Fanenomana
Fanaovana lamba ka atao mifampidipiditra ny kofehy mitsangana sy mitsivalana. ‘Tenany’ no iantsoana an’ireo kofehy mitsangana, fa ‘fahany’ kosa ireo mitsivalana. Ampifandimbiasina atao eo ambony sy ambanin’ny kofehy tenany ny kofehy fahany. (Le 13:59) Ny vehivavy no tena mpanenona, nefa toa nisy lehilahy koa. (2Mp 23:7; 1Ta 4:21) Toa rafitra hazo no fitaovam-panenoman’ny Hebreo sy Ejipsianina ary firenen-kafa.—Mpts 16:13, 14; Is 19:1, 9, 10.
Mitsangana na mandry ny fitaovam-panenomana fahiny. Tsato-kazo roa nisy tsivalan-kazo teo an-tampony (“voditenona”), ohatra, ilay karazany mitsangana. Nafatotra tamin’ny voditenona ny kofehy tenany ary nasiana zava-mavesatra mba hihenjana. Ny fitaovana hafa indray tsy nisy zava-mavesatra fa loha-tenona (“vodibao ambany”). Azo nahodina ny loha-tenon’ny fitaovana sasany, ka tamin’iny no nahorona ny lamba voatenona. Bao roa nitovy elanelana ary nisy tongony efatra natsatoka tamin’ny tany kosa ny fitaovam-panenomana mandry. Nohenjanina teo anelanelan’ireo bao ny kofehy tenany. Mety ho nitovy tamin’iray tamin’ireo bao ireo ny tahon’ny lefon’i Goliata, matoa noharina tamin’ny “voditenon’ny mpanenona.”—1Sa 17:4, 7.
Nozaraina ho ampahany roa matetika ny kofehy tenany, ka nampandalovina teo ambonin’ny ampahany iray ny kofehy fahany natsofoka tamin’ny sisiny iray, avy eo nampandalovina teo ambanin’ilay izy indray rehefa natsofoka tamin’ny sisiny ilany. Lalana roa àry no nandalovan’ny kofehy fahany. Raha mandry sy tsotra ilay fitaovana, dia nasiana hazo fisaka mitsivalana (“fandraisana”) nanelanelana an’ireo kofehy tenany, mba hisian’ny lalana hitsofohan’ny kofehy fahany hatreo amin’ny sisiny iray. Nosintonina hiakatra avy eo ny hazokelin-tenona namatorana ny “haraka” na kofehy nitana ny kofehy mitsangana, mba hisian’ny lalana faharoa hitsofohan’ny kofehy fahany hatreo amin’ny sisiny ilany. Natosika tamin’ny hazo fisaka (“fanantana”) ny kofehy fahany mba hifanety tsara, isaky ny avy nandalo tamin’ny kofehy tenany. Hazokely nitondra ny kofehy fahany avy tamin’ny sisiny iray nankany amin’ny ilany ny “famahanan-tenona.” Mailaka erỳ ny mpanenona mahay nampiasa azy io, ka hoy i Joba: “Mandeha haingana noho ny famahanan-tenona ny androko.”—Jb 7:6.
Notapahina hiala tamin’ny kofehy tenany ary nahorona ny lamba voatenona, rehefa azo ny halavany notadiavina. (Is 38:9, 12) Volom-biby (Ek 36:14; Mt 3:4) anisan’izany ny volonondry, ary lamba rongony matetika no notenomina.—Ampit. Oh 31:13.
Azo atao ny nampiasa kofehy (tenany, na fahany, na izy roa) samy hafa loko mba hanenomana lamba misy sorany. Na mety ho ny kofehy fahany sasany fotsiny no niloko. (Ge 37:23; 2Sa 13:18; Oh 7:16) Mety ho tsy nisesy koa ilay tenona, fa kofehy fahany maromaro no nampandalovina teo ambony kofehy tenany iray, ary avy eo teo ambany kofehy tenany roa hatreo amin’ny sisiny iray. Nampandalovina teo ambony kofehy tenany roa indray ny kofehy fahany manaraka, avy eo teo ambany kofehy roa, ary teo ambony kofehy iray, hatreo amin’ny sisiny ilany. Misy sorany ny lamba na dia mitovy loko aza ny kofehy tenany sy fahany, arakaraka ny fanenomana azy. “Karôkarô”, ohatra, ny tenon’ilay akanjo lava vita tamin’ny rongony tena tsara ho an’i Arona.—Ek 28:39.