Fandroana
Nadika hoe ‘mandro’ na ‘manasa’ ny hoe rahats (heb.), ary ilazana olona na zavatra aroboka ao anaty rano na andrarahana rano mba hadio. (Le 16:24; Ge 24:32) Kavas (heb.) kosa no ilazan’ny Baiboly ny fanasana lamba izay atontontontona ao anaty rano. Misy ifandraisany amin’ny hoe kabasa (arabo; “manapotsipotsitra; manitsaka”) sy hoe kabaso (akadianina; “manitsakitsaka”) izy io. Hoy àry ny Levitikosy 14:8: “Dia hanasa [endriny hafa amin’ny hoe kavas] ny akanjony ilay midio, ary hoharatany daholo ny volo amin’ny tenany, ary handro [verahats] amin’ny rano izy, ka hadio.”—Jereo koa Le 15:5-27; No 19:19.
Lotrôn ny teny grika ilazana ny hoe “fampandroana.”—Tit 3:5, f.a.p.
Tsy maintsy madio ireo manompo an’i Jehovah amin’ny fahamasinana, toy ireo nanompo tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly. Nandro i Arona Mpisoronabe sy ny zanany lahy, vao nanao ny fitafian’ny mpisorona, rehefa napetraka teo amin’ny toerany. (Ek 29:4-9; 40:12-15; Le 8:6, 7) Nanasan’ny mpisorona tanana sy tongotra ny rano tao anatin’ny kovetabe varahina teo an-tokotanin’ny tranolay masina, sy tao anatin’ny fitoeran-drano goavana teo an-tokotanin’ny tempolin’i Solomona. (Ek 30:18-21; 40:30-32; 2Ta 4:2-6) Nandro indroa ny mpisoronabe tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. (Le 16:4, 23, 24) Nila nandro sy nanasa ny akanjony koa vao niditra tao an-toby indray, ireo nitondra tany ivelan’ny toby an’ilay osy ho an’i Azazela, ny ambin’ny biby natao sorona ary ny ombivavy mena natao sorona.—Le 16:26-28; No 19:2-10.
Ireto avy no ‘naloto’ ka tsy maintsy nandro araka ny fombafomba notakin’ny Lalàna: Izay Israelita sitrana tamin’ny habokany, na nikasika zavatra voakasiky ny lehilahy nisy “tsiranoka” nivoaka tamin’ny filahiany, ny lehilahy nisy tsirinaina nivoaka, ny vehivavy avy tonga fotoana na avy nandeha ra, na izay avy nanao firaisana. (Le 14:8, 9; 15:4-27) ‘Naloto’ koa izay tao amin’ny tranolay nisy faty na nikasika an’ilay faty. Tsy maintsy nodiovina tamin’ny rano fanadiovana izy, mba tsy ‘haringana tsy ho eo amin’ny fiangonana, satria ny toerana masin’i Jehovah no nolotoiny.’ (No 19:20) Ilazana olona madio eo imason’i Jehovah àry ny hoe misasa na midio. (Sl 26:6; 73:13; Is 1:16; Ezk 16:9) Manadio ilay rano fandroana an’ohatra, dia ny tenin’i Jehovah na ny fahamarinana.—Ef 5:26.
Nandro tao amin’i Neily ny zanakavavin’i Farao (Ek 2:5), nandro i Rota talohan’ny nihaonany tamin’i Boaza (Rt 3:3), sendra hitan’i Davida nandro i Batseba (2Sa 11:2, 3), ary nandro i Davida rehefa hiankohoka tao an-tranon’i Jehovah. (2Sa 12:20) Nisy mpivaro-tena nandro tao amin’ny dobon’i Samaria. (1Mp 22:38) Nandro impito tao amin’ny Reniranon’i Jordana i Namàna boka, rehefa nilazan’i Elisa hoe: “Mandroa, dia hadio ianao.” (2Mp 5:9-14) Nampandroina ny zaza vao teraka sy ny faty halevina.—Ezk 16:4; As 9:37.
Nafana tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane ka nanao kapa ny olona rehefa nandeha an-tongotra, nefa be vovoka ny lalana. Nahay nandray vahiny sy tsara fanahy àry ireo nanome rano hanasan’ny vahiny tongotra. Toy izany no nataon’i Abrahama tamin’ny anjely. (Ge 18:1-4) Tsara fanahy toy izany koa i Lota, Labana, ary Abigaila. (Ge 19:1, 2; 24:29-32; 1Sa 25:41; Lk 7:38, 44; 1Ti 5:10) Nanasa ny tongotry ny mpianany koa i Jesosy.—Jn 13:5-17; jereo FANASANA TONGOTRA.
Nanasa “tanana hatreo amin’ny kiho” ny Fariseo, tsy ho fitandroana fahadiovana, fa ho fanarahana ny lovantsofin’ireo raby.—Mr 7:1-5; Mt 15:1, 2.