Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jefta

Jefta

(Jeftà) [Hanokatra Anie [Andriamanitra]; Nanokatra [Andriamanitra]].

Mpitsara teo amin’ny Israely, avy tamin’ny fokon’i Manase. (No 26:29; Mpts 11:1) Nitsara nanerana an’i Gileada nandritra ny enin-taona izy, angamba tamin’ny andron’i Ely mpisoronabe, tamin’i Samoela mbola zaza. (Mpts 12:7) Toa tamin’ny 1173 T.K. tany ho any no nanomboka ireo enin-taona nitsaran’i Jefta, rehefa jerena ilay teniny hoe nifehy ny faritra tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana nandritra ny “telonjato taona” ny Israelita.​—Mpts 11:26.

Tsy zazasary i Jefta. “Vehivavy mpivaro-tena” ny reniny. Tsy midika anefa izany hoe zaza azo tamin’ny fijangajangana izy, na hoe zazasary. Taloha ny reniny no mpivaro-tena, tamin’izy mbola tsy lasa vady faharoan’i Gileada. Mitovy ihany izy sy Rahaba, izay mpivaro-tena taloha saingy lasa vadin’i Salmona tatỳ aoriana. (Mpts 11:1; Js 2:1; Mt 1:5) Tsy zazasary i Jefta matoa noroahin’ireo rahalahiny hafa reny (zanak’ilay vadin’i Gileada voalohany), satria tsy tian’izy ireo hahazo anjara lova izy. (Mpts 11:2) Izy koa, tatỳ aoriana, no nekena ho lohany teo amin’ireo lehilahy tany Gileada (maro tamin’ireo no rahalahiny hafa reny). (Mpts 11:11) Ankoatra izany, dia nanolotra fanatitra dorana ho an’Andriamanitra tany amin’ny tranolay masina izy. (Mpts 11:30, 31) Tsy ho afaka nanao izany rehetra izany izy raha zazasary. Milaza mazava tsara mantsy ny Lalàna hoe: “Tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah ny zazasary. Na hatramin’ny taranany fahafolo aza tsy misy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah.”​—De 23:2.

Toa i Jefta no lahimatoan’i Gileada. Tokony hahazo anjaran-droa avy amin’ny fananan’i Gileada rainy àry izy, sady tokony ho lohan’ilay fianakaviana. (Toa efa maty i Gileada rehefa nandroaka an’i Jefta ireo rahalahiny hafa reny.) Ny hany vahaolana hitan’ireo rahalahiny ireo àry dia ny nandroaka azy mba tsy hahazoany ny anjara lovany ara-dalàna. Tsy rariny anefa izany satria nanan-jo foana ny lahimatoa, na zanaky ny vady faharoa izy, na zanaky ny vady tsy tena tiana.​—De 21:15-17.

Nankany amin’i Jefta ireo “olona mpidonana-poana.” Nandeha nonina tany Toba i Jefta rehefa noroahin’ireo rahalahiny hafa reny. Faritra tany atsinanan’i Gileada i Toba, toa tany ivelan’ny sisin-tanin’ny Israely, ka mora notafihin’ny firenena fahavalo, indrindra fa ny Amonita. Nankany amin’i Jefta mba hofeheziny ireo “olona mpidonana-poana”, izany hoe ireo nampahorin’ny Amonita ka lasa mpidonana-poana na tsy an’asa, ary nikomy ka tsy nety hanompo an’ireo Amonita. (Mpts 11:3) Mpiompy omby ny mponina tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana (ny fokon’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase). Namely tampoka ny Amonita, ka nandroba ny fananana sy ny fiveloman’ny olona maro nonina tany Gileada. Niampita ny Reniranon’i Jordana mihitsy aza izy ireo indraindray.​—Mpts 10:6-10.

Nila ady ny Amonita. Nampahory nandritra ny 18 taona ny Amonita. Navelan’i Jehovah hitranga izany satria lasa nanompo an’ireo andriamanitry ny firenena nanodidina ny Israelita. Tonga saina anefa ny zanak’Israely, ka niaiky hoe nivadika. Nibebaka izy ireo ary niantso vonjy tamin’i Jehovah. Nariany àry ny sampiny ary nanompo an’i Jehovah indray izy ireo. Tamin’izay ny tafika lehiben’ny Amonita no niangona tany Gileada mba hiady. (Mpts 10:7-17; 11:4) Asehon’izany fa i Satana Devoly, ilay fahavalon’i Jehovah lehibe sady tsy hita maso, no nampirisika an’ireo firenena mpanompo sampy hanafika ny Israely, ka ny fivavahana tamin’ilay tena Andriamanitra no anton’ilay ady raha ny marina.​—Ampit. Ap 12:9; Sl 96:5; 1Ko 10:20.

Niangona tao Mizpa ny tafiky ny Israely. Azo inoana fa to teny teo amin’ireo anti-panahy tany Gileada, ireo rahalahin’i Jefta hafa reny. (Mpts 10:17; 11:7) Niaiky izy ireo fa nila tari-dalana sy mpitarika mahay. (Mpts 10:18) Takany fa tokony ho eo ambany fitarihan’ny lehilahy iray notendren’Andriamanitra izy ireo raha te handresy an’ireo Amonita. (Mpts 11:5, 6, 10) Azo antoka fa nahavita zavatra niavaka tao Toba i Jefta sy ireo niaraka taminy, ka toa midika izany fa nofidin’Andriamanitra izy. (Mpts 11:1) Efa nanao tsinontsinona an’i Jefta ireo lehilahy tao Gileada, nefa nanapa-kevitra izy ireo fa hiangavy azy mba hanaiky ho lohany teo aminy.

Lasa lohany teo amin’ny mponina tany Gileada. Nanaiky ny hitarika azy ireo hiady tamin’ny Amonita i Jefta, nefa nasiany fepetra: Raha homen’i Jehovah fandresena izy, dia tsy maintsy manaiky azy ho lohany foana izy ireo aorian’ilay ady. Tsy tia tena izy rehefa nitaky izany. Efa nasehony mantsy fa zava-dehibe taminy ny ady natao hiarovana ny anaran’Andriamanitra sy hamonjena ny vahoakany. Raha resiny ny Amonita, dia porofo izany fa momba azy Andriamanitra. Tsy tiany raha toa ny olona ka handa indray an’Andriamanitra tsy ho mpitondra, rehefa hilamina ilay olana. Ankoatra izany, raha izy tokoa no lahimatoan’i Gileada, dia nanamafy ny zony ara-dalàna fotsiny izy, dia ny hoe izy no lohan’ny fianakavian’i Gileada. Natao teo anatrehan’i Jehovah tany Mizpa àry ny fifanekena. Asehon’izany fa niaiky i Jefta hoe i Jehovah no Andriamanitra sy Mpanjaka ary tena Mpanafaka ny Israely.​—Mpts 11:8-11.

Tsy nitaredretra i Jefta, fa tonga dia nasehony hoe mpitarika vonona hanao zavatra izy. Nandefa hafatra tany amin’ny mpanjakan’ny Amonita izy, ary nanazava fa ny Amonita no mpisompatra ka mitady haka ny tanin’ny Israely. Novalian’ilay mpanjaka fa tany nalain’ny Israely tamin’ny Amonita ilay izy. (Mpts 11:12, 13) Asehon’ny valin-tenin’i Jefta fa tsy mpiady tsotra sy tsy nahita fianarana izy. Tia nianatra tantara izy, indrindra fa ny momba ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny vahoakany. Nolaviny ny tenin’ny Amonita, ka nohazavainy hoe: 1) Tsy nihetraketraka tamin’ny Amonita sy ny Moabita ary ny Edomita ny Israely. (Mpts 11:14-18; De 2:9, 19, 37; 2Ta 20:10, 11) 2) Tsy an’ny Amonita ilay tany satria teo an-tanan’ny Amorita Kananita no nakan’ny Israelita azy io. Natolotr’Andriamanitra teo an-tanan’izy ireo i Sihona mpanjakan’ny Amorita sy ny taniny. 3) Efa 300 taona lasa izay no nananan’ny Israely an’ilay tany, ary tsy nampaninona ny Amonita izany, koa nahoana izy ireo izao no mitady haka azy io?​—Mpts 11:19-27.

Nanazava i Jefta avy eo fa resaka fivavahana no tena fototr’ilay adihevitra. Nilaza izy fa i Jehovah Andriamanitra no nanome an’ilay tany ho an’ny Israely, ka tsy hanomezan’izy ireo amin’izany na kely aza ny mpivavaka amin’ny andriamani-diso. Nolazainy fa i Kemosy no andriamanitr’i Amona. Misy mihevitra fa diso izany. Na dia i Milkoma aza no andriamanitr’i Amona ary i Kemosy no andriamanitr’i Moaba, dia nivavaka tamin’andriamanitra maro ireo firenena mpirahavavy ireo. I Solomona aza nampiditra ny fivavahana tamin’i Kemosy teo amin’ny Israely, rehefa nanambady vehivavy hafa firenena. (Mpts 11:24; 1Mp 11:1, 7, 8, 33; 2Mp 23:13) Misy koa manam-pahaizana milaza fa mety hidika hoe “Mpandresy, Mpanafika” ny hoe “Kemosy.” (Jereo ny Diksionera Hebreo sy Kaldeanina Nataon’i Gesenius, nadikan’i S. Tregelles, 1901, p. 401.) Nanonona ny anaran’io andriamanitra io angamba i Jefta, satria nino ny Amonita fa izy io no nanome ‘fandresena’ sy tany ho azy ireo.

Nanao voady. Teo dia takatr’i Jefta fa sitrapon’Andriamanitra ny hiadiana amin’ny Amonita. Nanatanjaka azy ny fanahin’Andriamanitra, ka nentiny niady ny tafiny. Nanao voady koa izy toa an’i Jakoba 600 taona talohan’izay. Nasehony tamin’izany fa tena niriny tamin’ny fony manontolo ny hahazo ny tari-dalan’i Jehovah. Nekeny koa fa avy tamin’i Jehovah izay fandresena azony. (Mpts 11:30, 31; Ge 28:20-22) Nankasitraka ny voadiny i Jehovah, ka resy ny Amonita.​—Mpts 11:32, 33.

Fanaovana sorona olombelona ve no tao an-tsain’i Jefta, tamin’izy nivoady hoe hataony fanatitra dorana izay mivoaka voalohany avy ao an- tranony?

Misy manam-pahaizana sy mpanakiana manameloka an’i Jefta noho ny voady nataony. Mihevitra izy ireo fa nanaraka ny fanaon’ny firenen-kafa i Jefta, ka nanao sorona ny zanany vavy mba ho fanatitra dorana. Tsy nanao an’izany anefa izy. Maharikoriko an’i Jehovah sady mifanohitra amin’ny lalàny mantsy ny fanaovana sorona olombelona. Hentitra be izy nandidy ny Israely hoe: “Aza mianatra manao ny zava-maharikoriko fanaon’ireo firenena ireo. Aoka tsy hisy eo aminao ny olona mandoro ny zanany lahy na ny zanany vavy ao anaty afo ... Maharikoriko an’i Jehovah mantsy izay rehetra manao ireo zavatra ireo. Ary noho ireo zava-maharikoriko ireo no androahan’i Jehovah Andriamanitrao an’ireny olona ireny tsy ho eo anatrehanao.” (De 18:9-12) Hanozona olona toy izany i Jehovah fa tsy hitahy azy mihitsy. Ny Amonita, izay niady tamin’i Jefta, no nanao sorona olombelona ho an’i Moleka andriamanitr’izy ireo.​—Ampit. 2Mp 17:17; 21:6; 23:10; Je 7:31, 32; 19:5, 6.

Hoy i Jefta: “Ho an’i Jehovah izay olona mivoaka amin’ny varavaran’ny tranoko hitsena ahy.” Olona no tao an-tsainy fa tsy biby, satria azo inoana hoe tsy ho navelan’ny Israelita hivezivezy tao an-tranony ny biby azo natao sorona. Raha sorona biby koa ilay izy, dia efa nahazatra izany ka tsy tena fanehoana fahafoizan-tena miavaka. Fantatr’i Jefta fa mety ho ny zanany vavy no hitsena azy. Tsara hotadidina koa fa nanana ny fanahin’i Jehovah izy tamin’izay, ka tsy ho nanao voady maimaika mihitsy. Inona àry no dikan’ilay hoe “ho an’i Jehovah” izay mitsena an’i Jefta sy miarahaba azy noho ny fandreseny, ka hatolotra “ho fanatitra dorana”?​—Mpts 11:31.

Azo atao tokoa ny manolotra olona ho an’i Jehovah, izany hoe atokana tanteraka hanompo azy ao amin’ny toerana masina. Manan-jo hanao izany ny ray aman-dreny. Mbola tsy teraka akory, ohatra, i Samoela, dia efa nivoady i Hana reniny fa hanokana azy mba hanompo tao amin’ny tranolay masina. Nanaiky ny voady nataony i Elkana vadiny. Raha vao nosarahi-nono i Samoela, dia natolotr’i Hana tany amin’ny toerana masina. Nitondra biby hatao sorona koa izy tamin’izay. (1Sa 1:11, 22-28; 2:11) Anisan’ny ankizy natokana hanompo an’Andriamanitra koa i Samsona noho izy Nazirita.​—Mpts 13:2-5, 11-14; ampitahao amin’ny fahefana ananan’ny ray amin’ny zanany vavy resahin’ny No 30:3-5, 16.

Azo antoka fa nitondra biby hatao fanatitra dorana i Jefta, rehefa nanatitra ny zanany vavy tany amin’ny toerana masina, izay tany Silo tamin’izay. Milaza ny Lalàna fa ny fanatitra dorana dia tokony hovonoina, hendahana ny hodiny, horasarasaina, hosasana ny tsinainy sy ny ranjony, ary hodorana eo amin’ny alitara ilay biby manontolo sy ny lohany. (Le 1:3-9) Natolotra manontolo ilay fanatitra, ka midika izany fa nanokana tanteraka ny tenany ho an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo ilay olona nitondra an’ilay izy. Misy dikany hafa kosa izy io, raha toa ka nampiarahina tamin’ny fanatitra hafa (ohatra hoe nampiarahina tamin’ny fanatitra noho ny ota rehefa Andro Fandrakofam-pahotana). Izao no dikany amin’izay: Miangavy an’i Jehovah hanaiky an’ilay fanatitra fanampiny ilay olona.​—Le 16:3, 5, 6, 11, 15, 24.

Tena nanao sorona lehibe, na i Jefta na ilay zanany vavy. Io ihany mantsy no zanany. (Mpts 11:34) Tsy hanan-taranaka hamelo-maso ny anarany sy handova azy teo amin’ny Israely àry i Jefta. Ilay zanany vavy ihany no azony nantenaina hanao izany. Nitomany ilay zazavavy, tsy hoe satria izy ho faty, fa noho izy “virjiny.” Fanirian’ny lehilahy sy vehivavy israelita rehetra mantsy ny hanana zanaka sy mpandova hamelo-maso ny anaran’ny fianakaviana. (Mpts 11:37, 38) Noheverina ho tena ratsy ny hoe tsy miteraka. “Mbola tsy nanao firaisana tamin-dehilahy mihitsy” anefa ilay zanakavavin’i Jefta. Tsy ho nilaina ireo teny ireo raha izay nitranga talohan’ny nanatanterahana ilay voady no tiana holazaina. Efa voalaza mazava mantsy fa virjiny razazavavy. Vokatry ny fanefana ilay voady àry io filazana io hoe “tsy nanao firaisana tamin-dehilahy mihitsy razazavavy”, satria tsy voaresaka izy io raha tsy taorian’ilay hoe “notanterahin-drainy ilay voady nataony momba an-janany.” Milaza ilay fitantarana fa mbola virjiny foana ilay zazavavy, taorian’ny nanatanterahana an’ilay voady.​—Mpts 11:39.

Ankoatra izany, dia nandeha nitsidika an’ilay zanakavavin’i Jefta “isan-taona” ireo namany mba “hidera azy.” (Mpts 11:40) Ilay teny hebreo hoe tanah, izay hita eo amin’io andininy io dia hita koa ao amin’ny Mpitsara 5:11, ary misy mandika azy io hoe ‘mitantara’ (TV), ‘miresaka’ (Prot.). Misy diksionera manazava an’io teny io hoe “mamerina, mamerimberina.” (Diksionera Hebreo sy Kaldeanina, nataon’i B. Davies, 1957, p. 693) Azo antoka fa betsaka ny zavatra azon’ilay zanakavavin’i Jefta natao tao amin’ny toerana masina, toa an’ireo Netinima ihany (“Ireo Nomena”, izany hoe natokana hanompo tao amin’ny toerana masina). Naka kitay ireny olona ireny, nantsaka, nanamboatra ny simba, ary koa nanao asa maro hafa mba hanampiana an’ireo mpisorona sy Levita tao.​—Js 9:21, 23, 27; Ezr 7:24; 8:20; Ne 3:26.

Nila ady ny Efraimita. Tsy nanaiky an’i Jefta ho mpitarika ny Efraimita noho ny avonavona. Nanamarin-tena koa izy ireo. Noheveriny mantsy hoe izy ireo no foko lehibe indrindra tany avaratra (anisan’izany i Gileada). Nitady hevitra hanendrikendrehana an’i Jefta àry izy ireo mba hanaporofoana fa rariny ny fahatezerany. Efa toy izany ihany no nataon’izy ireo taona maro talohan’izay, tamin’ny andron’i Gideona Mpitsara. (Mpts 8:1) Nilaza izy ireo fa tsy niantso azy ireo i Jefta tamin’izy niady tamin’ny Amonita, ka hodoran’izy ireo miaraka amin’ny tranony i Jefta.​—Mpts 12:1.

Nilaza i Jefta fa efa niantso izy saingy izy ireo no tsy nety. Hoy i Jefta: “Natolotr’i Jehovah teo an-tanako ireny [ny Amonita]. Koa nahoana ianareo androany no miakatra atỳ amiko mba hiady amiko?” (Mpts 12:2, 3) Nanaratsy an’ireo lehilahy tao amin’ny tafik’i Jefta ny Efraimita hoe: “Olona nandositra avy tamin’ny Efraimita ianareo Gileadita, avy teo amin’i Efraima sy Manase.” (Mpts 12:4) Te hanala baraka an’i Jefta angamba izy ireo rehefa niteny an’izany. Nampahatsiahy izy ireo hoe olona noroahina i Jefta ary “olona mpidonana-poana” sy tsy an’asa ary ‘mpandositra’ ireo niaraka taminy.​—Mpts 11:3.

Raikitra ny ady, ka resy ny Efraimita ary vaky nandositra. Nisakana azy ireo teo amin’ny toerana fiampitana ny Reniranon’i Jordana ireo lehilahy niaraka tamin’i Jefta. Niezaka nanafina ny maha Efraimita azy izy ireo, nefa tratra tamin’ny fomba fiteniny. Rehefa nasaina nanonona hoe “Shiboleta” mantsy izy ireo, dia tsy hainy tsara ny nanonona an’ilay “sh” fa nataony fotsiny hoe “Siboleta.” Efraimita 42 000 àry no namoy ny ainy satria nikomy tamin’ilay voatendrin’i Jehovah hamonjy azy ireo.​—Mpts 12:5, 6.

Nankasitrahan’Andriamanitra. Milaza ny 1 Samoela 12:11 fa nirahin’i Jehovah hanafaka ny vahoakany i Jefta, ary voalaza fa anisan’ireo “vavolombelona maro be toy ny rahona” izy ao amin’ny Hebreo 11:32.​—He 12:1.