Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fianianana

Fianianana

Fanambaran’ny olona iray hoe marina ny zavatra lazainy, na hoe hanao zavatra iray izy na tsia. Matetika no atao amin’ny anaran’ny olona ambony, indrindra fa amin’ny anaran’Andriamanitra, ilay izy.

Teny hebreo roa no ilazana ny hoe fianianana ao amin’ny Soratra Hebreo. Voalohany, shevoʽah izay midika hoe “fianianana.” (Ge 24:8; Le 5:4) Midika hoe “mianiana” ny matoanteny hoe shavaʽ, izay avy amin’ny fototenin’ny teny hebreo nadika koa hoe “fito.” Nidika hoe “lasa eo ambany fahefan’ny zavatra fito” ny hoe “mianiana”, tany am-boalohany. (Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao, nataon’i G. Friedrich; nadika sy nataon’i G. Bromiley, 1970, Boky Faha-5, p. 459) Nanome ondrivavy kely fito i Abrahama, rehefa nanao fifanekena sy nianiana tamin’i Abimeleka teo akaikin’ilay lavadrano tao Beri-sheba, izay midika hoe “Lavadranon’ny Fianianana; na Lavadranon’ny Fito.” (Ge 21:27-32; jereo koa Ge 26:28-33.) Ilazana fianianana hoe hanao zavatra iray na tsia ny hoe shevoʽah, fa tsy ilazana ozona hoe hisy loza hanjo an’izay mivadika amin’ny fianianany. Shevoʽah no ilazana ilay fianianana nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama. Mitana ny teniny foana i Jehovah, ka tsy hisy ozona hihatra aminy mihitsy.​—Ge 26:3.

Faharoa, ʼalah izay midika hoe “fianianana, ozona.” (Ge 24:41; 1Mp 8:31) Toy izao ny famaritana an’io teny io ao amin’ny diksionera hebreo-aramianina nataon’i Koehler sy Baumgartner (p. 49): “Ozona iantsoan’ny olona iray loza ho an’ny tenany na iantsoan’ny hafa loza ho an’ilay olona (raha manao fahadisoana izy).” Tena zava-dehibe tamin’ny Hebreo fahiny ny mianiana. Tsy maintsy nitana ny teniny izay nianiana, na dia nitondra fahavoazana ho azy aza izany. (Sl 15:4; Mt 5:33) Meloka teo anatrehan’i Jehovah izay nanao fianianana tsy voahevitra. (Le 5:4) Nampiharany sazy faran’izay mafy ireo nivadika tamin’ny fianianana. Toy ny hoe voakasika koa Andriamanitra, rehefa nianiana ireo firenena fahiny ary indrindra fa ny Hebreo. Midika tsy mivantana hoe mianiana amin’Andriamanitra mantsy ny teny hoe ʼalah nampiasain’ny Hebreo. Neken’ilay nianiana koa fa afaka nanameloka azy Izy raha sanatria nivadika ny tenany. Tsy nilazan’Andriamanitra ny fianianana nataony mihitsy io teny io.

Hôrkôs (fianianana, Mr 6:26) sy ômnyô (mianiana, Jk 5:12) ny teny grika mifanitsy amin’ireo teny hebreo ireo. Midika hoe “miangavy hianiana” na “mandidy mafy” ny matoanteny hoe hôrkizô. (Mr 5:7; As 19:13) Ireo teny hafa iray tarika amin’ny hoe hôrkôs kosa midika hoe “fianianana mafy” (He 7:20), “andraikitra lehibe ankinina” (1Te 5:27), “mpivadika amin’ny fianianany” (1Ti 1:10), ary “mianiana nefa avy eo tsy manatanteraka, na mianiana lainga” (Mt 5:33). Nadika hoe ‘miozona’ ny teny grika hoe anatematizô.​—As 23:12, 14, 21.

Teny nambara. Matetika no nianiana tamin’Andriamanitra na tamin’ny anaran’Andriamanitra ny Hebreo fahiny. (Ge 14:22; 31:53; De 6:13; Mpts 21:7; Je 12:16) Nianiana tamin’ny tenany i Jehovah, na nilaza hoe: “Raha mbola velona koa aho.” (Ge 22:16; Ezk 17:16; Ze 2:9) Nisy indray niteny hoe: “Hofaizin’i Jehovah anie aho [na ianao], ary mihoatra noho izany aza, raha” nivadika tamin’ilay fianianana. (Rt 1:17; 1Sa 3:17; 2Sa 19:13) Mafy kokoa ilay fianianana rehefa nanonona ny anaran’ny tenany ilay olona.​—1Sa 20:13; 25:22; 2Sa 3:9.

Nianiana tamin’ireo andriamaniny koa ny mpanompo sampy. Samy nilaza toy izao i Jezebela mpivavaka tamin’i Bala, sy Beni-hadada II mpanjakan’i Syria: “Hofaizin’ireo andriamanitra [ʼelôhim, miaraka amin’ny matoanteny amin’ny endriny milaza maro] anie aho.” (1Mp 19:2; 20:10) Maro be no nianiana toy izany, ka nampitovin’ny Baiboly tamin’ny hoe ‘mianiana amin’ny andriamani-diso’ na amin’izay “tsy Andriamanitra” ny hoe manompo sampy.​—Js 23:7; Je 5:7; 12:16; Am 8:14.

Nilaza ozona na sazy hihatra amin’izay mivadika amin’ny fianianana ny olona sasany, rehefa nianiana mafy na nihetsi-po be. Tena nahalana anefa izany. (No 5:19-23; Sl 7:4, 5; 137:5, 6) Nitantara ny fiainany i Joba rehefa nanaporofo hoe olo-marina ny tenany. Nilaza izy fa vonona hizaka ny sazy mafy indrindra raha toa nivadika, nanao ny tsy rariny, ary naloto fitondran-tena.​—Jb 31.

Notsarain’ny mpisorona ny vehivavy nampiahiahy ny vadiny. Nanao hoe “Amena! Amena!” ravehivavy, ho fianianana fa tsy nanan-tsiny izy, rehefa namaky ny fianianana sy ny ozona ilay mpisorona.​—No 5:21, 22.

Nisy nianiana hoe: “Raha mbola velona koa i Jehovah” sady nilaza hoe “Raha mbola velon’aina koa” ny mpanjaka na olona ambony iray, ho fanamafisana. (1Sa 25:26; 2Sa 15:21; 2Mp 2:2) Fitenin’ny olona ny hoe: “Raha mbola velona koa i Jehovah” rehefa nanamafy ny fanapahan-keviny na ny fahamarinan’ny teniny. (Mpts 8:19; 1Sa 14:39, 45; 19:6; 20:3, 21; 25:26, 34) Nisy indray nanome toky an’ilay olona niresahany ka nilaza hoe: “Mianiana aminao aho” na hoe “Raha mbola velona koa ianao.” Izany no tenin’i Hana tamin’i Ely (1Sa 1:26), sy tenin’i Oria tamin’i Davida Mpanjaka.​—2Sa 11:11; jereo koa 1Sa 17:55.

Fihetsika. Fanaon’ireo nianiana ny nanangana ny tanany havanana ho amin’ny lanitra. Nanangan-tanana toy izany i Jehovah rehefa nianiana. (Ge 14:22; Ek 6:8; De 32:40; Is 62:8; Ezk 20:5) Nanangana ny tanany roa ho amin’ny lanitra ny anjely iray nianiana, tao amin’ny fahitana hitan’i Daniela. (Da 12:7) Voalaza kosa fa “tanana mamitaka” ny ‘tanana ankavanan’ny’ mpivadika amin’ny fianianany.​—Sl 144:8.

Nanao ny tanany tao ambany fe na andilan’izay nangataka azy hianiana ny olona sasany. Hoy i Abrahama tamin’ilay mpanompo nirahiny hitady vady ho an’i Isaka: “Mba ataovy ato ambany feko ny tananao, azafady!” Nianiana avy eo ilay mpanompo fa haka zazavavy avy amin’ny havan’i Abrahama. (Ge 24:2-4, 9) Nasain’i Jakoba nataon’i Josefa teo ambany feny koa ny tanany, rehefa nianiana izy io hoe tsy handevina azy tany Ejipta. (Ge 47:29-31) Hazavaina ao amin’ny hoe FIHETSIKA SY FANAO ny dikan’io fihetsika io.

Matetika no nianiana ireo nanao fifanekena. Fiteny tamin’izany ny hoe: ‘Andriamanitra no vavolombelona amiko sy aminao.’ (Ge 31:44, 50, 53) Natao hanamafisana koa izany hoe marina ny zavatra nolazaina. Ny lanitra sy ny tany no nataon’i Mosesy vavolombelona fa efa nianiana sy nanao fifanekena tamin’i Jehovah ny Israely. (De 4:26) Matetika koa ny olona, boky, andry, na alitara no natao vavolombelona sy fampahatsiahivana fianianana na fifanekena.​—Ge 31:45-52; De 31:26; Js 22:26-28; 24:22, 24-27; jereo FIFANEKENA.

Teo ambanin’ny Lalàna. Ireto avy no nasaina nianiana: Vehivavy nampiahiahy ny vadiny ka notsaraina (No 5:21, 22), olona nanankinana zavatra na biby nefa very ilay izy (Ek 22:10, 11), na anti-panahy tao amin’ny tanàna nahitana fatin’olona nefa tsy fantatra hoe iza no namono azy (De 21:1-9). Azo natao ny nianiana an-tsitrapo hoe hifady zavatra. (No 30:3, 4, 10, 11) Nisy mpanompon’Andriamanitra nasain’ny manam-pahefana nianiana, ka nilaza ny marina. Tsy handainga koa ny Kristianina asaina mianiana toy izany. Tsy voatery hamaly koa anefa izy raha hitondra fahavoazana ho an’ny asan’Andriamanitra na ny mpiara-manompo aminy izany. Tsy maintsy vonona ny hizaka ny vokany anefa izy raha tsy mety milaza izay fantany.​—1Mp 22:15-18; Mt 26:63, 64; 27:11-14.

Navesa-danja hoatran’ny fianianana ny voady, tamin’ny Israelita. Masina ny voady ka tsy maintsy nefaina, na dia nitondra fahavoazana ho an’ilay nivoady aza izany. Toy ny hoe nijery i Jehovah raha nefaina ilay voady, ka nanasazy an’izay tsy nanefa izy. (No 30:2; De 23:21-23; Mpts 11:30, 31, 35, 36, 39; Mpto 5:4-6) Nahazo nanafoana na nampanan-kery ny voadin’ny vehivavy ny vadiny. Nahazo nanao toy izany koa tamin’ny voadin’ny tovovavy mbola tsy nanambady ny rainy. Tsy maintsy nanefa ny voadiny kosa ny vehivavy maty vady na nisara-bady.​—No 30:3-15.

Fahazaran’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy Kristy ny nianiana isaky ny mihetsika, na dia tamin-javatra tsy nisy dikany aza. Nianiana tamin’ny lanitra, ny tany, Jerosalema, na tamin’ny lohany izy ireo. Nahitsin’i Jesosy àry izy ireo tao amin’ny toriteniny teo an-tendrombohitra. “Seza fiandrianan’Andriamanitra” mantsy ny lanitra, “fitoeran-tongony” ny tany, tanànan’ny mpanjaka i Jerosalema, ary niankina tamin’Andriamanitra ny loha na ain’ny olona, ka toy ny hoe nianiana tamin’ny anaran’Andriamanitra izay nianiana tamin’ireo. Tsy mety izany, ka hoy i Jesosy: “Aoka ny teninareo rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia, fa avy amin’ilay ratsy ny ankoatra izany.”​—Mt 5:33-37.

Tsy te hilaza i Jesosy Kristy hoe tsy azo atao mihitsy ny mianiana, satria na izy aza nianiana indraindray, noho izy teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy. Nampianiana azy, ohatra, ny mpisoronabe tamin’izy notsaraina, ary tsy nanda izy fa namaly. (Mt 26:63, 64) Te hilaza kosa i Jesosy hoe tokony hitana ny teniny foana ny olona. Adidy masina izany, ary tokony hotanterahina hoatran’ny fianianana. Rehefa miteny ilay olona hoe Eny, dia tokony ho Eny izany. Hoy koa i Jesosy tamin’ny mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy: “Lozanareo mpitarika jamba! Fa hoy ianareo: ‘Raha misy mianiana amin’ny tempoly, dia tsy mampaninona izany, fa raha misy mianiana amin’ny volamenan’ny tempoly kosa, dia tsy maintsy mitana ny teny nataony izy.’ Ry adala sy jamba! Fa inona no lehibe kokoa: ny volamena sa ny tempoly izay mahamasina ilay volamena?” Hoy koa izy: “Izay mianiana amin’ny lanitra dia mianiana amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy amin’ilay mipetraka eo amboniny.”​—Mt 23:16-22.

Nampiasa hevi-diso sy fanazavana toa nitombina ireo mpanora-dalàna sy Fariseo, mba hanazavana ny antony tsy nanatanterahany fianianana sasany. Nandainga tamin’Andriamanitra sy nanala baraka ny anarany anefa izy ireo (vahoaka voatokana ho an’i Jehovah mantsy ny Jiosy). Nilaza mazava koa i Jehovah fa halany ny mianiana lainga.​—Za 8:17.

Nohamafisin’i Jakoba ny tenin’i Jesosy hoe tsy tokony hianiana befahatany ny Kristianina. (Jk 5:12) Tsy midika anefa izany hoe tsy mahazo mianiana mihitsy izy ireo. Mety hianiana izy ireo rehefa mila manome toky hoe tena hanao zavatra na tena marina izay lazainy. Mety hanaiky hianiana izy ireo, ohatra, rehefa asain’ny fitsarana manao izany, toy ny nataon’i Jesosy teo anatrehan’ny mpisoronabe jiosy, satria hilaza ny marina foana izy ireo, na mianiana na tsia. (Mt 26:63, 64) Toy ny hoe mianiana amin’i Jehovah koa ny Kristianina tapa-kevitra ny hanompo Azy. Lasa mifandray aminy izy, ary masina izany fifandraisana izany. Nampitovin’i Jesosy amin’ny mivoady koa ny mianiana.​—Mt 5:33.

Azo lazaina hoe nianiana ny apostoly Paoly mba hanamafisana ny teniny tamin’ny Kristianina nanoratany. (2Ko 1:23; Ga 1:20) Nilaza koa izy fa fanao mahazatra sy mety tsara mba hampitsaharana adihevitra ny fianianana. “Nanao toy izany Andriamanitra ka nianiana rehefa te hampiseho mazava kokoa amin’ireo mpandova ny fampanantenana fa tsy miova ny fikasany.” Nianiana tamin’ny tenany Izy, satria tsy misy lehibe noho ny tenany azony nianianana. Vao mainka izany nanome antoka ara-dalàna hoe ho tanteraka ny fampanantenany. “Zavatra roa tsy mety miova sady tsy hain’Andriamanitra andaingana” àry ny fampanantenany sy ny fianianany. (He 6:13-18) Tonga Mpisoronabe koa i Kristy noho ny fianianan’i Jehovah, ary natao antoka ny amin’ny fifanekena tsara kokoa. (He 7:21, 22) Resahin’ny Baiboly fa in-50 mahery i Jehovah no nianiana.

Nanda an’i Jesosy intelo i Petera ny alina nisamborana azy io. Rehefa nanda azy fanintelony i Petera, dia ‘nanomboka niozona sy nianiana hoe: “Tena tsy fantatro mihitsy izany lehilahy izany [Jesosy]!”’ (Mt 26:74) Natahotra i Petera ka niezaka nandresy lahatra an’ireo teo akaikiny hoe tena tsy fantany i Jesosy. Nianiana izy hoe marina ny teniny, ka hahita loza izy raha tsy marina izany.​—Jereo koa OZONA, MANOZONA.