Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fotoana Fanehoana Fankasitrahana

Fotoana Fanehoana Fankasitrahana

Naverin’ny apostoly Paoly ny faminaniana ao amin’ny Isaia 49:8 hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Tamin’ny fotoana fanehoana fankasitrahana no namaliako anao, ary tamin’ny andro famonjena no nanampiako anao. Narovako foana ianao ka nataoko antoka ho an’ny olona, mba hamerenana ilay tany amin’ny laoniny, sy mba hahazoana indray ny lova efa nilaozana.’” (2Ko 6:2) I Isaia izay nisolo tena ny firenen’Israely (Is 49:3) no nilazana an’io faminaniana momba ny hamerenana ny Israely any amin’ny taniny io. Tanteraka voalohany izy io rehefa nafahana avy tany Babylona izy ireo, ka nilazana ireo voafonja israelita hoe: “Mivoaha!” Nody an-tanindrazana izy ireo ary namerina tamin’ny laoniny ilay tany efa lao.​—Is 49:9.

Faminaniana momba ny Mesia koa anefa ilay izy, ka tanteraka tamin’i Kristy Jesosy ‘mpanompon’Andriamanitra.’ Milaza mantsy ny Isaia 49:8 fa ‘nataon’i Jehovah antoka ho an’ny olona’ io ‘mpanompo’ io. ‘Nomeny ho fahazavan’ny hafa firenena’ koa izy io (and. 6), “mba hitaran’ny [famonjen’Andriamanitra] hatrany amin’ny faran’ny tany.” (Ampitahao Is 42:1-4, 6, 7 sy Mt 12:18-21.) ‘Hamaly’ sy ‘hanampy’ azy io i Jehovah amin’ilay “fotoana fanehoana fankasitrahana.” Tanteraka izany rehefa “nitalaho sy niangavy tamin’Ilay nahay namonjy azy tsy ho faty [i Jesosy teto an-tany], ary nitaraindraina mafy sy nitomany, ka nohenoina noho ny fahatahorany an’Andriamanitra.” (He 5:7-9; ampit. Jn 12:27, 28; 17:1-5; Lk 22:41-44; 23:46.) “Andro famonjena” ho an’ilay Zanak’Andriamanitra àry ilay fotoana. Tsy nivadika mihitsy izy nandritra izany fotoana izany, ka “nahatonga an’izay rehetra mankatò azy hahazo famonjena mandrakizay.”​—He 5:9.

Tanteraka tamin’ireo Kristianina nanoratan’i Paoly koa ilay faminaniana. Nampirisihiny izy ireo “hanaiky ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra nefa tsy hanadino ny zava-kendren’izany.” Hoy koa izy rehefa avy namerina ny voalazan’ny Isaia 49:8: “Izao indrindra no fotoana fanehoana fankasitrahana! Izao no andro famonjena!” (2Ko 6:1, 2) Lasa anisan’ny “Israelin’Andriamanitra” ireo Kristianina ireo nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33. (Ga 6:16) Tokony ho mendrika ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra anefa izy ireo, mba ho “andro famonjena” ho azy ireo tokoa ilay “fotoana fanehoana fankasitrahana.”

Tanteraka voalohany ilay faminaniana rehefa naverina tany amin’ny taniny ny Israelita. Tanteraka koa izy io tatỳ aoriana rehefa nafahana avy tao amin’ny fivavahan-diso ny vahoakan’Andriamanitra, ka nahazo sitraka taminy indray.​—Ampit. Sl 69:13-18.

Tsy takatry ny Jiosy tamin’ny andron’i Paoly fa fotoana fanehoana fankasitrahana tamin’izany, ary afaka ny ho anisan’ny ‘Israely ara-panahy’ izy ireo. Nilaza àry i Paoly fa hitodi-doha ho any amin’ireo firenena tsy Jiosy izy. Naka teny tao amin’ny Isaia 49:6 izy, ka niteny hoe: “Fa nandidy anay tamin’izao teny izao i Jehovah: ‘Notendreko ho fahazavan’ny hafa firenena ianao, mba hamonjena ny olona hatrany amin’ny faran’ny tany.’” (As 13:47) Tsy maharitra ela ny hoe “fotoana” sy “andro.” Mila hararaotina sy hampiasaina amim-pahendrena àry ny fotoana fanehoana fankasitrahana, satria tsy hamindra fo intsony Andriamanitra ka tsy hisy afaka ny ho voavonjy intsony rehefa mifarana izy io.​—Ro 13:11-13; 1Te 5:6-11; Ef 5:15-20.