Habakabaka
Izao no voalaza momba izay nitranga tamin’ny “andro” famoronana faharoa: “Ary hoy koa Andriamanitra: ‘Aoka hisy habakabaka [heb.: rakiaʽ ] eo anelanelan’ny rano, dia aoka hisaraka ny rano ambony sy ny rano ambany.’ Koa nanomboka nanao ny habakabaka Andriamanitra, ka nosarahiny ny rano izay tokony ho eo ambanin’ilay habakabaka sy ny rano izay tokony ho eo ambonin’ilay habakabaka. Dia nisy izany. Ary nantsoin’Andriamanitra hoe Lanitra ilay habakabaka.” (Ge 1:6-8) Voalaza koa fa tatỳ aoriana dia nipoitra teny “amin’ny habakabaky ny lanitra” ny zavatra manome hazavana. Nisy biby nanidintsidina teny “amin’ny habakabaky ny lanitra”, tatỳ aoriana.—Ge 1:14, 15, 17, 20.
Ilay teny grika hoe stereôma (midika hoe “rafitra mafy sy henjana”) no andikan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo an’ilay teny hebreo hoe rakiaʽ. Ny Vulgate latinina kosa mampiasa ny teny latinina hoe firmamentum, izay midika koa hoe zavatra mafy sy henjana. Misy Baiboly frantsay manao toy izany koa, ka mandika ny rakiaʽ hoe “firmament” (midika hoe andohalambon’ny lanitra) (Crampon, TOB). Ny Baiboly malagasy kosa mandika azy io hoe “habakabaka.” (TV; Prot.; Kat.; DIEM; JM) Misy Baiboly hafa koa mandika azy io hoe “étendue [habakabaka]” (Sg; Darby).
Misy olona milaza fa nihevitra, hono, ny Hebreo hoe ny habakabaka dia zavatra mafy toy ny tafo manao faribolana eo ambonin’ny tany. Misy lavadavaka hilatsahan’ny ranonorana, hono, izy io, ary mipetaka eo aminy ny kintana. Toy izany ny sary ataon’ireny olona ireny ao amin’ny diksionera momba ny Baiboly sy ao amin’ny Baiboly sasany. Marina ve izany? Hoy Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena: “Tombantombana fotsiny anefa izany, ary vokatry ny fiheveran’ny olona maro tany Eoropa teo anelanelan’ny taona 476 sy 1000 tany ho any. Tsy milaza izany ny Test[amenta] T[aloha].”—Nataon’i J. Orr, 1960, Boky I, p. 314.
“Mively” zavatra mafy no hevitry ny fototeny (rakaʽ) niavian’ny rakiaʽ. Mety hoe mively amin’ny tanana na amin’ny fitaovana hafa na mitoto amin’ny tongotra no dikan’ny hoe rakaʽ (ampit. Ek 39:3; Ezk 6:11.). Ampiasaina an’ohatra koa anefa izy io indraindray, araka ny hita ao amin’ny Joba 37:18. Nanontany an’i Joba i Eliho ao hoe: ‘Moa ve ianao afaka manampy an’Andriamanitra hively (tarkiaʽ) ny lanitra, toy ny fively metaly mafy narendrika izay tefena ho fitaratra?’ Mazava fa tsy te hilaza ilay andininy hoe zavatra mafy azo velezina ny “lanitra.” Shahak mantsy no teny hebreo nadika hoe “lanitra” eo, ary azo adika koa hoe “vovoka manify” na “rahona” io teny io. (Is 40:15; Sl 18:11) Hita amin’izany fa zavatra malemy toy ny zavona no lazain’i Eliho hoe velezina. Mazava àry fa manao teny an’ohatra izy eo, ka mampitaha fotsiny ny lanitra amin’ny fitaratra metaly izay mandefa taratra mazava rehefa tarafin’ny hazavana.—Ampit. Da 12:3.
Tsy zavatra mafy azo velezina koa àry ilay “habakabaka” noforonina tamin’ny “andro” famoronana faharoa, fa ny elanelana niforona rehefa nozaraina roa ny rano teto an-tany ka nisy nakarina tany ambony be tany fa nisy kosa tsy nihetsika teto. Niforona àry ny habakabaka manodidina ny tany. Hita amin’izany fa tamin’ny voalohany dia tsy nisy faritra babangoana teo amin’ny manodidina ny tany, fa rakotra eton-drano tanteraka ny tany. Mifanaraka amin’ny fanazavan’ny mpahay siansa momba ny fomba niforonan’ny tany koa izany, sady mifanaraka amin’ny fiheverana fa eton-drano ihany no nisy teto an-tany taloha, fa tsy nisy rano. Nahamay be mantsy ny teto ambonin’ny tany tamin’izany fotoana izany.
Tsy nihevitra mihitsy ireo mpanoratra ny Soratra Hebreo hoe vita tamin’ny metaly mangirana ny lanitra. Hoy mantsy i Mosesy, rehefa nilaza tamin’ny Israely ny ho vokany raha tsy mankatò an’Andriamanitra izy ireo: “Ho varahina ny lanitra eo ambony lohanao, ary ho vy ny tany eo ambany tongotrao.” Nampiasa teny an’ohatra izy teo mba hilazana fa hisy vokany eo amin’ny lanitra sy ny tanin’ny Israely ny hafanana mahamay sy ny hain-tany.—De 28:23, 24.
hakim], ka mifafy be dia be amin’ny olombelona.” (Jb 36:27, 28) Tena marina sy mifanaraka amin’ny siansa izany! An’ohatra koa ilay teny hoe “vavahadin-dranon’ny [ʼarobbôt] lanitra.”—Ampit. Ge 7:11; 2Mp 7:1, 2, 19; Ml 3:10; jereo koa Oh 3:20; Is 5:6; 45:8; Je 10:13.
Mazava koa fa tsy nitovy hevitra tamin’ny mpanompo sampy ny Hebreo, satria tsy nino hoe misy lavadavaka na “varavarankely” teo amin’ny habakabaka, ka teo amin’ireny no nilatsahan’ny ranonorana. Nanazava i Eliho fa avy tamin’ny rahona no niavian’ny orana. Hoy izy: “Ampiakariny ireo piti-drano, ary mirotsaka ho orana sy zavona ireny. Koa mitete ny rahona [sheMarina fa tsy hoe ‘nively’ zavatra mafy (ohatra hoe metaly) ilay Mpamorona rehefa namorona ny habakabaka na ny atmosfera manodidina ny tany. Tokony hotadidina anefa fa na tsy zavatra mafy aza ireo gazy samihafa ao amin’ny atmosfera, dia tena misy toy ny tany sy ny rano ihany. Misy lanjany koa ny atmosfera, sady mbola mitondra rano sy potipoti-javatra be dia be (ohatra hoe vovoka). Tombanana ho 520 000 000 000 0000 taonina mahery ny lanjan’ny rivotra rehetra manodidina ny tany. (Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao, 1987, Boky I, p. 156) Iray kilaograma isaky ny 1 santimetatra toradroa ny tsindrin’ny rivotra eo amin’ny haabon’ny ranomasina. Toherin’ny atmosfera izay vaingan-javatra mipaka eo aminy, ka may ny ankamaroany ary lasa tainkintana. Marina tokoa àry fa misy heviny hoe hery ilay teny hebreo hoe rakiaʽ, ary porofoin’ny zava-misy izany.
Milaza ny Salamo 19:1 fa manambara ny asan’Andriamanitra sy midera azy “ny lanitra” sy “ny habakabaka.”