Israely
(Israèly) [Mpitolona (Mpaneho Fikirizana) Amin’Andriamanitra; na Mitolona Andriamanitra].
1. Anarana nomen’Andriamanitra an’i Jakoba tamin’izy 97 taona teo ho eo. Nitolona tamin’ny anjely iray i Jakoba, tamin’ilay alina niampitany ny lohasaha falehan-driakan’i Jaboka, rehefa hihaona tamin’i Esao rahalahiny. Naneho fikirizana izy tamin’izay, ka nitso-drano azy Andriamanitra ary nanova ny anarany ho Israely. Nataon’i Jakoba hoe Peniela na Penoela ny anaran’ilay toerana, ho fahatsiarovana an’ilay zava-nitranga. (Ge 32:22-31; jereo JAKOBA No. 1.) Nohamafisin’Andriamanitra taminy tao Betela ny nanovana ny anarany hoe Israely. Izany àry no niantsoana azy matetika mandra-pahafatiny. (Ge 35:10, 15; 50:2; 1Ta 1:34) Miverina in-2500 mahery ilay hoe Israely, kanefa ny taranany na ny firenen’Israely no tena tiana holazaina amin’izany.—Ek 5:1, 2.
2. Ny taranak’i Jakoba rehetra, amin’ny fitambarany. (Ek 9:4; Js 3:7; Ezr 2:2b; Mt 8:10) Taranak’ireo 12 lahy zanak’i Jakoba izy ireo, ka nantsoina matetika hoe “zanak’Israely”, na nantsoina indraindray hoe “taranak’Israely”, “vahoakan’Israely”, “Israelita”, na “firenen’Israely.”—Ge 32:32; Mt 10:6; As 4:10; 5:35; Ro 9:4; Ef 2:12; jereo ISRAELITA.
Voatery nankany Ejipta ny ankohonan’i Jakoba tamin’ny 1728 T.K., noho ny mosary. Niisa 70 ny Israelita rehetra anisan’ny “ankohonan’i Jakoba tonga tany Ejipta”, ankoatra ny vadin’ireo zanany lahy. Nivahiny tany nandritra ny 215 taona ny taranak’izy ireo, izay nihamaro ka nahatratra roa na telo tapitrisa na mihoatra mihitsy aza. Lasa andevo anefa izy ireo.—Ge 46:26, 27; Ek 1:7; jereo FANAFAHANA NY ISRAELITA AVY TANY EJIPTA.
Nitso-drano an’ireo zanany 12 lahy i Jakoba tamin’izy efa ho faty, ka i Robena no notsofiny rano voalohany, avy eo Simeona, Levy, Joda, Zebolona, Isakara, Dana, Gada, Asera, Naftaly, Josefa, ary Benjamina. Izy ireo no loham-pianakavian’ireo foko 12. (Ge 49:2-28) Tsy ny loham-pianakaviana fa lehilahy hafa anefa no nofidin’ny Ejipsianina ho mpiandraikitra sy mpiadidy teo amin’ny Israelita andevo, mba hanisa ny biriky vita sy hanampy an’ireo Ejipsianina mpanery ny olona hiasa. (Ek 5:6-19) I Mosesy kosa nampita ny toromarik’i Jehovah ho an’ny fiangonana tamin’ireo “anti-panahin’ny Israely”, izay lohan’ny fianakaviambe. Izy ireo koa no niaraka taminy nankeo anatrehan’i Farao.—Ek 3:16, 18; 4:29, 30; 12:21.
Tapitra tamin’ny 1513 T.K. ilay fampahoriana ny Israelita voalaza fa haharitra 400 taona. Nanafaka an’ireo andevo israelita tamin-kery lehibe àry i Jehovah, ilay Mpanjaka Mahery Indrindra, ka nampietry an’i Ejipta, ilay firenena natanjaka indrindra tamin’izay. Faly niaraka tamin’ilay vahoaka nofidin’Andriamanitra ny “olona maro hafa firenena.”—Ge 15:13; As 7:6; Ek 12:38.
Niforona ilay firenena. Toy ny hoe olona iray ihany ny fiangonan’Israely tamin’Andriamanitra, noho ilay fifanekena nataony tamin’i Abrahama. Afaka nanavotra ny Israely tamin’ny fanandevozana àry izay havany akaiky. I Jehovah no havany akaiky noho ilay fifanekena, ary Izy no Rain’izy ireo raha ny marina. Izy àry no nanan-jo ho Mpanavotra. Novonoiny ny lahimatoan’i Farao, noho i Farao tsy nety nanafaka ny Israely zanany “lahimatoa.” (Ek 4:22, 23; 6:2-7) Ara-dalàna àry ny fomba nanafahan’i Jehovah ny Israely, ka lasa fananany izy ireo. Hoy izy: “Ianareo ihany no fantatro tamin’ny fianakaviana rehetra ambonin’ny tany.” (Am 3:2; Ek 19:5, 6; De 7:6) Tsy tian’Andriamanitra ho vahoaka fehezin’ny loham-pianakaviana fotsiny ny Israelita. Tiany kosa izy ireo ho firenena vaovao eo ambany fitondrany, ary ny fifaneken’ny Lalàna no ho lalàm-panorenany.
Lasa firenena nahaleo tena àry ny Israely, telo volana taorian’ny nialany tany Ejipta, rehefa nanao an’ilay fifaneken’ny Lalàna teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. (He 9:19, 20) Ny Didy Folo nosoratan’ny “rantsantanan’Andriamanitra” no lalàna fototr’ilay firenena, ary nampiana lalàna sy fitsipika ary didim-pitsarana 600 teo ho eo izy io. Izy rehetra ireo no lalàna fahiny be tsipiriany indrindra, momba ny fomba tokony hifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra sy amin’ny mpiara-belona aminy.—Ek 31:18; 34:27, 28.
Teo am-pelatanan’i Jehovah ny fahefana rehetra. Izy no mpitsara sy mpanao lalàna ary mpanatanteraka. (Is 33:22; Jk 4:12) Nanome fahefana an’ireo solontena voatendriny anefa izy. Voalaza tao amin’ilay fehezan-dalàna koa fa hisy tarana-mpanjaka hisolo tena an’i Jehovah. Tsy mpitondra jadona anefa ny mpanjaka. Nanana fahefana koa mantsy ny mpisorona izay tsy niankina tamin’ny fanjakana. Nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah” ny mpanjaka, ka tsy maintsy nanaiky ny tari-dalany sy ny fanitsiany.—De 17:14-20; 1Ta 29:23; 2Ta 26:16-21.
Ny fanompoana an’i Jehovah no loha laharana teo amin’izay rehetra nataon’ilay firenena, araka ny notakin’ny Lalàna. Mpamadika izay nanompo sampy, ka voaheloka ho faty. (De 4:15-19; 6:13-15; 13:1-5) Ny tranolay masina sy ny tempoly no foiben’ny fivavahana marina, ary tao no nanaovana ireo sorona. Ny Orima sy Tomima teny amin’ny mpisorona no nahazoana ny valin’ny fanontaniana lehibe sy sarotra napetraka tamin’i Jehovah. (Ek 28:30) Nasaina nanatrika fivoriambe tsy tapaka ny lehilahy sy ny zaza amam-behivavy (tsy maintsy nanatrika ny lehilahy), mba hampahatanjaka ny finoan’ilay firenena sy hampiray saina azy.—Le 23:2; De 31:10-13.
Nisy mpitsara voatendry ho lehiben’ny “folo”, “dimampolo”, “zato” ary “arivo.” Azo nalamina haingana àry ny raharaha nampifanolana ny olona, ary azo nampiakarina tany amin’i Mosesy raha tsy voalamina. Azon’i Mosesy natao ny nanontany an’i Jehovah, raha nilaina. (Ek 18:19-26; De 16:18) Nisy lehiben’ny zato sy lehiben’ny arivo koa tao amin’ny tafika.—No 1:3, 4, 16; 31:3-6, 14, 48.
Ireo lehibem-poko izay anti-panahy za-draharaha sy hendry ary malina, no nahazo andraikitra teo amin’ny fitondrana sy ny fitsarana ary ny tafika. Nifandovana ny toeran’ny lehibem-poko. (De 1:13-15) Solontenan’ny fiangonan’Israely teo anatrehan’i Jehovah izy ireo, ary nampitain’i Mosesy tamin’izy ireo ny tenin’i Jehovah ho an’ny vahoaka. (Ek 3:15, 16) Nihaino an’izay nitondra ny adiny teo amin’ny fitsarana izy ireo, nampihatra ny lalàna (De 21:18-21; 22:15-21; 25:7-10) sy ny didim-pitsaran’i Jehovah (De 19:11, 12; 21:1-9), nitari-tafika (No 1:16), nanamafy ny fifanekena efa natao (Js 9:15), ary niantsoroka andraikitra hafa teo ambany fiadidian’ny mpisoronabe (Js 22:13-16).
Mbola nizara ho foko 12 nisy lehibem-poko ihany ilay firenena vaovao. Tsy tokony hanao raharaha miaramila anefa ny fokon’i Levy, fa hifantoka amin’ny fanompoana ao amin’ny tranolay. Nisy fanovana natao àry mba ho 12 foana ireo foko hahazo anjara lova 12 ao amin’ny Tany Nampanantenaina. (No 1:49, 50; 18:20-24) Teo koa ny momba ny zon’ny lahimatoa. Tokony ho roa ny anjara lovan’i Robena lahimatoan’i Jakoba. (Ampit. De 21:17.) Tsy nanana ny zon’ny lahimatoa intsony anefa izy, satria nanao firaisana tamin’ny vadikelin-drainy. (Ge 35:22; 49:3, 4) Iza àry no ho solon’ny fokon’i Levy sy hahazo ny zon’ny lahimatoa?
Tsotra ny fomba nandaminan’i Jehovah an’ilay izy. Nataony lehibem-poko i Efraima sy Manase zanakalahin’i Josefa. (Ge 48:1-6; 1Ta 5:1, 2) Mbola 12 ihany àry ireo foko, ankoatra ny fokon’i Levy. Roa koa ny anjara lova nomena an’i Josefa rain’i Efraima sy Manase. Nomena an’i Josefa lahimatoan’i Rahely indray ny zon’ny lahimatoa, fa tsy an’i Robena lahimatoan’i Lea intsony. (Ge 29:31, 32; 30:22-24) Ireto avy àry ny anaran’ireo foko 12 (tsy Levita): Robena, Simeona, Joda, Isakara, Zebolona, Efraima, Manase, Benjamina, Dana, Asera, Gada ary Naftaly.—No 1:4-15.
Avy teo Sinay ka hatrany amin’ny Tany Nampanantenaina. Nisy mpitsikilo 12 nirahina hijery taratra ny Tany Nampanantenaina. Ny roa ihany anefa no nanana finoana matanjaka, ka nampirisika ny Israelita hanafika an’ilay tany. Tsy nanam-pinoana an’i Jehovah ny ankamaroany, ka namoaka didy izy hoe ho faty any an-tany efitra izay rehetra 20 taona no ho miakatra, afa-tsy olona vitsivitsy monja. (No 13:25-33; 14:26-34) Nirenireny 40 taona tao amin’ny Saikinosin’i Sinay àry ilay vahoaka manontolo. Na i Mosesy sy Arona aza maty talohan’ny nidirana tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Nisy 603 550 ny lehilahy voasoratra anarana, taoriana kelin’ny nialan’ny Israely tany Ejipta. Niisa 601 730 monja anefa ireo lehilahy, izany hoe latsaka 1820, rehefa afaka 39 taona teo ho eo.—No 1:45, 46; 26:51.
Toy ny manda fiarovana sy ampinga ho an’ny Israely i Jehovah, tamin’izy ireo nifindrafindra monina tany an-tany efitra. Rehefa nikomy taminy ihany izy ireo vao navelany hahita loza. (No 21:5, 6) Nanome izay rehetra nilain’izy ireo koa izy. Nanome mana sy rano izy, nanome lalàna niaro ny fahasalaman’izy ireo, ary na ny kapan’izy ireo aza narovany tsy ho simba. (Ek 15:23-25; 16:31, 35; De 29:5) Tena nikarakara azy ireo tamim-pitiavana sy tamin’ny fomba mahagaga i Jehovah. Nimenomenona sy nitaraina foana anefa ny Israely. Nisy koa nikomy tamin’ireo voatendrin’i Jehovah. Voatery nanafay mafy azy ireny àry i Jehovah ilay Mpanafaka Lehibe, mba hahatonga ny hafa hatahotra sy hankatò Azy.—No 14:2-12; 16:1-3; De 9:24; 1Ko 10:10.
Efa hifarana ny dian’ny Israely 40 taona tany an-tany efitra, tamin’i Jehovah nanolotra an’i Sihona sy Oga mpanjakan’ny Amorita teo an-tanan’izy ireo. Lasan’ny Israely àry ny faritany midadasika tany atsinanan’i Jordana, ka nanorim-ponenana tany ny fokon’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase.—De 3:1-13; Js 2:10.
Tamin’ny andron’ny Mpitsara. I Josoa indray no nitarika ny Israelita rehefa maty i Mosesy. Niampita an’i Jordana izy ireo tamin’ny 1473 T.K., mba hiditra tao amin’ilay tany “tondra-dronono sy tantely.” (No 13:27; De 27:3) Tao anatin’ny enin-taona monja no nandreseny mpanjaka 31 tany andrefan’i Jordana. Lasan’izy ireo daholo ny tanin’ireny mpanjaka ireny, ary i Jeriko sy Ay izay samy tanàna voaro mafy. (Js 1-12) Ireo faritra amoron-tsiraka sy ny tanàna sasany ihany no tsy azon’izy ireo, anisan’izany ilay tanàna voaro mafin’ny Jebosita nantsoina tatỳ aoriana hoe Tanànan’i Davida. (Js 13:1-6; 2Sa 5:6-9) Nanohitra an’Andriamanitra ireny Kananita sisa tavela ireny, ary toy ny tsilo teo amin’ny tehezan’ny Israely. Vao mainka nijaly ireo nanambady an’ireny. “Nitsapana ny Israely” ireny mpanompo sampy ireny, ‘mba hahalalana raha hankatò ny didin’i Jehovah izy ireo na tsia’, nandritra ny 380 taona mahery taorian’ny nahafatesan’i Josoa ka hatramin’ny nandresen’i Davida azy ireny.—Mpts 3:4-6.
Antsapaka no nizarana ilay tany tamin’ireo fokon’ny Israely, araka ny nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. Nasiana “tanàna fialokalofana” enina mba handosiran’ireo nahafaty olona tsy nahy. Nomena ny fokon’i Levy ireo tanàna ireo sy ny tanàna 42 hafa sy ny tanimboly nanodidina azy ireny.—Js 13-21.
Samy nanendry mpitsara sy mpiadidy ho eo am-bavahadiny ny tanàna tsirairay, araka ny notakin’ny Lalàna. (De 16:18) Samy nanendry anti-panahy hisolo tena azy sy hikarakara izay hahasoa ny vahoaka koa ireo tanàna. (Mpts 11:5) Mbola nizara ho foko ihany ny firenen’Israely, ary mbola samy tao amin’ny lovany ny foko tsirairay. Tsy nisy intsony anefa ny rafi-pitondrana toy ny tany an-tany efitra. Hita tamin’ny hiran’i Debora sy Baraka sy ny ady nataon’i Gideona sy Jefta fa tsy niray saina intsony ireo foko, sady tsy niantehitra tamin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Filohany tsy hita maso, rehefa maty i Mosesy sy Josoa.—Mpts 5:1-31; 8:1-3; 11:1–12:7.
Niroa saina ny Israely taorian’ny nahafatesan’i Josoa sy ny anti-panahy niara-belona taminy. Tsy tena nankatò an’i Jehovah na nifikitra taminy izy ireo, fa mbetika nanompo azy, mbetika nanompo sampy. (Mpts 2:7, 11-13, 18, 19) Tsy narovan’i Jehovah àry izy ireo fa navelany horobain’ny firenena nanodidina, rehefa nivadika taminy sy nanompo an’ireo Bala. Tamin’izay ilay vahoaka mpikomy vao nahatsapa hoe nila niara-nientana hiantso vonjy tamin’i Jehovah. Nanendry mpitsara na mpanafaka hamonjy azy ireo àry izy. (Mpts 2:10-16; 3:15) Ireto avy ireo mpitsara be herim-po taorian’i Josoa: Otniela, Ehoda, Samgara, Baraka, Gideona, Tola, Jaira, Jefta, Ibzana, Elona, Abdona, ary Samsona.—Mpts 3-16.
Nampiray an’ilay firenena foana ny fandresena azony. Nisy zava-nitranga hafa koa nampiray azy ireo. Nametaveta ny vadikelin’ny Levita iray, ohatra, ny lehilahy iray tanàna avy tamin’ny fokon’i Benjamina. Tezitra ny foko 11 ka niray hina hiady tamin’io foko io. Nahatsapa ho meloka mantsy izy rehetra ka nandray andraikitra. (Mpts toko 19, 20) Nivory tao Silo koa ny foko rehetra, rehefa napetraka tao ilay Vata misy ny fifanekena. (Js 18:1) Nalahelo àry ilay firenena manontolo rehefa nobaboin’ny Filistinina ilay Vata, noho ny fitondran-tena ratsy sy ny zava-dratsy nataon’ny mpisorona tamin’izany, indrindra fa ny zanak’i Ely Mpisoronabe. (1Sa 2:22-36; 4:1-22) Niray saina indray ny Israely taorian’ny nahafatesan’i Ely, rehefa i Samoela no mpaminany sy mpitsara. Nitety tanàna mantsy izy mba hitsara sy handamina ny adin’ny olona.—1Sa 7:15, 16.
Fanjakana tokana. Tena tsy faly i Samoela rehefa nangataka ‘mpanjaka hitsara azy, sahala amin’ny firenena rehetra’ ny Israely, tamin’ny 1117 T.K. Hoy anefa i Jehovah taminy: ‘Henoy izay lazain’ny vahoaka, satria tsy ianao no laviny, fa izaho no laviny tsy ho mpanjakany.’ (1Sa 8:4-9; 12:17, 18) I Saoly Benjamita àry no voafidy ho mpanjaka voalohany. Tsara fiandohana ny fanjakany, kanefa tsy ela izy dia sahisahy ratsy sy tsy nankatò. Nanjary nikomy mihitsy aza izy, ary farany dia nankany amin’ny mpamoha angatra. Nanjaka 40 taona izy, nefa nandiso fanantenana tanteraka!—1Sa 10:1; 11:14, 15; 13:1-14; 15:22-29; 31:4.
‘Lehilahy sitraky ny fon’i Jehovah’ kosa i Davida avy tamin’ny fokon’i Joda. (1Sa 13:14; As 13:22) Voahosotra ho mpanjaka hisolo an’i Saoly izy. Nahay nitondra izy ka nitatra “hatrany amin’ny reniranon’i Ejipta ka hatrany amin’ny reniranon’i Eofrata, ilay renirano lehibe” ny sisin-tanin’ny Israely tamin’ny androny, araka ny nampanantenain’i Jehovah.—Ge 15:18; De 11:24; 2Sa 8:1-14; 1Mp 4:21.
Nanendry mpiandraikitra hafa ankoatra ny lehibem-poko i Davida, nandritra ny 40 taona nanjakany. Tao, ohatra, ireo mpanolo-tsain’ny mpanjaka, ankoatra an’ireo anti-panahy tao amin’ny fitondrana. (1Ta 13:1; 27:32-34) Anisan’ireo nanam-pahefana koa ny andrianan’ireo foko, ny lehibe isan-tsokajiny, ny tandapa, ary ny miaramila sasany. (1Ta 28:1) Notendren’i Davida ho mpitsara sy mpiadidy hiantsoroka andraikitra sasany ny Levita 6000. (1Ta 23:3, 4) Nisy olon-kafa voatendry hiandraikitra ny asa fambolena, ny tanimboaloboka, ny fanamboaran-divay, ny sahan’oliva, ny tahiri-menaka, ary ny biby fiompy. (1Ta 27:26-31) Nisy koa mpiandraikitra ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka, sy mpiandraikitra ny zava-tsarobidy tany amin’ireo tanàna kely sy lehibe.—1Ta 27:25.
Nandimby an’i Davida rainy i Solomona, ka lasa mpanjaka tamin’ny 1037 T.K. Nanjaka 40 taona izy ary nifehy “ny fanjakana rehetra nanomboka tany amin’ny Renirano [Eofrata] ka hatrany amin’ny tanin’ny Filistinina sy ny sisin-tanin’i Ejipta.” Tena niadana sy nilamina ny vahoakany, satria “nitondra fanomezana” ireo firenena nanodidina “sady nanompo an’i Solomona nandritra ny androm-piainany.” (1Mp 4:21) Nalaza i Solomona satria izy no mpanjaka hendry indrindra fahiny. Nahatratra ny fara tampon’ny heriny sy ny voninahiny ny Israely, tamin’ny androny. Ilay tempoly tsara tarehy no anisan’ny zava-bitan’i Solomona niavaka indrindra. Andriamanitra no nanome an’i Davida rainy ny planin’izy io.—1Mp toko 3-9; 1Ta 28:11-19.
Mampalahelo anefa fa ratsy fiafara i Solomona, na dia be voninahitra sy nanan-karena ary hendry aza. Navelany hitaona azy hiala tamin’ny fivavahana tamin’i Jehovah mantsy ireo vadiny maro hafa firenena, ka nanompo sampy izy. Tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony izy tamin’ny farany, ary i Rehoboama zanany no nandimby azy.—1Mp 11:1-13, 33, 41-43.
Tsy ampy fahendrena sy tsy nahatsinjo lavitra anefa i Rehoboama, fa vao mainka nampitomboany ny fanompoana nampanaovina ny vahoaka. Niala taminy àry ny foko folo tany avaratra ka nanaraka an’i Jeroboama, araka ny tenin’ny mpaminanin’i Jehovah. (1Mp 11:29-32; 12:12-20) Nahatonga ny fanjakan’ny Israely hizara roa izany, tamin’ny 997 T.K.
Misy fanazavana amin’ny an-tsipiriany momba ny fizaran’ilay fanjakana, ato amin’ny ISRAELY No. 3.
Taorian’ny sesitany tany Babylona. Ny foko folo tany avaratra ihany no nantsoina hoe “Israely”, nandritra ny 390 taona taorian’ny nahafatesan’i Solomona sy ny nizaran’ilay fanjakana ka hatramin’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. (2Mp 17:21-23) Ny taranak’i Jakoba rehetra indray anefa no nantsoina hoe “Israely” taorian’ny niverenany avy tany an-tsesitany, ka hatramin’ny nandravana an’i Jerosalema fanindroany tamin’ny 70 A.K. Ny foko 12 indray àry no natao hoe “ny Israely rehetra.”—Ezr 2:70; 6:17; 10:5; Ne 12:47; As 2:22, 36.
Nisy lehilahy 42 360 (niaraka tamin’ny vady aman-janany sy mpanompo ary mpihira matihanina) niara-niverina tamin’i Zerobabela sy Josoa (Jesoa) Mpisoronabe tany Jerosalema tamin’ny 537 T.K. Naorin’izy ireo indray ny trano fivavahana tamin’i Jehovah. (Ezr 3:1, 2; 5:1, 2) Nisy hafa koa niara-niverina tamin’i Ezra tamin’ny 468 T.K. (Ezr 7:1–8:36). Mbola nisy koa niaraka tamin’i Nehemia tamin’ny 455 T.K., tamin’izy nankany Jerosalema mba hanorina indray ny manda sy ny vavahadin’ny tanàna. (Ne 2:5-9) Maro anefa ny Israelita mbola nonina nanerana ny Fanjakana Persianina, araka ny voalazan’ny bokin’i Estera.—Es 3:8; 8:8-14; 9:30.
Tsy firenena nahaleo tena toy ny taloha intsony ny Israely, nefa nomena fahefana ihany teo ambany fifehezan’ny Persianina. Israelita ihany, ohatra, ireo voatendry ho solontenam-panjakana sy governora (toa an’i Zerobabela sy Nehemia). (Ne 2:16-18; 5:14, 15; Hg 1:1) Mbola mpanolo-tsaina sy solontenan’ny vahoaka ireo anti-panahy sy andrianan’ireo foko. (Ezr 10:8, 14) Nanao ny asany indray ny mpisorona, izay voasoratra anarana tao amin’ny tetirazana voatahiry tsara. Natao indray ireo sorona, ary notandremana ny zavatra hafa notakin’ny Lalàna.—Ezr 2:59-63; 8:1-14; Ne 8:1-18.
I Gresy no nifehy an’izao tontolo izao rehefa rava ny Fanjakana Persianina. Nampitondra faisana ny Israely ny adin’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Ptolémée (Ejipta) sy ny avy amin’i Séleucus (Syria). Tapa-kevitra ny hanafoana ny fivavahan’ny Jiosy sy ny fomba amam-panaony i Antiokosa Faha-4 (Epifana), anisan’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Séleucus. Nisy alitara ho an’i Zeosy, andriamanitra grika, mihitsy aza nasainy naorina teo ambonin’ilay alitara tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, tamin’ny 168 T.K. Tsy nampoiziny
anefa fa nikomy ny Jiosy notarihin’ny Makabeo. Nandresy i Jodasy Makabeo, mpitarika jiosy. Nodiovina àry ny tempoly, ary notokanany indray telo taona katroka taorian’ilay nanazimbazimbana azy io. Nanao fety ny Jiosy tamin’izay, ary mbola ataon’izy ireo foana io fety antsoina hoe Hanoukka io.Nikorontana be ny fitondrana teo amin’ny Israely taorian’izay, ka tsy nisy mpiadidy isam-poko araka ny notakin’ny Lalàna intsony. Ny Makabeo na Hasmonianina no nitondra, nefa niovaova ny fitondrany. Tamin’izay koa no niforona ny antokon’ny Sadoseo mpanohana ny Hasmonianina, sy ny antokon’ny Fariseo mpanohitra azy ireo. Farany, nasaina nisalovana i Roma, izay firenena natanjaka indrindra. Tonga àry ny Jeneraly Cnaeus Pompée, ka nanao fahirano an’i Jerosalema nandritra ny telo volana tamin’ny 63 T.K. Lasa nofehezin’i Roma i Jodia taorian’izay. Notendren’i Roma ho mpanjakan’ny Jiosy i Heroda Lehibe, tamin’ny 39 T.K. teo ho eo. Nofoanan’i Heroda ny fitondran’ny Hasmonianina, telo taona teo ho eo taorian’izay. Taloha kelin’ny nahafatesan’i Heroda no teraka i Jesosy, ilay “voninahitry ny Israely”, tamin’ny taona 2 talohan’ny andro kristianina.—Lk 2:32.
Lehibem-paritra sy governora no notendren’i Roma tany Israely, tamin’ny taonjato voalohany A.K. Resahin’ny Baiboly, ohatra, fa lehibem-paritra i Filipo sy Lysania ary Heroda Antipasy (Lk 3:1), fa governora kosa i Pontio Pilato sy Feliksa ary Festosy (As 23:26; 24:27). Resahiny koa fa mpanjaka i Agripa I sy II. (As 12:1; 25:13) Nosoratana anarana araka ny foko niaviany ny Israelita taloha. Toa mbola hoatran’izay ihany ilay fisoratana anarana tamin’ny andron’i Aogosto Kaisara. Nasainy nisoratra anarana tany amin’ny tanànan’ny fianakaviambeny avy mantsy ny Israelita. (Lk 2:1-5) Mbola nanana fahefana lehibe teo amin’ny vahoaka koa ny “anti-panahy” sy ny Levita mpisorona. (Mt 21:23; 26:47, 57; As 4:5, 23) Mampalahelo anefa fa nosoloan’izy ireo fomban-drazana ny Lalàna.—Mt 15:1-11.
Tamin’izay no niforona ny Fivavahana Kristianina. Nialoha lalana an’i Jesosy i Jaona Mpanao Batisa, ka nampiverina Israelita maro ho amin’i Jehovah. (Lk 1:16; Jn 1:31) Niezaka namonjy ny Israelita koa i Jesosy sy ny apostoliny, ka nanampy an’ireo “ondry very amin’ny taranak’Israely.” Nahariharin’izy ireo fa lainga fotsiny ny lovantsofin’olombelona, ary tena mahasoa kosa ny manaraka ny fivavahana madio. (Mt 15:24; 10:6) Vitsy monja anefa no nanaiky an’i Jesosy ho Mesia ka voavonjy. (Ro 9:27; 11:7) Izy ireo no faly niarahaba azy hoe “Mpanjakan’ny Israely.” (Jn 1:49; 12:12, 13) Ny ankamaroan’ny Jiosy kosa tsy nety nino an’i Jesosy (Mt 8:10; Ro 9:31, 32), fa nanohana an’ireo mpitondra fivavahana izay niantsoantso hoe: “Vonoy io! Vonoy io! Fantsiho amin’ny hazo fijaliana izy!” “Tsy manana mpanjaka ankoatra an’i Kaisara izahay.”—Jn 19:15; Mr 15:11-15.
Tsy ela anefa dia niharihary fa fihamboana fotsiny ilay hoe i Kaisara no mpanjakany. Nisy mpikomy foana mantsy teo amin’ny Israely, ka nahatonga ny Romanina hanafay mafy azy ireo. Vao mainka àry halan’ny Jiosy ny Romanina. Farany, tsy voafehin’ny Romanina teo an-toerana intsony ny fikomian’izy ireo. Nitondra tafika lehibe kokoa àry i Cestius Gallus, governoran’i Syria, mba hanafika an’i Jerosalema.
Nodoran’i Gallus i Bezeta, teo avaratry ny tempoly, ary nitoby tandrifin’ny lapan’ny mpanjaka teo atsimoandrefan’ny tempoly izy. Nitantara i Josèphe fa azon’i Gallus natao mora foana ny niditra an-keriny tao an-tanàna. Niandriandry anefa i Gallus ka nahazo vahana ireo mpikomy. Nisy miaramila romanina avy eo nandavaka ny fototry ny manda. Nataon’izy ireo fiarovana avy teo ambony toy ny lamosin’ny sokatra ny ampingany. Efa ho voagorobany tanteraka ilay manda no niala tampoka izy ireo, tamin’ny faramparan’ny taona 66. Hoy i Josèphe: “Nasain’i Cestius niala tampoka ny miaramilany ... Nanary toky izy nefa tsy resy akory, ary tsy nampoizina mihitsy ny fialany tao amin’ilay tanàna.” (Ny Adin’ny Jiosy, II, 540 [xix, 7]) Ilay fanafihana sy ny fialan’ny Romanina tampoka no famantarana nandrasan’ny Kristianina. ‘Nandositra tany an-tendrombohitra’ àry izy ireo, araka ny toromarik’i Jesosy.—Lk 21:20-22.
Nanomboka niady tamin’ireo Jiosy mpikomy i Vespasien ny taona nanaraka (67). Maty tampoka anefa i Néron tamin’ny 68, ka i Vespasien no lasa mpanjaka. Niverina tany Roma àry izy tamin’ny 69, ary nasainy notohizan’i Titus zanany ilay fanafihana. Nidiran’ny Romanina i Jerosalema tamin’ny taona 70, ka noravany. I Masada no toerana voaro mafy resin’ny Romanina farany, telo taona taorian’izay. Nilaza i Josèphe fa 1 100 000 ny Jiosy maty, ka matin’ny areti-mandringana sy ny mosary ny maro tamin’izy ireo, tamin’ilay fanafihana an’i Jerosalema. Nisy 97 000, hono, no nentina ho babo, ka maro no nalefa ho andevo tany amin’ny lafivalon’ny fanjakana romanina.—Ny Adin’ny Jiosy, VI, 420 (ix, 3).
Jereo FOKO (“Hitsara ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely”), mba hahafantarana hoe iza ireo “foko roa ambin’ny folon’ny Israely” resahin’ny Matio 19:28 sy Lioka 22:30.
3. Ireo foko tany amin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, rehefa indroa nizara ny fanjakan’ny Israely.
Nizara voalohany ny fanjakan’ny Israely rehefa maty i Saoly tamin’ny 1078 T.K. tany ho any. I Davida mantsy no neken’ny fokon’i Joda ho mpanjaka, fa i Isboseta zanak’i Saoly kosa no nofidin’ny foko hafa rehetra. Nisy namono anefa i Isboseta rehefa afaka roa taona. (2Sa 2:4, 8-10; 4:5-7) Nihavana ihany ireo foko 12 tatỳ aoriana, ka lasa mpanjakan’izy rehetra i Davida.—2Sa 5:1-3.
Nikomy tamin’i Davida i Absaloma zanany, tatỳ aoriana. Resy anefa i Absaloma ka nanaiky an’i Davida ho mpanjaka daholo indray ny foko rehetra. Nampifamaly ny fokon’i Joda sy ny foko folo tany avaratra nantsoina hoe Israely anefa, ny fomba namerenana an’i Davida teo amin’ny fitondrana.—2Sa 19:41-43.
Nanaiky an’i Solomona zanak’i Davida ho mpanjaka daholo kosa ny foko 12. Nizara roa indray anefa ny fanjakana, rehefa maty i Solomona tamin’ny 998 T.K. tany ho any. Ny fokon’i Benjamina sy Joda ihany no nanohana an’i Rehoboama Mpanjaka, izay nandimby an’i Solomona tao Jerosalema. I Jeroboama kosa no nofidin’ny Israely, na ireo foko folo tany avaratra sy tany atsinanana.—1Mp 11:29-37; 12:1-24; SARINTANY, Boky 1, p. 947.
I Sekema aloha no natao renivohitry ny fanjakan’ny Israely, avy eo i Tirza, ary i Samaria tamin’ny andron’i Omry Mpanjaka. Tany foana no renivohitra nandritra ny 200 taona. (1Mp 12:25; 15:33; 16:23, 24) Fantatr’i Jeroboama fa hiray hina ny vahoaka raha manaraka fivavahana iray ihany. Nanao zanak’omby volamena roa àry izy, mba tsy hankany amin’ny tempoly tany Jerosalema intsony ireo foko nofeheziny. Tsy nataony tao an-drenivohitra ireo zanak’omby, fa tany amin’ny sisin-tanin’ny Israely ka ny iray tao Betela tany atsimo, ary ny iray tao Dana tany avaratra. Lehilahy tsy Levita koa no notendreny ho mpisorona, mba hitarika sy hampianatra ny Israely ny fomba fanompoana an’ireo zanak’omby volamena sy ireo demonia miendrika osy.—1Mp 12:28-33; 2Ta 11:13-15.
Tena fahotana lehibe teo imason’i Jehovah ny nataon’i Jeroboama. (2Mp 17:21, 22) Ho navelan’Andriamanitra hanjaka foana ny taranany, raha tsy nivadika taminy sy tsy nanompo sampy izy. Tsy nisy taranany nanjaka intsony anefa satria nisy namono i Nadaba zanany, tsy ampy roa taona akory taorian’ny nahafatesany.—1Mp 11:38; 15:25-28.
Nanaraka ambokony an’izay nataon’ny mpanjakany fotsiny ny firenen’Israely. Mpanjaka 19 (tsy anisan’izany i Tibny) (1Mp 16:21, 22) no nitondra hatramin’ny 997 ka hatramin’ny 740 T.K. Sivy monja no nodimbiasan’ny zanany, iray monja no nodimbiasan’ny zanany ka hatramin’ny zafindohaliny, fito no nanjaka roa taona na latsaka, ary nisy aza nanjaka andro vitsivitsy monja. Ny iray indray namono tena, ny efatra maty tanora, ary ny enina hafa kosa novonoin’ny lehilahy te hanongana azy. Azo lazaina fa i Jeho no mpanjaka tsara indrindra tamin’izy ireo, satria nampifaly an’i Jehovah izy rehefa nofoanany ny fivavahana tamin’i Bala naorin’i Ahaba sy Jezebela. “Tsy nanaraka tsara ny lalàn’i Jehovah Andriamanitry ny Israely tamin’ny fony manontolo anefa i Jeho”, satria mbola notohiziny ihany ny fivavahana tamin’ny zanak’omby volamena.—2Mp 10:30, 31.
Tena nahari-po tamin’ny Israely i Jehovah. Naniraka ny mpaminany mpanompony foana izy nandritra ny 257 taona, mba hampirisika ny mpitondra sy ny vahoaka hiala tamin’ny lalan-dratsiny. Tsy nety niova anefa izy ireo. (2Mp 17:7-18) Anisan’ireny mpaminany be fandavan-tena ireny i Jeho (tsy ilay mpanjaka), Elia, Mikaia, Elisa, Jona, Odeda, Hosea, Amosa ary Mika.—1Mp 13:1-3; 16:1, 12; 17:1; 22:8; 2Mp 3:11, 12; 14:25; 2Ta 28:9; Ho 1:1; Am 1:1; Mi 1:1.
Avo roa heny noho ny isan’ny mponina tany Joda ny mponina tany Israely, saingy efa ho avo telo heny ny faritaniny, ka sarotra narovana kokoa. Niady tamin’ny Joda ny Israely indraindray, ary niady matetika tamin’i Syria tany amin’ny sisin-taniny avaratra sy atsinanana. Notafihin’i Asyria koa izy. I Salmanesera Faha-5 no nanao fahirano farany an’i Samaria, tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Hosea. Efa ho telo taona tatỳ aoriana vao resin’ny Asyrianina i Samaria, tamin’ny 740 T.K.—2Mp 17:1-6; 18:9, 10.
Fanaon’ny Asyrianina ny namindra an’ireo mponina resiny, ary mponina avy any amin’ny tany hafa nofeheziny no nasolony azy ireo. I Tiglato-pilesera III mpanjaka nodimbiasan’i Salmanesera no nanomboka izany, mba hisakanana an’ireo mponina tsy hikomy. Nifanambady tamin’ireo Jiosy sisa tavela tany Israely ireo hafa firenena nafindra tany. Lasa nifangaro koa ny fivavahan’izy ireo. Ny taranak’ireny no nantsoina hoe Samaritanina tatỳ aoriana.—2Mp 17:24-33; Ezr 4:1, 2, 9, 10; Lk 9:52; Jn 4:7-43.
Tsy hoe fongana tanteraka anefa ny foko folo tany avaratra rehefa resy ny Israely. Nisy tamin’izy ireo navelan’ny Asyrianina tany Israely ihany. Nisy koa efa nandositra ny fanompoan-tsampy tany Israely ka nifindra tany Joda, talohan’ny 740 T.K. Anisan’ireo nentina ho babo tany Babylona tamin’ny 607 T.K. àry ny taranak’ireny. 2Ta 11:13-17; 35:1, 17-19) Azo inoana fa nisy taranak’ireo Israelita nobaboin’ny Asyrianina (2Mp 17:6; 18:11) koa ireo anisan’ny foko 12 niverina tany an-tanindrazana tamin’ny 537 T.K., sy nipetraka tany taorian’izay.—1Ta 9:2, 3; Ezr 6:17; Ho 1:11; ampit. Ezk 37:15-22.
(4. Ilay Tany Nampanantenaina, na tany nomena ny firenen’Israely (ny foko 12 rehetra), izay navahana tamin’ny tanin’ny firenen-kafa. (1Sa 13:19; 2Mp 5:2; 6:23) Io ilay tany nofehezin’ny mpanjaka israelita.—1Ta 22:2; 2Ta 2:17.
Nantsoina hoe “tanin’ny Israely” indraindray ny faritanin’ny fanjakana tany avaratra, rehefa nizara roa ny fanjakana, mba hanavahana azy tamin’ny tanin’i Joda. (2Ta 30:24, 25; 34:1, 3-7) I Joda indray, ilay fanjakana sisa tavela teo amin’ny taranak’i Israely (Jakoba), no nantsoina hoe Israely, rehefa rava ny fanjakana tany avaratra. Ny faritanin’ny fanjakan’ny Joda sy Jerosalema renivohiny àry no tena tian’i Ezekiela mpaminany holazaina tamin’ny hoe “tanin’ny Israely.” (Ezk 12:19, 22; 18:2; 21:2, 3) Lao tanteraka nandritra ny 70 taona ilay tany, nanomboka tamin’ny 607 T.K. (Ezk 25:3) Hangonina ho ao indray anefa izay sisa tsy mivadika.—Ezk 11:17; 20:42; 37:12.
Jereo PALESTINA mba hahitana ny mombamomba ny tanin’ny Israely, toy ny toetaniny, ny velarany, ny toerana misy azy, ary ny loharanon-karenany.