Fifanarahana
Fifanekena ara-panambadiana na ara-dalàna, na hevitra mampiray antokon’olona, fianakaviana, na firenena. Samy mandray soa amin’ilay fifanarahana ny andaniny roa, na miezaka hanatratra tanjona iombonana. Midika ara-bakiteny hoe “atambatra” ny teny hebreo hoe havar, nefa mety hidika koa hoe “miray tsikombakomba; miombon-draharaha.” (Ek 28:7; Sl 94:20; 2Ta 20:35) Mpiray dina na namana no dikan’ny hoe haver.—Mpts 20:11; Sl 119:63.
Nanao fifanarahana tamin’i Mamre sy Eskola ary Anera Amorita i Abrahama. Tsy fantatra hoe inona ilay izy, fa nampian’izy ireo fotsiny i Abrahama hamonjy an’i Lota zana-drahalahiny notafihina mpanjaka. (Ge 14:13-24) Nivahiny tany amin’ny tany nofehezin’ny fanjakana kely maromaro i Abrahama tamin’izay, ka nety ho nisy fifanekena tsy maintsy nataony mba hahafahany hiaina amim-pilaminana. Hita tamin’izay nolazainy tamin’ny mpanjakan’i Sodoma anefa fa tsy te hanao fifanekena amin’ny mpitondra an’ireny fanjakana ireny izy, raha tsy nisy antony nilana izany. (Ge 14:21-24) Tonga tany Gerara i Abrahama tatỳ aoriana. Nampahatsiahy azy i Abimeleka mpanjakan’i Filistia fa izy no namela azy hivahiny tany Filistia, ka nasainy nianiana taminy i Abrahama fa tsy hamitaka azy sy ny taranany. Nanaiky i Abrahama, ary nanao fifanekena tamin’i Abimeleka izy taorian’ilay fifamaliana momba ny lavadrano.—Ge 20:1, 15; 21:22-34.
Nipetraka tany Gerara koa i Isaka zanak’i Abrahama. Nanaiky hiala tany anefa izy rehefa nasain’i Abimeleka nandeha. Nisy lavadrano niadian’izy ireo indray. Nankany amin’i Isaka i Abimeleka sy ny lehiben’ny tafiny tatỳ aoriana, mba hiangavy Ge 26:16, 19-22, 26-31; ampit. Ge 31:48-53.) Nanambara ampahibemaso ireny loham-pianakaviana fahiny ireny, hoy ny apostoly Paoly, fa vahiny sy mpivahiny nipetraka an-tranolay tao amin’ilay tany izy ireo. Ilay tanàna manana fototra tena izy no nandrasan’izy ireo, ary Andriamanitra no mpanorina sy mpanao azy io.—He 11:8-10, 13-16.
azy hanao fianianana sy fifanekena taminy, ho fanavaozana an’ilay efa nataon’i Abrahama. Samy nianiana ny andaniny sy ny ankilany fa tsy hifanisy ratsy. (Niova ny toe-javatra rehefa tonga tany Kanana (Tany Nampanantenaina) ny firenen’Israely. Nanome azy ireo zo haka an’ilay tany ilay Andriamanitra Fara Tampony, araka ny efa nampanantenainy tamin’ny razamben’izy ireo. Tsy mpivahiny àry izy ireo, ary tsy navelan’i Jehovah hanao fifanarahana tamin’ireo mpanompo sampy nonina tao. (Ek 23:31-33; 34:11-16) Ny lalàn’Andriamanitra sy ny fitsipiny ihany no tokony harahiny, fa tsy ny an’ireny firenena tsy maintsy horoahina ireny. (Le 18:3, 4; 20:22-24) Nampitandremana mafy ny Israelita mba tsy hanao fifanarahana ara-panambadiana tamin’izy ireny, sao ho fandrika ho azy ireo izany. Hanjary hanana vady sy havana mpanompo sampy mantsy izy ireo, ka hivadi-pinoana hanaraka ny fivavahan’izy ireny sy ny fombafombany.—De 7:2-4; Ek 34:16; Js 23:12, 13.
Fifanarahana ara-panambadiana. Iray tarika amin’ny hoe hôten (rafozandahy), hatan (vady; vinantolahy), hôtenet (rafozambavy) ary hatonnah (fampakaram-bady) ny matoanteny hebreo hoe hatan, izay midika hoe “manao fifanarahana ara-panambadiana.”—1Sa 18:22; Ek 3:1; 4:25; Ge 19:14; De 27:23; To 3:11.
Nanantitrantitra i Abrahama hoe tsy hakana vady kananita i Isaka. (Ge 24:3, 4) Tsy navelan’i Isaka hanambady Kananita koa i Jakoba. (Ge 28:1) Nampirisihin’i Hamora rain’i Sekema hanao fifanarahana ara-panambadiana amin’ny fokon’izy ireo ry Jakoba mianakavy, taorian’ny nametavetan’i Sekema Hivita an’i Dina. Mody nanaiky ny zanakalahin’i Jakoba nefa tsy te hanambady Hivita akory. Nentin’izy ireo ho babo anefa ireo vehivavy hivita sy ny zanany kely, rehefa avy namaly faty izy ireo noho izay natao tamin’i Dina. (Ge 34:1-11, 29) Nanambady vehivavy kananita i Joda tatỳ aoriana (Ge 38:2), ary Ejipsianina ny vadin’i Josefa. (Ge 41:50) I Mosesy kosa nanambady an’i Zipora Midianita, izay nantsoina koa hoe “kosita.” (No 12:1; Ek 2:16, 21) Tsy azo lazaina ho fandikan-dalàna anefa ireny fanambadiana ireny, satria mbola tsy nomena ny Lalàna tamin’izany.
Ny zazavavy mbola virjiny ihany no tsy novonoin’ny Israelita niady tamin’ny Midianina. (No 31:3, 18, 35) Tsy voararan’ny Lalàna ny nanambady vehivavy kamboty azo babo toy ireny. (De 21:10-14) Nampitandrina an’ireo Israelita tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina Andriamanitra, mba tsy hanambady mpanompo sampy. Tsy noraharahain’izy ireo anefa izany matetika, ka nahita olana izy ireo ary nivadi-pinoana.—Mpts 3:5, 6.
Nisy zava-kendrena indraindray ny fifanarahana ara-panambadiana, toy ny rehefa nasain’i Saoly Mpanjaka naka vady an’i Mikala zanany i Davida. (1Sa 18:21-27) Zanaky ny mpanjakan’i Gesora ny iray tamin’izy enim-bavy vadin’i Davida nitera-dahy taminy tany Hebrona. (2Sa 3:3) Misy mihevitra fa nanambady azy io i Davida satria te hampihena ny fahefan’i Isboseta, izay mpanjaka nifandrafy taminy. Fanjakana kely tany avaratr’i Mahanaima, tanàna nataon’i Isboseta renivohitra, mantsy i Gesora. Nanao fifanarahana tamin’i Farao i Solomona raha vao nanjaka kelikely, ka nalainy ho vady ny zanany vavy. (1Mp 3:1; 9:16) Nanambady vehivavy moabita, amonita, edomita, sidonianina, ary hetita koa anefa izy ka nivadi-pinoana. (1Mp 11:1-6) Nitera-doza ho an’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra koa ny nanambadian’i Ahaba Mpanjaka an’i Jezebela, zanakavavin’ny mpanjakan’i Sidona. (1Mp 16:31-33) Nanao fifanarahana tamin’ny fianakavian’i Ahaba mpanompo sampy kosa i Josafata Mpanjaka, ka nalainy ho vadin-janany ny zanak’i Ahaba. Niteraka voka-dratsy naharitra ho an’ny fanjakan’ny Joda izany.—2Ta 18:1; 21:4-6; 22:2-4.
Tezitra i Ezra fa na ny mpisorona sy ny Levita avy tany an-tsesitany aza nanambady vehivavy hafa firenena (Kananita, ohatra), ka nasainy noroahina ireny. (Ezr 9:1-3, 12-14; 10:1-5, 10-14, 44) Nanambady vehivavy jiosy i Tobia Amonita tamin’ny andron’i Nehemia, ka lasa nifandray akaiky tamin’ny fianakavian’ny mpisorona tao Jerosalema ary nahazo namana andriana nanana fahefana be tao Joda. Sahy nanao efitra fisakafoana ho an’io Amonita io teo an-tokotanin’ny tempoly àry i Eliasiba mpisorona, nefa voararan’ny Lalàna izany. (De 23:3) Sosotra be i Nehemia, ka natsipiny tany ivelan’ilay efitra daholo ny fanak’i Tobia.—Ne 6:18; 13:4-9, 25-27; jereo FANAMBADIANA.
Fifanekena. Fifanarahana hafa ankoatra ny fifanarahana ara-panambadiana ny fifanekena. Voafitaka ny Israely ka nanao fifanekena tamin’ny Gibeonita. (Js 9:3-15) Nanaja an’ilay fifanekena anefa izy ireo, ka vonon-kiady mba hiarovana ny Gibeonita. (Js 9:19-21; 10:6, 7) Nanao fifanekena i Jonatana sy Davida (1Sa 18:3; 20:11-17), ka nolazain’i Saoly fa niray tetika hanohitra azy. (1Sa 22:8) Nitondra an’i Davida toy ny namana sady ‘tia azy’ i Hirama mpanjakan’i Tyro, rehefa nandimby an’i Saoly Mpanjaka i Davida. (2Sa 5:11; 1Mp 5:1) Mbola nifandray tsara tamin’i Solomona Mpanjaka koa i Hirama. Nifanaraka izy ireo fa i Hirama Mpanjaka no hamatsy ny ankamaroan’ny fitaovana nilaina tamin’ny fanorenana ny tempoly. (1Mp 5:2-18) Nahazo nankany anaty alan’i Libanona àry ny mpiasa israelita an’arivony. Niantso an’i Solomona hoe “rahalahiko” mihitsy aza i Hirama. (1Mp 9:13) Nandefa tantsambo hiaraka amin’ireo sambon’i Solomona niainga avy tao Eziona-gebera izy. (1Mp 9:26, 27) Nivadika tamin’ny “fifaneken’ny mpirahalahy” àry i Tyro tatỳ aoriana, rehefa niady tamin’i Israely sady nanolotra babo israelita teo an-tanan’i Edoma.—Am 1:9.
Fifanarahana nitera-doza natao tamin’ny firenen-kafa. Imbetsaka ny mpaminanin’Andriamanitra no nampitandrina ny mpanjakan’ny Joda sy Israely mba tsy hanao fifanarahana tamin’ny firenen-kafa. Tsy noraharahain’izy ireo anefa izany matetika, rehefa notandindomin-doza izy ireo na te halaza. (Is 30:2-7; Je 2:16-19, 36, 37; Ho 5:13; 8:8-10; 12:1) Ratsy foana ny vokany, araka ny asehon’ireto ohatra ireto.
Nanome an’ireo zava-tsarobidy tao an-tranon’ny mpanjaka ho an’i Beni-hadada I mpanjakan’i Syria i Asa mpanjakan’ny Joda, mba hanafoanan’izy io ny fifanekeny tamin’i Basa mpanjakan’ny Israely. (1Mp 15:18-20) ‘Niantehitra tamin’i Syria’ izy fa tsy tamin’i Jehovah, ka niteny mafy azy i Hanany mpaminany hoe: “Hadalana mihitsy izany nataonao izany, ka hisy hiady aminao foana manomboka izao.” (2Ta 16:7-9) Nandresy an’i Beni-hadada II i Ahaba mpanjakan’ny Israely saingy nanao fifanekena taminy, ka nomelohin’ny mpaminanin’Andriamanitra koa. (1Mp 20:34, 42) Niaraka tamin’i Ahaba nanafika an’i Syria i Josafata, kanjo resy izy ireo. Hoy àry i Jeho mpaminany taminy: “Ny ratsy fanahy indray ve no tokony hampiana, ary izay mankahala an’i Jehovah ve no tokony ho tianao? Noho izany, dia tezitra aminao i Jehovah.” (2Ta 18:2, 3; 19:2) Niombon-draharaha tamin’i Ahazia mpanjakan’ny Israely ratsy fanahy i Josafata tamin’ny fanaovana sambo. Rendrika anefa ny sambon’izy ireo, araka ny voalazan’ny mpaminany. (2Ta 20:35-37) Nihaino an’Andriamanitra kosa i Amazia mpanjakan’ny Joda ka tsy nampiasainy indray ireo miaramila israelita, na dia efa nokaramainy talenta volafotsy zato (660 600 dolara) aza.—2Ta 25:6-10.
I Asyria no lasa fanjakana natanjaka indrindra tamin’ny taonjato fahavalo T.K. Natahotra azy àry ireo fanjakana kely kokoa ka voatery nanao fifanarahana sy tetika maro. (Ampit. Is 8:9-13.) Nisy firenena koa namorona fitaovam-piadiana vaovao ka nitombo ny tahotra. (Ampit. 2Ta 26:14, 15.) Nomen’i Menahema mpanjakan’ny Israely tsolotra i Pola (Tiglato-pilesera III) mpanjakan’i Asyria tonga nanafika azy. (2Mp 15:17-20) Nitetika ny hiady tamin’i Ahaza mpanjakan’ny Joda i Rezina mpanjakan’i Syria sy Peka mpanjakan’ny Israely. Nomen’i Ahaza an’ireo zava-tsarobidy tao an-tranon’ny mpanjaka sy tao amin’ny tempoly i Tiglato-pilesera III mba hiaro azy. Notafihin’izy io àry i Damaskosin’i Syria ka resy. (2Mp 16:5-9; 2Ta 28:16) Nanao fifanarahana tamin’i So mpanjakan’i Ejipta i Hosea mpanjakan’ny Israely, satria tsy te hofehezin’i Salmanesera Faha-5 mpanjakan’i Asyria intsony. Resin’izy io anefa ny Israely tamin’ny 740 T.K. (2Mp 17:3-6) I Hezekia mpanjakan’ny Joda kosa niantehitra tamin’i Jehovah irery, na dia nolazaina fa nitoky tamin’i Ejipta aza, ka novonjena teo an-tanan’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria.—2Mp 18:19-22, 32-35; 19:14-19, 28, 32-36; ampit. Is 31:1-3.
Mbetika “nivaro-tena” tamin’i Ejipta, mbetika tamin’i Babylona, ny fanjakan’ny Joda talohan’ny naharavany. (Ezk 16:26-29; 23:14) Nofehezin’i Ejipta izy io tamin’ny andron’i Joiakima Mpanjaka (2Mp 23:34), ary avy eo nofehezin’i Babylona. (2Mp 24:1, 7, 12-17) Nanao fifanarahana tamin’i Ejipta i Zedekia mpanjaka farany tao Joda, satria tsy te hofehezin’i Babylona intsony. Rava ihany anefa i Jerosalema. (2Mp 24:20; Ezk 17:1-15) Tsy narahin’ny mponina tao ny torohevitr’i Isaia hoe: “Ho voavonjy ianareo raha miverina sy mitony. Ny tsy fahataitairanareo sy ny fatokisanareo no ho tanjakareo.”—Is 30:15-17.
Nanao fifanekena ara-politika maro tamin’i Syria sy Roma i Israely tamin’ny andron’ny Makabeo, nefa mbola nofehezin’ny firenen-kafa ihany. Nampirisika mafy ny hanaovana fifanarahana ara-politika koa ny Sadoseo (mpitondra fivavahana) tatỳ aoriana, mba hahazoan’ilay firenena fahaleovan-tena. Tsy nanaiky an’ilay hafatra momba ny Fanjakana notorin’i Kristy Jesosy izy ireo sy ny Fariseo, fa naleony nanao fifanarahana ara-politika sy ara-pivavahana tamin’i Roma. Hoy izy ireo: “Tsy manana mpanjaka ankoatra an’i Kaisara izahay.” (Jn 19:12-15) Rava ihany anefa i Jerosalema tamin’ny taona 70.—Lk 19:41-44; 21:20-24.
Ny fifanarahana ifanaovan’ny mpanao politika sy ny mpitondra fivavahana no resahin’ny Apokalypsy 17:1, 2, 10-18; 18:3. (Ampit. Jk 4:1-4.) Asongadin’ny Baiboly àry ity toro lalana nolazain’i Paoly ity: “Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino. Fa inona no ifandraisan’ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? ... Mivoaha eo aminy ianareo, ary misaraha aminy.”—2Ko 6:14-17.