Fivavahana, Fanompoana
Fanajana na fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra na olona. Mahakasika ny fiainan’ny olona iray manontolo ny fanompoany ny Mpamorona. Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina tany Korinto: “Na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra.”—1Ko 10:31.
Tsy nasain’i Jehovah Andriamanitra nanao fombafomba i Adama lehilahy lavorary rehefa nanompo azy. Nanompo an’ilay Mpamorona anefa izy, rehefa nanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny sitrapon’ilay Rainy an-danitra. Tamin’ny firenen’Israely i Jehovah vao nilaza ny fomba tokony hanatonana sy hanompoana azy. Anisan’izany ny fanaovana sorona, ny asan’ny mpisorona, ary ny fampiasana toerana masina. (Jereo FANATONANA AN’ANDRIAMANITRA.) “Aloky ny zavatra tsara ho avy” fotsiny anefa izany “fa tsy ny tena izy.” (He 10:1) Ny finoana sy ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah no tena zava-dehibe, fa tsy ny fanaovana fombafomba.—Mt 7:21; Jk 2:17-26.
Hoy i Mika mpaminany: “Inona no hoentiko manatona an’i Jehovah, sy miankohoka eo anatrehan’Andriamanitra izay any amin’ny avo? Hitondra fanatitra dorana manontolo ve aho rehefa manatona azy? Sa hitondra zanak’omby vao herintaona? Ho tian’i Jehovah ve ny ondrilahy an’arivony, na ny menaka be dia be toy ny renirano an’aliny? Ny zanako lahimatoa ve no homeko noho ny fikomiako, sa ny naloaky ny kiboko no homeko noho ny fahotako? Ry zanak’olombelona, efa nolazainy taminao izay tsara. Ary inona moa no takin’i Jehovah aminao, afa-tsy ny hanao ny rariny sy ny ho tia hatsaram-panahy ary ny hanetry tena rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitrao?”—Mi 6:6-8; ampit. Sl 50:8-15, 23.
Teny hebreo sy grika. Teny hebreo sy grika maromaro no ilazana ny fivavahana sy fanompoana. Mety hanana heviny hafa koa anefa izy ireny, arakaraka ny teny manodidina.
Midika hoe “manompo” ny teny hebreo hoe ʽavad. (Ge 14:4; 15:13) Tsy maintsy nankatò ny didin’i Jehovah rehetra sy nanao ny sitrapony, ny olona nanokan-tena ho azy sy nanompo azy ary nivavaka taminy. (Ek 19:5; De 30:15-20; Js 24:14, 15) Niala tamin’ny fivavahana marina àry izay nanao fombafomba ho fanomezam-boninahitra andriamani-kafa na nanompo an’ireny.—De 11:13-17; Mpts 3:6, 7.
Midika hoe “miankohoka” ny teny hebreo hoe hishtahavah. (Ge 18:2; jereo FIANKOHOFANA.) Mety ho fanajana olon-kafa fotsiny ny hoe miankohoka. (Ge 19:1, 2; 33:1-6; 37:9, 10) Mety ho fanompoana an’Andriamanitra koa anefa izany, ho mariky ny fanajana sy fankasitrahana azy ary fanekena ny sitrapony. Fanaon’ny olona fahiny ny niankohoka (hishtahavah) indraindray, rehefa nanao sorona sy nivavaka tamin’ilay tena Andriamanitra na tamin’ny andriamani-diso.—Ge 22:5-7; 24:26, 27; Is 44:17; jereo VAVAKA.
Midika hoe “miondrika” na “miankohoka” koa ny fototeny hebreo hoe sagad. (Is 44:15, 17, 19; 46:6) “Mivavaka” no dikan’ny teny aramianina mifanitsy amin’izy io. (Da 3:5-7, 10-15, 18, 28) Nadika koa hoe “miankohoka” (Da 2:46) anefa io teny io, rehefa nanome voninahitra an’i Daniela mpaminany i Nebokadnezara Mpanjaka.
Ilazana fanompoana masina fa tsy fanompoana tsotra fotsiny ny matoanteny grika hoe latreoô (Lk 1:74; 2:37; 4:8; As 7:7) sy ny anarana hoe latreia.—Jn 16:2; Ro 9:4.
Mitovitovy amin’ny teny hebreo hoe hishtahavah ny teny grika hoe prôskyneô, satria midika koa hoe “miankohoka”, ary indraindray hoe “mivavaka.” Prôskyneô no ataon’ny mpanompo miankohoka amim-panajana eo anatrehan’ny mpanjaka (Mt 18:26) sy ny tian’i Satana hataon’i Jesosy taminy, rehefa natolony azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo sy ny voninahitr’ireny. (Mt 4:8, 9) Raha niankohoka i Jesosy, dia ho nanaiky ny fahefan’i Satana ka lasa mpanompony. Nanda anefa izy hoe: “Mandehana ianao, ry Satana, fa voasoratra hoe: ‘I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao [endriny hafa amin’ny hoe prôskyneô (gr.) na hoe hishtahavah (heb.) ao amin’ny Deoteronomia izay naverin’i Jesosy], ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina [endriny hafa amin’ny hoe latreoô (gr.) na hoe ʽavad (heb.)].’” (Mt 4:10; De 5:9; 6:13) Manompo an’ilay “bibidia” sy ny “sariny” koa ireo mivavaka aminy sy miankohoka eo anatrehany, satria manohana azy ary manana ny mariky ny bibidia eo amin’ny tanany (izay ampiasaina hanompoana azy io) na eo amin’ny handriny (mba ho hitan’ny rehetra). Mivavaka amin’ny Devoly sy manompo azy izay mivavaka amin’ny bibidia, satria ny Devoly no manome fahefana azy io.—Ap 13:4, 15-17; 14:9-11.
Avy amin’ny hoe eosebeô, treskeoô ary sebômai ny teny grika hafa misy ifandraisany amin’ny fivavahana sy fanompoana. Midika hoe “mahafoy tena ho an’Andriamanitra” na “mivavaka” na “manaja lalina, mankamasina” ny hoe eosebeô. (Jereo FAHAFOIZAN-TENA HO AN’ANDRIAMANITRA.) Nivavaka (eosebeô) ‘tamin’Andriamanitra Tsy Fantatra’ ny Atenianina. (As 17:23) Avy amin’ny hoe treskeoô ny hoe treskeia, izay midika hoe “fivavahana”, na marina na diso. (As 26:5; Kl 2:18) Miahy an’ireo mahantra sy misaraka tanteraka amin’ity tontolo ratsy ity ny Kristianina manaraka ny fivavahana marina. (Jk 1:26, 27) Midika hoe “manaja lalina; manompo; mivavaka” ny hoe sebômai (Mt 15:9; Mr 7:7; As 18:7; 19:27) sy ny teny misy ifandraisany aminy hoe sebazômai. (Ro 1:25) Sebasma no ilazana ny zavatra ivavahana. (As 17:23; 2Te 2:4) Iray tarika amin’ireo koa ny teny roa nasiana tovona hoe Teôs (Andriamanitra): Teôsebes, midika ara-bakiteny hoe “manaja an’Andriamanitra” (Jn 9:31), sy teôsebeia midika hoe “fivavahana amin’Andriamanitra.”—1Ti 2:10.
Fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra. Ny fivavahan’ireo manao ny sitrapon’i Jehovah Andriamanitra ihany no ankasitrahany. (Mt 15:9; Mr 7:7) Hoy i Kristy Jesosy tamin’ny vehivavy samaritanina iray: “Ho avy ny fotoana ka tsy ho eto amin’ity tendrombohitra [Gerizima] ity na any Jerosalema no hivavahanareo amin’ny Ray. Ianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo, fa izahay kosa mivavaka amin’izay fantatray ... Na izany aza, ho avy ny fotoana, ary tonga izany ankehitriny, ka ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana. Fa olona toy izany tokoa no tadiavin’ny Ray mba hivavaka aminy. Andriamanitra dia Fanahy, ka izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka araka ny fanahy sy ny fahamarinana.”—Jn 4:21-24.
Tsy ny zavatra hita maso na ny toerana àry no amantarana ny fivavahana marina. Tsy mila mahita na mikasika zavatra ny tena mpivavaka satria manam-pinoana sy feno fanajana, na aiza na aiza misy azy ary na inona na inona manodidina azy. Mivavaka araka ny fanahy àry izy. Mivavaka araka ny fahamarinana koa izy, satria nampahafantarin’Andriamanitra azy izany. Tena ‘mivavaka amin’izay fantany’ àry izy, satria mahalala an’ilay Andriamanitra resahin’ny Baiboly ary mahatsapa fa mitarika azy eo amin’ny fiainany ny fanahin’Andriamanitra.