Governora
Nifehy tafika sy nitsara ny governora fahiny. Nanamarina koa izy raha naloan’ny faritra na faritany nofeheziny ny hetra sy haba tokony ho an’ny mpanjaka na mpitondra hafa. (Lk 2:1, 2) Maro no nampitondra enta-mavesatra ny vahoaka, satria nitaky ny hanomezan’izy ireo sakafo ho azy sy ho an’ny mpanompony maro be.—Ne 5:15-18.
Nanendry governora hifehy an’ireo faritra tany Israely i Solomona Mpanjaka. Izy ireo no resahin’ny 1 Mpanjaka 10:15, ary toa ireo ihany ireo lehibem-paritra 12 (1Mp 4:7-19) nifandimby namatsy sakafo ny mpanjaka sy ny tao an-dapany, iray volana isan-taona.
Saika nanana governora daholo ireo firenena lehibe resahin’ny Baiboly. Nifehy ny faritra niaviany na nifehy zanatany izy ireny. (Syrianina, 1Mp 20:24; Asyrianina, Ezk 23:5, 6, 12, 23; Babylonianina, Je 51:57; Persianina, Ezr 8:36, Ne 2:7, 9; Arabo, 2Ko 11:32; Romanina, Lk 3:1) Governora nifehy an’i Ejipta manontolo i Josefa, izay nanarakaraka ny mpanjaka. (Ge 41:40, 41; As 7:9, 10) Nihantsy ady tamin’i Hezekia i Rabsake manamboninahitra nirahin’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria, ka nilaza fa tsy ho vitan’i Jerosalema ny hampandositra na dia izay governora kely indrindran’i Sankeriba aza. Tsy fantany anefa fa hanampy an’i Hezekia i Jehovah, ilay manana hery tsy hita fetra.—Is 36:4, 9; 37:36.
Notendren’i Nebokadnezara ho governoran’ireo Israelita sisa tavela tao Joda i Gedalia, rehefa nataony sesitany ny ankamaroan’ny mponina tao tamin’ny 607 T.K. Nisy namono i Gedalia roa volana teo ho eo taorian’izay. (2Mp 25:8-12, 22, 25) Notendren’i Kyrosy mpanjakan’i Persa ho governoran’ireo Jiosy nody tany Jerosalema tamin’ny 537 T.K. i Sesbazara (angamba i Zerobabela), rehefa hifarana ilay sesitany naharitra 70 taona. (Ezr 5:14; Hg 1:1, 14; 2:2, 21) Notendren’i Artaksersesy mpanjakan’i Persa ho governora koa i Nehemia, rehefa naorina indray ny mandan’i Jerosalema tamin’ny 455 T.K.—Ne 5:14; jereo TIRSATA.
Nofehezin’ny mpanjaka romanina ny faritr’i Jodia, ka tompon’andraikitra mivantana teo anatrehany izay governora nifehy azy io. I Pilato no governora faha-5 tany Jodia (Mt 27:2; Lk 3:1), Feliksa no faha-11, ary Festosy no faha-12 (raha tsy isaina i Publius Petronius sy Marsus mpandimby azy, izay samy governoran’i Syria sady nifehy an’ireo Jiosy). (As 23:24-26; 24:27) Azon’izy ireny natao ny nanameloka olona ho faty, toy ny nataon’i Pilato izay nitsara an’i Jesosy.—Mt 27:11-14; Jn 19:10.
Ny governoran’ireo firenena no noresahin’i Jesosy, rehefa nilaza izy fa hoentina eo anatrehan’izy ireny ny mpianany mba ho vavolombelona. Tsy tokony hanahy ny amin’izay holazainy ny Kristianina na hatahotra azy ireny, na dia mahery aza izy ireny. (Mt 10:18-20, 26) Anisan’ny manam-pahefana tokony heken’ny Kristianina ny governora, saingy voafetra ihany ny fanekeny azy. (Ro 13:1-7; Tit 3:1; 1Pe 2:13, 14; As 4:19, 20; 5:29; Mt 22:21) Nanaja an’i Festosy, ohatra, i Paoly tamin’izy notsaraina teo anatrehany, ka hoy izy: “Ry Festosy Governora hajaina ô.” (As 26:25) I Jehovah anefa aloha no nohajain’ireo apostoly sy nomeny voninahitra. Ny governora kosa no nohajain’ny firenen’Israely mihoatra noho i Jehovah, ka nampisaintsaina azy ireo momba izany Izy rehefa nananatra azy ireo tamin’ny alalan’i Malakia mpaminany.—Ml 1:6-8; jereo MANAM-PAHEFANA.
Naka teny tao amin’ny Mika 5:2 i Matio ka nilaza fa hiavaka i Betlehema, na dia tanàna tsy nanana fahefana firy tany Joda aza. Hivoaka avy ao mantsy ilay governora lehibe indrindra, izay hiandry ny Israely olon’i Jehovah. Tanteraka izany rehefa notendren’i Jehovah Andriamanitra Rainy ho Governora Lehibe i Kristy Jesosy.—Mt 2:6.