Fehiloha Voninkazo
Ravina sy voninkazo arandrana mba hatao haingo manodidina ny loha. An’ohatra ilay hoe tsefirah (heb.; fehiloha) noresahin’ny mpaminanin’i Jehovah tao amin’ny fanamelohana an’i Samaria, renivohitr’i Efraima (ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely). Toy ny hoe feno “mpimamo” tao Samaria satria nahafaly azy ny tsy niankina intsony tamin’ny fanjakan’i Jehovah tao Joda, sy ny nanao fifanarahana ara-politika tamin’ny fahavalon’izy io, anisan’izany i Syria. (Jereo Is 7:3-9.) Nanao fehiloha ny mpimamo rehefa niboboka toaka. Toy izany koa fa nataon’i Samaria fehiloha voninkazo teny an-dohany i Syria. Tsara tarehy ilay izy saingy tsy mateza fa mora malazo. I Jehovah kosa no ho satroboninahitra mandravaka sy fehiloha (“diadema”, hoy ny Baiboly sasany) tsara tarehy ho an’ireo sisa miangana amin’ny olony.—Is 28:1-5.
Misy hoe tsefirah koa ao amin’ny Ezekiela 7:7, 10, saingy tsy tena hain’ny mpandika teny ny dikany sy izay tondroiny. Midika hoe “maraina” ny teny aramianina mitovy aminy, ka nataon’i Lamsa hoe “mangiran-dratsy”, fa tsy fehiloha na diadema, izy io rehefa nandika ny Peshitta syriàka izy. Misy indray nandika azy io hoe “faharavana” (DIEM), satria ampifandraisiny amin’ilay teny arabo iray fiaviana aminy. Ny hafa kosa nandika azy io hoe ‘anjara’ amin’ny heviny hoe ‘tonga ny anjarany’, satria heveriny fa “mihodidina” no dikan’ny fototenin’ilay teny hebreo.—Prot., Kat.
Miresaka “fehiloha voninkazo” (gr.: stemma, mr.) koa ny Soratra Grika Kristianina. (As 14:13) Nitondra omby sy fehiloha voninkazo nankeny amin’ny vavahadin’ny tanàna ny mpisoron’i Zeosy tao Lystra mba hanao fanatitra, satria noheverina fa andriamanitra i Paoly sy Barnabasy. Toa saika natao teo amin’ny lohan’izy roa lahy (toy ny natao indraindray tamin’ny sampy) ireo fehiloha, na teo amin’ny lohan’ireo handeha hanao sorona sy ny an’ireo biby hatao sorona. Natao tamin’ny voninkazo noheverina fa hampifaly an’ilay sampy ny fehiloha toy izany matetika.—As 14:8-18; jereo SATROBONINAHITRA.