Fanomezana avy Amin’Andriamanitra
Fomba anehoan’Andriamanitra amin’ny olombelona ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa. Miseho im-17 ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ny teny grika hoe karisma (a.b.t.: fanomezana mahafinaritra), ary ilazana fanomezana avy amin’Andriamanitra noho ny ‘hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa’ (karis). (Ro 6:23; 1Ko 12:4; 2Ti 1:6; 1Pe 4:10) Tokony hanasoavana ny mpiara-belona sy hanomezam-boninahitra an’i Jehovah àry ny fanomezana toy izany (1Pe 4:10, 11), fa tsy hampiasaina hahazoana tombony ho an’ny tena. “Nahazo maimaim-poana” mantsy ilay nomena izany, ka tokony ‘hanome maimaim-poana’ koa.—Mt 10:8.
“Avy any ambony ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra.” (Jk 1:17) Malala-tanana i Jehovah, ka samy omeny masoandro sy orana ny olo-marina sy ny ratsy fanahy. Izy no “manome ho an’ny olon-drehetra ny aina sy ny fofonaina ary ny zava-drehetra.” Omeny hifalian’ny olombelona ny zava-drehetra, anisan’izany ny sakafo sy ny zava-pisotro ary ny fifaliana amin’ny asa mafy. (Mt 5:45; As 17:24, 25; Mpto 3:12, 13; 5:19; 1Ti 6:17) Fanomezana avy aminy koa ny hoe mpitovo sy manambady, ary ho sambatra izy ireo raha manaraka ny fitsipiny. Fanomezana tsara kokoa anefa ny an’ny mpitovo, satria afaka mifantoka kokoa amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy.—Oh 18:22; Mt 19:11, 12; 1Ko 7:7, 17, 32-38; He 13:4.
Fanomezan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny soron’i Jesosy. Fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah ny nanomezany ny Zanany ho sorom-panavotana. Fiainana mandrakizay mantsy no fanomezana ho azon’izay maneho finoana ny soron’i Jesosy Kristy. (Ro 6:23; Jn 3:16) Anisan’ny ‘fanomezana maimaim-poana tsy hay lazaina’, ny hatsaran-toetra sy ny hatsaram-panahy feno fitiavana rehetra asehon’Andriamanitra amin’ny vahoakany amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.—2Ko 9:15; ampit. Ro 5:15-17.
Fanahy masina. Fanomezan’Andriamanitra koa ny fanahiny, izay manampy ny mpanompony tsy hanao ny asan’ny nofo mahamenatra, fa haneho kosa ny vokatry ny fanahy, dia ny fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena. (As 2:38; Ro 8:2-10; Ga 5:16-25) Mpitari-dalana azo ianteherana ny fanahin’i Jehovah, ary manome ny hery fanampiny ilain’ny Kristianina hanaovany ny asa anendrena azy, na dia voasedra aza izy. (Jn 16:13; 2Ko 4:7-10) Nanome toky i Jesosy fa hampianatra ny mpianany ny zava-drehetra ny fanahin’Andriamanitra, hampahatsiaro azy ireo ny zavatra efa nampianariny, ary hanampy azy hiaro tena eo anatrehan’ny mpitondra.—Jn 14:26; Mr 13:9-11.
Fahendrena sy fahalalana. Fanomezan’Andriamanitra ny tena fahendrena sy fahalalana. Asainy mangataka fahendrena sy fahalalana toy ny nataon’i Solomona ny mpanompony. (Jk 1:5; 2Ta 1:8-12) Mila miezaka mianatra ny Teniny, izay fanomezana avy aminy koa, ireo te hahazo fahalalana. (Oh 2:1-6; 2Ti 2:15; 3:15) Tsy ampy anefa ny mianatra ny Teniny, satria amin’ny alalan’i Jesosy Kristy sy ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra ihany no ahazoana ny tena fahalalana sy fahendrena.—1Ko 2:10-16; Kl 2:3.
Miaro sy mitari-dalana antsika ny fahendren’Andriamanitra (Mpto 7:12; Oh 4:5-7), izay tsy mitovy mihitsy amin’ny fahendren’ity tontolo ity. Ny an’ity tontolo ity dia hadalana amin’i Jehovah sady tsy mahasoa satria tsy miraharaha Azy. (1Ko 1:18-21) “Ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary avy eo tia fihavanana, mahay mandanjalanja, vonona hankatò, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy manavakavaka na miangatra, ary tsy mihatsaravelatsihy.”—Jk 3:17.
Afaka ‘mamantatra tsara izay zava-dehibe kokoa’ ny Kristianina mahalala tsara ny sitrapon’i Jehovah. Tsy manao izay hampihemotra ny olona amin’ny finoana koa izy, ary miezaka ny ‘handeha mendrika an’i Jehovah mba hankasitrahany tanteraka.’ (Fi 1:9-11; Kl 1:9, 10) Lasa mazoto manompo an’Andriamanitra sy mahavokatra koa izy. (2Pe 1:5-8) Tsy hoe mahazo fahalalana avy amin’Andriamanitra fotsiny izy, fa mahatakatra tsara koa ny hevitr’izay fantany ary mahay mampiasa izany mba ‘hamaliany ny olona tsirairay.’—Kl 4:6.
Fanompoana sy “lehilahy ho fanomezana.” Tena fanomezana avy amin’i Jehovah ny fanompoana eo anivon’ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminany. (No 18:7; Ro 12:6-8; Ef 3:2, 7) Antsoina koa hoe “lehilahy ho fanomezana” ireo voatendry hanompo noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra. Solontenan’ Andriamanitra sy lohan’ny fiangonana i Jesosy Kristy, ka nomeny ho an’ny fiangonana ireo lehilahy ireo mba hampahery ny Kristianina tsirairay sy hanampy azy ho matotra. (Ef 4:8, 11, 12) Tsy tokony hanao tsinontsinona an’ilay fanompoana nomena azy izy ireo, mba hiantsorohany tsara ny andraikiny sy hanampiany ny hafa. (1Ti 4:14; 2Ti 1:6) Na iza na iza dia afaka manao ny fanompoana asain’Andriamanitra ataony, raha miezaka mafy mampiasa ny fahaizany sy mandresy an’ireo sakana ary ampian’i Jehovah.—Fi 4:13.
Fanomezan’ny fanahy. Nahazo fanomezana mahagaga ireo natao batisa tamin’ny fanahy masina, tamin’ny taonjato voalohany. Porofo izany fa ny fiangonana kristianina naorin’ny Zanany indray no nankasitrahan’Andriamanitra, fa tsy ny firenena jiosy intsony. (He 2:2-4) Nahazo fanomezana mahagaga ireo nilatsahan’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta. Taorian’izay dia nilatsaka ny fanahy masina rehefa teo ny iray tamin’ireo apostoly 12 na i Paoly, izay nofidin’i Jesosy mivantana. (As 2:1, 4, 14; 8:9-20; 10:44-46; 19:6) Nitsahatra anefa izany rehefa maty ireo apostoly, ary nitsahatra tanteraka ireo fanomezana mahagaga avy amin’ny fanahy rehefa maty daholo ireo nahazo an’izany fanomezana izany.
Tsy hoe ankasitrahan’Andriamanitra foana akory izay manao fahagagana, ary tsy hoe tsy tena mpanompony izay tsy mahay manao izany. (Mt 7:21-23) Tsy ny Kristianina rehetra tamin’ny taonjato voalohany mantsy no afaka nanao fahagagana, nanasitrana, niteny tamin’ny fiteny samihafa, na nandika teny. Nahay maromaro tamin’ireo i Paoly sy ny Kristianina vitsivitsy, noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra. Tamin’ny vao niforona ny fiangonana kristianina no nisy ireny fanomezan’ny fanahy ireny. Nitsahatra anefa izy ireny tatỳ aoriana, araka ny nambara mialoha. Nilaza koa i Jesosy fa tsy ny fanaovana fahagagana no ahafantarana ny mpanara-dia azy, fa ny fifankatiavana.—1Ko 12:29, 30; 13:2, 8-13; Jn 13:35.
Nilaza i Paoly fa misy sivy ny fomba fiasan’ny fanahy: 1) Tenim-pahendrena, 2) tenim-pahalalana, 3) finoana, 4) fahaiza-manasitrana, 5) fanaovana fahagagana, 6) fahaiza-maminany, 7) fahaiza-mamantatra ny fanambarana avy amin’ny fanahy, 8) fitenenana amin’ny fiteny samihafa, ary 9) fandikan-teny. Nahasoa ireo fanomezana rehetra ireo satria nampiroborobo sy nampahery ny fiangonana.—1Ko 12:7-11; 14:24-26.
“Tenim-pahendrena.” Mety hahazoana fahendrena ny zavatra ianarana sy ampiharina ary iainana. Ilay “tenim-pahendrena” eto anefa toa fahaizana mahagaga hampiasa tsara ny fahalalana, mba hamahana olana teo anivon’ny fiangonana. (1Ko 12:8) Afaka nanoratra taratasy lasa anisan’ny Tenin’Andriamanitra i Paoly, “araka ny fahendrena nomena azy.” (2Pe 3:15, 16) Hita koa fa nanana an’ilay tenim-pahendrena ny Kristianina nahay niaro ny finoany, ka tsy voatohitry ny mpanenjika.—As 6:9, 10.
“Tenim-pahalalana” sy “finoana.” Samy nahalala an’i Jehovah sy ny Zanany sy ny sitrapony ary izay notakiny ny Kristianina rehetra tamin’ny taonjato voalohany. Tsy izy rehetra àry no nanana ny “tenim-pahalalana”, satria fahaizana mahagaga izy io. Fanomezan’ny fanahy koa ilay “finoana.” Nanampy ny Kristianina handresy sakana lehibe toy ny tendrombohitra izy io, ka afaka nanompo an’Andriamanitra foana izy ireo.—1Ko 12:8, 9; 13:2.
“Fahaiza-manasitrana.” Afaka nanasitrana ny karazan’aretina rehetra izay nahazo an’io fanomezana io, ary sitrana tanteraka ilay olona. (As 5:15, 16; 9:33, 34; 28:8, 9) I Jesosy sy ny mpianany no nahay nanasitrana, talohan’ny Pentekosta. Nisy nanam-pinoana ireo nositranina, nefa tsy voatery ho toy izany koa. (Ampit. Jn 5:5-9, 13.) Tsy nahasitrana zazalahy voan’ny androbe, ohatra, ny mpianatr’i Jesosy, indray mandeha. Tsy nilaza anefa i Jesosy hoe tsy nanam-pinoana ilay nitondra an’ilay zazalahy hositranina, matoa tsy sitrana izy io. Nilaza kosa izy fa ny hakelin’ny finoan’ny mpianany no tsy nahasitrana azy io. (Mt 17:14-16, 18-20) Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe tsy nahasitrana marary tsy ampy finoana i Jesosy sy ny apostoliny. Nahay nanasitrana i Paoly, nefa tsy nanasitrana ny aretim-bavonin’i Timoty izy. Tsy nilaza koa izy hoe tsy ampy finoana i Timoty matoa narary vavony matetika. Nasainy nisotro divay kely kosa izy.—1Ti 5:23; jereo FANASITRANANA; FINOANA.
“Fanaovana fahagagana.” Afaka nanangana ny maty, namoaka demonia, ary nanajamba ny mpanohitra mihitsy aza ireo nahazo an’io fanomezan’ny fanahy io. (1Ko 12:10) Maro no lasa mpino rehefa nahita an’ireny fahagagana ireny.—As 9:40, 42; 13:8-12; 19:11, 12, 20.
“Fahaiza-maminany.” Fanomezana lehibe kokoa noho ny fitenenana tamin’ny fiteny samihafa ny fahaiza-maminany. Nampahery ny fiangonana mantsy izy io, ary nahatonga ny tsy mpino hiaiky fa teo amin’ny Kristianina tokoa Andriamanitra. (1Ko 14:3-5, 24, 25) Samy nanambara ny fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny Kristianina rehetra. (As 2:17, 18) Afaka nilaza mialoha ny hoavy anefa ireo nanana fahaiza-maminany, anisan’izany i Agabo.—As 11:27, 28; jereo FAMINANIANA; MPAMINANY (Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina).
1Ko 12:10) Tsy voafitaka hiala tamin’ny fahamarinana àry izy, ka afaka niaro ny fiangonana tamin’ny mpaminany sandoka.—1Jn 4:1; ampit. 2Ko 11:3, 4.
“Fahaiza-mamantatra ny fanambarana avy amin’ny fanahy.” Hain’ilay nahazo an’io fanomezana io ny namantatra raha avy tamin’Andriamanitra ny fanambarana avy tamin’ny fanahy na tsia. (“Fitenenana amin’ny fiteny samihafa.” Nivory tao amin’ny efitra iray ambony rihana (angamba teny akaikin’ny tempoly) ny mpianatra 120 teo ho eo, tamin’ny Pentekosta taona 33. Nilatsahan’ny fanahin’Andriamanitra izy ireo, ka afaka nitory momba “ny asa lehibe nataon’Andriamanitra.” Nataony tamin’ny fiteny samihafa izany, dia ny fitenin-drazan’ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy tonga tao Jerosalema mba hankalaza ilay fety. Tanteraka tamin’izay ny faminanian’i Joela. Porofo izany fa ny fiangonana kristianina indray no nampiasain’Andriamanitra, fa tsy ny firenena jiosy intsony. Tsy maintsy nibebaka sy natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy ireo Jiosy sy olona nanaraka ny Fivavahana Jiosy, raha te hahazo ny fanahy masina, izay fanomezana maimaim-poana.—As 1:13-15; 2:1-47.
Afaka nitory tamin’ny fiteny samihafa ireo Kristianina voalohany, noho io fanomezan’ny fanahy io, izay famantarana ho an’ny tsy mpino. Nanoro hevitra ny fiangonan’i Korinto anefa i Paoly fa tsy tokony hiaraka hiteny amin’ny fiteny samihafa ny rehetra ao am-pivoriana, sao tsy ho azon’ny vahiny sy tsy mpino ny zavatra nolazain’izy ireo, ka hoheveriny ho adala izy ireo. Nilaza koa izy fa tokony “hoferana ho roa na telo, raha be indrindra” ireo niteny tamin’ny fiteny samihafa, “ka hifandimby.” Raha tsy nisy mpandika teny kosa, dia tokony hangina ilay nahay fiteny samihafa, ka hiteny amin’ny tenany ihany sy amin’Andriamanitra. (1Ko 14:22-33) Tsy hampahery ny hafa mantsy izy raha tsy nisy nandika teny, satria tsy hahazo izay tiany holazaina izy ireo ka tsy hihaino azy.—1Ko 14:2, 4.
Tsy hahazo izay nolazainy na ny tenany na ny olona tsy nahay ilay fiteny, raha tsy nahay nandika teny ilay niteny tamin’ny fiteny samihafa. Nampirisihin’i Paoly àry izy hivavaka mba hahay handika teny koa, ka hampahery ny rehetra. Tsy mahagaga raha nilaza i Paoly fa fanomezana kely kokoa ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa. Aleony, hoy izy, nilaza teny dimy azon’ny sainy toy izay hilaza teny 10 000 amin’ny fiteny samihafa, teo anivon’ny fiangonana.—1Ko 14:11, 13-19.
“Fandikan-teny.” Nahay nandika fiteny mbola tsy hainy taloha izay nahazo an’io fanomezan’ny fanahy io. (1Ko 12:10) Afaka nampahery ny fiangonana manontolo izay nahay niteny tamin’ny fiteny samihafa sady nahay nandika teny.—1Ko 14:5.
Fomba hafa isehoan’ny fiasan’ny fanahy. Nilaza i Paoly fa tamin’ny alalan’ny fanahy no nametrahana ny Kristianina tsirairay anisan’ny vatan’i Kristy. Hoy izy: “Napetrak’Andriamanitra ao amin’ny fiangonana ireo rantsambatana samihafa: Voalohany, apostoly; faharoa, mpaminany; fahatelo, mpampianatra; avy eo, fahagagana, fahaiza-manasitrana, fanampiana, fahaiza-mitarika, ary fitenenana amin’ny fiteny samihafa.” (1Ko 12:27, 28) Mety ho anisan’izany “fanampiana” izany ny ezaka natao hanampiana ireo Kristianina sahirana. Nizarana sakafo, ohatra, ireo mpitondratena. Nisy fito lahy “feno fanahy masina sy fahendrena” voatendry hanao izany, teo anivon’ny fiangonan’i Jerosalema. (As 6:1-6) Nilaina ny “fahaiza-mitarika” mba hanatanterahana ny baikon’i Jesosy hanao mpianatra. (Mt 28:19, 20) Nilaina koa izy io mba hanaovana ny asa misionera, hanorenana fiangonana, ary hitarihana ny asan’ireny fiangonana ireny. Nilaza i Paoly hoe “olon-kendry lehiben’ny fanorenana” izy, tamin’izy nandray anjara tamin’ny asa nampanaovin’Andriamanitra azy.—1Ko 3:10.
Hain’ny Kristianina ny nifehy ny fanomezan’ny fanahy. Toa rehefa niasan’ny fanahin’i Jehovah ihany ireo nahazo ny fanomezan’ny fanahy vao nanana fahaizana mahagaga. ‘Nanan-janakavavy virjiny efatra naminany’, ohatra, i Filipo tany Kaisaria, ary nipetraka tao amin-dry zareo i Paoly. Tsy ireo zanak’i Filipo anefa fa i Agabo, mpaminany avy tany Jodia, no nilaza fa hosamborina i Paoly. (As 21:8-11) Mety hahazo fanambarana naharihary taminy koa ny mpaminany iray, raha mbola niteny ny mpaminany iray hafa, nandritra ny fivorian’ny fiangonana. Afaka nifehy ny fanomezan’ny fanahy anefa ireo niasan’ny fanahy, ka tsy niteny mandra-pahavitan’ny hafa ny anjarany. Nilamina tsara àry ny fivorian’ny fiangonana rehefa nisy naminany sy niteny tamin’ny fiteny samihafa ary nandika teny, ka nahazo fampaherezana ny rehetra.—1Ko 14:26-33.