Herin’Andriamanitra
Ny hery dia ny tanjaka ampiasaina hanaovan-javatra na hamitana asa, fahefana ananana noho ny fahaizana na toerana tanana. Nadika matetika hoe “hery” ny teny hebreo hoe kôah, ary “hery” na “tanjaka” ny hoe gevorah sy ʽôz. Ny teny grika hoe dynamis kosa nadika hoe “hery” na “fahagagana” arakaraka ny teny manodidina.
‘Nitsahatra tamin’ny asa famoronana rehetra nataony [Andriamanitra]. Eny, voaforon’Andriamanitra ny zava-drehetra nokasainy hatao’ rehefa nifarana ny “andro” fahenina. (Ge 2:2, 3) Nitsahatra tsy namorona izy, izany hoe vita ny famoronany ny teto an-tany. Mbola nampiasainy foana anefa ny heriny satria hoy ny Zanany, 4 000 taona mahery taorian’izay: “Ny Raiko tsy mitsahatra miasa mandraka ankehitriny, ary izaho koa tsy mitsahatra miasa.” (Jn 5:17) Niasa i Jehovah tany an-danitra, nefa resahin’ny Baiboly fa nampiasa ny heriny imbetsaka koa izy mba hanampiana ny olombelona. Na dia ‘nangina sy nifehy tena’ aza izy indraindray, dia nanao zavatra tamin’ny ‘heriny manontolo’ rehefa tonga ny fotoana voatondrony.—Is 42:13, 14; ampit. Sl 80:2; Is 63:15.
Tsy hoe tsy misy ifandraisany na tampotampoka ny zavatra ataon’i Jehovah, rehefa mampiasa ny heriny izy. Mirindra tsara sy misy zava-kendrena kosa izy ireny. Mampiasa ny heriny i Jehovah mba hampaharitra an’izao rehetra izao sy ny zavamananaina (Sl 136:25; 148:2-6; Mt 5:45), nefa tsy toy ny foiben-kerinaratra akory izy. Hita amin’ny ataony fa tena misy izy sady manana fikasana. Voalazan’ny tantara koa ny fidirany an-tsehatra tamin’ny fiainan’ny olona na firenena sasany, ary ny fotoana sy toerana nanaovany an’izany. Izy no “Andriamanitra velona sady tena izy” (1Te 1:9; Js 3:10; Je 10:10), ka fantany daholo izay mitranga eo amin’izao rehetra izao. Arakaraka izay mitranga eo ny fihetsiny, nefa ataony foana koa izay hanatanterahana ny fikasany.
Ara-drariny foana ny fanehoany ny heriny (Sl 98:1, 2; 111:2, 3, 7; Is 5:16), ary ianaran-javatra. Lasa miharihary, ohatra, fa “mendrika” hatahorana Andriamanitra satria ‘mitaky ny hanompoana azy irery ihany’ sady “afo mandevona” an’ireo mpanao ratsy, ka “zavatra mampahatahotra ny ho azon’ny tanan’ilay Andriamanitra velona.” (Je 10:6, 7; Ek 20:5; He 10:26-31; 12:28, 29) Tsy tokony hofitapitahina àry izy.—Ek 8:29.
Vao mainka mahagaga ny fampiasany ny heriny hanampiana an’ireo olona tso-po miezaka ny mitady azy: Mamaly soa azy izy, manatanjaka azy mba hahavitany ny asa nanendrena azy sy izay tokony hataony (Sl 84:5-7; Is 40:29-31) sy mba hiaretany fahoriana (Sl 46:1; Is 25:4), mamelona sy mikarakara azy (Sl 145:14-16), ary miaro sy mamonjy azy rehefa tra-doza na misy manafika. (Sl 20:6, 7) “Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.” (2Ta 16:9) “Tilikambo mafy” azo ialofana ny anarany ho an’ireo mahalala azy. (Oh 18:10; Sl 91:1-8) Fantatry ny mpanompony ireo asa lehibe ataony, ka matoky izy ireo hoe mihaino sy mamaly ny vavak’izy ireo izy, ary “zavatra mampahatahotra sy araka ny marina” no avaliny azy raha ilaina. (Sl 65:2, 5) Afaka mamaly haingana azy ireo izy satria ‘akaiky’ azy.—Sl 145:18, 19; Jd 24, 25.
Hita eo amin’ny zavaboary. Hita hoe manan-kery ny zavaboary rehetra, anisan’izany ireo kintana tsy tambo isaina (ampit. Jb 38:31-33) sy izay rehetra eto an-tany. Manan-kery hamokarana, ohatra, ny tany (Ge 4:12), ary ahazoana hery ny sakafo vokariny. (1Sa 28:22) Manan-kery koa ny zavamaniry sy ny biby ary ny olombelona. Fantatsika tsara koa izao fa misy hery tsy hita pesipesenina ao anatin’ny ataoma bitika. Misy angovo ao anatin’ny zavatra hita maso, hoy ny mpahay siansa.
Asongadin’ny Baiboly imbetsaka ny hery sy ny ‘tanjak’ilay’ Andriamanitra nanao ny lanitra sy ny tany. (Is 40:25, 26; Je 10:12; 32:17) Mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “matanjaka” na “mahery” ilay teny hebreo ʼEl nadika hoe “Andriamanitra.” (Ampitahao amin’ny nampiasana an’io teny io ao amin’ny Ge 31:29 [Prot.] izay manao hoe ‘manan-kery [ʼel] ny tanako.’)
Nila naseho tamin’ny fomba miavaka. Mpamorona sy Mpanome aina ary Rain’ilay lehilahy voalohany i Jehovah Andriamanitra. Nomen’Andriamanitra hery sy fahakingan-tsaina ny olona, ary nampanaoviny asa. (Ge 1:26-28; 2:15) Tokony hifanaraka amin’ny sitrapon’ilay Mpamorona sy amin’ireo toetra hafa nomeny azy, toy ny fahendrena sy fanaovana ny rariny ary fitiavana, anefa ny fomba ampiasany ny heriny.
Tsy ny herin’Andriamanitra fa ny zony hitondra no niadian-kevitra tany Edena. Voatery mampiasa ny heriny amin’ny fomba miavaka anefa Andriamanitra vokatr’izany. (Jereo JEHOVAH [Ilay adihevitra lehibe indrindra].) Nikomy taminy ny anjely iray ka lasa mpanohitra (heb.: satan). Tsy nijery fotsiny i Jehovah fa nitsara azy sy ireo niara-nikomy taminy. Naneho ny heriny izy ka nandroaka an’i Adama sy Eva hiala tao Edena, ary nametraka anjely tsy mivadika hiambina an’ilay fidirana tao. (Ge 3:4, 5, 19, 22-24) Tsy hoe miovaova na tsy mandaitra ny tenin’i Jehovah, fa tena manan-kery ary tsy misy mahasakana ny fahatanterahany. (Ampit. Je 23:29.) Andriamanitra Fara Tampony izy, ka vonona hampiasa ny fahefany sady afaka manao izany mba hanatanterahana ny teniny.
Ataon’i Jehovah foana izay hanatanterahana ny fikasany. (Ge 3:15; Ef 1:8-11) Hofaranany ny fikomiana rehetra eto an-tany amin’ny fotoana voatondrony, ary hotorotoroiny toy ny fanorotoro lohana menarana ilay anjely nikomy sy ireo miandany aminy. (Ampit. Ro 16:20.) Mbola mpanjakan’izao rehetra izao foana i Jehovah, na dia tsy naringany avy hatrany aza ilay Fahavalony, izay miezaka mafy manaporofo ny fihamboany. Manana fahefana hamaly soa na hanasazy an’ireo mendrika an’izany amin’ny fotoana mety izy. Hitsara ny olona araka izay ataony koa izy. (Ek 34:6, 7; Je 32:17-19) Hampiasa ny heriny koa izy mba hampisehoana hoe iza marina no notendreny hisolo tena azy eto an-tany, sy hanaporofoana fa marina ny hafatra torin’izy ireo.
Hita amin’izany fa tsara fanahy tokoa i Jehovah. Noporofoiny fa izy irery ihany no tena Andriamanitra ka mendrika ny hatahorana, hohajaina, hatokisana, hoderaina, ary hotiavin’ireo zavaboariny manan-tsaina. (Sl 31:24; 86:16, 17; Is 41:10-13) Efa imbetsaka i Jehovah no nanome toky ny mpanompony fa tsy mihena ny heriny, tsy ‘fohy ny tanany’, ary tsy hoe lasa donto loatra ny “sofiny” ka tsy mahare. (No 11:23; Is 40:28; 50:2; 59:1) Vao mainka ireny fanehoan-kery ireny manandratra ny anarany, satria mankalaza azy sy ‘mahabe voninahitra’ ny anarany fa tsy manambany na manaratsy laza azy.—Jb 36:22, 23; 37:23, 24; Is 63:12-14.
Taloha sy nandritra ny Safodrano. Niharihary ny herin’Andriamanitra talohan’ny Safodrano. Fantatry ny olona tamin’izany fa tsy azo nidirana tao Edena, satria nisy anjely mahery nanakana ny lalana mankao. Fantatr’Andriamanitra koa izay nitranga matoa nankasitrahany ny soron’i Abela, nomelohiny i Kaina izay namono ny rahalahiny, ary nampitandremany ny olona mba tsy hamono an’i Kaina.—Ge 3:24; 4:2-15.
Lasa feno faharatsiana sy herisetra ny tany, 1 400 taona tatỳ aoriana. (Ge 6:1-5, 11, 12) Tsy faly Andriamanitra ka nirahiny hampitandrina ny olona i Noa. Nandefa Safodrano naneran-tany izy avy eo, mba hampisehoana fa tsy avelany hanimba ny tany ny ratsy fanahy. Tsy nampiasa ny heriny izy mba hanerena azy ireo hanompo azy, fa nirahiny kosa i Noa “mpitory ny fahamarinana” mba hahafahan’izy ireo hiova. Nasehony koa fa hainy ny miaro ny olo-marina mba tsy ho voataona hanao ratsy. (2Pe 2:4, 5, 9) Tampoka ny nampiharany ny didim-pitsarany, ary tsy “rendremana” ny fandringanany ny ratsy fanahy satria ripaka tao anatin’ny 40 andro izy ireo. Toy izany koa no hataony amin’ny hoavy.—2Pe 2:3; Ge 7:17-23; Mt 24:37-39.
Notoherin’ny andriamani-diso taorian’ny Safodrano. Niala tamin’ilay tena Andriamanitra ny olona taorian’ny Safodrano, araka ny voalazan’ny Baiboly sy ny tantara fahiny. Nitarika azy ireny i Nimroda, izay “mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah.” Voaporofo koa fa tao Babela (Babylona) no niandoha ny fivavahan-diso. (Ge 10:8-12; 11:1-4, 9; jereo ANDRIAMANITRA SY ANDRIAMANIBAVY; BABELA; BABYLONA No. 1.) Nampiseho ny heriny sy ny fahaizany ny olona rehefa nanorina ny Tilikambon’i Babela. Tsy niantehitra tamin’Andriamanitra anefa izy ireo sady tsy nahazo alalana taminy. Ny lazany no notadiaviny fa tsy ny an’Andriamanitra. Takatr’ilay tena Andriamanitra fa vao fiandohana fotsiny io, ary mety mbola hanorina zavatra lehibe kokoa hampahalaza azy izy ireo, ka vao mainka hiala aminy sady hanohitra ny fikasany momba ny tany sy ny olombelona. Nisalovana àry izy. Nataony tsy nifankahazo ny fitenin’ny olona, ka niparitaka eran-tany izy ireo.—Ge 11:5-9.
Tsy toa an’ireo “andriamanitry ny natiora” ilay tena Andriamanitra. Maro no nivavaka tamin’ny “andriamanitry ny natiora” (toa an’i Shamash andriamanitra masoandro [Babylona] sy Bala andriamanitry ny fahavokarana [Kanana]), araka ny asa soratra fahiny hita tany Babylona sy ny toeran-kafa nisy mpifindra monina. Noheverin’ny olona fa ny herin’ny natiora hitany miverimberina no “andriamanitry ny natiora”, toy ny fiposahan’ny masoandro isan’andro, ny fizaran-taona (fahavaratra, ririnina, lohataona, ary fararano), ny rivotra sy ny oram-baratra, ny orana sy ny vokatr’izany eo amin’ny tany rehefa fotoana famafazana sy fijinjana, sns. Hery fotsiny anefa ireny, ka namoronan’ny olona toetra rehefa nataony andriamanitra. Be sitrapo àry ireny andriamanitra ireny matetika, tsy nanana fikasana, ratsy fitondran-tena, ary tsy mendrika ny hotompoina.
Nisy nipoirany anefa ireny herin’ny natiora ireny rehefa dinihina ny lanitra sy ny tany. Mifampiankina sy mirindra tsara izy ireny, ka hita hoe tena mahery sy manan-tsaina Ilay nampisy azy ireny. Hoy ny Baiboly momba Azy: “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.” (Ap 4:11) Tsy baikon’ireo tsingerina etỳ an-tany sy any an-danitra i Jehovah. Tsy be sitrapo na mivadibadika izy ka hoe manao zavatra tampotampoka. Ahalalana ny toetrany sy ny fitsipiny ary ny fikasany kosa ny fomba ampiasany ny heriny. Hoy ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao nataon’i G. Kittel momba an’ilay Andriamanitra ao amin’ny Soratra Hebreo: “Tsy ny heriny na ny tanjany no mampiavaka azy, fa ny sitrapony izay tsy maintsy tanterahin’io hery io. Izay foana no misongadina ao [amin’ny Soratra Hebreo].”—Nadika sy nataon’i G. Bromiley, 1971, Boky II, p. 291.
Nivadi-pinoana izay Israelita nivavaka tamin’ireo “andriamanitry ny natiora”, ka nitoky tamin’ny lainga ary nanafina ny fahamarinana. Tsy nisaina izy ireo satria naleony nivavaka tamin’ny zavaboary toy izay tamin’ny Mpamorona. Nampiharihary ny toetrany tamin’ny olona anefa i Jehovah Andriamanitra, na dia tsy hita maso aza izy. Hoy i Paoly: “Ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony. Koa tsy afa-tsiny izy ireo.”—Ro 1:18-25.
Voafehin’Andriamanitra ny herin’ny natiora. Azon’i Jehovah atao ny mampiseho fa voafehiny ny herin’ny natiora, mba hanaporofoana fa izy no tena Andriamanitra sy mba hampahalaza ny anarany. (Sl 135:5, 6) Efa fahita foana anefa ny hoe mifamoivoy tsy tapaka ny masoandro, volana, planeta sy kintana; misy lalàna mifehy ny atmosfera manodidina ny tany (mahatonga ny rivotra sy orana ary zavatra hafa); manao andiany ny valala; ary mifindra monina ny vorona. Tsy ampy hanamasinana ny anaran’Andriamanitra eo anatrehan’ny mpanohitra sy ny mpanompo sampy àry ireo rehetra ireo sy ny zavatra hafa mpitranga eo amin’ny natiora.
Azon’i Jehovah ampiasaina amin’ny fomba miavaka sy amin’ny fotoana voatondrony anefa ny zavaboary sy ny herin’ny natiora, mba hanatanterahana ny fikasany sy hanaporofoana fa izy no tena Andriamanitra. Mety ho fahita ny hain-tany sy ny oram-baratra ary ny toy izany, nefa miavaka izy ireny rehefa manatanteraka ny faminanian’i Jehovah. (Ampit. 1Mp 17:1; 18:1, 2, 41-45.) Vao mainka anefa izy ireny mahagaga rehefa be dia be (Ek 9:24), na mbola tsy nisy hoatran’izany mihitsy taloha, na tonga tamin’ny fotoana tsy nampoizina.—Ek 34:10; 1Sa 12:16-18.
Fahita koa ny hoe vehivavy miteraka. Mahagaga anefa raha vehivavy mbola tsy niteraka mihitsy sy efa antitra (toa an’i Saraha) no manan-janaka. (Ge 18:10, 11; 21:1, 2) Fahagagana avy amin’Andriamanitra izany! Fahita koa ny fahafatesana. Mahagaga anefa raha maty amin’ny fotoana sy fomba efa voalaza mialoha ny olona iray, ary noho ny antony efa nambara mialoha. Hita hoe Andriamanitra no nahatonga ilay izy. (1Sa 2:34; 2Mp 7:1, 2, 20; Je 28:16, 17) Porofoin’ireo rehetra ireo hoe i Jehovah no tena Andriamanitra, fa “andriamanitra tsy misy dikany” kosa ireo “andriamanitry ny natiora.”—Sl 96:5.
Andriamanitr’i Abrahama i Jehovah. Ilay Mahery Indrindra no nahalalan’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba taranany an’Andriamanitra. (Ek 6:3) Toy ny ‘ampinga’ niaro azy mianakavy tamin’ny olo-mahery teto an-tany Izy. (Ge 12:14-20; 14:13-20; 15:1; 20:1-18; 26:26-29; Sl 105:7-15) Tsy “misy zava-mahagaga tsy vitan’i Jehovah” matoa mbola niteraka an’i Isaka ny ray aman-dreniny, na dia efa antitra aza. (Ge 18:14; 21:1-3) Nitahy ny mpanompony Izy, ary nanome azy izay nilainy rehefa nisy mosary. (Ge 12:10; 13:1, 2; 26:1-6, 12, 16; 31:4-13) Niahy an’i Abrahama i Jehovah ilay “Mpitsara ny tany manontolo” rehefa nitsimbina an’i Lota, lehilahy tsy nivadika, sy ireo zanany vavy, tamin’izy nampihatra ny didim-pitsarany tamin’i Sodoma sy Gomora tanàna nalaza ratsy. (Ge 18:25; 19:27-29; Jk 2:23) Nino mafy àry ireny mpanompony ireny fa velona sy mahery Andriamanitra ary “mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.” (He 11:6) Rehefa nasaina nanao sorona an’ilay zanany malala i Abrahama, dia natoky tanteraka fa hain’Andriamanitra ny manangana an’i Isaka amin’ny maty.—He 11:17-19; Ge 17:7, 8.
Andriamanitry ny Israely. Hoy i Jehovah tamin’ny firenen’Israely tany Ejipta: “Ho Andriamanitrareo aho. Ary ho fantatrareo tokoa fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo.” (Ek 6:6, 7) Nihevitra i Farao fa nanan-kery hanoherana an’i Jehovah ireo andriamanitra sy andriamanibavy nitokisany. Navelan’i Jehovah hikiribiby tamin’ny heviny izy, mba ‘hampisehoana aminy ny heriny sy mba hanambarana ny anarany eran-tany.’ (Ek 9:13-16; 7:3-5) Nanao “famantarana” sy “fahagagana” maro àry Andriamanitra (Sl 105:27), ary nandefa loza folo izay nampiseho fa voafehiny ny rano, ny hazavan’ny masoandro, ny bibikely, ny biby, ary ny vatan’olombelona noforoniny.—Ek 7-12.
Noporofoin’i Jehovah fa tsy toa an’ireo “andriamanitry ny natiora” izy. Efa nolazainy mialoha ny hiavian’ireo loza ireo, toy ny haizina, oram-baratra, havandra, sy andiam-balala, ary izay tokoa no nitranga. Tsy hoe kisendrasendra fotsiny ireo. Tsy niharan’ny loza sasany izay nihaino fampitandremana. (Ek 9:18-21; 12:1-13) Nisy toerana efa voafaritra tsara koa nataon’Andriamanitra tsy tratran’ireo loza, ka nasehony tamin’izany hoe iza no tena mpanompony. (Ek 8:22, 23; 9:3-7, 26) Azony natomboka sy nofaranana araka izay tiany koa ireo loza. (Ek 8:8-11; 9:29) Toa nahay naka tahaka an’ireo loza roa voalohany ny mpisoron’i Farao nampiasa herin’ny maizina (nihambo ho nampian’ny andriamaniny mihitsy aza angamba izy ireo). Tsy nandaitra intsony anefa avy eo ny hery miafina nampiasainy, ka voatery niaiky izy ireo fa ny “rantsantanan’Andriamanitra” no nahatonga ny loza fahatelo. (Ek 7:22; 8:6, 7, 16-19) Tsy vitan’izy ireo ny nisakana an’ireo loza, ary na ny tenany aza tratra.—Ek 9:11.
‘Andriamanitry ny Israely’ tokoa i Jehovah sady “akaiky azy.” Navotany izy ireo, ka ‘sady naninjitra ny sandriny izy no namoaka didim-pitsarana lehibe.’ (Ek 6:6, 7; De 4:7) “Natahotra an’i Jehovah” sy “nino an’i Jehovah sy Mosesy mpanompony” izy ireo, rehefa ringana tao amin’ny Ranomasina Mena i Farao sy ny tafiny.—Ek 14:31.
Nanao ny fifaneken’ny Lalàna. Nanao fahagagana i Jehovah talohan’ny nanaovany ny fifaneken’ny Lalàna tamin’ny Israely. Nanome rano sy sakafo ho an’ilay vahoaka an-tapitrisany izy tany an-tany efitr’i Sinay, ary nanome fandresena azy. (Ek 15:22-25; 16:11-15; 17:5-16) Nasehony ny heriny sy ny fahaizany mifehy ny herin’ny natiora, rehefa tonga teo amin’ilay toerana nasainy naleha izy ireo, dia ny Tendrombohitra Sinay. (Ek 19:16-19; ampit. He 12:18-21.) Niaiky àry ilay firenena fa Andriamanitra no nanao an’ilay fifanekena taminy, ka nekeny ilay izy. (De 4:32-36, 39) Nahita ny fomba miavaka nampiasan’i Jehovah an’i Mosesy koa izy ireo, ka resy lahatra fa Andriamanitra no nampanoratra an’i Mosesy ireo Boky Dimy Voalohany ao amin’ny Baiboly. (Ampit. De 34:10-12; Js 1:7, 8.) Nasehon’i Jehovah tamin’izy ireo fa izy no nanendry an’i Arona ho mpisorona, rehefa nisy nanohitra ny fahefan’izy io.—No toko 16, 17.
Resy i Kanana. Vao mainka niharihary fa i Jehovah no Andriamanitra (Js 23:3, 8-11), rehefa resin’ny Israely ireo firenena kananita fito “be mponina sady mahery” noho izy. (De 7:1, 2) Efa niely tao amin’ilay tany ny lazan’i Jehovah (Ek 9:16; Je 32:20, 21), ka ‘nihorohoro sy natahotra’ an’ireo Israelita ny fahavalony. (De 11:25; Ek 15:14-17) Diso ny Kananita niady tamin’izy ireo satria efa hitany fa ireo no vahoakan’ilay tena Andriamanitra. Toy ny hoe niady tamin’Andriamanitra àry izy ireny. Hendry kosa izay Kananita (toy ny olon-kafa talohany) niaiky fa mahery noho ireo sampiny i Jehovah. Nitady sitraka taminy àry izy ireo.—Js 2:1, 9-13.
Tsy nihetsika ny masoandro sy ny volana. Nampian’ny Israely ny Gibeonita (Kananita nino an’i Jehovah) rehefa nisy nanafika. Nataon’i Jehovah tsy nihetsika ny masoandro sy ny volana (araka ny fahitan’ireo miaramila niady) mba ho afaka hiady ela kokoa ny Israely, ka tsy nilentika efa ho iray andro ny masoandro. (Js 10:1-14) Nataony angamba izay tsy hihodinan’ny Tany, na nataony izay hitarafan’ny masoandro sy ny volana ny Tany nandritra io fotoana io. Na inona na inona fomba nampiasainy, dia marina ilay hoe: “Izay rehetra mahafinaritra an’i Jehovah, dia ataony na any an-danitra, na etỳ an-tany, na any an-dranomasina, na any amin’ny rano lalina rehetra.” (Sl 135:6) Hoy i Paoly: “Nisy nanao ny trano rehetra, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra.” (He 3:4) Afaka manao izay tiany amin’ny trano naoriny ny olona. Azon’i Jehovah ampiasaina amin’izay itiavany azy koa ny zavaboariny.—Ampit. 2Mp 20:8-11.
Nampian’i Jehovah foana ny Israelita rehefa tsy nivadika taminy, nandritra ireo 400 taona nitondran’ny mpitsara. Nafoiny kosa izy ireo rehefa nanompo andriamani-kafa.—Mpts 6:11-22, 36-40; 4:14-16; 5:31; 14:3, 4, 6, 19; 15:14; 16:15-21, 23-30.
Tamin’ny andron’ny mpanjaka. Nampiasa matetika ny “sandriny” mahery sy ny “tanany” i Jehovah nandritra ireo 510 taona nitondran’ny mpanjaka, mba hiarovana ny Israelita tamin’ireo mpanafika. Nataony nisahotaka sy naparitany ny tafik’ireny, ka nitsoaka nody. Nivavaka tamin’ny “andriamanitry ny natiora” sy ny andriamanitra sy andriamanibavin’ny ady ireny firenena ireny. Noheverin’ny sasany ho andriamanitra mihitsy aza ny Ek 15:3; Sl 24:7-10; Is 59:17-19) Tsy nifidy toerana niadiana tamin’ireny izy, nampiasa tetikady tsara lavitra noho ny an’ireo jeneraly nieboebo, ary nandresy firenena maro nanana fiadiana arifomba. (2Sa 5:22-25; 10:18; 1Mp 20:23-30; 2Ta 14:9-12) Nampahafantariny ny olony ny tetikady nomanin’ny fahavalo. Toy ny hoe nasiana mikrô àry tao an-dapan’izy ireny ka re daholo ny resany. (2Mp 6:8-12) Indraindray nomeny hery hiadiana ny olony, ary indraindray nomeny fandresena nefa tsy nila niady akory. (2Mp 7:6, 7; 2Ta 20:15, 17, 22, 24, 29) Nalany baraka ireo andriamanitry ny ady, ary naharihariny hoe diso sy tsy mahavita azy.—Is 41:21-24; Je 10:10-15; 43:10-13.
mpanjakany. Nila ady tamin’ny Israelita foana izy ireny, ka nasehon’i Jehovah fa “mpiady mahery” sy “Mpanjaka be voninahitra” izy. (Tany an-tsesitany sy taorian’izay. Navelan’i Jehovah hatao sesitany ny vahoakany, rehefa resin’i Asyria ny fanjakana tany avaratra ary noravan’i Babylona ny fanjakan’ny Joda. Tsy navelany ho lany tamingana anefa ny taranak’i Davida, satria nanao fifanekena tamin’i Davida izy fa haharitra mandrakizay ny fanjakany. (Sl 89:3, 4, 35-37) Nampiasa an’i Daniela sy ny hafa izy mba hanatanjahana ny finoan’ireo natao sesitany. Nanao fahagagana koa izy, ka voatery niaiky ireo mpitondra fa mahery izy. (Da 3:19-29; 4:34-37; 6:16-23) Noporofoin’i Jehovah indray fa izy no Andriamanitra rehefa resy i Babylona, firenena natanjaka. Nasehony koa fa zava-poana ireo sampy ary nataony afa-baraka. Vavolombelon’izany ny olony. (Is 41:21-29; 43:10-15; 46:1, 2, 5-7) Nasainy nanafaka sy nampody an’ireo Israelita ny mpanjakan’i Persa, ka afaka nanorina ny tempoly sy Jerosalema indray izy ireo. (Ezr 1:1-4; 7:6, 27, 28; Ne 1:11; 2:1-8) Rariny raha menatra ny hangataka ny fiarovan’ny mpanjakan’i Persa i Ezra, na dia nitondra entana nitentina 43 000 000 dolara mahery aza. Niaro an-dry Ezra i Jehovah mandra-pahatongany tany Jerosalema, ho valin’ny vavaka nataony.—Ezr 8:21-27.
Nampiasa ny heriny koa Andriamanitra taorian’ny nahavitan’ny Soratra Hebreo, ka mandra-pahatongan’ny Zanany tetỳ an-tany. Narovany ny firenen’Israely, Jerosalema renivohiny, Betlehema tanàna teo akaiky teo, ny tempoly sy ny asa fisoronana, ary ny lafiny hafa nampiavaka ny tontolo jiosy. Tsy maintsy teo mantsy ireo rehetra ireo mba hahatanteraka ny faminaniana momba an’i Kristy Jesosy sy ny fanompoany. Resahin’ny tantara fa nisy mpitondra nikendry ny hanova tanteraka ny tontolo jiosy, ka nanery an’ireo Jiosy hanaraka ny fivavahan’ny Grika. Tsy nahomby anefa izy ireo.—Jereo GRESY, GRIKA (Nanaraka ny kolontsaina grika koa ny Jiosy).
“Amin’ny alalan’i Kristy no isehoan’ny herin’Andriamanitra.” Niavaka ny fomba nanehoan’Andriamanitra ny heriny tamin’i Jesosy sy tamin’ny alalany, nanomboka tamin’ny fotoana nahaterahany tamin’ny fomba mahagaga. “Toa zava-mahagaga ho an’ny olona maro” i Jesosy, hoatran’ilay mpanao salamo ihany. (Sl 71:7) ‘Famantarana sy fahagagana teo amin’ny Israely, eny, famantarana sy fahagagana avy tamin’i Jehovah Tompon’ny tafika’ izy sy ny mpianany, toa an’i Isaia sy ny zanany. Nampahafantatra ny hoavy sy ny fikasan’Andriamanitra mantsy izy ireo. (Is 8:18; He 2:13; ampit. Lk 2:10-14.) Natao hanomanana ny fiavian’i Kristy ireo asa mahagaga maro nataon’Andriamanitra nandritra ny an’arivony taona maro. Tonga tokoa àry i Jesosy, ka nilaza i Paoly fa ‘amin’ny alalany no isehoan’ny herin’Andriamanitra sy ny fahendren’Andriamanitra.’—1Ko 1:24.
I Jesosy ilay Mesia nandrasana hatry ny ela, ilay Voahosotr’i Jehovah voalaza fa hanana ny ‘fanahy manome hery.’ (Is 11:1-5) Azo inoana àry fa hisy porofo mafonja momba izany. (Mi 5:2-5; ampit. Jn 7:31.) Vao nateraky ny virjiny jiosy iray i Jesosy, dia efa noporofoin’Andriamanitra fa Zanany izy. (Lk 1:35-37) Tsy hoe naneho ny heriny fotsiny Andriamanitra tamin’izay, fa nanan-java-kendrena koa. Nanoso-potaka ny anarany mantsy ilay zanany voalohany teto an-tany, fa hanamasina azy io kosa i Jesosy olombelona lavorary, na ilay ‘Adama faharoa’, ary hanaporofo fa diso ny fiampangan’i Satana. Ho afaka hanome ny vidim-panavotana izay hanafaka ny olona amin’ny ota sy ny fahafatesana nanjaka hatramin’izay koa i Jesosy. (1Ko 15:45-47; He 2:14, 15; Ro 5:18-21; jereo VIDIM-PANAVOTANA.) Handova Fanjakana maharitra mandrakizay io taranak’i Davida lavorary io.—Lk 1:31-33.
Nohosoran’Andriamanitra tamin’ny fanahiny sy ny heriny i Jesosy. (As 10:38) “Nahery tamin’ny teniny sy ny nataony” i Mosesy, nefa nahavita zavatra lehibe kokoa i Jesosy satria ‘mpaminany lehibe noho i Mosesy.’ (De 34:10-12; As 7:22; Lk 24:19; Jn 6:14) ‘Nampianatra toy ny manana fahefana’, ohatra, izy. (Mt 7:28, 29) Nataon’Andriamanitra izay hinoan’ny olona an’i Mosesy sy Josoa ary ny hafa. Nataony koa izay hinoan’ny olona an’ilay Zanany. (Mt 11:2-6; Jn 6:29) Tsy nitady laza anefa i Jesosy, fa niaiky foana hoe avy amin’Andriamanitra ny hery nanaovany fahagagana. (Jn 5:19, 26; 7:28, 29; 9:3, 4; 14:10) Niaiky ny olona tso-po fa “ny hery lehiben’Andriamanitra” no nahavitany an’ireny.—Lk 9:43; 19:37; Jn 3:2; 9:28-33; ampit. Lk 1:68; 7:16.
Nahoana i Jesosy no nanao fahagagana?
Porofon’ny fiahian’Andriamanitra ny olona ny nataon’i Jesosy sady santatr’izay hataony ho an’ireo rehetra tia ny fahamarinana. Nanao fahagagana i Mr 2:5-12), matoa vitany ny nanasitrana ny karazan’aretina rehetra (Mt 8:14, 15; Lk 6:19; 17:11-14; 8:43-48) sy nanangana ny maty (Mt 9:23-25; Lk 7:14, 15; Jn 11:39-44). Tsara lavitra noho ny mana nohanin’ny Israely tany an-tany efitra i Jesosy, ilay “tena mofo avy any an-danitra” na “mofon’aina.” (Jn 6:31-35, 48-51) Tsy namoaka rano avy tamin’ny vatolampy izy, fa manome “rano velona” na “ranon’aina” kosa.—Jn 7:37, 38; Ap 22:17; ampit. Jn 4:13, 14.
Jesosy mba hamahana ny olana atrehin’ny olombelona, indrindra fa ilay olana fototra dia ny ota sy ny voka-dratsiny rehetra, anisan’izany ny aretina sy ny fahafatesana. Izy àry no notendren’Andriamanitra hanafaka ny olona amin’ny ota sy ny fahafatesana (ampit.Santatr’ireo fitahiana hafa hoentin’ny fanjakany koa ireo fahagagana nataony. Mofo 20 sy voa vitsivitsy monja no nataon’i Elisa nahavoky olona 100. Mbola vitsy noho izany anefa ny mofo nataon’i Jesosy nahavoky olona an’arivony. (2Mp 4:42-44; Mt 14:19-21; 15:32-38) Nataon’i Mosesy sy Elisa izay hahatonga ny rano nangidy na nisy poizina ho azo nosotroina. I Jesosy kosa nanova ny rano ho divay tena tsara mba hampifalifaliana an’ireo nanatrika fampakaram-bady iray. (Ek 15:22-25; 2Mp 2:21, 22; Jn 2:1-11) Tsy hisy olona ho noana intsony àry rehefa hitondra izy, satria hisy “fanasambe ho an’ny firenena rehetra.” (Is 25:6) Tsy voatery hitrongy vao homana koa ny olom-peheziny na hikarama varimasaka satria hotahiny ny asan’izy ireo, toy ny efa nitahiany ny ezaky ny mpianany tamin’izy ireo nanarato.—Lk 5:4-9; ampit. Jn 21:3-7.
Ny hanampiana olona hifandray amin’Andriamanitra anefa no tena antony nanaovana an’ireo fahagagana rehetra ireo. Nampian’i Jesosy ireo olona azo lazaina hoe jamba sy moana ary marary ara-panahy mba hahita sy hiteny ary ho sitrana. Nanome sakafo ara-panahy tondraka koa izy, ary nanome toky fa hahita vokatra ny mpianany rehefa manompo. (Ampit. Lk 5:10, 11; Jn 6:35, 36.) Ny hanatanjaka ny finoan’ireo olona nomeny sakafo tamin’ny fomba mahagaga no tena tanjon’i Jesosy, fa tsy ny hahavoky azy ireo. (Ampit. Jn 6:25-27.) Ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, fa tsy izay hohanina sy hosotroina, no tokony hokatsahina aloha. (Mt 6:31-33) Nanome modely ny amin’izany i Jesosy, rehefa tsy nety nanova ny vato ho mofo.—Mt 4:1-3.
Nitondra fanafahana. Niady tamin’ny miaramila natanjaka ny Israely. Mahery kokoa noho ny miaramila olombelona anefa ireo fahavalo resin’ny Zanak’Andriamanitra noho ny hery nomen’Andriamanitra azy. I Jesosy no Mpanafaka ny olona (Lk 1:69-74) tamin’i Satana sy ny demoniany, izay tena tompon’andraikitra amin’ny fahorian’ny olona. (He 2:14, 15) Nanafaka olona maro nampijalin’ny demonia izy. (Lk 4:33-36) Nanafaka an’ireo te hiala tamin’ny fivavahan-diso, izay nanandevo sy nampitondra enta-mavesatra ny olona, koa ny fahamarinana notoriny. (Mt 23:4; Lk 4:18; Jn 8:31, 32) Tsy nivadika i Jesosy ka “izao tontolo izao” mihitsy no resiny fa tsy hoe tanàna na fanjakana fotsiny.—Jn 14:30; 16:33.
Antony hafa nanaovana fahagagana. Ny fitoriana ny fahamarinana no tena nifantohan’i Jesosy, nefa nanao fahagagana koa izy mba hanaporofoana fa tena nirahin’ny Ray izy ary marina ny hafatra nolazainy. Nanatanteraka faminaniana koa ireny fahagagana ireny. (Jn 5:36-39, 46, 47; 10:24-27, 31-38; 14:11; 20:27-29) Nanana adidy hanao zavatra ny olona nahita azy ireny. (Mt 11:20-24; Jn 15:24) Hoy i Petera tamin’ny vahoaka, tamin’ny Pentekosta: “Lehilahy nasehon’Andriamanitra an-karihary taminareo tamin’ny fahagagana sy fambara ary famantarana [i Jesosy]. Tamin’ny alalany no nanaovan’Andriamanitra izany teo aminareo, ary fantatrareo tsara izany.” (As 2:22) Nasehon’ireny fahagagana ireny fa ‘efa teo amin’izy ireo’ ny Fanjakan’Andriamanitra ‘nefa tsy fantany.’—Mt 12:28, 31, 32.
‘Nampiharihary ny eritreritra tany am-pon’ny maro’ ny zava-mahagaga nampanaovin’Andriamanitra ny Zanany. (Lk 2:34, 35) Hitan’izy ireo ny fiasan’ny “sandrin’i Jehovah”, nefa tsy ninoany hoe avy aminy no nahafahan’i Jesosy nanao fahagagana. Tsy nanao zavatra nifanaraka tamin’ilay “famantarana” hitany koa izy ireo, fa nitady ny tombontsoany fotsiny. (Jn 12:37-43; 11:45-48) Te handray soa tamin’ny herin’Andriamanitra ny maro, nefa tsy tena te hahalala ny fahamarinana. Tsy nanohina ny fon’izy ireo ny fangorahana sy hatsaram-panahy nahatonga an’i Jesosy hanao fahagagana (ampit. Lk 1:78; Mt 9:35, 36; 15:32-37; 20:34; Mr 1:40, 41; Lk 7:11-15 sy Lk 14:1-6; Mr 3:1-6), nefa izy aza nanahaka an-dRainy.—Mr 5:18, 19.
Nampiasaina tsara ny herin’Andriamanitra. Tsy nampiasa azy io mihitsy ho fisehosehoana fotsiny i Jesosy. Nisy heviny an’ohatra ny nanozonany an’ilay aviavy tsy namoa. (Mr 11:12-14; ampit. Mt 7:19, 20; 21:42, 43; Lk 13:6-9.) Tsy nety nampideradera ny heriny koa i Jesosy. Tsy nanaiky, ohatra, izy rehefa nasain’i Satana nitsambikina avy teny an-tampon’ny mandan’ny tempoly, satria toy ny hoe mamono tena izany. (Mt 4:5-7) Nandeha teny ambony rano anefa izy satria tsy nisy fitaterana tamin’izay sady efa alina. (Mr 6:45-50) Tsy nety nanao famantarana teo anoloan’i Heroda i Jesosy, satria te hahita fahagagana fotsiny i Heroda. (Lk 23:8) Tsy nety koa izy rehefa nangataka azy hampiseho “famantarana avy any an-danitra” ny Fariseo sy Sadoseo, izay nanana antony manosika ratsy. Tsy te hanatanjaka ny finoany ny Tenin’Andriamanitra mantsy izy ireo, fa te hampiseho kosa hoe tsy ilaina ny mino azy io.—Mt 16:1-4; ampit. 15:1-6; 22:23, 29.
Mr 6:1-6; ampit. Mt 10:14; Lk 16:29-31.) Tsy hoe tsy maintsy nino an’i Jesosy anefa ny olona iray vao nanaovany fahagagana. Anisan’ireo tonga hisambotra azy, ohatra, ilay mpanompon’ny mpisoronabe nefa nositraniny ny sofiny.—Lk 22:50, 51.
Tsy dia nanao fahagagana koa i Jesosy tany Nazareta. Tsy hoe tsy ampy hery hanaovana izany akory izy, fa ny mponina tany no tsy nino azy. Very maina fotsiny mantsy ny fampisehoana ny herin’Andriamanitra amin’ny olona tsy mino. (Ny nananganan’Andriamanitra an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty mba ho lasa fanahy no fomba lehibe indrindra nanehoany ny heriny. “Very maina” ny finoan’ny Kristianina raha tsy nanao izany izy, ary izy ireo no ho “mampahonena indrindra amin’ny olona rehetra.” (1Ko 15:12-19) Saika niresaka momba an’ilay fitsanganana foana ny mpianatr’i Jesosy, ary io no tena nanatanjaka ny finoany. Tsy nahasakana an’i Jesosy tsy haneho ny heriny ny halaviran-toerana (Mt 8:5-13; Jn 4:46-53), ka avy tany an-danitra izy no nanosotra an’ireo mpianany tamin’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta. Nahavita nanao fahagagana àry izy ireo, na tsy teo aza izy. Noporofoin’i Jesosy fa marina ny tenin’izy ireo hoe natsangana izy (As 4:33; He 2:3, 4), ary noporofoiny fa izy ireo no fiangonana nankasitrahan’Andriamanitra.—As 2:1-4, 14-36, 43; 3:11-18.
Tsy lasa fohy ny tanan’i Jehovah na dia maty aza ny Zanany, satria mbola nahavita fahagagana sy famantarana maro ny apostoly sy ny hafa. (As 4:29, 30; 6:8; 14:3; 19:11, 12) Toa an’ilay Tompony, dia nanasitrana ny malemy (As 3:1-9; 14:8-10) sy ny marary izy ireo (As 5:12-16; 28:7-9), nanangana ny maty (As 9:36-41; 20:9-11), ary namoaka demonia (As 8:6, 7; 16:16-18), nefa tsy nitady ny tombontsoany na laza. (As 3:12; 8:9-24; 13:15-17) Nilaza ny fanamelohan’Andriamanitra an’ireo ratsy fanahy koa izy ireo, toy ny nataon’ny mpaminany fahiny, ka lasa nanaja kokoa Azy sy ny solontenany ny olona. (As 5:1-11; 13:8-12) Lasa nahay fiteny samihafa sy nahay nandika teny koa izy ireo. ‘Nandraisan-tsoa’ izany satria efa hitory tamin’ireo firenena tany ivelan’ny Israely momba ny asa mahatalanjona nataon’i Jehovah izy ireo.—1Ko 12:4-11; Sl 96:3, 7.
Nanao fahagagana hafa koa i Jehovah Andriamanitra, na dia tsy voamariky ny besinimaro aza izany matetika: Nanokatra “varavarana” izy mba hahafahan’ireo mpianatra hitory tany amin’ny faritra sasany, niaro azy ireo rehefa nisy nitady hanakantsakana ny fanompoany, ary nitarika ny asa fitoriany.—As 5:17-20; 8:26-29, 39, 40; 9:1-8; 10:19-22, 44-48; 12:6-11; 13:2; 16:6-10, 25-33; 18:9, 10; 1Ko 16:8, 9.
Tamin’ny vao niforona ihany ny fiangonana kristianina no nanana fahaizana mahagaga ny apostoly ary afaka nampita izany tamin’ny hafa, araka ny efa voalaza mialoha. Hifarana izy ireny avy eo. (1Ko 13:8-11; jereo FANOMEZANA AVY AMIN’ANDRIAMANITRA [Fanomezan’ny fanahy].) Hoy ny Rakipahalalana navoakan’i M’Clintock sy Strong (Boky Faha-6, p. 320): “Tsy azo lavina fa tsy dia re firy na tsy re mihitsy hoe nanao fahagagana ny Kristianina voalohany nandritra ny zato taona, taorian’ny nahafatesan’ny apostoly.” Nampitandrina anefa i Jesosy sy ny apostoliny fa hanao fahagagana mamitaka ireo fahavalon’Andriamanitra, dia ny mpivadi-pinoana sy ilay bibidia an’ohatra.—Mt 7:21-23; 24:23-25; 2Te 2:9, 10; Ap 13:11-13; jereo BIBY AN’OHATRA.
Naneho ny heriny tamin’ny fomba miavaka Andriamanitra rehefa niorina ny Fanjakan’i Kristy Jesosy ary nisy didim-pitsarana nampiharina taorian’izay.
Jereo TANANA, FENOINA FAHEFANA.