Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fireharehana, Fanambonian-tena

Fireharehana, Fanambonian-tena

Ilazana toetran’olona mieboebo sy manambany olona, mihevi-tena ho ambony, mizahozaho. Mifanohitra amin’ny fanetren-tena ireo toetra ireo. Miseho ho “ambony” sy “misandratra” sy “miavona” ary “miavaka” no dikan’ny teny grika sy hebreo nadika hoe “mirehareha” sy “manambony tena.” Mihevi-tena ho ambony noho ny mpiara-belona aminy ny olona mirehareha, ka mitomany hohajaina sy homem-boninahitra mihoatra noho ny tokony ho izy. Tsy manaja olona sy manambany ny hafa izy.

Avy ao am-po. Toetra ratsy ny fireharehana sy ny fanambonian-tena, fa tsy fomba fihevitra fotsiny. Notanisain’i Jesosy Kristy niaraka tamin’ny vonoan’olona, halatra, fanevatevana, ary zava-dratsy hafa ireo toetra ireo, ary nolazainy hoe “avy ao anatin’ny olona, eny, avy ao am-pony.” (Mr 7:21, 22) Nilaza i Maria renin’i Jesosy fa “nampiely ny mpirehareha [i Jehovah], dia ireo mirehareha noho ny fikasan’ny fony.” (Lk 1:51) Nilaza tamin’i Jehovah i Davida hoe: “Tsy nirehareha ny foko.”​—Sl 131:1; Is 9:9; Da 5:20.

Mety hanjary hirehareha na dia ny mpanompon’Andriamanitra manetry tena aza, rehefa lasa manankarena na mahazo fahefana, na koa tsara tarehy, mahomby amin’izay atao, manam-pahendrena, na derain’ny hafa. Nahay nitondra, ohatra, i Ozia mpanjakan’ny Joda ka notahin’i Jehovah an-taonany maro. (2Ta 26:3-5) “Raha vao nahery anefa izy”, hoy ny Baiboly, “dia nirehareha ny fony, ka nitondra fahavoazana ho an’ny tenany izany. Koa nivadika tamin’i Jehovah Andriamaniny izy, ka niditra tao amin’ny tempolin’i Jehovah mba handoro emboka manitra teo amin’ny alitaran’ny emboka manitra.” (2Ta 26:16) Nanandra-tena nanao ny asan’ny mpisorona i Ozia. Tsy navelan’Andriamanitra hanao izany anefa ireo mpanjakan’ny Israely, satria tsy tiany hifangaro ny asan’ny mpisorona sy ny asan’ny mpanjaka.

Nisy fotoana koa nirehareha ny fon’i Hezekia Mpanjaka, ary nisy fiantraikany teo amin’ny vahoakany izany. Mpanjaka tsara izy ary notahin’i Jehovah ka nisandratra. Tsy takany anefa hoe Andriamanitra no tokony homem-boninahitra noho izany rehetra izany. Hoy ny Baiboly: “Tsy mba namaly ny soa natao taminy anefa i Hezekia, satria nanjary nirehareha ny fony. Koa tezitra taminy sy tamin’ny Joda sy Jerosalema Andriamanitra.” Soa ihany fa niova izy. Hoy ihany ny Baiboly: “Nanetry tena anefa i Hezekia ka nibebaka tamin’ny fireharehan’ny fony, dia izy sy ny mponin’i Jerosalema. Koa tsy nihatra tamin’izy ireo tamin’ny andron’i Hezekia ny fahatezeran’i Jehovah.”​—2Ta 32:25, 26; ampit. Is 3:16-24; Ezk 28:2, 5, 17.

Manohitra an’ireo manambony tena Andriamanitra. Tsy tian’ny olona tso-po ny olona manambony tena, ary i Jehovah Andriamanitra aza manohitra azy ireny mihitsy. (Jk 4:6; 1Pe 5:5) Hadalana sy fahotana ny manambony tena na mirehareha. (Oh 14:3; 21:4) Manohitra an’ireo mpirehareha i Jehovah ka aetriny izy ireny. (2Sa 22:28; Jb 10:16; 40:11; Sl 18:27; 31:18, 23; Is 2:11, 17) Ho ringana ny olona manambony tena raha tsy miova. Nanambony tena sy nirehareha tamin’Andriamanitra sy ny vahoakany, ohatra, ny mponin’i Moaba fahiny ka noringanina. (Is 16:6; 25:10, 11; Je 48:29) Nosazina hatramin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely, noho ny fireharehany sy ny fanivaivany ny hafa.​—Is 9:8-12.

Mitandrema mba tsy hirehareha. Mila mitandrina mafy àry ny olona iray mba tsy hisy fireharehana ao am-pony. Tena mila mitandrina izy, indrindra rehefa mahomby izay ataony, na mahazo toerana ambony kokoa izy. Tokony hotadidiny fa “ny fireharehana mialoha ny fahalavoana, ary ny fieboeboana mialoha ny fianjerana.” (Oh 16:18) Raha avelany hahazo vahana ao am-pony ny fireharehana, dia mety handevozin’izany izy ka hataon’i Jehovah ho anisan’ireo manana toe-tsaina tsy ankasitrahany sy mendrika ny ho faty. (Ro 1:28, 30, 32) Amin’izao “andro farany” izao indrindra no ilana fitandremana, satria efa nilaza ny apostoly fa hanambony tena ny olona amin’izao fotoan-tsarotra izao.​—2Ti 3:1, 2.

Tsy tokony handokadoka olona koa izay te hahazo sitraka amin’Andriamanitra, satria mora mirehareha ny olona rehefa dokafana. Hoy ny ohabolana: “Izay lehilahy mandoka ny namany dia mamelatra harato hamandrihana azy.” (Oh 29:5) Mampidi-kizo an’ilay olona dokafany ilay mandoka azy (“manimba olona ny teny fandokafana”, Oh 26:28), sady tsy ankasitrahan’Andriamanitra. Nitandrina ny apostoly Paoly mba tsy handoka olona sady tsy hirehareha.​—1Te 2:5, 6.