Hazavana, Fahazavana
Ny teny hebreo hoe ʼôhr sy ny teny grika hoe fôs no ampiasaina mba hilazana ny taratra avoakan’izay rehetra manome hazavana, ohatra hoe ny jiro (Je 25:10) na ny masoandro. Lazaina hoe hazavana koa izay mifanohitra amin’ny haizina, na ara-bakiteny na an’ohatra. (Is 5:20; Jn 11:10, 11) Maro no mino fa piti-javatra maro be faran’izay madinika ny hazavana, ary mitondra angovo ireny piti-javatra ireny sady manana ireo toetra mampiavaka ny onja. Mbola tsy tena voavalin’ny olona anefa hatramin’izao ny fanontanian’ilay Mpamorona ny hazavana. Hoy izy, 3 000 taona lasa izay: “Aiza ny lalana iparitahan’ny hazavana?”—Jb 38:24.
Misy loko maromaro ao amin’ny tara-pahazavan’ny masoandro, ary samy manana ny halavan’ny onjam-pahazavany ny loko tsirairay. Ahoana no ahafantarantsika hoe inona no lokon’ny zavatra iray? Rehefa mipaka eo amin’ilay zavatra ny loko samihafa ao amin’ilay tara-pahazavana, dia misy loko raisin’ilay izy ary misy averiny. Iny averiny iny no lokony. Noho ny hazavana àry no hahitan’ny olombelona ireo loko maro mahafinaritra ny masony. Tena ilain’ny zavamaniry sy ny biby ary ny olona koa ny hazavana mba hahavelona azy.
Ilay nampisy ny hazavana. I Jehovah Andriamanitra no nanao ny hazavana sy namorona ny haizina. (Is 45:7) Hoy izy, tamin’ny andro famoronana voalohany: “Aoka hisy mazava.” (Ge 1:3) Efa namorona ny lanitra sy ny tany izy, talohan’izay. (Ge 1:1) Anisan’ilay hoe “lanitra” “ireo zavatra lehibe manome hazavana”, toy ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. (Ampit. Sl 136:7-9.) Ilay hoe “aoka hisy mazava” àry dia midika hoe nesorin’Andriamanitra tsikelikely izay zavatra nanakana ny tara-pahazavan’ny masoandro, ka tonga tetỳ an-tany amin’izay ilay taratra. Ary ahoana ilay hoe ‘nisaraka’ ny mazava sy ny maizina? Azo antoka fa ny fihodinan’ny tany amin’ny tenany no nahatonga izany, rehefa mihodina manodidina ny masoandro izy io. (Ge 1:4, 5) Tatỳ aoriana be, dia nahatonga loza tamin’i Ejipta i Jehovah ka nisy haizim-pito eran’ilay tany, na dia mpivavaka tamin’ny masoandro aza ny Ejipsianina. Tsy voakasik’ilay haizina anefa ny Israelita. (Ek 10:21-23) Nampiasa andry afo i Jehovah mba hanazavana ny vahoakany sy hitarihana azy ireo avy tany Ejipta.—Ek 13:21; 14:19, 20; Sl 78:14.
Matetika ao amin’ny Soratra Masina no misy resaka hazavana rehefa miresaka momba an’Andriamanitra. Hoy, ohatra, ny mpanao salamo: “Lehibe tokoa ianao, Jehovah Andriamanitro ô! Mitafy haja amam-boninahitra ianao. Hazavana no toy ny akanjo andrakofanao ny tenanao.” (Sl 104:1, 2) Toy izany ny zavatra hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana. Hoy izy: “Hitako fa nisy zavatra namirapiratra hoatran’ny metaly nanjelatra sy hoatran’ny afo, nanodidina azy sy avy eo aminy, nanomboka teo amin’ilay toy ny andilany no ho miakatra. Fa nanomboka teo amin’ilay toy ny andilany no ho midina kosa, dia zavatra toy ny afo no hitako. Ary namirapiratra ny manodidina azy. Nahita zavatra hoatran’ny avana aho, dia avana miseho eny amin’ny rahona rehefa mirotsaka ny orana. Sahala amin’izany no fahitana an’ilay namirapiratra nanodidina azy. Hoatran’ny voninahitr’i Jehovah no fahitana an’ilay izy.” (Ezk 1:27, 28) Ampahany tamin’izany voninahitra izany fotsiny anefa dia efa nampanjelanjelatra ny tarehin’i Mosesy, taonjato maro talohan’izay.—Ek 33:22, 23; 34:29, 30.
“Andriamanitra dia fahazavana, ka tsy ao anatin’ny haizina mihitsy izay tafaray aminy.” (1Jn 1:5) Marina sy mahitsy izy sady masina (De 32:4; Ap 4:8), ka manohitra tanteraka an’ireo fanao ratsy sy maloto mampiavaka an’ireo ao anatin’ny haizina. (Ampit. Jb 24:14-16; 2Ko 6:14; 1Te 5:7, 8.) Ao anatin’ny haizina ny olona mankahala ny rahalahiny sy tsy manao ny marina. Tsy ho tafaray amin’Andriamanitra mihitsy àry ny olona toy izany.—1Jn 1:6; 2:9-11.
“Rain’ny fahazavana eny amin’ny lanitra” i Jehovah. (Jk 1:17) Izy no “manome ny masoandro mba hanazava amin’ny andro, sy manome lalàna mifehy ny volana sy ny kintana mba hanazava amin’ny alina.” (Je 31:35) Avy aminy koa anefa ny fahazavana ara-panahy. (2Ko 4:6) Toy ny fahazavana, ohatra, ny lalàny sy ny didim-pitsarany ary ny teniny, ho an’ireo manaiky hotarihin’izany. (Sl 43:3; 119:105; Oh 6:23; Is 51:4) Hoy ny mpanao salamo: “Ny fahazavana avy aminao no ahitanay fahazavana.” (Sl 36:9; ampit. Sl 27:1; 43:3.) Mihamazava foana ny hazavan’ny masoandro, manomboka amin’ny mazava ratsy “mandra-pitataovovonan’ny andro.” (Oh 4:18) Mihamazava toy izany koa ny lalan’ny marina, rehefa mahazo fahendrena avy amin’Andriamanitra izy. Mankatò an’i Jehovah no dikan’ny hoe mandeha amin’ny fahazavany. (Is 2:3-5) Misy kosa olona maloto saina sy fetsy ratsy. Hita eo amin’ny fomba fijeriny mihitsy izany. Ao anatin’ny haizim-pito ara-panahy ny olona toy izany. Hoy i Jesosy: “Raha mifantoka amin’ny zava-dratsy ... ny masonao, dia ho maizina ny tenanao manontolo. Ary raha haizina ny hazavana ao aminao, dia ho haizim-pito tokoa izany!”—Mt 6:23; ampit. De 15:9; 28:54-57; Oh 28:22; 2Pe 2:14.
Ny hazavana sy ilay Zanak’Andriamanitra. “Mitoetra ao amin’ny hazavana tsy hay hatonina” i Kristy Jesosy, “ilay Mpanjakan’izay manjaka sy Tompon’ny tompo”, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty sy niakarany tany an-danitra. Mamirapiratra be izany hazavana izany ka tsy zakan’ny mason’ny olombelona ny mibanjina an’i Jesosy. (1Ti 6:15, 16) Lasa jamba mihitsy ny lehilahy iray nanenjika ny Kristianina, izany hoe i Saoly avy any Tarsosy, na i Paoly, rehefa nahita hazavana avy tany an-danitra, tamin’izy nisehoan’ilay Zanak’Andriamanitra nomem-boninahitra.—As 9:3-8; 22:6-11.
Azo lazaina hoe fahazavana i Jesosy Kristy nandritra ny fanompoany teto an-tany, satria izy nanazava momba ny fikasan’Andriamanitra sy ny sitrapony ho an’ireo olona tso-po. (Jn 9:5; ampit. Is 42:6, 7; 61:1, 2; Lk 4:18-21.) Tamin’ny voalohany, dia ny ‘ondry very tamin’ny taranak’Israely’ ihany no nandray soa tamin’izany “hazavana lehibe” izany. (Is 9:1, 2; Mt 4:13-16; 15:24) Tsy natao ho an’ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy ihany anefa ilay fahazavana. (Jn 1:4-9; ampit. As 13:46, 47.) Manaporofo izany ny tenin’ilay zokiolona atao hoe Simeona, rehefa nentina tao amin’ny tempoly i Jesosy tamin’izy mbola zazakely. Nilaza i Simeona fa i Jesosy no “hazavana izay hanala ny zavatra manarona ny firenena.” (Lk 2:32) Nanazava tamin’ireo Efesianina i Paoly fa tao anatin’ny haizina ireo hafa firenena tsy mifora, tamin’izy ireo mbola tsy nahalala an’Andriamanitra sy ny fikasany. Hoy i Paoly: “Olon’izao tontolo izao ianareo taloha, raha ny amin’ny nofo. Niantso anareo hoe ‘tsy voafora’ ireo antsoina hoe ‘voafora’ teo amin’ny nofo, dia ireo noforan-tanana. Tadidio fa tsy nanana an’i Kristy ianareo tamin’izany fotoana izany, ary tafasaraka tamin’ny firenen’Israely ka vahiny raha ny amin’ireo fifanekena momba ny fampanantenana, ary tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra ianareo, teo amin’izao tontolo izao.” (Ef 2:11, 12) Toy ny hoe ‘nantsoina hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavana mahagaga’ anefa ireo hafa firenena izay nandray ny vaovao tsara momba an’i Kristy. (1Pe 2:9) Nisy kosa ireo tsy nandray ny vaovao tsara. Naleon’izy ireo ny haizina satria tia tena izy ireo ary tsy te hiova. Namela foana an’i Satana hanajamba ny sainy izy ireo, mba ‘tsy hamirapiratra amin’izy ireo ny fahazavan’ny vaovao tsara momba an’i Kristy.’ Miseho foana ho toy “ny anjelin’ny mazava” i Satana, ilay “andriamanitr’ity tontolo ity.”—2Ko 4:4; 11:14; ampit. Jn 3:19, 20.
Toy ny fahazavana ireo mpanara-dia an’i Kristy. Nanara-dia an’i Kristy Jesosy ny olona rehefa nino fa izy no “fahazavan’izao tontolo izao.” Nanjary nantsoina hoe “zanaky ny mazava” izy ireo. (Jn 3:21; 8:12; 12:35, 36, 46) Nambaran’izy ireo ‘tao amin’ny mazava’, na ampahibemaso, izay tokony hatao mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra sy hahazoana fiainana mandrakizay. (Mt 10:27) Toy ny fahazavana koa i Jaona Mpanao Batisa rehefa ‘nitory ny batisa mariky ny fibebahana’ sy nanambara fa ho avy ny Mesia. (Lk 3:3, 15-17; Jn 5:35) Mampamirapiratra ny fahazavany ny mpanara-dia an’i Kristy, amin’ny alalan’ny asa tsara sy izay lazain’izy ireo ary ataony. (Mt 5:14, 16; ampit. Ro 2:17-24.) “Ny vokatry ny mazava dia hatsaran-toetra isan-karazany sy fahitsiana ary fahamarinana.” Lasa miharihary àry fa tena ratsy ireo fanao mahamenatra (fijangajangana, izay rehetra mety ho fahalotoana, faniriana tsy mety afa-po, sy ny toy izany) mampiavaka an’ireo ao anatin’ny haizina sy ireo “zanaky ny tsy fankatoavana.” Lasa hazavana koa izy ireny, vokatr’izany. Nahoana? Noho izy ireny mantsy no ahafantarana hoe inona ireo fanao melohin’Andriamanitra. (Ef 5:3-18; ampit. 1Te 5:4-9.) Mitafy “ny fitaovam-piadian’ny mazava”, izany hoe ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra, ny Kristianina rehefa miady “amin’ireo fanjakana sy fahefana sy mpanjakan’izao tontolo anaty haizina izao, ary amin’ireo fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra.” Mafy orina àry izy ireo, ka ankasitrahan’Andriamanitra.—Ro 13:12-14; Ef 6:11-18.
Heviny hafa an’ohatra. Manana heviny an’ohatra maro ny hazavana, ao amin’ny Soratra Masina. Ny fahitana, ohatra, no tiana holazaina amin’ny hoe ‘hazavan’ny maso.’ (Sl 38:10) Lazaina koa fa omen’Andriamanitra fahazavana ny olona na ataony mahita masoandro, rehefa omeny aina na avelany ho velona. (Jb 3:20, 23; ampit. Sl 56:13.) Ny zaza maty tany am-bohoka no lazaina hoe “zaza tsy nahita masoandro.” (Jb 3:16; ampit. Sl 49:19.) Inona no dikan’ny hoe: “Tsara ho an’ny maso ny mahita masoandro”? Mety hidika izany hoe tsara na mamy ny miaina.—Mpto 11:7.
Lazain’ny Baiboly fa toy ny hoe ‘mihazona ny faran’ny tany’ ny hazavan’ny maraina, ka ‘manakopaka ny ratsy fanahy tsy ho eo.’ Miparitaka mantsy ny olon-dratsy rehefa manomboka mazava ny andro. Amin’izy ireo, dia ny haizina no “hazavana”, satria zatra manao ny asa ratsiny ao anatin’ny haizina izy ireo. Esorina amin’izy ireo anefa io “hazavana” an’ohatra io rehefa mazava ratsy ny andro.—Jb 38:12-15; ampit. Jb 24:15-17.
Tsy takona afenina toy ny hazavan’ny masoandro ny fanamelohan’i Jehovah. Izany no tiana holazaina ao amin’ny Hosea 6:5 hoe: “Hiharihary toy ny mazava ny fanamelohana anao.”
Fankasitrahan’Andriamanitra no dikan’ny hoe ‘fahazavan’ny tavany.’ (Sl 44:3; 89:15) Midika ara-bakiteny hoe “hanandratra ny fahazavan’ny tavanao aminay” ny hoe “hankasitraka anay.” (Sl 4:6, f.a.p.) Midika hoe “fahazoana sitraka amin’ny mpanjaka” koa àry ny hoe ‘fahazavan’ny tarehiny.’—Oh 16:15, f.a.p.
Mety hidika hoe falifaly na miramirana ny hoe mazava, ary mifanohitra amin’ny hoe manjombona na maloka izany. (Jb 30:26) Hoy i Joba, momba ny olon-kafa maloka endrika sy kivy: “Tsy nahamaloka ny endriko miramirana izy ireo.” (Jb 29:24; jereo koa Prot.) Na maloka endrika aza ireny olona ireny, dia tsy navelan’i Joba hifindra taminy izany.
Ampiasaina an’ohatra mba hilazana fanantenana mahamiramirana koa indraindray ny hoe hazavana, ohatra hoe fanantenana famonjena na fanafahana. (Es 8:16; Sl 97:11; Is 30:26; Mi 7:8, 9) Nolazaina mialoha fa hampamirapiratra ny voninahiny eo amin’i Ziona i Jehovah, izany hoe hanafaka ny Israelita mba tsy ho babo intsony izy. Lasa loharanom-pahazavana ho an’ireo firenena i Ziona, vokatr’izany. (Is 60:1-3, 19, 20; ampit. Ap 21:24; 22:5.) Loza kosa no tiana hambara amin’ny hoe tsy mandefa hazavana ny masoandro sy ny volana ary ny kintana.—Is 13:10, 11; Je 4:23; Ezk 32:7, 8; Mt 24:29.