ilay fitaovana dia tratra ilay biby, na voahidy, na maty. Afenina na totofana izy io mba ho voafitaka ilay biby, ary matetika no asiana jono. Teny hebreo maromaro no nadika hoe “fandrika”, ‘vela-pandrika’, ary “fandrika harato.” (Sl 141:9, 10) Tsy resahin’ny Baiboly ny bikabikan’ireo karazana fandrika fahiny. Manampy hahazo ny fomba fiasan’izy ireny ihany anefa ny Joba 18:8-10; Salamo 10:9; 140:5; ary Jeremia 18:22. Hazavaina ao amin’ny hoe FIHAZANA SY FANARATOANA sy MPAMANDRI-BORONA ny fanaovana sy fampiasana azy ireny.
Heviny an’ohatra. Voagadra na maratra na maty ny biby azon’ny fandrika. Ilazana an’ireo antony mahatonga ny olona hamoy ny fahafahany, hiharan-doza, na ho faty àry ny fandrika. Nilaza toy izao, ohatra, ny mpanompon’i Farao rehefa niteny i Mosesy fa ho feno valala eran’i Ejipta: “Mandra-pahoviana iny lehilahy iny no ho fandrika ho antsika?” (Ek 10:7) I Mosesy no nanambara ny hiavian’ny loza rehetra talohan’io, ka toy ny hoe fandrika ho an’ny Ejipsianina izy satria nahatonga loza taminy. Imbetsaka i Jehovah no nampitandrina ny Israelita mba tsy hamela ny Kananita hijanona ao amin’ny Tany Nampanantenaina, sao ho fandrika ho azy ireo ny fanompoan-tsampiny. (Ek 23:32, 33; 34:12; De 7:16, 25; Js 23:13) Voafandrika tokoa ny Israelita rehefa nanompo sampy, satria tsy nankasitrahan’i Jehovah sy tsy narovany intsony, ka nofehezin’ny fahavalony sy nampahoriny. Fitaka koa ny fanompoan-tsampy, satria toy ny hoe nahasoa sy nahafinaritra. (Mpts 2:2, 3, 11-16; 8:27) I Saoly Mpanjaka kosa ‘nanome’ an’i Mikala zanany vavy ho an’i Davida “mba hamandrihana azy.” (1Sa 18:21) Nanantena mantsy izy fa hovonoin’ny Filistinina i Davida, satria tsy maintsy hisetra loza vao hahazo an’ireo tsitsy nesorina tamin’ny lehilahy filistinina 100 izay notakin’i Saoly ho solon’ny “vodiondry.”—1Sa 18:25.
Haingana sy tampoka ny fiasan’ny fandrika. Azo ilazana zavatra tampoka sy vetivety àry ny fandrika, toy ny nandresen’i Media sy Persa an’i Babylona. Toy ny hoe nofandrihan’i Jehovah ilay tanàna tamin’izay.—Je 50:24; ampit. Lk 21:34, 35.
Tsy maintsy malina sy mandinika tsara ny olona iray vao manao voady na manome antoka fa hanao zavatra, sao ho voafandriky ny teniny ka ho sahirana vao ho tafavoaka na tsy ho tafavoaka mihitsy. (Oh 6:1-3; 20:25) Mety ho lasa mora tezitra izay minamana amin’ny olona mora tezitra. Voafandrika izy, satria lasa mora mifamaly, mahita olana hafa, ary manota. (Oh 22:24, 25; ampit. 1Ko 15:33.) Ny olon-kendry kosa tsy ho voataona hanao ratsy (toy ny hoe miaraka amin’ny mpivaro-tena) na ho voafandrika hanao zavatra mety hahafaty azy, satria matahotra an’Andriamanitra sy mitandrina ny didiny.—Oh 13:14; 14:27; ampit. 5:3-8; 7:21-23.
Voafandrika ka niala tamin’ny finoana ny Kristianina voalohany sasany, satria voasariky ny fitiavan-karena. (1Ti 6:9, 10) Nisy koa latsaka tao amin’ny “fandriky ny Devoly.” Voafitaka sy niala tamin’ny fahamarinana mantsy izy ireo, ka lasa rembin’ilay Fahavalo. Nampirisihina àry i Timoty mba halemy paika rehefa mampianatra azy ireo, sao dia mba ho tonga saina sy hibebaka ihany izy ireo, ka ho afaka amin’ny fandriky ny Devoly.—2Ti 2:23-26; ampit. 1Ti 1:3, 4; Tit 3:9.
Fanaon’ny mpanao teti-dratsy ny mamandrika olona tsy manan-tsiny. Azon’i Jehovah afotitra amin’ny ratsy fanahy anefa ny ataony, ka izy ireo indray no “handrotsahany fandrika sy afo sy solifara.” (Sl 11:6) Azony fandrihana sy atao tapi-dalan-kaleha ary aringana mantsy izy ireo.—Ampit. 1Te 5:1-3.