Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiantrana

Fiantrana

Fihetseham-po mahatonga ny olona hanampy ny ory sy ny mahantra ary izay rehetra ampijalina. Ny teny hebreo hoe rahamim (mr.) no nadika hoe ‘miantra’ sy ‘famindram-po’ na ‘mihetsi-po.’ (Ge 43:14, 30; 1Ta 21:13; Sl 40:11; jereo FAMINDRAM-PO.) Midika hoe “mangoraka” sy “miantra” ary “onena” ny matoanteny grika hoe splagknizômai. Avy amin’ny anarana hoe splagkna (a.b.t.: tsinay) izy io. (As 1:18) Mety hihetsi-po mafy ny olona iray, ka mety hisy vokany eo amin’izay ao anatin’ny kibony izany. Ampiasaina matetika hilazana “fitiavana lalina” na “fangoraham-po” àry ny hoe splagkna.​—Jereo FIRAIKETAM-PO.

Miantra an’izay ory i Jehovah Andriamanitra, ka modely ho antsika. Afaka manentana olona hanao toy izany koa izy. Mety àry ny nataon’i Solomona raha nivavaka izy mba hataon’i Jehovah miantra an’ireo Israelita ny mpamabo azy, raha lasa babo izy ireo satria nivadika. (1Mp 8:50) Nilaza ny valin’io vavaka io ny mpanao salamo. Hoy izy: “Nataony lasa niantra azy izay rehetra namabo azy.” (Sl 106:46) Nampodin’i Jehovah tao amin’ny taniny àry ny sisa nibebaka. (Je 33:26; Ezr 1:1-4) Nanome alalana an’i Nehemia mba hanorina indray an’i Jerosalema i Artaksersesy Mpanjaka, satria izany no sitrapon’i Jehovah.​—Ne 1:11–2:6.

Nanahaka tanteraka ny toetran’ny Rainy i Jesosy Kristy, ka niantra sy nangoraka. Saika hiala sasatra kely, ohatra, izy indray andro, nefa tamin’izay no tonga teo aminy ny vahoaka, ka “nangoraka” azy ireo izy, satria “nampahorina sady naparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry” izy ireo. (Mt 9:36; Mr 6:34) Nangoraka koa izy rehefa nahita olona nidonam-pahoriana, boka, jamba, hany ka nanao fahagagana hanampiana azy ireo. (Mt 14:14; 20:30-34; Mr 1:40, 41; Lk 7:12, 13) Noho izy nangoraka koa no nahatonga azy hanao fahagagana mba hanomezana sakafo an’ireo olona nijanona telo andro teo aminy sy tsy nanan-kohanina.​—Mt 15:32-38; Mr 8:2-9.

Manahaka an’i Jesosy Kristy sy Jehovah Andriamanitra ny Kristianina, raha faly manampy an-tsitrapo an’ireo ory, ary mandray tsara an’izay rehetra tena mibebaka sy miverina amin’i Jehovah amin’ny fo manontolo. (Mt 18:21-35; Lk 10:30-37; 15:11-32) Afaka matoky izy ireo amin’izay fa hamindra fo aminy foana ilay Mahery Indrindra.​—Mt 5:7.