Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Habokana

Habokana

Aretina resahin’ny Baiboly, ary avy amin’ny teny hebreo hoe tsaraʽat sy ny teny grika hoe lepra. Antsoina hoe boka ny olona voan’izy io.

Tsy ny aretina habokana fantatra ankehitriny fotsiny ilay antsoin’ny Baiboly hoe “habokana.” Lazainy mantsy fa tsy ny olona ihany no mety ho voan’izy io fa ny akanjo sy trano koa. (Le 14:55) Antsoina koa hoe aretin’i Hansen ny habokana ankehitriny, satria ny Dr. Gerhard Hansen no nahita ny mikraoba mahatonga azy io. Na dia tsy ilay aretin’i Hansen fotsiny aza no tiana holazaina amin’ilay hoe tsaraʽat, dia azo antoka fa efa ela be izy io no nisy tany Israely sy ny firenena manodidina azy.

Ny karazany sy ny vokany. Tsy mora mifindra ny habokana na ny aretin’i Hansen, ary misy karazany telo izy io ankehitriny. Voalohany, ny habokana mainty (lepromatous leprosy). Mihamatevina ny hoditr’ilay marary sady misy mivontovonto. Eo amin’ny tarehiny izany no manomboka ary avy eo mitatra amin’ny faritra hafa amin’ny vatany. Mihasimba koa ilay hoditra manify mampisy ranoka ao amin’ny orony sy ny tendany. Faharoa, misy ilay antsoina tsindraindray hoe habokana fotsy (tuberculoid leprosy). Tsy dia lehibe toy ny an’ny habokana mainty ny fahavoazana aterany, na dia ny rafi-pitatitra aza no tena voa. Mety hanaintaina ny hoditra raha vao voakasika, na mety ho donto koa ka tsy hahare marary. Ireo karazany roa mitambatra ireo kosa ilay karazany fahatelo, ka mety ho hita amin’ilay marary avokoa ireo soritr’aretina voalaza etsy aloha.

Mamoro-nana ireo mivontovonto amin’ny vatan’ilay marary rehefa mihombo ilay aretina. Mety hihintsana ny volon-dohany sy ny volomasony, ary hiendaka sy hihalò ny hohony ka hiala ho azy. Mety ho lanin’ilay aretina tsikelikely koa ny tanany, ny tongony, ny orony, ary ny masony. Maty izy amin’ny farany raha mihombo be ilay aretina. Areti-mandoza toy izany tokoa ilay “habokana” resahin’ny Baiboly, matoa i Arona nilaza fa ‘lany ny antsasaky ny nofon’izay’ voan’izy io.​—No 12:12.

Manjary mazava kokoa amintsika àry izay lazain’ny Baiboly momba an’io aretina mahatsiravina io, sy izay nanjo an’i Ozia noho izy sahisahy ratsy ka saika hanolotra emboka manitra tao amin’ny tempolin’i Jehovah.​—2Mp 15:5; 2Ta 26:16-23.

Famantarana an’ilay aretina. Ny Lalàna nomen’i Jehovah ny Israely no nanampy ny mpisorona hahalala hoe voan’ny habokana ny olona iray, sy hahay hanavaka azy io tamin’ny aretin-koditra hafa tsy dia natahorana. Mety ho nisy nibontsimbontsina, anakandroana, tasy, na vay ny hoditry ny olona voan’ny habokana, na nisy ratra teo amin’ny hodiny main’ny afo. (Le 13:1-46) Tonga dia niharihary kosa ny soritr’aretina indraindray. Lasa fotsy mantsy ny volo teo amin’ilay faritra voa, sady lalina noho ny hoditra no fahitana azy. Mety ho nisy nibontsimbontsina fotsy teo amin’ny hoditra ka lasa fotsy ny volo naniry teo, sady nisy fery lalina hita teo amin’ilay nibontsimbontsina. Boka àry ilay olona ka nambara hoe maloto. Raha tsy lalina noho ny hoditra kosa no fahitana an’ilay aretina, dia natokan-toerana aloha ilay olona ary avy eo nozahan’ny mpisorona, mba hahitana raha boka izy na tsia.

Tsy nifindra intsony ny habokana rehefa rakotr’ilay izy ny vatana manontolo, ka lasa fotsy daholo ary tsy hita hoe nisy fery lalina. Tsy nihombo intsony ilay aretina, fa ny takaitra navelany sisa no hita. Nambaran’ilay mpisorona hoe madio àry ilay marary, satria tsy natahorana hamindra aretina intsony.​—Le 13:12-17.

Nisy fombafomba natao mba hidiovan’ny boka sitrana, anisan’izany ny hoe nitondra fanatitra tany amin’ny mpisorona. (Le 14:1-32) Raha mbola tsy sitrana kosa izy ka nambaran’ny mpisorona hoe maloto, dia tokony horovitina ny akanjony, havela hisavoritaka ny volony, hosaronany ny volombava eo ambonin’ny molony, ary hiantsoantso izy hoe: “Maloto e! Maloto e!” Tsy maintsy nitoka-monina tany ivelan’ny toby koa izy (Le 13:43-46) mba tsy hamindra aretina tamin’ny vahoaka, satria nitoetra teo anivon’izy ireo i Jehovah. (No 5:1-4) Toa nifanerasera na niara-nonina ny boka maromaro fahiny, ka afaka nifanampy.​—2Mp 7:3-5; Lk 17:12.

Tamin’ny akanjo sy trano. Mety ho nisy habokana koa ny akanjo volonondry na akanjo rongony, na ny zavatra vita tamin’ny hoditra, ka nisy mifaritra maitso somary mavo na somary mena. Nety ho afaka anefa ilay izy rehefa nosasana, ka natokan-toerana ilay akanjo na ilay zavatra. Nodorana kosa izy ireny raha tsy nety afaka ilay habokana, satria nampidi-doza. (Le 13:47-59) Raha nisy lempona maitso somary mavo na somary mena teo amin’ny rindrin’ny trano iray, dia nasain’ny mpisorona nakatona tanteraka ilay trano. Nila nesorina ny vato nisy an’ilay habokana ary nokikisana ny aty trano, ka nariana tany amin’ny toerana maloto tany ivelan’ny tanàna ireo vato sy lalotra nesorina. Raha niverina ilay habokana, dia nambara fa maloto ilay trano ka noravana ary nariana tany amin’ny toerana maloto ny potiny. Nisy fombafomba natao hanadiovana ilay trano kosa raha nambara fa madio izy io. (Le 14:33-57) Misy milaza fa nety ho bobongolo ilay habokana teo amin’ny akanjo na trano. Tsy tena azo antoka anefa izany.

Famantarana nataon’i Mosesy. Nomen’i Jehovah hery i Mosesy ka afaka nanao famantarana, mba hanaporofoana tamin’ny Israelita fa nirahiny tokoa izy. Lasa “boka sady fotsy be”, ohatra, ny ‘tanany’ rehefa natsofony tao amin’ilay miforitra teo amin’ny tratran’akanjony ary avy eo navoakany. Lasa “nitovy tamin’ny vatany manontolo” kosa ilay izy, rehefa natsofony tao indray ary avy eo navoakany. (Ek 4:6, 7) Nataon’Andriamanitra “boka i Miriama ka lasa fotsy be”, satria nanome tsiny an’i Mosesy. Niangavy an’Andriamanitra àry i Mosesy mba hanasitrana azy, ka sitrana izy. Natokan-toerana fito andro tany ivelan’ny toby anefa izy.​—No 12:1, 2, 9-15.

Tamin’ny andron’i Elisa. ‘Lehilahy natanjaka sy nahery fo’ i Namàna Syrianina, “saingy boka [na ‘narary hoditra’, DIEM].” (2Mp 5:1) Be hambo izy ka tsy nety nisitrika impito tao Jordana, araka ny toromarik’i Elisa. Nanaiky ihany anefa izy ka sitrana. “Lasa tahaka ny nofon-jazalahikely indray ny nofony, ka nadio izy.” (2Mp 5:14) Nanompo an’i Jehovah izy tatỳ aoriana. Tia harena loatra anefa i Gehazy mpanompon’i Elisa, ka nandainga tamin’i Namàna hoe nirahin’ilay mpaminany hangataka fanomezana taminy. Nohararaotiny ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra mba hahazoana harena. Nosazin’Andriamanitra àry izy ka “boka ary lasa fotsy be.”​—2Mp 5:20-27.

Maromaro ny boka tany Israely tamin’ny andron’i Elisa. Nisy Israelita boka efa-dahy, ohatra, tany ivelan’ny vavahadin’i Samaria tamin’i Elisa tao amin’ilay tanàna. (2Mp 7:3) Tsy nino an’io lehilahin’Andriamanitra io anefa ny ankamaroan’ny Israelita. Tsy nino an’i Jesosy koa ireo Jiosy tao amin’ny faritra niaviany, ka hoy izy: “Nisy boka maro koa teo amin’ny Israely tamin’ny andron’i Elisa mpaminany, nefa tsy nisy nodiovina ireny na iray aza, afa-tsy i Namàna, ilay lehilahy avy any Syria.”​—Lk 4:27.

Nositranin’i Jesosy sy ny mpianany. Nihaona tamin’ny lehilahy iray nolazain’i Lioka fa “rakotry ny habokana” i Jesosy, tamin’izy tany Galilia. Nanasitrana azy izy, ary nandrara azy tsy hilazalaza izany tamin’olona. Hoy izy: “Mandehana kosa miseho any amin’ny mpisorona, ary manaova fanatitra noho ny nanadiovana anao, araka ny nandidian’i Mosesy, mba ho porofo amin’izy ireo fa sitrana ianao.”​—Lk 5:12-16; Mt 8:2-4; Mr 1:40-45.

Hoy i Kristy tamin’izy naniraka an’ireo apostoly 12: “Diovy ny boka.” (Mt 10:8) Ny tenany mihitsy koa no nanasitrana boka folo tao amin’ny tanàna kely iray, tamin’izy namakivaky an’i Samaria sy Galilia. Ny iray ihany anefa no ‘niverina ka nanome voninahitra an’Andriamanitra tamin’ny feo avo.’ Samaritanina izy io, ary niankohoka teo an-tongotr’i Jesosy ka nisaotra azy. (Lk 17:11-19) Tany Betania i Jesosy Kristy, tao an-tranon’i Simona boka (izay mety ho nositraniny), tamin’izy nohosoran’i Maria menaka manitra lafo vidy, andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany.​—Mt 26:6-13; Mr 14:3-9; Jn 12:1-8.