Fe-potoana Voatondro ho An’ny Hafa Firenena
Hoy i Jesosy rehefa avy nilaza fa horavana ny tanànan’i Jerosalema: “Hohitsahin’ny hafa firenena i Jerosalema mandra-pahatapitry ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena [“ny andron’ny jentilisa”, Prot.].” (Lk 21:24) Samy hafa ny fahazoan’ny olona an’ilay hoe “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena [gr.: kairôi etnôn]”, ka miteraka adihevitra be izany.
Ny dikan’ny hoe “fe-potoana voatondro.” Avy amin’ny teny grika hoe kairôs (mr.: kairôi) ny hoe “fe-potoana voatondro.” “Midika hoe fotoana tsy miovaova sy voafaritra tsara, vanim-potoana, ary indraindray hoe fotoana mety tsara” izy io. (Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao, 1981, Boky Faha-4, p. 138) Midika koa hoe “fotoana marina tsara na mety tsara” izy io. (Rakibolana Grika-Anglisy nataon’i Liddell sy Scott, 1968, p. 859) Ireto avy àry no nandikana ny hoe kairôs: “Fotoam-pijinjana”, “fotoam-piotazana”, “fotoanan’ny aviavy” (Mt 13:30; 21:34; Mr 11:13); “fotoana mety” anomezana sakafo (Mt 24:45; Lk 12:42); “fotoana voatondro” nanombohan’i Jesosy ny fanompoany sy nahafahan’ny olona nanaiky ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra (Mr 1:15; Mt 16:3; Lk 12:56; 19:44); ary “fotoana voatondro” nahafatesan’i Jesosy. (Mt 26:18) Niantsoantso toy izao ireo demonia nasain’i Jesosy nivoaka tamin’ny lehilahy anankiroa: “Tonga eto ve ianao mba hampijaly anay alohan’ny fotoana [voatondro]?”—Mt 8:29.
Ilazana fotoana mbola ho avy hanatanterahan’Andriamanitra ny fikasany koa ny hoe kairôs, indrindra fa ny fikasany momba ny fanatrehan’i Kristy sy ny Fanjakany izay hotanterahiny ao anatin’ny fandaharam-potoanany. (As 1:7; 3:19; 1Te 5:1) Nilaza ny apostoly Paoly fa nampahafantarin’Andriamanitra “ny zava-miafina masina”, dia ny “hanangana fitantanan-draharaha, rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voatondro [kairôn]. Ary izany dia ny fanangonana indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra na ny zavatra eto an-tany.” (Ef 1:9, 10) Rehefa dinihina àry ny hevitry ny hoe kairôs ao amin’ny Baiboly, dia tsy fotoana manjavozavo ilay hoe “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena” fa “fotoana tsy miovaova sy voafaritra tsara”, “fotoana marina tsara na mety tsara”, izay misy fiandohany sy fiafarany.
“Ny hafa firenena” sy “Jerosalema.” Tsara homarihina fa nilaza i Jesosy hoe ‘hohitsakitsahina i Jerosalema’, mandra-pahatapitry “ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena.” Nadika avy amin’ny teny grika hoe etne izay midika hoe “firenena”, ilay hoe “hafa firenena” na “jentilisa.” Ilazana firenena tsy jiosy izy io mazàna ao amin’ny Baiboly. Misy àry mihevitra fa ny fotoana nifehezan’ny hafa firenena ny tanànan’i Jerosalema fahiny ilay hoe “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena.”
Marina fa niresaka momba ny handravana an’i Jerosalema i Jesosy tamin’izay, ary noravan’ny Romanina tokoa ilay tanàna tamin’ny taona 70. Tsy io taona io anefa fa fotoana lava kokoa ilay “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena” noresahiny, araka ny nomarihin’ireo mpivaofy teny. Nilaza, ohatra, ny Fanazavana Hevi-teny nataon’i F. Cook momba ny Lioka 21:24 hoe: “Io andininy io no manasaraka ny tapany momba ny andro farany sy ny tapany momba ny fandravana an’i Jerosalema, ao amin’ilay faminaniana malaza.” Ilaina fantarina àry aloha hoe iza marina ilay “Jerosalema”, izay resahin’ny Soratra Masina fa ‘hohitsakitsahina’ mandra-pahatapitry ny “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena.”
Renivohitry ny firenen’Israely i Jerosalema, ary voalaza fa “nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah” ireo taranak’i Davida nanjaka tao. (1Ta 29:23) I Jerosalema àry no foiben’ny fitondram-panjakana naorin’Andriamanitra tamin’izany. Izy io sy ny Tendrombohitra Ziona no “tanànan’ilay Mpanjaka Be Voninahitra.” (Sl 48:1, 2) Nilazana ny fitondran’i Davida Mpanjaka sy ny taranany koa ny hoe Jerosalema. Tsy misy hafa amin’ny ataon’ny fampitam-baovao rehefa antsoiny hoe Washington, Londres, Paris, na Moscou ireo fitondram-panjakana matanjaka ankehitriny. Tsy nisy mpanjaka taranak’i Davida nitondra intsony tao Jerosalema rehefa nohitsakitsahin’ny Babylonianina ilay tanàna, sy natao sesitany ny mpanjakany, ary lao ilay tany. Milaza anefa ny Baiboly fa hitondra avy eo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra, na Jerosalema any an-danitra, i Jesosy, ilay Mesia taranak’i Davida.—Sl 2:6, 7; He 5:5; Ap 14:1, 3.
Nanomboka ‘nohitsakitsahina’ i Jerosalema. Noravan’ny Romanina i Jerosalema tamin’ny taona 70. Tsy tamin’izay anefa no ‘nohitsakitsahina’ ny fanjakan’ny taranak’i Davida, fa efa tamin’ny 607 T.K., rehefa noravan’i Nebokadnezara i Jerosalema, nobaboiny i Zedekia Mpanjaka, ary lasa lao ilay tany. (2Mp 25:1-26; jereo FANISAN-TAONA.) Mifanaraka tsara amin’ity faminaniana nolazaina tamin’i Zedekia ity izany: “Esory ny fehilohan’ny mpanjaka, ary tsoahy ny satroboninahitra. Tsy ho toy ny taloha intsony ny toe-javatra. ... Horavako, horavako, horavako izany, ary izany koa aza dia tsy ho lasan’iza na iza, mandra-pahatongan’ilay manan-jo ara-dalàna hahazo izany. Dia homeko azy izany.” (Ezk 21:25-27) I Kristy Jesosy ilay “manan-jo ara-dalàna” hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, araka ny Soratra Grika Kristianina. Hoy mantsy ilay anjely nanambara ny hahaterahany: “I Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy. Ary ho mpanjaka eo amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay izy, ary tsy hifarana mihitsy ny fanjakany.”—Lk 1:32, 33.
Lasa nifehy ny tany manontolo ireo hafa firenena, taorian’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Tsy nisy taranak’i Davida nanjaka intsony aloha nanomboka teo. Azo lazaina hoe ‘nohitsakitsahina’ àry i Jerosalema, satria tsy nampihatra ny fahefany tamin’ny alalan’ny taranak’i Davida intsony ny fanjakan’Andriamanitra, fa ny hafa firenena indray no nanjaka. Misy ifandraisany amin’ny fitondrana tokoa ilay faminaniana, satria hoy ny Diksionera Ara-baibolin’i Unger (1965, p. 398): “Kely sisa dia tsy hitondra ny tany intsony ireo ‘Jentilisa’ na hafa firenena. Hifarana ny fotoana itondrany rehefa tapitra ny ‘andron’ny Jentilisa’ (Lk 21:24; Da 2:36-44).”—Ampitahao amin’ny Ezk 17:12-21 sy Da 8:7, 20, izay miresaka momba ny faharesen’i Media-Persa.
Ny faminanian’i Daniela. Indroa i Jesosy, fara fahakeliny, no niresaka momba ny bokin’i Daniela mpaminany tao amin’ilay faminaniana momba ny fotoanan’ny farany. (Ampitahao Mt 24:15, 21 sy Da 11:31; 12:1.) Misy fahitana ao amin’io boky io mampiseho fa hitondra ny tany ireo hafa firenena mandritra “ny fe-potoana voatondro.” Milaza, ohatra, ny toko faharoa fa nahita sary goavam-be tao amin’ny fahitana i Nebokadnezara Mpanjaka. Nanazava i Daniela fa mampiseho an’ireo firenena matanjaka hifandimby hitondra ny tany izy io. Hifarana ny fitondran’izy ireo rehefa horavan’ilay Fanjakana naorin’ilay “Andriamanitra ny lanitra”, ka io Fanjakana io indray no hitondra ny tany manontolo. (Da 2:31-45) Ny Fanjakana Babylonianina no mifanitsy amin’ny lohan’ilay sary. Izy no firenena natanjaka voalohany ‘nanitsakitsaka an’i Jerosalema’ rehefa naongany ireo mpanjaka taranak’i Davida, ka tsy nisy nipetraka intsony teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah” tao Jerosalema. Vao mainka izany manamarina fa nanomboka tamin’ny 607 T.K., taona nandravana an’i Jerosalema, “ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena.”
Ilay hazo resahin’ny Daniela toko faha-4. Misy fahitana hafa koa ao amin’ny bokin’i Daniela manampy antsika hahazo ny tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe “fe-potoana” sy “hafa firenena.” Nahita hazo mijoalajoala nasain’ny anjely iray avy any an-danitra nokapaina i Nebokadnezara, ilay nanongana an’i Zedekia taranak’i Davida. Nohazavain’i Daniela taminy fa misy ifandraisany amin’ny fanjakana notendren’Andriamanitra izy io. Nasiana fehiny vy sy varahina avy eo ny fototr’ilay hazo ary navela teny amin’ny ahitra tany an-tsaha, mandra-pahalanin’ny “fe-potoana fito.” Hoy ilay anjely: “Aoka hovana ny fony mba tsy ho fon’olombelona intsony, fa fom-biby no homena azy. Ary aoka ho fe-potoana fito no holanina aminy ... mba hahalalan’ny velona fa ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona, ka izay tiany homena azy no omeny azy, ary ilay ambany indrindra amin’ny olombelona no apetrany eo amin’izany fanjakana izany.”—Da 4:10-17.
Ny ifandraisany amin’ny “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena.” Tanteraka tamin’i Nebokadnezara ilay fahitana. (Jereo Da 4:31-35.) Misy àry mihevitra fa faminaniana momba an’io mpanjaka io fotsiny ilay izy, sady izao fotsiny no asongadiny: ‘Ambony noho ny fahefana hafa rehetra, na an’olombelona na an’izay heverina ho andriamanitra, ny fahefan’Andriamanitra.’ Miaiky izy ireo fa tsy natao ho an’i Nebokadnezara irery io fahamarinana na toro lalana io, saingy tsy inoany hoe miresaka momba ny vanim-potoana iray voafaritra tsara izy io, na misy ifandraisany amin’ny fandaharam-potoanan’Andriamanitra. Rehefa dinihina anefa ny bokin’i Daniela manontolo, dia hita fa misongadina foana ao amin’ireo fahitana sy faminaniana ao ny resaka fotoana. Tsy hoe sendrasendra miseho amin’ny fotoana tsy fantatra koa ireo firenena matanjaka na ny zava-mitranga resahin’ny fahitana tsirairay, fa azo hamarinina tsara ara-tantara ny fotoana nitrangany sy ny porofo hoe tena niseho ilay izy. (Ampit. Da 2:36-45; 7:3-12, 17-26; 8:3-14, 20-25; 9:2, 24-27; 11:2-45; 12:7-13.) Izao koa no votoatin’ireo faminaniana raketin’ilay boky: Hanangana Fanjakana haharitra mandrakizay hifehy an’izao rehetra izao Andriamanitra, ka ny “zanak’olona” no tendreny ho mpitondra. (Da 2:35, 44, 45; 4:17, 25, 32; 7:9-14, 18, 22, 27; 12:1) Miavaka koa io boky io ao amin’ny Soratra Hebreo, noho izy io miresaka matetika momba ny “fotoanan’ny farany.”—Da 8:19; 11:35, 40; 12:4, 9.
Tsy mitombina àry ny ilazana fa tanteraka tamin’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona fotsiny ilay fahitana momba ilay “hazo” sy ireo “fe-potoana fito”, rehefa lasa adala nandritra ny fito taona izy ary avy eo sitrana ka nanjaka indray. Misy fahatanterahany hafa koa ilay izy, rehefa dinihina ny faminanian’i Jesosy momba ny “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena.” Eritrereto, ohatra, ny fotoana nanomezan’ilay Andriamanitra Mpanjakan’izao Rehetra Izao an’ilay fahitana. Nomeny ilay izy rehefa avy navelany ho resy ilay fanjakana nofidiny hifehy ny vahoaka nanaovany fifanekena. Tsy iza koa ilay olona nomena an’ilay fahitana fa ilay mpitondra nampiasain’i Jehovah Andriamanitra handresy an’ilay fanjakana. Nomeny alalana hifehy ny tany izy io satria tsy nisy solontenan’ny fanjakany intsony tetỳ an-tany. Toy izao koa ny votoatin’ilay fahitana: “Mba hahalalan’ny velona fa ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona, ka izay tiany homena azy no omeny azy, ary ilay ambany indrindra amin’ny olombelona no apetrany eo amin’izany fanjakana izany.” (Da 4:17) Izany rehetra izany no mahatonga antsika hilaza fa nosoratana tao amin’ny bokin’i Daniela ilay fahitana sy ny heviny, mba hahalalana hoe maharitra hafiriana ilay “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena”, sy hoe rahoviana no miorina ny Fanjakan’Andriamanitra hotantanan’i Kristy.
Ny dikan’ilay hazo sy ny zon’Andriamanitra hitondra. Tsy maningana akory ny sary an’ohatra ampiasaina ao amin’ny bokin’i Daniela. Ilazana fanjakana ny hazo ao amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly, ka anisan’izany ny fanjakan’Andriamanitra izay nanana solontena tao Jerosalema. (Ampit. Mpts 9:6-15; Ezk 17:1-24; 31:2-18.) Oharina amin’ny foto-kazo mitsimoka na “rantsana” na “tsimoka”, ny olona iray avy amin’ny tarana-mpanjaka mahazo fahefana hitondra indray. Izany no hita ao amin’ireo faminaniana momba ny Mesia. (Is 10:33–11:10; 53:2-7; Je 23:5; Ezk 17:22-24; Za 6:12, 13; ampit. Jb 14:7-9.) Nilaza i Jesosy fa izy no “faka sy taranak’i Davida.”—Ap 5:5; 22:16.
Asongadin’ilay fahitana ny hoe manan-jo hitondra sy hanao izay tiany amin’ny “fanjakan’ny olombelona” i Jehovah Andriamanitra. Manampy antsika hahazo ny tena hevitr’ilay fahitana izany. I Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, izay Firenena Natanjaka Indrindra tamin’izany, no oharina amin’ilay hazo. Tsy mbola navelan’Andriamanitra hifehy ny tany anefa izy talohan’ny nandravany an’i Jerosalema, satria mbola nampihatra ny zony hitondra ny tany i Jehovah tamin’ny alalan’ilay fanjakana tao Jerosalema, izay nisolo tena ny fanjakany. Tsy nampihatra an’ilay zony intsony i Jehovah rehefa navelany ho resy i Jerosalema, ka Ft 1:5; 2:2, 16, 17) Tsy i Nebokadnezara fotsiny àry no oharina amin’ilay “hazo”, fa ny zon’Andriamanitra hitondra na ny fahefana omeny an’izay voatendriny koa.
nifarana hatreo, toy ny hoe tapaka, ny fitondran’ireo mpanjaka taranak’i Davida. Tsy nisy solontenan’ny fanjakan’Andriamanitra intsony tetỳ an-tany, ka ny hafa firenena indray no lasa nifehy ny tany sy ny “fanjakan’ny olombelona.” (Hifehy indray ny tany Andriamanitra. Tsy avelan’Andriamanitra hitondra ny tany mandrakizay akory ny hafa firenena. Nasehon’ilay fahitana mantsy fa “mandra-pahatapitry ny fe-potoana fito” ihany Andriamanitra no hifehy tena tsy hitondra ny tany (izay no dikan’ilay hoe nasiana fehiny vy sy varahina ny fototr’ilay hazo). (Da 4:16, 23, 25) Izy anefa ‘ilay Avo Indrindra Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona’, ka azony omena an’izay “tiany homena azy” ny fitondrana. (Da 4:17) Ny “zanak’olona” no voalaza fa homena “ny fitondrana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy avokoa ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny.” (Da 7:13, 14) I Kristy Jesosy, ilay mpandova an’i Davida, no Mpanjaka nofidin’Andriamanitra hifehy ny tany, araka ilay faminanian’i Jesosy momba ny “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena.” (Mt 24:30, 31; Lk 21:27-31, 36) Hitsimoka indray àry ilay foto-kazo an’ohatra (izay nasiana fehiny mba hampisehoana fa nifehy tena tsy hampihatra ny zony hifehy ny tany sy “ny fanjakan’ny olombelona” Andriamanitra), rehefa miorina ny Fanjakan’ny Zanany.—Sl 89:27, 35-37.
Fe-potoana fito. Tanteraka tamin’i Nebokadnezara aloha ireo “fe-potoana fito” resahin’ilay fahitana. Voan’ny aretin-tsaina nandritra ny fito taona mantsy izy, ka nanjary nihevi-tena ho biby. Niala teo amin’ny fitondrana àry izy, ka lasa nihinana ahitra toy ny biby eny an-tsaha. (Da 4:31-36) Oharin’ny Baiboly amin’ny biby ireo hafa firenena mifehy ny tany, izay manohitra ny vahoaka masin’Andriamanitra sy an’ilay “Andrian’ny andriana.” (Ampit. Da 7:2-8, 12, 17-26; 8:3-12, 20-25; Ap 11:7; 13:1-11; 17:7-14.) Misy mpanao diksionera milaza fa midika hoe “taona” ilay teny hoe “fe-potoana” (avy amin’ny teny aram. ʽiddan), ao amin’ny faminanian’i Daniela. (Jereo Lexicon in Veteris Testamenti Libros, nataon’i L. Koehler sy W. Baumgartner, Leyde, 1958, p. 1106; Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy, nataon’i Brown sy Driver ary Briggs, 1980, p. 1105; Lexicon Linguae Aramaicae Veteris Testamenti, nataon’i E. Vogt, Roma, 1971, p. 124.) Azo inoana fa 360 andro ny taona iray satria maharitra “enimpolo sy roanjato sy arivo andro” ny fe-potoana telo sy tapany, araka ny Apokalypsy 12:6, 14. (Ampit. Ap 11:2, 3.) Mira 2520 andro àry ireo “fe-potoana fito.” Rehefa ampiharina anefa ilay hoe “andro iray hosoloana taona iray” voalazan’ny Nomery 14:34 sy Ezekiela 4:6, vao hita hoe misy fahatanterahana hafa koa ilay faminaniana resahin’ny Daniela toko faha-4, ankoatra an’ilay fahatanterahany tamin’i Nebokadnezara. Maharitra 2 520 taona àry ireo “fe-potoana fito.”
Izany no nahatonga ny Tilikambo Fiambenana Martsa 1880 hilaza fa hifarana amin’ny taona 1914 ny “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena” (ny fotoana namelana an’ireo hafa firenena hitondra ny tany). Efa 34 taona mialoha teo ho eo àry ilay gazety no niresaka momba ny 1914 sy ny zava-dehibe hitranga aorian’io taona io. Hoy ny gazety iray nalaza tany New York, tamin’ny alahady 30 Aogositra 1914: “Manatanteraka faminaniana mahavariana ilay ady mahatsiravina any Eoropa. Efa 25 taona izao ny ‘Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena’ ... no nanambara tamin’izao tontolo izao, tamin’ny alalan’ny fitoriana sy ny gazety, fa hanomboka amin’ny 1914 ilay Andro Fahatezerana nambaran’ny Baiboly.”—Izao Tontolo Izao.
Fantatry ny rehetra tsara ny zava-nitranga tamin’ny 1914 sy taorian’izy io. Tamin’io taona io no nipoaka ny ady lehibe voalohany naneran-tany teo amin’ny tantaran’ny olombelona. Sambany koa ireo firenena no niady mba hifehy ny tany, fa tsy hoe hifehy an’i Eoropa, na Afrika na Azia fotsiny.—Lk 21:7-24, 29-33; Ap 11:15-18; jereo ANDRO FARANY; FANATREHANA.