Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hysopa

Hysopa

(hysôpa) [heb.: ʼezôhv; gr.: hyssôpôs].

Azo ilazana zavamaniry isan-karazany ireo teny hebreo sy grika ireo, ka tsy tena fantatra hoe inona ny hysopa.

Toa marzôlenina (Origanum maru) anisan’ny fianakaviamben’ny solila, ilay hysopa resahin’ny Soratra Hebreo, hoy ny manam-pahaizana sasany. Fahita any Palestina izy io, ary mahatratra 50 ka hatramin’ny 90 sm ny haavony, raha maniry tsara. Misy lainy ny sampany sy ny raviny matevina, ary mety haniry eny an-tsefatsefa-bato sy eny amin’ny rindrina izy io.​—1Mp 4:33.

Hysopa no nanosoran’ny Israelita tany Ejipta ny ran’ny zanak’ondrin’ny Paska tamin’ny tolàna roa sy tataom-baravaran’ny tranony. (Ek 12:21, 22) Izy io no namafazan’i Mosesy ra tamin’ny bokin’ny Lalàna sy ny vahoaka, rehefa natao ny fifaneken’ny Lalàna. (He 9:19) Nampiasana azy io koa ny fombafomba fidiovana momba ny trano na olona boka teo aloha (Le 14:2-7, 48-53; jereo MADIO, FAHADIOVANA [Habokana]), sy ny fanamboarana lavenona natao tao amin’ny “rano fanadiovana”, ary ny famafazana ilay rano tamin’ny zavatra sy olona sasany. (No 19:6, 9, 18) Nangataka ny hodiovina tamin’ny hysopa àry i Davida, mba ho afaka ny fahotany.​—Sl 51:7.

Ampemby karàna, izay karazana Sorghum vulgare, hono, ilay hysopa nampiasaina tamin’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazo fijaliana. (Jn 19:29) Lava izy io, kely ny voany, lava sy lehibe ny raviny, ary mirefy 1,8 m ny farany iva any Palestina. Mety ho ny tahony àry ilay “bararata” nasiana spaonjy feno divay marikivy natohoka tamin’ny vavan’i Jesosy. (Mt 27:48; Mr 15:36) Na izany aza anefa, hoy ny sasany, dia mety ho marzôlenina ilay hysopa, ary izy io no natao amboara ka nafatotra teo amin’ny “bararata” noresahin’i Matio sy Marka. Hyssôi (hazo maranitra, lefom-pohy) fa tsy hyssôpôi (hysopa) no tao amin’ny Jaona 19:29, hoy kosa ny hafa. Nisy àry nandika azy io hoe “zaran-defona” (DIEM).