Fitehirizan-karena
Trano na efitra fitehirizana vola na zava-tsarobidy hafa. Fitehirizana an’izay volamena nomen’ny Israelita “ny tranolay fihaonana” taloha. (No 31:54) Toa nisy fitehirizan-karena tao amin’ny tranolay masina, matoa nomena “ho isan’ny zava-tsarobidy ho an’ny tranon’i Jehovah” ireo zavatra lafo vidy “an’i Jehovah” tao Jeriko. (Js 6:17, 24) Ny Levita no niandraikitra an’ireo zava-tsarobidy nomen’ny vahoaka, sy ireo zavatra azo babo nohamasinina ho an’Andriamanitra. (1Ta 26:20-28) Nisy fitehirizan-karena fametrahana volamena sy volafotsy ary fitaovana lafo vidy koa tao amin’ny tempolin’i Solomona.—1Mp 7:51; 2Ta 5:1.
Nisy efitra fitehirizan-karena koa tao an-tranon’ny mpanjakan’ny Israely. (2Mp 20:13; 24:13; 2Ta 32:27, 28; Je 38:11) Nalain’ny fahavalo, na natao tsolotra ho an’ireo firenena mpanompo sampy, anefa matetika ny zava-tsarobidy notehirizina tao amin’io trano io sy tao an-tranon’i Jehovah.—1Mp 14:26; 15:18; 2Mp 12:18; 14:14; 16:8; 18:15; 24:13.
Nanana “fitehirizan-karenan’ny andriamaniny” koa i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, ary nentiny tao ny fitaovana sarobidy avy tao an-tranon’i Jehovah. (Da 1:2) Hoy izy momba ny tempolin’i Merodaka, araka ny soratra iray babylonianina: “Nitahiry volafotsy sy volamena ary vatosoa tao aho ... ary nataoko tao ny fitehirizan-karenan’ny fanjakako.” (Ampit. Ezr 1:8.) Mety ho mbola nisy fitehirizan-karena koa tany amin’ny faritra hafa tao amin’ilay fanjakany. (Da 3:2) Nanana fitehirizan-karena tany amin’ny faritra samihafa koa ny Persianina, ka tany no notehirizina ny hetra sasany nangonin’ny lehibem-paritany. (Ezr 7:20, 21) Nataon’izy ireo tao amin’ny fitehirizan-karena foibe kosa izay taratasim-panjakana tena sarobidy, ankoatra ny volamena sy zavatra hafa lafo vidy.—Ezr 6:1, 2; Es 3:9.
Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Nisy faritra tao amin’ny tempoly, angamba tao amin’ny Tokotanin’ny Vehivavy, nantsoina hoe “toerana fitehirizam-bola sy zava-tsarobidy”, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. (Jn 8:20) Milaza ireo raby fa nisy vata fandatsaham-bola 13 nanaraka ny sisin’ny rindrin’ilay tokotany, tao amin’ilay tempoly naorin’i Heroda. (Ny Mishnah, Shekalim 2:1; 6:1, 5) Hoatran’ny trompetra, hono, ny endrik’ireo vata, ary nisy loaka kely fandatsahana fanomezana samihafa teo an-tampony. (Mr 12:41) Tsy navelan’ny mpisorona natao tao amin’ny toerana masina fitehirizan-karena ireo farantsa volafotsy natsipin’i Jodasy tao amin’ny tempoly, satria “vidin-dra”, hoy izy ireo. (Mt 27:6) Toa nisy fitehirizan-karena fametrahana an’ireo vola avy tao amin’ny vata fandatsaham-bola koa tao amin’ilay tempoly.