Hinoma, Lohasahan’i
Lohasaha eo atsimo sy atsimoandrefan’i Jerosalema. Miainga eo akaikin’ny Vavahadin’i Jaffa ankehitriny izy io, dia mizotra mianatsimo, ary mivily tampoka miantsinanana eo amin’ny zorony atsimoandrefan’ny tanàna. Mianatsimo indray izy io avy eo ka mihaona amin’ny lohasahan’i Tyropoeona sy Kidrona eo amin’ny zorony atsimoatsinanan’ny tanàna. Izy io ihany ilay “lohasahan’ny taranak’i Hinoma” sy ilay “Lohasaha” ao amin’ny anarana hoe “Vavahadin-dohasaha.” (Js 15:8; 2Mp 23:10; Ne 3:13) Mety ho izy io koa ilay lazain’ny Jeremia 31:40 hoe “lemaka iva fanariana faty sy lavenona feno menaka.” Samy tsy fantatra na ilay olona niavian’ny anaran’io lohasaha io, na ny dikan’ilay anarana.—SARY, Boky Faha-2, p. 949.
Mihamalalaka io lohasaha io eo aloha kelin’ny hihaonany amin’ny lohasahan’i Tyropoeona sy Kidrona. 2Mp 23:10) Araka ny lovantsofina, dia eo akaikin’ny farany atsinanana amin’ilay lohasaha, eo amin’ny ilany atsimo, no misy an’i Akeldama, izany hoe ilay “Sahan-dra”, izay sahan’ny mpanefy tanimanga novidina tamin’ny farantsa volafotsy telopolon’i Jodasy. (Mt 27:3-10; As 1:18, 19) Mihatery sy mihalalina ilay lohasaha rehefa mandroso kokoa, ary be lava-pasana ny tehezan-kavoana mikitohatohatra manamorona an’ilay lohasaha.
Toa teo no nisy an’i Tofeta. (Anisan’ny sisin-tany manasaraka ny fokon’i Joda sy Benjamina ny Lohasahan’i Hinoma, ka any atsimon’izy io ny faritanin’i Joda. Tafiditra ao amin’ny faritanin’i Benjamina àry i Jerosalema. (Js 15:1, 8; 18:11, 16) Antsoina hoe Lohasaha Falehan-driaka er-Rababi (Ge Ben Hinnom) io lohasaha io ankehitriny.
Nanolotra setroka ho sorona sy nandoro ny zanany tao anaty afo teo amin’io lohasaha io i Ahaza Mpanjaka nivadi-pinoana. (2Ta 28:1-3) Mbola ratsy lavitra noho izany no nataon’i Manase zafikeliny. “Nandoro ny zanany tao anaty afo teo amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma” koa io mpanjaka io. (2Ta 33:1, 6, 9) I Josia Mpanjaka zafikelin’i Manase no namongotra an’io fanao maharikoriko tao Tofeta io: Nolotoiny sy nozimbazimbainy ilay toerana ka tsy azo natao toeram-pivavahana intsony. Mety ho taolam-paty na fako no naparitany tao.—2Mp 23:10.
Nanambara ny didim-pitsaran’i Jehovah i Jeremia mpaminany tamin’ny andron’ny mpanjaka Josia, Joahaza, Joiakima, Joiakina, ary Zedekia. Nomelohin’i Jehovah ilay firenena noho ny fahotany, ka ny lehibe sy maharikoriko indrindra tamin’izany dia ny nanaovan’izy ireo sorona ny zanany ho an’i Moleka. Nasain’i Jehovah nankany Tofeta, any amin’ny Lohasahan’i Hinoma, i Jeremia sy ny anti-panahin’ny vahoaka ary ny mpisorona, ka nandalo teo amin’ny Vavahadin’ny Vakim-bilany Tanimanga (Vavahadin’ny Antontan-davenona), izay teo amin’ny zorony atsimoatsinanan’i Jerosalema. Nambaran’i Jeremia tamin’izay ny didim-pitsaran’i Jehovah hoe: “Ho avy ny andro ... izay tsy hiantsoana intsony an’ity toerana ity hoe Tofeta na lohasahan’ny taranak’i Hinoma, fa lohasaha famonoana kosa.” Dia nopotehiny teo imason’izy ireo ny tavoara tanimanga iray, ary nanohy ny teniny izy hoe: “Hopotehiko toy izany koa ity vahoaka ity sy ity tanàna ity ... Dia handevina ao Tofeta izy ireo, ka tsy hisy toerana azo andevenana intsony ao amin’ny farany.” (Je 19:1, 2, 6, 10, 11) Tsy ireo olona natao sorona tao Tofeta no tiana holazaina eo, fa ireo ratsy fanahy ho ripaka noho ny didim-pitsaran’i Jehovah. Ho maro loatra izy ireo ka hisy faty hiampatrampatra tsy ho voalevina eo amin’ilay lohasaha. Mbola ratsy lavitra noho izay nataon’i Josia tao amin’io lohasaha io izany.
Tsy midika akory izany hoe mbola nanao sorona ho an’i Moleka ny olona tamin’ny andron’i Jeremia. Ny tiana holazaina kosa dia hoe hosazin’i Jehovah ilay firenena noho ny ratsy nataony taloha sy tamin’izay, ary koa noho ny ran’ireo tsy manan-tsiny nalatsak’izy ireo, indrindra fa ireo olona natao sorona tamin’ny andron’i Manase. Milaza i Jeremia any amin’ny faminaniana hafa fa hosazina ilay firenena noho izay nataon’i Manase. (Je 15:4; ampit. 2Mp 23:26; Je 32:30-35.) Mitovy ihany izay voalaza ao amin’ny Jeremia 19:3 sy ny 2 Mpanjaka 21:12. Mbola nanompo sampy ihany anefa ny olona tamin’ny andron’i Jeremia, ka porofo izany fa mbola tsy nibebaka noho ilay ota lehibe tamin’ny andron’i Manase mihitsy izy ireo. Angamba ny Lohasahan’i Hinoma no tian’i Jeremia holazaina tamin’izy nampisaintsaina ny Joda momba ny fanompoan-tsampy.—Je 2:23.
Azo inoana fa ireto avy ny vavahadin’ny mandan’i Jerosalema nivoaka teo amin’ny Lohasahan’i Hinoma: Ny Vavahady An-jorony (teo amin’ny zorony avaratrandrefan’ny tanàna), ny Vavahadin-dohasaha (teo amin’ny zorony atsimoandrefana), ary ny Vavahadin’ny Vakim-bilany Tanimanga (teo akaikin’ny fihaonan’ny lohasahan’i Hinoma sy Tyropoeona ary Kidrona). (2Mp 14:13; Ne 2:13; 12:31; Je 19:2) Mitsatoka be ny tehezan-tendrombohitra manamorona ny Lohasahan’i Hinoma eo anelanelan’ny Vavahady An-jorony sy ny Vavahadin-dohasaha ka tsy nilana vavahady hafa teo amin’iny ila-mandan’i Jerosalema iny. Nanorina tilikambo teo akaikin’ny Vavahady An-jorony sy ny Vavahadin-dohasaha i Ozia Mpanjaka, satria mora notafihina kokoa ireo.—2Ta 26:9.
Teo amin’io lohasaha tany atsimon’i Jerosalema io i Nehemia no nandeha tamin’ny alina, rehefa nizaha ny ila-manda atsinanan’ny tanàna. Niainga teo amin’ny Vavahadin-dohasaha izy, nandalo teo amin’ny Vavahadin’ny Antontan-davenona, ary nivily niakatra ny lohasahan’i Kidrona, ka rehefa avy nandeha kelikely, dia niverina ka niditra teo amin’ny Vavahadin-dohasaha indray. (Ne 2:13-15) Tamin’ny andron’i Nehemia, dia toa ny Lohasahan’i Hinoma no sisiny avaratra tamin’ireo tanàna kely nipetrahan’ny taranak’i Joda (ankoatra ireo nipetraka tao Jerosalema).—Ne 11:25, 30.
Ilay teny grika hoe Geenna no ampiasaina mba hilazana ny Lohasahan’i Hinoma ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.—Mt 5:22; Mr 9:47; jereo GEHENA.