Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jehovah

Jehovah

(Jehôvah) [matoantenin’ny mpampanao milaza fanaovan-javatra mbola mitohy, avy amin’ilay matoanteny heb. hoe havah (tonga ho), ary midika hoe “Manao Izay Hahatonga Izy”].

Zavatra vita tamin’ny volafotsy ahitana ny anaran’Andriamanitra; tamin’ny taonjato fahafito na fahenina T.K.; hita tany Jerosalema

Anaran’Andriamanitra. (Is 42:8; 54:5) Anaram-boninahitra iantsoana azy ao amin’ny Soratra Masina ny hoe “Andriamanitra”, “Tompo Fara Tampony”, “Mpamorona”, “Ray”, “ilay Mahery Indrindra”, ary “ilay Avo Indrindra.” Ny anarany hoe Jehovah ihany anefa no tena mahalaza azy sy ny toetrany.​—Sl 83:18.

Ny tena fanononana an’ilay anarana. “Jehovah” no tena mahazatra amin’ny teny malagasy, na dia “Iaveh” aza no tian’ny ankamaroan’ny manam-pahaizana momba ny teny hebreo. Renisoratra efatra antsoina hoe Litera Efatra no nanoratana an’ilay anarana ao amin’ny sora-tanana hebreo tranainy indrindra. Soratana hoe יהוה izy ireo (avy any ankavanana no miankavia), ary azo adika hoe YHWH (na JHVH).

Inona kosa no zanatsoratra miaraka amin’ireo renisoratra ireo? Nanomboka tamin’ny taona 500 tany ho any vao nasiana teboka solon’ny zanatsoratra ny teny hebreo. (Jereo HEBREO, II [Abidy sy litera hebreo].) Noho ny finoanoam-poana efa nisy tany aloha anefa, dia tsy fantatra hoe inona no zanatsoratra tokony hampiasaina amin’ny anaran’Andriamanitra.

Nanjary tsy fantatra ilay anarana, noho ny finoanoam-poana. Nanjary ninonino foana ny Jiosy hoe tsy azo atao ny manonona ny anaran’Andriamanitra (ireo Litera Efatra). Tsy tena fantatra ny niandohan’izany. Misy nilaza fa masina loatra ilay anarana, ka tsy tokony hotononin’ny olona tsy lavorary. Tsy hita ao amin’ny Soratra Hebreo mihitsy anefa hoe nisy mpanompon’Andriamanitra nisalasala nanonona an’ilay anarana. Nampiasain’ireo olona nifanoratra tany Palestina aza ilay anarana, tamin’ny faramparan’ny taonjato fahafito T.K. Manaporofo izany ny asa soratra hebreo sasany tsy ara-baiboly, toy ireo Vakin-tanimanga Tany Lakisy.

Misy indray mihevitra fa tsy tian’ny Jiosy ho fantatry ny tsy Jiosy ilay anarana, sao hampiasain’izy ireo amin’ny fomba ratsy, hono. I Jehovah anefa no nilaza fa hataony izay ‘hanambarana ny anarany eran-tany’ (Ek 9:16; ampit. 1Ta 16:23, 24; Sl 113:3; Ml 1:11, 14), mba ho fantatry ny fahavalony mihitsy aza izany. (Is 64:2) Nahafantatra sy nampiasa an’ilay anarana tokoa ny firenena mpanompo sampy velona talohan’i Kristy, sy tamin’ireo taonjato voalohandohany taorian’i Kristy. (Ny Rakipahalalana Jiosy, 1976, Boky Faha-12, p. 119) Misy kosa milaza fa natahotra ny Jiosy sao hampiasaina amin’ny asan’ny maizina ilay anarana. Tsy mitombina anefa izany, satria vao mainka aza tian’ny mpampiasa herin’ny maizina ny mampiasa anarana mifono mistery.

Oviana no nanomboka ilay finoanoam-poana? Tsy tena fantatra ny antony nahatonga ny Jiosy tany aloha tsy hampiasa intsony an’ilay anarana, sy ny fotoana nanombohan’ilay finoanoam-poana. Misy milaza fa taorian’ny sesitany tany Babylona (607-537 T.K.) izany, satria tsy nampiasa firy an’ilay anarana, hono, ireo mpanoratra ny boky ao amin’ny Soratra Hebreo tatỳ aoriana kokoa. Tsy mitombina anefa izany. Nampiasa imbetsaka an’ilay anarana, ohatra, i Malakia, izay nanoratra ny boky farany ao amin’ny Soratra Hebreo (teo antenatenan’ny taonjato fahadimy T.K.).

Resahin’ny boky maro fa tsy nampiasaina intsony ilay anarana, tamin’ny 300 T.K. tany ho any. Natomboka tamin’ny 280 T.K. tany ho any mantsy ny fandikana ny Soratra Hebreo ho amin’ny teny grika, na ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, nefa tsy hita ao, hono, ireo Litera Efatra (na ny nanoratana an’ilay anarana amin’ny teny grika). Marina fa nosoloana an’ireo teny grika hoe Kyriôs (Tompo) na Teôs (Andriamanitra) ireo Litera Efatra, ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo sora-tanana misy ankehitriny. Vao tamin’ny taonjato fahefatra sy fahadimy A.K. anefa ireny sora-tanana ireny. Misy kosa sora-tanana tranainy kokoa, na dia ampahany fotsiny aza, manaporofo fa tena nisy ny anaran’Andriamanitra ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo natao tany am-boalohany.

Iray amin’ireny ny horonana papyrus efa rovidrovitra misy ampahany amin’ny bokin’ny Deoteronomia, antsoina hoe P. Fouad Inventory No. 266. (SARY, Boky 1, p. 326) Hita ao foana ny Litera Efatra amin’ny soratra hebreo, isaky ny andininy nisy azy tamin’ny teny hebreo. Lazain’ny manam-pahaizana fa tamin’ny taonjato voalohany T.K. io horonana io. Nosoratana 400 na 500 taona talohan’ireo sora-tanana voalaza etsy aloha àry izy io.​—Jereo Fanazavana Fanampiny (TV), p. 1854-1857.

Oviana ny Jiosy no tsy nanonona intsony ny anaran’Andriamanitra?

Hita teo fa tsy misy asa soratra manaporofo hoe talohan’i Kristy no tsy nampiasaina intsony ny anaran’Andriamanitra. Toa tamin’ny taonjato voalohany A.K. vao nisy finoanoam-poana momba ilay anarana. Noresahin’i Josèphe, Jiosy mpahay tantara avy tamin’ny fianakaviana mpisorona, ohatra, ny fomba nampahafantaran’Andriamanitra ny tenany tamin’i Mosesy, teo amin’ilay voaroy nirehitra. Hoy izy: “Dia nampahafantarin’Andriamanitra azy ny anarany, izay mbola tsy ren’olona mihitsy talohan’izay, ary tsy azoko tononina.” (Rakitry ny Ela Jiosy, II, 276 [xii, 4]) Tsy marina anefa ny filazany hoe tsy nisy nahalala ny anaran’Andriamanitra talohan’i Mosesy. Tsy tena mazava koa ny fitantarany, ka tsy ahafantarana raha nanonona sy nampiasa an’ilay anarana ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany, na tsia.

Ampahany amin’ny Salamo; Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Miverimberina eo ireo Litera Efatra amin’ny teny hebreo tranainy

Somary mazava kokoa ny fanazavan’ny Mishnah jiosy. I Joda Printsy, raby tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo A.K., no nanangona an’ireo lovantsofina sy fampianaran’ny raby, ka nanambatra an’ireny tao amin’ny Mishnah. Resahin’izy io, ohatra, izay nitranga talohan’ny nandravana an’i Jerosalema sy ny tempoliny tamin’ny taona 70. Hoy anefa ny manam-pahaizana iray, momba ny Mishnah: “Tena sarotra ny mamantatra raha marina ara-tantara ny lovantsofina ao amin’ny Mishnah, na tsia. Tsy tokony hohadinoina mantsy fa efa ela ireo zava-nitranga noresahina, ka mety tsy ho tadidy tsara na mety ho zavatra hafa mihitsy no tadidy. Nisy fikomiana indroa sy fandresen’ny Romanina indroa koa niteraka korontana sy fiovana ary sahotaka ara-politika. Ary tsy nitovy hevitra ny Fariseo (voasoratra ao amin’ny Mishnah ny hevitr’izy ireo) sy ny Sadoseo momba ny hoe inona no fitsipika tsara. ... Miharihary koa fa fomba fihevitr’ireo avara-pianarana fotsiny ny ankamaroan’izay voalaza ao amin’ny Mishnah, fa tsy zava-nitranga teo amin’ny tantara (raha ny fahitana azy).” (Ny Mishnah, nadikan’i H. Danby, Londres, 1954, p. 14, 15) Hita manaraka eto ny zavatra sasany voalazan’ny Mishnah momba ny fanononana ny anaran’Andriamanitra.

Izao no voalazan’ilay Mishnah nadikan’i Danby, momba ny Andro Fandrakofam-pahotana fanao isan-taona: “Raha vao nahare an’ilay Anarana notononin’ny Mpisoronabe ny mpisorona sy ny vahoaka nijoro teo amin’ny Tokotanin’ny Tempoly, dia nandohalika sy niankohoka tamin’ny tany ary niteny hoe: ‘Hankalazaina mandrakizay doria anie ny lazan’ny voninahitry ny fanjakany!’” (Yôma 6:2) Hoy ny Sôta 7:6 momba ny fisaorana ataon’ny mpisorona isan’andro: “Ilay Anarana voasoratra mihitsy no notononin’ireo tao amin’ny Tempoly, fa ireo tany amin’ny faritany kosa nanolo azy io tamin’ny anarana hafa.” Milaza kosa ny Synedriona 7:5 fa ‘rehefa nanonona an’ilay Anarana’ ihany vao meloka izay nanevateva an’Andriamanitra. Voalaza ao koa fa nosoloana anarana hafa ilay anarana, nandritra ny fitsarana an’izay voampanga sy ny fihainoana ny vavolombelona rehetra. Tamin’ny farany vao nasaina niresaka mitokana an’izay ‘tena reny’ ny vavolombelona voalohany. Nanonona ny anaran’Andriamanitra angamba izy tamin’izay. Mitanisa an’izay “tsy ho tafiditra ao amin’ilay tontolo ho avy” ny Synedriona 10:1, ka milaza hoe: “Hoy i Aba Saoly: Anisan’ireny izay manonona an’ilay Anarana voasoratra.” Misy fampirisihana koa anefa ao amin’ny fizarana voalohany ao amin’ny Mishnah hoe ‘tokony hampiasa ny Anaran’Andriamanitra ny olona rehefa miarahaba’, toy ny nataon’i Boaza (Rt 2:4).​—Berakôt 9:5.

Toa asehon’ireo lovantsofina ireo fa talohan’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70 ny Jiosy, no nanomboka ninonino foana ka tsy nampiasa ny anaran’Andriamanitra. Ny mpisorona tany amin’ny faritany ihany anefa no voalaza fa nampiasa anarana hafa ho solon’ilay anarana. Efa hitantsika teo aloha koa fa tsy azo antoka raha marina ara-tantara ny lovantsofina ao amin’ny Mishnah.

Tsy mitombina mihitsy àry ny filazana fa talohan’ny taonjato voalohany na faharoa no efa nanomboka ninonino foana ny Jiosy, ka tsy nampiasa intsony ny anaran’Andriamanitra. Tatỳ aoriana anefa, dia nosoloany hoe ʼAdônai (Tompo Fara Tampony) na hoe ʼElôhim (Andriamanitra) ny anaran’Andriamanitra, na ireo Litera Efatra, rehefa namaky ny Soratra Hebreo tamin’ny teny hebreo izy ireo. Ny teboka solon’ny zanatsoratra ho an’ny ʼAdônai na ʼElôhim mantsy no nataon’ireo mpanao dika soratra teo amin’ireo Litera Efatra, nanomboka tamin’ny taona 500 ka hatramin’ny 1000 tany ho any, mba tsy hanononan’ny mpamaky ny anaran’Andriamanitra. Mazava ho azy fa nosoloana hoe Kyriôs sy Teôs daholo ireo Litera Efatra, ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo nadika tatỳ aoriana.​—Jereo TOMPO.

Natao toy izany koa ireo Baiboly nadika tamin’ny fiteny hafa, toy ny Vulgate latinina. Tsy ahitana ny anaran’Andriamanitra àry ny Baiboly katolika Dikan-tenin’i Douay (1609-1610), satria ny Vulgate latinina no niaingany. Ny Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara (2004) kosa manao hoe TOMPO na ANDRIANANAHARY (natao sora-baventy) ho solon’ny Litera Efatra, ao amin’ny Soratra Hebreo.

Ahoana no tena fanononana ny anaran’Andriamanitra?

Tsy misy zanatsoratra ny teny hebreo tranainy. Nampiditra teboka solon’ny zanatsoratra àry ny manam-pahaizana jiosy, nanomboka tamin’ny taona 500 tany ho any. Teboka solon’ny zanatsoratra hafa anefa no nampidirin’izy ireo teo amin’ny anaran’Andriamanitra, mba hovakin’ny olona hoe ʼAdônai (Tompo Fara Tampony) na hoe ʼElôhim (Andriamanitra) izy io.

Misy teboka solon’ny zanatsoratra ireo Litera Efatra ka vakina hoe Yehvah na Yehvih na Yehôvah, ao amin’ny Kôdeksa Leningrad B 19A tamin’ny taonjato faha-11. Vakina hoe Yehôvah kosa ny anaran’Andriamanitra, ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta natontan’i Ginsburg. (Ge 3:14) Milaza ny ankamaroan’ny manam-pahaizana momba ny teny hebreo fa “Yahveh” na “Iaveh” no tena fanononana an’ilay anarana. Yah (Jah amin’ny teny latinina) mantsy, hono, no fanafohezana azy io, toy ilay ao amin’ny Salamo 89:8 sy amin’ilay teny hoe Halelo-Yah (midika hoe “Miderà an’i Jah!”). (Sl 104:35; 150:1, 6) Mety ho avy amin’ny hoe Yahveh koa ny hoe Yehôh na Yôh na Yah na Yaho, ao amin’ny anarana hoe Josafata sy Sefatia ary anaran-kafa amin’ny teny hebreo. Nampiasa ny hoe Iabe sy Iaoe, izay mitovitovy fanononana amin’ny hoe Yahveh, ireo Kristianina mpanoratra voalohany, rehefa nanoratra ny anaran’Andriamanitra tamin’ny teny grika. Tsy mitovy hevitra anefa ireo manam-pahaizana hoe ahoana marina no tena fanononana an’ilay anarana, fa misy koa aza milaza hoe “Yahova”, “Yahoah”, na “Yehoah.”

Tsy fantatra ankehitriny hoe ahoana marina no tena fanononana an’ilay anarana, ka tsy tokony hosoloana ilay anarana efa mahazatra amin’ny teny malagasy hoe “Jehovah.” Raha soloana mantsy izy io, dia tokony hovana koa ny fomba fanoratra sy fanononana ny anarana maro ao amin’ny Baiboly: Jeremia lasa hoe Yirmeyah, Isaia lasa hoe Yeshaʽyaho, ary Jesosy lasa hoe Yehôhshoaʽ (toy ny amin’ny teny hebreo) na Iesos (toy ny amin’ny teny grika). Natao hampitana hevitra ny teny. Mahalaza tsara an’ilay tena Andriamanitra anefa ny anarana hoe Jehovah amin’ny teny malagasy, ka tsy mila soloana intsony.

Tena zava-dehibe ilay anarana. Tsy mampiasa ny anaran’Andriamanitra mihitsy ny manam-pahaizana sy mpandika Baiboly maro ankehitriny. Tsy fantatra mantsy, hono, ny tena fanononana azy io. Fara tampony sy tsy manan-tsahala koa, hono, ilay tena Andriamanitra, ka tsy mila anarana mampiavaka azy. Tsy milaza an’izany anefa ny boky ao amin’ny Soratra Masina, na ireo nosoratana talohan’i Kristy, na ireo ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.

Miseho im-6828 ireo Litera Efatra, ao amin’ny Soratra Hebreo ao amin’ny Biblia Hebraica sy ny Biblia Hebraica Stuttgartensia. Miseho in-6979 kosa ny anaran’Andriamanitra, ao amin’ny Soratra Hebreo ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Naverin’ireo mpandika teny tamin’ny laoniny mantsy ilay anarana, isaky ny nosoloan’ny mpanora-dalàna hoe ʼAdônai na ʼElôhim. (Jereo Fanazavana Fanampiny [TV], p. 1851-1854.) Tena zava-dehibe amin’ilay Nampanoratra ny Baiboly ny anarany, matoa miverina imbetsaka mihoatra noho ny anaram-boninahiny hoe “Tompo Fara Tampony” na “Andriamanitra.”

Tena zava-dehibe koa ny anarana ao amin’ny Soratra Hebreo sy tamin’ireo taranak’i Sema. Hoy i G. Manley, manam-pahaizana momba ny Baiboly: “Tena misy heviny lehibe ny ‘anarana’ amin’ny teny hebreo, araka ny hita ao amin’ny Test[amenta] T[aloha]. Tsy anarana fe anarana fotsiny izany, fa mahalaza ny tena maha izy an’ilay tompon’anarana. ... Rehefa ampitondrain’ny olona ny ‘anarany’ ny zavatra na olona iray, dia lasa eo ambany fifehezany sy fiarovany izy io.”​—Diksionera Vaovaon’ny Baiboly, nataon’i J. Douglas, 1985, p. 430; ampit. Talmoda ho An’ny Rehetra, nataon’i A. Cohen, 1949, p. 24; Ge 27:36; 1Sa 25:25; Sl 20:1; Oh 22:1; jereo ANARANA.

Tsy mampiavaka azy ny hoe “Andriamanitra” na “Ray.” Tsy anarana mampiavaka an’ilay tena Andriamanitra ny hoe “Andriamanitra” (na ny kibo aza azo atao andriamanitra; Fi 3:19). Ao amin’ny Soratra Hebreo, dia samy atao hoe ʼElôhim na i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, na ireo andriamani-diso toa an’i Dagona, andriamanitry ny Filistinina (Mpts 16:23, 24; 1Sa 5:7), sy Nisroka andriamanitry ny Asyrianina. (2Mp 19:37) Tsy ho fantatra àry hoe iza marina no nivavahan’ny Hebreo iray, raha nilaza tamin’ny Filistinina na Asyrianina izy fa nivavaka ‘tamin’Andriamanitra [ʼElôhim].’

Manazava tsara ny maha samy hafa ny hoe ʼElôhim (Andriamanitra) sy hoe Jehovah Ny Diksioneram-panjakana Momba ny Baiboly. Hoy izy io momba ny hoe Jehovah: “Anaran-tsamirery foana izy io, ary ilazana an’Andriamanitra irery ihany. Anarana iombonana kosa ny Elôhim, ka ilazana an’ilay Fara Tampony tokoa, kanefa tsy voatery ho izany foana. ... Mety hilaza hoe ilay Elôhim ny Hebreo, mba hanavahana an’ilay tena Andriamanitra amin’ny andriamani-diso rehetra. Tsy hilaza mihitsy anefa izy hoe ilay Jehovah, satria Jehovah no anaran’ilay hany tena Andriamanitra. Milaza foana koa izy hoe Andriamanitro ..., fa tsy hilaza mihitsy hoe Jehovah-ko, satria i Jehovah ihany no tiany holazaina amin’ny hoe Andriamanitro. Miresaka momba an’ilay Andriamanitry ny Israely koa izy, fa tsy hilaza mihitsy hoe Jehovah-n’ny Israely, satria tsy misy Jehovah hafa. Miresaka momba an’ilay Andriamanitra velona izy, fa tsy hilaza mihitsy hoe ilay Jehovah velona, satria velona foana i Jehovah aminy.”​—Nataon’i P. Fairbairn, Londres, 1874, Boky I, p. 856.

Samy iantsoana an’ilay tena Andriamanitra sy ireo andriamanitra sampy toa an’i Zeosy sy Hermesy (antsoin’ny Romanina hoe Jopitera sy Merkory) koa ilay teny grika hoe Teôs (Andriamanitra). (Ampit. As 14:11-15.) Marina tokoa ny tenin’i Paoly hoe: “Fa na misy aza ireo antsoina hoe ‘andriamanitra’, na any an-danitra na eto an-tany, toy ny isian’ny ‘andriamanitra’ maro sy ‘tompo’ maro, dia tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana ihany amintsika, dia ny Ray, izay niavian’ny zava-drehetra, ary ho azy isika.” (1Ko 8:4-6) Mbola misy mivavaka amin’andriamanitra maro amin’izao taonjato faha-21 izao, ka tena ilaina ny manavaka an’ilay tena Andriamanitra amin’izy ireny.

Tsy “Ray” akory no anaran’ilay tena Andriamanitra, raha nilaza i Paoly hoe ‘Andriamanitra, dia ny Ray.’ Ilazana an’izay lehilahy niteraka mantsy ny hoe “ray”, ary manana heviny hafa koa izy io. (Ro 4:11, 16; 1Ko 4:15) Manana anaram-boninahitra hoe “Ray Mandrakizay”, ohatra, ny Mesia. (Is 9:6) Nantsoin’i Jesosy hoe ‘rain’ireo’ mpanohitra azy i Satana. (Jn 8:44) Natao hoe “ray” koa ny andriamanitr’ireo firenena. Nantsoina hoe ray lehibe, ohatra, i Zeosy, andriamanitra grika, ao amin’ny tononkalon’i Homère. Resahin’ny Baiboly fa manana anarana hafa noho ny an’ny Zanany ilay ‘Andriamanitra, dia ny Ray.’ (Mt 28:19; Ap 3:12; 14:1) Fantatr’i Paoly ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, hita ao amin’ny fitantaran’ny Genesisy momba ny famoronana. Noresahiny kely tao amin’ny boky nosoratany mantsy ilay fitantarana. Ny anarana hoe “Jehovah” àry no mampiavaka an’ilay ‘Andriamanitra, dia ny Ray’ (ampit. Is 64:8), fa tsy ny hoe ‘andriamanitra’ na ‘ray’, izay anaram-boninahitra iantsoana ny hafa koa.

Tsy andriamanitry ny firenena iray. Antsoina hoe “Andriamanitry ny Israely” sy ‘Andriamanitry ny razan’izy ireo’ i Jehovah. (1Ta 17:24; Ek 3:16) Tsy andriamanitry ny firenena iray anefa izy, na dia nifandray akaiky tamin’ny Hebreo sy ny firenen’Israely aza. Hoy mantsy ny apostoly Paoly: “Andriamanitry ny Jiosy ihany ve izy? Tsy Andriamanitry ny hafa firenena koa ve izy? Eny, an’ny hafa firenena koa.” (Ro 3:29) “Andriamanitry ny tany manontolo” (Is 54:5) i Jehovah, sady Andriamanitr’izao rehetra izao koa, satria “Mpanao ny lanitra sy ny tany” izy. (Sl 124:8) Nampanantena izy rehefa nanao fifanekena tamin’i Abrahama, 2 000 taona teo ho eo talohan’ny nanoratan’i Paoly, fa hahazo fitahiana ny olona avy amin’ny firenena rehetra. Tiany handray soa àry ny olombelona rehetra.​—Ge 12:1-3; ampit. As 10:34, 35; 11:18.

Nolavin’i Jehovah Andriamanitra ny firenen’Israely tatỳ aoriana satria nivadika. Ny Israely ara-panahy indray, na ny fiangonana kristianina, no nitondra ny anarany, na dia nisy tsy Jiosy aza lasa anisan’io firenena vaovao io. Nilaza àry i Jakoba mpianatr’i Jesosy, rehefa nitarika fivoriana kristianina tany Jerosalema, fa “nihevitra ny hafa firenena [Andriamanitra] mba hangalany olona avy amin’ireo [tsy Jiosy] mba hitondra ny anarany.” Naka teny tao amin’ny faminanian’i Amosa izy avy eo, mba hanaporofoana fa efa nambara mialoha izany. Ahitana ny anarana hoe Jehovah ilay faminaniana.​—As 15:2, 12-14; Am 9:11, 12.

Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Tena mahagaga hoe tsy hita ao amin’ny sora-tanana ankehitriny misy ny Soratra Grika Kristianina ny anaran’Andriamanitra. Tsy hita ao amin’ny ankamaroan’ny Testamenta Vaovao amin’ny fiteny maro koa izy io. Ao amin’ny Apokalypsy 19:1, 3, 4, 6 anefa ilay anarana, raha ny marina, fa nohafohezina ilay izy ao amin’ilay teny hoe “Aleloia” (Kat.), “Haleloia” (Prot., JM) na “Haleloià” (DIEM). Voalaza ao fa ireo anjely any an-danitra no mampirisika hoe: “Miderà an’i Jah!” (TV) Mbola zava-dehibe sy tena ilaina foana àry ny mampiasa ny anaran’Andriamanitra, toy ny talohan’ny andro kristianina ihany. Nahoana anefa izy io no tsy hita intsony ao amin’ny Soratra Grika Kristianina maro ankehitriny?

Nahoana ilay anarana no tsy hita ao amin’ny sora-tanana tranainy misy ny Soratra Grika Kristianina?

Tsy nampiasa ny anarana hoe Jehovah, hono, ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina rehefa naka teny tao amin’ny Soratra Hebreo, satria ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo no niaingany. Nosoloana hoe Kyriôs na Teôs daholo mantsy, hono, ireo Litera Efatra tao amin’io fandikan-teny io. Efa hitantsika teo aloha anefa fa tsy mitombina izany. Nilaza, ohatra, ny Pr. P. Kahle fa tena ahitana ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo ny ampahany amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo tranainy indrindra hita hatramin’izao. Hoy izy: “Fantatsika izao fa tsy nadika hoe kyriôs ny anaran’Andriamanitra ao amin’ilay Baiboly grika [ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo] nadikan’ny Jiosy ho an’ny Jiosy, fa nosoratany tamin’ny teny hebreo na grika ireo Litera Efatra, ao amin’ireo [sora-tanana] ireo. Ny Kristianina no nanolo an’ireo Litera Efatra tamin’ny hoe kyriôs, rehefa tsy nisy nahay intsony ilay anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo.” (Ny Genizà tao Le Caire, Oxford, 1959, p. 222) Oviana àry no nitranga izany fanovana izany?

Nitranga izany taonjato vitsivitsy taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy ny apostoliny. Mbola nampiasa an’ireo Litera Efatra amin’ny teny hebreo mantsy ny dikan-teny grika nataon’i Aquila tamin’ny taonjato faharoa. Nanao an’ilay boky hoe Hexaple i Origène, manam-pahaizana malaza, tamin’ny 245 tany ho any. Misy tsanganana enina izy io: 1) Ny Soratra Hebreo amin’ny teny hebreo sy aramianina tany am-boalohany, 2) ny Soratra Hebreo natao litera grika, sy ireo dikan-teny grika nataon’i 3) Aquila, 4) Symmaque, 5) sy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, ary 6) ilay nataon’i Théodotion. Hoy ny Pr. W. Waddell momba an’io boky io: “Samy ahitana ny hoe ΠΙΠΙ, izay mifanitsy amin’ny hoe JHWH, ny dikan-teny grika nataon’i Aquila sy Symmaque ary ny LXX [Fandikan-tenin’ny Fitopolo], ... ao amin’ny Hexaple nataon’i Origène. Natao tamin’ny soratra hebreo kosa ireo Litera Efatra, eo amin’ny tsanganana faharoa ao amin’ilay Hexaple.” (Ny Gazetin’ny Fianarana Teolojia, Oxford, Boky Faha-45, 1944, p. 158, 159) Misy mihevitra fa nisy an’ireo Litera Efatra amin’ny teny hebreo ny tsanganana rehetra tao amin’ny Hexaple. Nilaza koa i Origène, rehefa nanazava ny Salamo 2:2, fa “ahitana ILAY ANARANA amin’ny teny hebreo ao amin’ireo sora-tanana tsy misy diso, saingy tsy amin’ny [teny] hebreo ankehitriny, fa amin’ny teny hebreo tranainy indrindra.”​—Patrologia Graeca, Paris, 1862, Boky Faha-12, tsang. 1104.

Hoy i Jérôme, izay nandika ny Vulgate latinina tamin’ny taonjato fahefatra, ao amin’ny sasin-teniny momba an’ireo bokin’i Samoela sy ireo bokin’ny Mpanjaka: “Na hatramin’izao aza dia ahitantsika an’ireo Litera Efatra [izany hoe יהוה], na ny anaran’Andriamanitra amin’ny soratra fahiny, ao amin’ny boky grika sasany.” Nanoratra toy izao izy tany Roma, tamin’ny 384: “Ireo Litera Efatra ilay anarana fahasivy [anaran’Andriamanitra], izay noheverin’izy ireo ho [anekfônetôn] na tsy hay tononina, ary nosoratana tamin’ireo litera Iôda, He, Vao, He. Misy anefa olona tsy mahay ka mamaky an’ilay izy hoe ΠΙΠΙ [teny grika mifanitsy amin’ny teny romanina hoe PIPI], rehefa mahita an’ilay izy ao amin’ny boky grika, satria toa mitovitovy ny fanoratra an’ireo.”​—Taratasy Papyrus Grika Ara-Baiboly (frantsay), nataon’i F. Dunand, Le Caire, 1966, p. 47, f.a.p. 4.

Ireo nihambo ho Kristianina àry no “nanolo an’ireo Litera Efatra tamin’ny hoe kyriôs” tao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo nadikany tatỳ aoriana, fa tsy ny mpianatr’i Jesosy voalohany. Nanao izany izy ireo, rehefa nivadi-pinoana araka ny voalazan’ny faminaniana, ka nanova ny fampianarana madio ao amin’ny Baiboly.​—2Te 2:3; 1Ti 4:1.

Nampiasa an’ilay anarana i Jesosy sy ny mpianany. Tena hita tao amin’ny Soratra Masina (sora-tanana hebreo sy grika) natao dika mitovy àry ny anaran’Andriamanitra, tamin’ny andron’i Jesosy sy ny mpianany. Nampiasa an’ilay anarana ve izy ireo, rehefa nampianatra na nanoratra boky? Nomelohin’i Jesosy ireo Fariseo fatra-panaraka fomban-drazana (Mt 15:1-9), ka azo antoka fa tsy nanaraka ny fomba fihevitr’izy ireo (toy ilay ao amin’ny Mishnah) momba ilay anarana i Jesosy sy ny mpianany. Ny anaran’i Jesosy aza midika hoe “I Jehovah dia Famonjena.” Hoy izy: ‘Tonga amin’ny anaran’ny Raiko aho.’ (Jn 5:43) Nampianatra ny mpianany hivavaka toy izao izy: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!” (Mt 6:9) Nilaza koa izy fa nataony ‘tamin’ny anaran’ny Rainy’ ny asany. (Jn 10:25) Ary nilaza izy rehefa nivavaka ny alina talohan’ny nahafatesany, fa efa nampahafantariny ny mpianany ny anaran-dRainy. Nangataka koa izy hoe: “Ray Masina ô, arovy izy ireo noho ny amin’ny anaranao.” (Jn 17:6, 11, 12, 26) Azo antoka àry fa nampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah i Jesosy, rehefa naka teny tao amin’ny Soratra Hebreo na namaky tao. (Ampitahao Mt 4:4, 7, 10 sy De 8:3; 6:16; 6:13; Mt 22:37 sy De 6:5; Mt 22:44 sy Sl 110:1; ary Lk 4:16-21 sy Is 61:1, 2.) Azo inoana fa nanao toy izany koa ny mpianany, anisan’izany ireo nanoratra ny Soratra Grika Kristianina.

Nahoana àry no tsy hita ao amin’ny sora-tanana ankehitriny misy ny Soratra Grika Kristianina, na ao amin’ilay hoe Testamenta Vaovao ny anaran’Andriamanitra? Satria nanova an’ireo asa soratry ny apostoly sy ny mpianatr’i Jesosy, ireo nanao dika mitovy azy ireny (nanomboka tamin’ny taonjato fahatelo). Azo inoana àry fa novan’izy ireo hoe Kyriôs sy Teôs ireo Litera Efatra. (SARY, Boky 1, p. 324) Izany tokoa no natao tamin’ireo Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo naverina nadika tatỳ aoriana.

Naverina amin’ny laoniny ilay anarana. Fantatry ny mpandika Baiboly sasany fa nisy nanova ny anaran’Andriamanitra, ka nampidirin’izy ireo ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ilay anarana hoe Jehovah. Miverimberina ao amin’ny The Emphatic Diaglott, nadikan’i Benjamin Wilson tamin’ny taonjato faha-19, ohatra, ny hoe Jehovah, indrindra fa ao amin’ireo andininy mamerina an’izay voalaza ao amin’ny Soratra Hebreo. Efa tamin’ny 1533 anefa i Anton Margaritha no nampiditra an’ireo Litera Efatra tao amin’ireo andininy avy ao amin’ny Soratra Grika Kristianina nadikany tamin’ny teny hebreo. Nampiasa an’ireo Litera Efatra koa ireo nandika Baiboly ho amin’ny teny hebreo tatỳ aoriana, isaky ny andininy nisy an’ilay anarana tao amin’ny Soratra Hebreo ka naverina ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.

Soratra Grika Kristianina amin’ny fiteny vitsivitsy, misy ny anaran’Andriamanitra:

Ny Testamenta Vaovaon’i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy Antsika, nadikan’i John Eliot (fitenin’ny foko massachuset); natonta tany Cambridge, Mass.; 1661; Matio 21:9

Dikan-teny Anglisin’ny Testamenta Vaovao ... avy Amin’ny Sora-tanana Vaticanus, nataon’i Herman Heinfetter; natonta tany Londres; 1864; Marka 12:29, 30

Novum Testamentum Domini Nostri Iesu Christi, nadikan’i Elias Hutter (ny amin’ny teny hebreo); natonta tany Nuremberg; 1599; Efesianina 5:17

Sämtliche Schriften des Neuen Testaments, nadikan’i Johann Stolz (alemà); natonta tany Zurich; 1781-1782; Romanina 15:11

Mety tokoa ny nataon’izy ireo. Nilaza toy izao mantsy i R. Girdlestone, talen’ny Wycliffle Hall, Oxford, talohan’ny nahitana sora-tanana manaporofo fa nisy hoe Jehovah ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo tany am-boalohany: “Raha nisy an’ilay teny [hoe Jehovah] io dikan-teny io [Fandikan-tenin’ny Fitopolo], na nampiasa teny grika samy hafa ho an’ny hoe Jehovah sy hoe Adônai, dia azo antoka fa nanao toy izany koa ireo nandaha-teny na nanaporofo hevitra voatantara ao amin’ny Test[amenta] V[aovao]. Mety ho nilaza àry ny Tompontsika hoe ‘Hoy i Jehovah tamin’ny Adôni’, rehefa namerina ny Salamo 110, fa tsy hoe ‘Hoy ny Tompo tamin’ny Tompoko.’”

Hoy koa izy: “Aoka hatao hoe misy manam-pahaizana mandika ny Testamenta Grika ho amin’ny teny hebreo. Tsy maintsy mandinika ny teny manodidina izy isaky ny mahita ny teny hoe Κύριος, mba hahafantarany hoe inona no teny hebreo tokony handikana azy io. Ary izany no zava-tsarotra ho an’izay rehetra mandika ny Test[amenta] V[aovao] ho amin’ny fiteny hafa, raha navela tao amin’ny Test[amenta] T[aloha] [ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo] ihany ny hoe Jehovah. Hanampy azy anefa ny Soratra Hebreo, ka raha mahita hoe ‘ny anjelin’ny Tompo’ izy, dia ho fantany fa i Jehovah ilay Tompo. Toy izany koa rehefa mahita hoe ‘ny tenin’ny Tompo’ na hoe ‘ny Tompon’ny maro’ izy, raha arahina ilay tao amin’ny Test[amenta] T[aloha]. Ho fantany kosa fa tsy mety ny hampiasana ny hoe Jehovah, rehefa mahita hoe ‘ny Tompoko’ na ‘ny Tompontsika’ izy. Adônai na Adôni no tokony hampiasainy amin’izay.” (Teny Mitovy Hevitra ao Amin’ny Testamenta Taloha, 1897, p. 43) Nanao toy izany koa ireo nandika ny Soratra Grika voalaza tetsy aloha, rehefa nampiditra ny hoe Jehovah.

Tena miavaka anefa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ampiasaina ato amin’ity boky ity, satria miverina im-237 ny hoe “Jehovah” ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Efa hitantsika teo fa misy antony marim-pototra izany.

Ilay anarana ao amin’ny Soratra Hebreo, sy ny heviny. Matetika ireo mamaky ny Eksodosy 3:13-16 sy 6:3 no mihevitra fa i Mosesy no voalohany nampahafantarina an’ilay anarana hoe Jehovah, talohan’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta. Marina fa nanontany i Mosesy hoe: “Aoka àry hatao hoe tonga any amin’ny zanak’Israely aho, ary miteny hoe: ‘Ilay Andriamanitry ny razanareo no naniraka ahy ho atỳ aminareo.’ Ary miteny amiko ry zareo hoe: ‘Iza no anarany?’ Dia inona no havaliko?” Tsy midika anefa izany fa tsy nahalala an’ilay anarana hoe Jehovah izy sy ny Israelita. Mety hidika hoe “I Jehovah dia Voninahitra”, ohatra, ny hoe Jokebeda, izay anaran’ny renin’i Mosesy. (Ek 6:20) Azo inoana àry fa ny toe-javatra nisy an’ireo Israelita no nahatonga an’i Mosesy hametraka an’ilay fanontaniana. Nandevozina nandritra ny taona maro mantsy izy ireo, nefa tsy nisy namonjy. Mety ho nisalasala na kivy ny sasany, na nanjary tsy nino loatra intsony hoe tena mikasa ny hanafaka azy ireo Andriamanitra, sady afaka manao izany. (Mariho koa ny Ezk 20:7, 8.) Mety ho tsy nampahery an’ireo Israelita nijaly àry i Mosesy, raha nilaza fotsiny hoe “Andriamanitra” (ʼElôhim) na ilay “Tompo Fara Tampony” (ʼAdônai) no naniraka azy. Fantatr’izy ireo mantsy fa nanana andriamanitra sy tompo koa ny Ejipsianina. Azo antoka fa nanesoeso azy ireo ny Ejipsianina hoe mahery kokoa ireo andriamanitr’i Ejipta.

Tsara hotadidina koa fa tena nisy heviny ny anarana tamin’izany, fa tsy “anarana fe anarana” fotsiny toy ny ankehitriny. Fantatr’i Mosesy, ohatra, fa novana hoe Abrahama (midika hoe “Rain’ny Vahoaka (Maro)”) ny anaran’i Abrama (midika hoe “Ny Ray dia Avo (Misandratra)”), novana hoe Saraha ny an’i Saray, ary hoe Israely ny an’i Jakoba, noho ny fikasan’Andriamanitra momba azy ireo. Nisy heviny ara-paminaniana koa ireo fanovana ireo. Nety ho nieritreritra àry i Mosesy hoe sao misy anarana vaovao hampahafantaran’i Jehovah ny tenany, mba hahafantarana ny fikasany momba ny Israelita. Hisolo tena Azy mantsy i Mosesy rehefa ho any amin’izy ireo, ary miankina amin’ilay ‘anarana’ sy ny hevitr’izy io ny halehiben’ny fahefan’i Mosesy, rehefa miteny amin’izy ireo izy. (Ampit. Ek 23:20, 21; 1Sa 17:45.) Nisy heviny lehibe àry ilay fanontanian’i Mosesy.

Hoy ny navalin’Andriamanitra azy tamin’ny teny hebreo: ʼEhyeh ʼAsher ʼEhyeh. Misy Baiboly mandika izany hoe “Izaho no Ilay misy.” Tsara homarihina anefa fa tsy midika fotsiny hoe “misy” ilay matoanteny hebreo hayah, niavian’ny teny hoe ʼEhyeh. Midika koa izy io hoe “tonga ho”, na “hoporofoina.” Tsy te hilaza Andriamanitra hoe misy izy, fa hoe mikasa ho tonga inona izy mba hanaovan-javatra ho an’ny hafa. Mety tsara àry ny nanaovan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao an’ilay tenin’i Jehovah hoe: “HOPOROFOIKO FA IZAHO ILAY MAHAVITA IZAY IRIKO.” Hoy koa izy: “Izao no holazainao amin’ny zanak’Israely: ‘Ilay HOPOROFOIKO no naniraka ahy ho atỳ aminareo.’”​—Ek 3:14.

Tsy niova akory ny anaran’Andriamanitra, fa nampahafantatra lafiny hafa tamin’ny toetrany fotsiny izy. Hoy mantsy izy: “Izao no holazainao amin’ny zanak’Israely: ‘Jehovah Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo.’ Izany no anarako mandritra ny fotoana tsy voafetra, sy hahatsiarovana ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.” (Ek 3:15; ampit. Sl 135:13; Ho 12:5.) Avy amin’ny matoanteny hebreo midika hoe “tonga ho” ilay anarana hoe Jehovah. Milaza àry ny manam-pahaizana maromaro fa ny dikan’ilay anarana dia hoe “Manao Izay Hahatonga Izy.” Mety tsara amin’i Jehovah io dikan’ny anarany io satria Mpamorona ny zava-drehetra sady Mpanatanteraka ny fikasany izy. Ilay tena Andriamanitra ihany no manan-jo hitondra an’ilay anarany.

Azontsika àry ny tian’i Jehovah holazaina tamin’i Mosesy, rehefa nilaza izy hoe: “Izaho no Jehovah. Niseho tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba aho, tamin’ny maha Andriamanitra Mahery Indrindra ahy. Fa ilay anarako hoe Jehovah kosa, mbola tsy tena nampahafantariko azy.” (Ek 6:2, 3) Efa samy nampiasa imbetsaka an’ilay anarana ireo razamben’i Mosesy ireo. Te hilaza àry i Jehovah fa mbola kely ihany ny zavatra nampahafantariny azy ireo momba ny tenany. Intỳ misy ohatra: Mbola tsy tena nahalala an’i Abrama tamin’ilay anarany hoe Abrahama (midika hoe “Rain’ny Vahoaka (Maro)”), ireo nahafantatra azy tamin’ny mbola i Ismaela fotsiny no zanany. Rehefa teraka i Isaka sy ny zanany lahy hafa ary niteraka koa ireo, vao azon’izy ireo kokoa ny dikan’ilay hoe Abrahama. Toy izany koa fa ho azon’ny Israelita kokoa izao ny hevitr’ilay anarana hoe Jehovah.

Tsy fahalalana ambangovangony fotsiny ny hoe “mahalala” eto. Nahafantatra ny anaran’i Davida, ohatra, i Nabala, nefa mbola nanontany ihany hoe: “Fa iza moa i Davida?” Te hilaza izy hoe: “Zinona koa izay Davida?” (1Sa 25:9-11; ampit. 2Sa 8:13.) Hoy koa i Farao tamin’i Mosesy: “Fa i Jehovah moa no iza no tokony hihaino ny feony aho, ka handefa ny Israely? Tsy fantatro mihitsy izany Jehovah izany, sady tsy alefako koa ny Israely.” (Ek 5:1, 2) Te hilaza i Farao fa tsy nekeny hoe i Jehovah no tena Andriamanitra, ka afaka nibaiko an’ilay mpanjakan’i Ejipta ny amin’izay tokony hataony. Tsy nekeny koa hoe afaka nanatanteraka ny sitrapony Izy, araka ny efa nambaran’i Mosesy sy Arona. Hahalala an’ilay tena Andriamanitra sy ny tena hevitry ny anarany anefa izao i Farao sy ny vahoakany ary ny Israelita. Hanatanteraka ny fikasany momba ny Israelita mantsy i Jehovah, araka ny efa nolazainy tamin’i Mosesy, ka hanafaka azy ireo ary hanome azy an’ilay Tany Nampanantenaina. Nanaja an’ilay fifanekena nifanaovany tamin’ny razamben’izy ireo izy tamin’izany. Inona no ho vokany? Hoy izy: “Ho fantatrareo tokoa fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo.”​—Ek 6:4-8; jereo MAHERY INDRINDRA.

Marina tokoa àry ny tenin’i D. Weir, manam-pahaizana momba ny teny hebreo, hoe “tsy nijery andininy hafa” ireo milaza fa ao amin’ny Eksodosy 6:2, 3 i Jehovah vao nampahafantatra ny anarany. Hoy koa izy: “Raha nijery izy ireo, dia ho takany fa tsy ireo vaninteny roa anoratana ny hoe Jehovah [amin’ny teny hebreo], no tiana holazaina amin’ny hoe anarana eto, fa ny hevitr’ilay anarana. Milaza, ohatra, ny Isaia 52:6 hoe: ‘Koa ny oloko dia hahalala ny anarako’; ny Jeremia 16:21 hoe: ‘Ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako’; ary ny Salamo, ny Sl 9:[10, 16] hoe: ‘Hatoky Anao izay mahalala ny anaranao.’ Hitantsika avy hatrany amin’ireo andininy ireo fa tsy hoe mahalala an’ireo litera efatra fotsiny no dikan’ny hoe mahalala ny anaran’i Jehovah, fa mahatakatra koa hoe tena mifanaraka amin’ny hevitry ny anarany ny maha izy an’i Jehovah. (Ampit. Is 19:20, 21; Ezk 20:5, 9; 39:6, 7; Sl 83:[18]; 89:[16]; 2Ta 6:33.)”​—Ny Diksioneram-panjakana Momba ny Baiboly, Boky I, p. 856, 857.

Fantatry ny mpivady voalohany. Tsy i Mosesy no voalohany nampahafantarina an’ilay anarana, satria efa fantatr’ilay lehilahy voalohany izy io. Miseho voalohany ao amin’ny Genesisy 2:4 izy io, aorian’ilay fitantarana momba an’ireo zavatra noforonin’Andriamanitra. Voalaza ao fa i “Jehovah Andriamanitra” no Mpamorona ny lanitra sy ny tany. Azo inoana fa noresahiny tamin’i Adama io fitantarana io. Tsy milaza izany mivantana ny Genesisy, no sady tsy milaza hoe noresahin’i Jehovah tamin’i Adama fa avy tamin’ny taolan-tehezany no nanaovana an’i Eva. Hita amin’izay nolazain’i Adama teo am-pahitana an’i Eva anefa fa efa nampahafantarina azy ilay izy. (Ge 2:21-23) Azo antoka fa be dia be ny resaka nifanaovan’i Jehovah sy ilay zanany teto an-tany, nefa tsy nosoratana ao amin’ny Genesisy.

Voalaza fa i Eva no olombelona nampiasa voalohany ny anaran’Andriamanitra. (Ge 4:1) Avy tamin’i Adama vadiny sady lohany no nahalalany an’ilay anarana, sy nahafantarany an’ilay didin’Andriamanitra momba ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy (na tsy milaza izany mivantana aza ny Genesisy).​—Ge 2:16, 17; 3:2, 3.

Resahin’ilay lahatsoratra ENOSA fa tamin’ny andron’i Enosa zafikelin’i Adama no “nanomboka nantsoina ny anaran’i Jehovah.” Toa tsy tamim-pinoana anefa no nanaovana izany ka tsy nankasitrahan’Andriamanitra. Voalaza mantsy fa i Enoka (fa tsy i Enosa) zanak’i Jareda ihany no nanam-pinoana, ka ‘niara-nandeha tamin’ilay tena Andriamanitra.’ Velona taorian’i Abela izy, saingy talohan’i Noa. (Ge 4:26; 5:18, 22-24; He 11:4-7) Avy tamin-dry Noa mianakavy no nahalalan’ny olona velona taorian’ny Safodrano ny anaran’Andriamanitra. Avy tamin’ireny olona ireny indray no nahafantaran’ireo niely avy tao amin’ny Tilikambon’i Babela azy io. Tamin’izany fomba izany no nahafantaran’i Abrahama sy ny taranany an’ilay anarana.​—Ge 9:26; 12:7, 8.

Ny mombamomba an’i Jehovah. I Jehovah no Mpamorona ny zava-drehetra, ilay Nampisy an’izao rehetra izao. Tsy nisy namorona àry izy, ary tsy nanam-piandohana. (Ap 4:11) “Tsy hita isa ny taonany.” (Jb 36:26) Tsy ho fantatra mihitsy hoe firy taona izy, satria tsy misy daty azo anombohana an’ilay fanisana. Mety ny iantsoana azy hoe “Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be”, satria efa nisy hatrizay hatrizay izy. (Da 7:9, 13) Tsy hanam-piafarana koa izy (Ap 10:6), satria tsy mety lo ary tsy mety maty. “Mpanjakan’ny mandrakizay” (1Ti 1:17) àry izy, ary toy ny fotoam-piambenana maharitra ora vitsivitsy monja aminy ny arivo taona.​—Sl 90:2, 4; Je 10:10; Ha 1:12; Ap 15:3.

Na izany aza, dia voalaza mazava tsara ao amin’ny tantara ny zavatra nataony, ny toerana nanaovany izany, ny olona nifandraisany, ary ny fotoana nitrangan’izany. Nanaraka fandaharam-potoana hentitra tsara izy tamin’izany. (Ge 15:13, 16; 17:21; Ek 12:6-12; Ga 4:4) Tsy azo lavina manerana izao rehetra izao fa velona mandrakizay izy. Rehefa mianiana àry izy hoe “Raha mbola velona koa aho”, dia manome antoka fa tsy maintsy ho tanteraka ny fampanantenany sy ny faminaniany. (Je 22:24; Ze 2:9; No 14:21, 28; Is 49:18) Nisy koa olona nianiana hoe: “Raha mbola velona koa i Jehovah.” (Mpts 8:19; Rt 3:13) Ny adala ihany no miteny hoe: “Tsy misy izany Jehovah izany.”​—Sl 14:1; 10:4.

Fahitana momba azy. Fanahy izy ka tsy hitan’ny mason’ny olombelona. (Jn 4:24) Tsy afaka milaza ny tena voninahiny tsy manan-tsahala àry ny olona mitantara ny mombamomba azy. (Is 40:25, 26) Tsy nisy nahita maso an’ilay Mpamorona (Jn 1:18), nefa nomeny fahitana ny amin’ny any an-danitra ny mpanompony sasany. Notantarain’izy ireo fa tena heni-kaja sy be voninahitra izy, nefa koa tony sy milamina sy tsara tarehy ary mahafinaritra ny manodidina ny seza fiandrianany.​—Ek 24:9-11; Is 6:1; Ezk 1:26-28; Da 7:9; Ap 4:1-3; jereo koa Sl 96:4-6.

Nampiasa teny an’ohatra sy fampitahana izy ireo, ka nampitoviny amin-javatra fantatsika toy ny vatosoa sy afo ary avana ny fahitany an’i Jehovah. Milaza an’Andriamanitra ho toy ny olona mihitsy aza ny Baiboly, ka miresaka momba ny ‘masony’, ny “sofiny”, ny ‘tavany’ (1Pe 3:12), ny ‘sandriny’ (Ezk 20:33), ny ‘tanany ankavanana’ (Ek 15:6) sy ny sisa. Tsy tian’ny manam-pahaizana sasany izany, kanefa izany no manampy antsika hahatakatra ny mombamomba an’i Jehovah Andriamanitra. Raha nampiasa fitenin’anjely mantsy izy mba hiresahana ny mombamomba azy, dia ho toy ny mampianatra matematika sarotra be amin’ankizikely vao mianatra manisa, na ho toy ny manazava loko amin’olona teraka jamba.​—Jb 37:23, 24.

Tsy tokony horaisina ara-bakiteny àry ny filazana an’Andriamanitra ho toy ny olona, tsy misy hafa amin’ny hoe tsy ara-bakiteny ny filazana azy an’ohatra ho “masoandro”, “ampinga”, na “Vatolampy.” (Sl 84:11; De 32:4, 31) Tsy mba toa antsika i Jehovah, satria tsy mila hazavana izy vao mahita (Ge 16:13), ka hitany na izay atao ao amin’ny haizina mikitroka aza. (Sl 139:1, 7-12; He 4:13) Mahita an’izay mitranga eran-tany izy (Oh 15:3), ary tsy mila fitaovana manokana mba hahitana ny zaza miforona ao an-kibon-dreniny. (Sl 139:15, 16) Tsy mila onjam-peo koa izy vao mandre, satria “reny” na izay lazaina anakampo aza. (Sl 19:14) Tsy vitan’olombelona ny mandrefy an’izao rehetra izao midadasika. Na ny lanitra aza anefa tsy omby itoeran’Andriamanitra, koa mainka fa izay trano na tempoly eto an-tany! (1Mp 8:27; Sl 148:13) Nasain’i Jehovah nampitandrina ny firenen’Israely i Mosesy, mba tsy hanao sarin’Andriamanitra ka hampitovy azy amin’ny lehilahy na zavaboary hafa. (De 4:15-18) Raha nilaza àry i Jesosy ao amin’ny Lioka fa “ny rantsantanan’Andriamanitra” no namoahany demonia, dia “ny fanahin’Andriamanitra” na ny hery ampiasainy no tiany holazaina, araka ny fitantaran’i Matio.​—Lk 11:20; Mt 12:28; ampit. Je 27:5 sy Ge 1:2.

Mampiharihary ny toetrany ny zavaboary. Hita miharihary eo amin’izay noforonin’i Jehovah ny toetrany sasany, na dia talohan’ny namoronana ny olona aza. (Ro 1:20) Be fitiavana izy, ohatra, matoa namorona. Tsy misy tsy ampy mantsy ao aminy, ary tsy miankina amin’iza na iza izy. Raha namorona anjely an-jatony tapitrisa àry izy, dia tsy hisy amin’ireo hampitombo ny fahalalany na hanatsara ny toetrany, izay efa tapitr’ohatra.​—Da 7:9, 10; He 12:22; Is 40:13, 14; Ro 11:33, 34.

Tsy midika anefa izany hoe tsy mahafaly azy ny zavaboariny. Natao “araka ny endrik’Andriamanitra” (Ge 1:27) ny olona, ka ny fifalian’ny raim-pianakaviana mahita ny zanany hendry sy tia azy, dia mitovy amin’ny fifalian’i Jehovah mahita ny zavaboariny manan-tsaina tia azy sy hendry ary manompo azy. (Oh 27:11; Mt 3:17; 12:18) Tsy ny fahazoany zavatra avy amin’ny zavaboariny akory no mahafaly azy, fa ny mahita azy ireo manaraka an-tsitrapo ny fitsipiny sady malala-tanana fa tsy tia tena. (1Ta 29:14-17; Sl 50:7-15; 147:10, 11; He 13:16) ‘Mampalahelo ny fony’ kosa ireo manao ratsy, na tsy miraharaha ny fitiavany, na manala baraka ny anarany ary mampijaly ny hafa.​—Ge 6:5-8; Sl 78:36-41; He 10:38.

Faly koa i Jehovah mampiasa ny heriny, mba hamoronana na hanaovan-javatra hafa. Misy zava-kendreny foana amin’izany, ary atosiky ny fitiavana izy. (Sl 135:3-6; Is 46:10, 11; 55:10, 11) Izy no Mpanome “ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra”, ka faly izy mitahy an’ireo zanany tsy mivadika, ho valisoan’izy ireo. (Jk 1:5, 17; Sl 35:27; 84:11, 12; 149:4) Tsy miankina amin’ny zavaboariny anefa ny mahasambatra azy, na dia Andriamanitra tsara fanahy aza izy, ary tsy baikon’ny fo fotsiny izy fa arahiny foana ny fitsipiny marina.

Ny fitiavana koa no nahatonga an’i Jehovah hanome voninahitra an’ilay Zanany Lahimatoa, ka namela azy hiara-miasa taminy tamin’ny famoronana ny zavaboary hafa rehetra hita maso sy tsy hita maso. Nampahafantariny antsika ao amin’ny Teniny izany, ka nomem-boninahitra ilay Zanany. (Ge 1:26; Kl 1:15-17) Tsy natahotra izy hoe hifaninana aminy ilay Zanany, satria natoky tanteraka izy fa izy ihany no manan-jo hitondra. (Ek 15:11) Natoky koa izy fa tsy hivadika aminy mihitsy izy io. Avelany hanao malalaka ny andraikiny ny anjely, ary anontaniany mihitsy aza ny hevitr’izy ireny indraindray ny amin’ny fomba hanatontosana izany.​—1Mp 22:19-22.

Miharihary eo amin’ny zavaboary hita maso ny toetran’i Jehovah tsy hita maso, araka ny tenin’ny apostoly Paoly. (Ro 1:19, 20) Tsy takatry ny saina ny haben’ny heriny, satria ‘asan’ny rantsantanany’ ireo vahindanitra goavana misy kintana an’arivony tapitrisa. (Sl 8:1, 3, 4; 19:1) Tena lalina koa ny fahendreny, ka raha oharina amin’ny kotroka mafy dia toy ny “bitsibitsika ihany” ny zavatra hain’ny olona momba ny zavaboary, na dia efa nikaroka sy nandalina an’arivony taona aza izy ireo. (Jb 26:14; Sl 92:5; Mpto 3:11) Nanaraka lamina maty paika tsara i Jehovah rehefa nanao ity tany ity, ka milamina sy mirindra tsara ny zava-drehetra noforoniny eto. (Ge 1:2-31) Tsy mahagaga àry raha nilaza ny mpanamory sambon-danitra tamin’ny taonjato faha-20 hoe toy ny vatosoa tsara tarehy eo amin’ny habakabaka no fahitany ny tany.

Ny nahalalan’i Adama azy tany Edena. Toetran’i Jehovah inona avy no hitan’ireo zanany voalohany teto an-tany? Lavorary i Adama, ka azo antoka fa ho niaiky toy ny mpanao salamo hoe: “Hidera anao aho, satria mahagaga sy mahatalanjona ny fomba nanaovanao ahy. Mahatalanjona ny asanao. Ary tena fantatro tsara izany.” (Sl 139:14) Azo inoana fa nanaja an’ilay Mpamorona i Adama, rehefa nandinika ny vatany izay nahavita zavatra maro noho ny an’ny zavaboary hafa, sy rehefa nandinika ny manodidina azy. Nahita vorona, biby, trondro, zavamaniry, voninkazo, ary hazo isan-karazany izy, ary nahita saha, ala, havoana, lohasaha, ary renirano koa. Tsy maintsy niaiky àry izy fa manana fahendrena lehibe ilay Rainy, sady manana toetra tsara maro. (Ge 2:7-9; ampit. Sl 104:8-24.) Ny fiasan’ny vavahadin-tsainy rehetra (fahitana, fandrenesana, fahatsapana tsiro, fandrenesana fofona, ary fitsapana) dia nampiaiky azy fa tena malala-tanana sy miahy ilay Mpamorona.

Tsy hadinon’ilay Rainy koa fa nila namana iresahana i Adama. Nomeny vady manan-tsaina àry izy ho famenony. (Ge 2:18-23) Mety ho nihira toy izao ho an’i Jehovah izy mivady: “Fifaliana tsy omby tratra no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo ankavananao, mandrakizay.” (Sl 16:8, 11) Nanehoana fitiavana be dia be izy ireo, ka tsy maintsy fantany fa “Andriamanitra dia fitiavana”, izany hoe izy no be fitiavana indrindra ka mendrika hotahafina.​—1Jn 4:16, 19.

Ny ifandraisan’ny olona aminy anefa no tena zava-dehibe amin’i Jehovah Andriamanitra. Nampahafantatra ny tenany tamin’i Adama zanany àry izy, nifampiresaka taminy, ary nanome asa azy. Anisan’ny fanompoana azy ny fanatontosan’i Adama izany.​—Ge 1:27-30; 2:15-17; ampit. Am 4:13.

Manana fitsipika Andriamanitra. Tsy ela dia fantatry ny olona fa manana fitsipika momba izay tsara sy ratsy i Jehovah, fa tsy hoe hendry sy malala-tanana fotsiny. Raha nampahafantarina an’i Adama ny tantaran’ny famoronana, dia tokony ho fantany koa fa manana fitsipika i Jehovah. Voalaza mantsy hoe hitan’i Jehovah fa “tena tsara” ireo zavatra noforoniny, izany hoe mifanaraka amin’ny fitsipiny tonga lafatra.​—Ge 1:3, 4, 12, 25, 31; ampit. De 32:3, 4.

Tsy ho nahalala izay tsara sy ratsy, na izay tena marina sy tsara indrindra ny olona, raha tsy misy fitsipika. Hoy ny fanamarihan’ny Rakipahalalana Britannica (1959, Boky Faha-21, p. 306, 307) momba izany:

“Tsy misy dikany [ny fitsipika] nataon’ny olombelona ... raha oharina amin’ny fitsipika mifehy ny natiora. Mahavariana tokoa ny lamina eo amin’ny natiora, raha jerena fotsiny ohatra ny antokon-kintana sy ny fihodinan’ny planeta ary ny firafitry ny sela. Misy koa zavatra afaka mampita herinaratra sy hafanana, na azo fisahina na atao lavalava, na azo roritina, na mafy, na tantera-drano, na manome loko rehefa tarafin’ny hazavana, na mateza, na mamoaka rano maditidity ... Efa toy izany foana izy ireny.”

Hoy koa ilay rakipahalalana, momba ny maha zava-dehibe ny fitsipika toy izany: “Ny fitsipika mifehy ny natiora ihany no ahafahantsika mamantatra sy manasokajy ... an’ireo zavamaniry, trondro, vorona na biby isan-karazany. Izay iray karazana dia mitovy firafitra hatramin’ny tsipiriany madinika indrindra, ary mitovy ... ny fahazarany. [Ampit. Ge 1:11, 12, 21, 24, 25.] Raha tsy toy izany ny vatan’olombelona, dia tsy ho fantatry ny dokotera hoe inona no taova ao amin’ny olona ary aiza no ijerena an’ilay taova. ... Raha tsy nisy ny fitsipika mifehy ny natiora, dia tsy ho afaka handamina fiaraha-monina ny olona na handranto fianarana na hamorona fanafody, izay samy miankina amin’ny fisian’ny zavatra fototra iombonana.”

Hitan’i Adama fa tsy miovaova ny zavatra noforonin’i Jehovah, toy ny andro sy alina mifandimby, ny renirano mikoriana tsy an-kijanona noho ny sinton’ny tany, sy ny zavatra maro tsy voatanisa. Andriamanitry ny filaminana, fa tsy ny fikorontanana, tokoa ilay Mpamorona ny tany. (Ge 1:16-18; 2:10; Mpto 1:5-7; Je 31:35, 36; 1Ko 14:33) Tena nanampy an’i Adama hanao ny asa nankinina taminy izany rehetra izany. (Ge 1:28; 2:15) Afaka nandamina mialoha ny asany sy namita tsara izany izy, fa tsy nanahy ny amin’izay mety ho fiovaovan’ny natiora.

Tsy mahagaga àry raha toa i Jehovah ka nanome fitsipika ny amin’izay tokony hataon’ny olona sy ny fifandraisany aminy. Tena tsara ny zava-bitan’i Jehovah, ka afaka nanahaka ny fomba fiasany koa i Adama rehefa nikarakara ny zaridainan’i Edena. (Ge 2:15; 1:31) Nanjary fantatr’i Adama koa ny fitsipiny momba ny fifandraisan’ny mpianakavy, sy momba ny hoe iray ihany no tokony ho vadin’ny olona iray. (Ge 2:24) Nasongadin’Andriamanitra taminy fa tena ilaina ny mankatò ny toromariny, raha tiany ny ho velona foana. Lavorary i Adama, ka tokony hankatò tanteraka an’i Jehovah. Afaka nampiseho izy fa tia sy tsy nivadika tamin’ilay Rainy, rehefa nankatò ny didiny ka tsy nihinana tamin’ny voan’ilay hazo nandrarany. (Ge 2:16, 17) Tsotra ilay didy. Tsotra koa anefa ny fiainan’i Adama tamin’izany, tsy nisy olana na korontana toy ny amin’izao. Tsotra ilay fitsapana, ary nampiharihary ny fahendren’i Jehovah. Hoy mantsy i Jesosy, 4 000 taona teo ho eo tatỳ aoriana: “Izay mendri-pitokisana amin-javatra madinika dia mendri-pitokisana koa amin’ny zava-dehibe, ary izay tsy marina amin-javatra madinika dia tsy marina koa amin’ny zava-dehibe.”​—Lk 16:10.

Tsy maneritery akory izany lamina sy fitsipika izany, fa vao mainka aza manampy ny olona hifaly amin’ny fiainana. Hoy ihany ilay rakipahalalana tetsy ambony: “Tsy mankaleo mihitsy anefa ny natiora, na eo aza ireny porofo maro be ireny hoe misy fitsipika mifehy azy. Loko vitsivitsy monja, ohatra, dia manome loko isan-karazany tsy hita fetra izay mahafinaritra ny maso. Onjam-peo vitsivitsy monja koa dia ahafahana mamoaka ny mozika rehetra vokarin’ny mpanakanto.” (Boky Faha-21, p. 307) Tsy naneritery an’ilay mpivady voalohany koa ny zavatra notakin’Andriamanitra, fa afaka nanao izay nirin’ny fony izy ireo raha mbola tsy ratsy izany. Tsy nila lalàna sy fitsipika maro be izy ireo. Tsy ho nihoa-pefy izy ireo raha nanahaka ny toetran’ilay Mpamorona be fitiavana, sy nanaja ary tia azy.​—Ampit. 1Ti 1:9, 10; Ro 6:15-18; 13:8-10; 2Ko 3:17.

I Jehovah Andriamanitra àry no Ilay Fara Tampony izay manome fitsipika ho an’izao rehetra izao, amin’izay lazainy sy ataony. Izy koa no milaza hoe inona no tena tsara, ary ao aminy ny hatsarana rehetra. Izany no nahatonga an’ilay Zanany hilaza toy izao tamin’ny lehilahy iray: “Nahoana aho no antsoinao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra.”​—Mr 10:17, 18; jereo koa Mt 19:17; 5:48.

Hohamarinina ny zony hitondra, ary hohamasinina ny anarany. Masina izay rehetra mombamomba an’Andriamanitra. Masina, ohatra, ny anarany hoe Jehovah, ka tokony hohamasinina. (Le 22:32) Midika hoe “manokana mba ho masina, na mahatonga ho masina” ny hoe manamasina, ka tsy azo zimbazimbaina ilay nohamasinina. (Is 6:1-3; Lk 1:49; Ap 4:8; jereo FANAMASINANA.) “Be voninahitra sy mendrika hatahorana” (Sl 99:3, 5) ny anaran’i Jehovah, sady “heni-kaja” no “avo indrindra” (Sl 8:1; 148:13), ka mendrika hohajaina (Is 29:23).

Fanazimbazimbana an’ilay anarana. Tena nohajaina ny anaran’Andriamanitra, talohan’ny nikomian’i Satana tamin’Andriamanitra sy nanalany baraka azy tany Edena. Nihambo ho mpitondra tenin’Andriamanitra izy rehefa nilaza tamin’i Eva an’izay “fantatr’Andriamanitra.” Nahatonga an’i Eva hisalasala momba an’ilay didy nambaran’i Jehovah tamin’i Adama koa ny teniny. (Ge 3:1-5) Solontenan’i Jehovah teto an-tany i Adama, satria nisy asa nankininy taminy sady izy no loham-pianakaviana notendreny hampita ny toromariny. (Ge 1:26, 28; 2:15-17; 1Ko 11:3) ‘Manompo amin’ny anaran’i Jehovah’ sy ‘miteny amin’ny anarany’ ireo voatendry toy izany. (De 18:5, 18, 19; Jk 5:10) Nanazimbazimba ny anaran’i Jehovah i Eva rehefa tsy nankatò. Meloka kokoa anefa i Adama, satria tsy nanaja mihitsy an’ilay anarana nisoloany tena.​—Ampit. 1Sa 15:22, 23.

Ilay adihevitra lehibe indrindra. Azo antoka fa fantatr’i Satana hoe manaraka fitsipika i Jehovah, fa tsy miovaova na mora tezitra. Raha tsy mahafehy tena mantsy izy, dia ho naringany avy hatrany i Satana raha vao nikomy. Tsy notoherin’i Satana àry hoe manan-kery handringanana azy i Jehovah. Hita tamin’ny teniny tamin’i Eva kosa fa tsy nekeny ny zon’i Jehovah hitondra an’izao rehetra izao, sy ny zony hitaky ny hankatoavan’ny zavaboariny rehetra azy sy ny tsy hivadihan’izy ireo aminy. (Ge 3:1-6) Resahin’ny bokin’i Joba koa fa nahariharin’i Jehovah tamin’ny anjeliny rehetra ny fomba fihevitr’ilay Fahavalony. Nilaza i Satana fa tsy hoe nifikitra tamin’i Jehovah na tia azy tamin’ny fo manontolo i Joba (sy ny zavaboary manan-tsaina hafa rehetra), matoa tsy nivadika.​—Jb 1:6-22; 2:1-8.

Ny zon’Andriamanitra hitondra àry aloha no niadian-kevitra, ary avy eo ny tsy fivadihan’ny zavaboariny manan-tsaina. Mila fotoana ny fandaminana tanteraka an’izany ka hahitana raha marina na diso ireo fiampangana ireo, sy hahitana izay tena toe-pon’ny zavaboarin’Andriamanitra. (Ampit. Jb 23:10; 31:5, 6; Mpto 8:11-13; He 5:7-9; jereo FAHARATSIANA; TSY FIVADIHANA.) Tsy naringan’i Jehovah avy hatrany àry ilay mpivady sy ilay anjely nikomy, ka lasa nisy ‘taranaka’ roa mifandrafy.​—Ge 3:15.

Mbola tsy voalamina ilay adihevitra, tamin’i Jesosy Kristy teto an-tany. Naka fanahy azy tany an-tany efitra i Satana, rehefa avy nifady hanina 40 andro izy. Toy ny tany Edena ihany, 4 000 taona teo ho eo talohan’izay, no nataon’ilay Fahavalon’i Jehovah tamin’ny Zanak’Andriamanitra. Natolony azy ny fanjakana rehetra teto an-tany. Porofo izany fa mbola niadian-kevitra foana hoe iza no manan-jo hitondra an’izao rehetra izao. (Mt 4:1-10) Asehon’ny bokin’ny Apokalypsy fa mbola hitohy ilay adihevitra mandra-pandamin’i Jehovah Andriamanitra azy tanteraka (ampit. Sl 74:10, 22, 23), ka hampiharany ny didim-pitsarany ara-drariny amin’ny mpanohitra azy rehetra. Ny Fanjakany no hitondra amin’izay ka hanamarina tanteraka ny zony hitondra, sady hanamasina ny anarany.​—Ap 11:17, 18; 12:17; 14:6, 7; 15:3, 4; 19:1-3, 11-21; 20:1-10, 14.

Nahoana no tena zava-dehibe ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra?

Ny fanamarinana ny zon’i Jehovah Andriamanitra hitondra no loha hevitry ny Baiboly manontolo. Midika izany fa ny fanamasinana ny anarany no zava-kendren’i Jehovah voalohany indrindra. Hataony àry izay hahatonga ny anarany tsy ho afa-baraka intsony. Tokony hanome voninahitra sy hanamasina azy io koa anefa ny zavaboary manan-tsaina rehetra any an-danitra sy eto an-tany. Midika izany fa mila manaiky an-tsitrapo sy manaja ny zon’i Jehovah hitondra izy ireo, ka maniry hanompo azy sady faly manao ny sitrapony, satria tia azy. Izany fifaliana manompo an’i Jehovah sy fanamasinana ny anarany izany no votoatin’ny vavak’i Davida ao amin’ny Salamo 40:5-10. (Mariho fa nisy nampiharin’i Paoly tamin’i Kristy Jesosy izy io, ao amin’ny He 10:5-10.)

Miankina amin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah àry ny hisian’ny fiadanana sy filaminana ary fahasambarana eo amin’izao rehetra izao. Izany no tian’i Jesosy hambara tamin’ilay vavaka nampianariny ny mpianany hoe: “Hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Mt 6:9, 10) Nasehony tamin’izy io koa ny fomba hanatanterahan’i Jehovah ny fikasany. Manjary azontsika tsara ny antony anaovan’Andriamanitra zavatra sy ny fifandraisany amin’ny zavaboariny, rehefa azontsika hoe inona no zava-kendreny voalohany indrindra.

Hitantsika ao amin’ny Baiboly, ohatra, fa nofidina mba ho ‘olona antsoina amin’ny anaran’i’ Jehovah ny firenen’Israely, izay voaresaka imbetsaka ao. (De 28:9, 10; 2Ta 7:14; Is 43:1, 3, 6, 7) Nasehon’ny fifaneken’ny Lalàna fa tena zava-dehibe ny hanompoan’izy ireo an’i Jehovah irery ihany sy ny tsy hanaovany tsinontsinona ny anarany, satria “tsy havelan’i Jehovah ho afa-maina izay manao tsinontsinona ny anarany.” (Ek 20:1-7; ampit. Le 19:12; 24:10-23.) Nampiasa ny heriny hamonjena sy handringanana i Jehovah tamin’izy nanafaka ny Israelita tany Ejipta. Nanjary ‘nambara eran-tany’ àry ny anarany ka nalaza hatrany amin’ny Tany Nampanantenaina, raha mbola tsy tonga tany akory ny Israelita. (Ek 9:15, 16; 15:1-3, 11-17; 2Sa 7:23; Je 32:20, 21) Hoy i Isaia mpaminany: “Toy izany no nitarihanao ny olonao, mba hahabe voninahitra ny anaranao.” (Is 63:11-14) Namindra fo tamin’ny Israelita i Jehovah ka tsy nahafoy azy ireo, na dia nikomy tany an-tany efitra aza izy ireo. Nolazainy toy izao anefa ny tena antony nanaovany izany: ‘Narovako ny anarako mba tsy hozimbazimbaina eo imason’ireo firenena nisy azy.’​—Ezk 20:8-10.

Nasongadin’i Jehovah tamin’izy ireo foana fa tena zava-dehibe ny anarany masina. I Jerosalema renivohitra sy ny Tendrombohitra Ziona, ohatra, no nofidin’i Jehovah “mba hametrahany sy hampitoerany ny anarany.” (De 12:5, 11; 14:24, 25; Is 18:7; Je 3:17) Ilay tempoly naorina tao no ‘trano ho an’ny anaran’i Jehovah.’ (1Ta 29:13-16; 1Mp 8:15-21, 41-43) Hanome voninahitra na hanala baraka ny anaran’i Jehovah àry izay natao tao amin’ilay tempoly sy ilay tanàna, ka hampifaly na hampahatezitra azy. (1Mp 8:29; 9:3; 2Mp 21:4-7) Azo antoka fa horavana ilay tanàna sy ilay tempoly, raha nozimbazimbaina tao ny anaran’i Jehovah. (1Mp 9:6-8; Je 25:29; 7:8-15; ampitahao amin’ny nataon’i Jesosy sy nolazainy ao amin’ny Mt 21:12, 13; 23:38.) Izany no nahatonga an’i Jeremia sy Daniela hitalaho mafy tamin’i Jehovah, mba hamindra fo amin’ilay tanàna sy hanampy an’ireo mponina tao ‘noho ny anarany.’​—Je 14:9; Da 9:15-19.

Nilaza mialoha tamin’ilay vahoaka nantsoina tamin’ny anarany i Jehovah fa haverina any Joda izy ireo sady hodiovina. Mbola nasongadiny indray tamin’izay hoe inona no zava-dehibe indrindra taminy. Hoy izy: “Koa nampalahelo ahy ny anarako masina.” “‘Tsy noho ny aminareo no hanaovako izany, ry taranak’Israely ô, fa noho ny anarako masina, izay nozimbazimbainareo tany amin’ireo firenena nitondrana anareo.’ ‘Hohamasiniko ny anarako be voninahitra, izay nozimbazimbaina ... Dia tsy maintsy ho fantatr’ireo firenena fa izaho no Jehovah’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘rehefa hamasinina eo aminareo aho, eo imason’ireny.’”​—Ezk 36:20-27, 32.

Asehon’ireo andininy ireo sy ny andininy hafa, fa tsy ny famonjena ny olombelona no zava-dehibe indrindra amin’i Jehovah. Mpanota ny olona rehetra ka mendrika ny ho faty, fa noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra sy ny famindram-pony ihany no hahazoan’izy ireo fiainana. (Ro 5:12, 21; 1Jn 4:9, 10) Tsy manana adidy amin’olona i Jehovah. Fanomezana avy aminy ny fiainana mandrakizay, fa tsy tambin’ny ezaka ataon’ny olona. (Ro 5:15; 6:23; Tit 3:4, 5) Marina fa lehibe tokoa ny fitiavany ny olombelona. (Jn 3:16; Ro 5:7, 8) Tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina anefa ny manantitrantitra hoe ny famonjena azy ireo no zava-dehibe indrindra, na hoe izany no ahitana raha manao ny rariny sy hitsiny ary masina tokoa Andriamanitra. Nolazain’ny mpanao salamo toy izao hoe inona no zava-dehibe indrindra: “Ry Jehovah Tomponay ô, heni-kaja eran-tany ny anaranao, tantaraina any ambonin’ny lanitra ny voninahitrao! ... Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsantananao, ary ny volana aman-kintana noforoninao, dia inona moa izay olombelona mety maty no tsaroanao? Ary inona moa izay zanak’olombelona no karakarainao?” (Sl 8:1, 3, 4; 144:3; ampit. Is 45:9; 64:8.) Marina tokoa fa ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah Andriamanitra no zava-dehibe noho ny ain’ny olombelona rehetra. Nilaza àry ny Zanak’Andriamanitra fa tokony ho tia ny namany tahaka ny tenany ny olona, nefa ho tia an’Andriamanitra kosa amin’ny fony sy ny tenany sy ny sainy ary ny heriny manontolo. (Mr 12:29-31) Midika izany fa tokony ho tiany mihoatra noho ny havany aman-tsakaizany sy ny ainy mihitsy aza i Jehovah Andriamanitra.​—De 13:6-10; Ap 12:11; ampitahao amin’ny toe-tsain’ireo Hebreo telo lahy ao amin’ny Da 3:16-18; jereo SARO-PIARO, FAHASAROTAM-PIARO.

Tsy tokony hahakivy antsika izany, fa vao mainka aza tokony hahatonga antsika hankasitraka an’ilay tena Andriamanitra. Azon’i Jehovah atao mantsy ny mandringana ny mpanota rehetra, ary ara-drariny tanteraka izany. Vao mainka àry manasongadina ny haben’ny famindram-pony sy ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa ny famonjeny ny olona. (Jn 3:36) Tsy mahafaly azy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy (Ezk 18:23, 32; 33:11), kanefa tsy havelany hisy ratsy fanahy ho afa-mandositra ny didim-pitsarany. (Am 9:2-4; Ro 2:2-9) Manam-paharetana sy mahari-po izy satria te hamonjy an’ireo mpankatò (2Pe 3:8-10), kanefa tsy holeferiny mandrakizay ny fanalam-baraka ny anarany be voninahitra. (Sl 74:10, 22, 23; Is 65:6, 7; 2Pe 2:3) Mangoraka antsika izy noho isika malemy ka avelany tanteraka ny helok’ireo mibebaka. (Sl 103:10-14; 130:3, 4; Is 55:6, 7) Heveriny ho tompon’andraikitra amin’izay ataony anefa ny olona ka avelany hizaka ny vokatr’izany izy sy ny fianakaviany. Tsy maintsy mijinja izay nafafiny izy ireo. (De 30:19, 20; Ga 6:5, 7, 8) Tena hain’i Jehovah tsara ny mampifandanja ny fanaovana ny rariny sy ny famindram-po. Tsy hanao tsinontsinona ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa na “hanadino ny zava-kendren’izany” (2Ko 6:1; He 10:26-31; 12:29) àry ireo manana ny fomba fihevitr’i Jehovah.​—Is 55:8, 9; Ezk 18:25, 29-31.

Tsy miova ny toetrany sy ny fitsipiny. Hoy i Jehovah tamin’ny vahoakan’Israely: “Izaho no Jehovah ary tsy miova aho.” (Ml 3:6) Nilaza izany izy, 3 500 taona teo ho eo taorian’ny namoronany ny olombelona sy 1 500 taona teo ho eo taorian’ny nanaovany fifanekena tamin’i Abrahama. Misy milaza fa tsy mitovy ilay Andriamanitra resahin’ny Soratra Hebreo, sy ilay Andriamanitra noresahin’i Jesosy Kristy sy ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina. Hoy anefa i Jakoba mpianatr’i Jesosy momba an’Andriamanitra: “Tsy miovaova toy ny fihodinan’ny aloka izy.” (Jk 1:17) Tsy hoe lasa ‘nalefaka kokoa’ ny toetran’i Jehovah Andriamanitra rehefa nandeha ny fotoana, satria tsy nilaina izany. Tsy hoe lasa be fitiavana kokoa sy tsy hentitra loatra izy ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, raha oharina amin’ny tany Edena.

Lafiny samy hafa amin’ilay toetrany tsy miova fotsiny no nasehony, arakaraka ny toe-javatra sy ny olona nifandraisany. (Ampit. Is 59:1-4.) Tsy i Jehovah fa i Adama sy Eva no niova, ka tsy afaka namela azy ireo ho anisan’ny fianakaviambeny intsony izy, noho ny fitsipiny tsy miova. Lavorary izy ireo ka tompon’andraikitra amin’ny fahotana niniany natao. (Ro 5:14) Tsy nahazo famindram-po intsony àry izy mivady. Nanehoan’i Jehovah hatsaram-panahy tsy manam-paharoa ihany anefa izy ireo, rehefa nomeny akanjo sy navelany hiaina taonjato maromaro ary hiteraka talohan’ny nahafatesany. (Ge 3:8-24) Toa tsy nifampiresaka taminy intsony Andriamanitra, rehefa voaroaka avy tao Edena izy ireo.

Afaka mifandray amin’ny olombelona tsy lavorary. Tsy mitovy amin’ny fifandraisan’i Jehovah tamin’i Adama sy Eva ny fifandraisany amin’ny taranak’izy ireo. Fa nahoana? Nandova ota mantsy izy ireo, ka tsy sitrapony ny ho teraka tsy lavorary sady mora manao ratsy. (Sl 51:5; Ro 5:12) Afaka mamindra fo amin’izy ireo àry Andriamanitra. Hita avy amin’ilay faminaniana voalohany nambaran’i Jehovah (Ge 3:15) tany Edena, fa tsy nahakivy tanteraka azy na nampihena ny fitiavany ny fikomian’ny olombelona voalohany (sy ny anjeliny iray). Naseho mazava tsara an’arivony taona tatỳ aoriana ny hevitr’ilay faminaniana, dia ny hoe hanarina ny voka-dratsin’ilay fikomiana izy, ary hamerina ny olona ho lavorary indray.​—Ampitahao amin’ny hevitry ny hoe “menarana”, “vehivavy”, ary “taranaka” resahin’ny Ap 12:9, 17; Ga 3:16, 29; 4:26, 27.

Navelan’i Jehovah hipetraka eto an-tany ny taranak’i Adama, na dia tsy lavorary sy tsy afa-miala amin’ny ota sy ny fahafatesana mihitsy aza. Hoy ny apostoly Paoly momba izany: “Fa navela ho tonga zava-poana ny zavaboary, nefa tsy noho ny sitrapony fa noho ny sitrapon’ilay namela izany hitranga [dia i Jehovah Andriamanitra]. Eny, navela hitranga izany, miorina amin’izao fanantenana izao: Ny zavaboary koa dia hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra. Fantatsika mantsy fa mbola miara-mitoloko sy miara-mijaly foana ny zavaboary rehetra mandraka ankehitriny.” (Ro 8:20-22) Hazavain’ilay lahatsoratra hoe FANTATRA MIALOHA, VOATENDRY MIALOHA fa tsy fantatr’i Jehovah mialoha hoe hivadika ny mpivady voalohany, satria nifidy ny tsy hampiasa ny fahaizany mamantatra ny hoavy izy tamin’izay. Rehefa nivadika anefa izy ireo, dia nomanin’i Jehovah mialoha ny fomba hanarenany an’ilay toe-javatra. (Ef 1:9-11) Izany ilay zava-miafina masina tao amin’ilay faminaniana nambara tany Edena. Naharihary tanteraka izy io rehefa nirahin’i Jehovah tetỳ an-tany ny Zanany lahitokana, mba “hanambara ny marina” sy “ho faty ho an’ny rehetra noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra.”​—Jn 18:37; He 2:9; jereo VIDIM-PANAVOTANA.

Tsy nanova ny fitsipiny ara-drariny àry i Jehovah rehefa nifandray tamin’ny olona sasany anisan’ny taranak’i Adama mpanota, sy rehefa nitahy azy ireny. Tsy hoe nankasitrahany akory ny fahotan’izy ireny. Azony antoka kosa fa tsy maintsy ho tanteraka ny fikasany, ka “miantso ny zavatra tsy misy ho toy ny misy” izy (toy ny nanovany ny anaran’i Abrama hoe “Abrahama”, midika hoe “Rain’ny Vahoaka (Maro)”, na mbola tsy niteraka akory aza i Abrahama sy Saraha). (Ro 4:17) Fantany fa hanome vidim-panavotana amin’ny fotoana voatondrony (Ga 4:4) izy, ka io no hahafahany hamela heloka sy hanaisotra ny tsy fahalavorariana. (Is 53:11, 12; Mt 20:28; 1Pe 2:24) Izany no nahatonga azy ho afaka hifandray amin’olona tsy lavorary nandova ota, sy hampiasa azy ireny. Azony natao àry ny ‘nanaiky’ azy ireny ho olo-marina, noho izy ireny nino ny fampanantenany sy ny fahatanterahan’izany tamin’i Kristy Jesosy izay nanome ny ainy lavorary ho sorona. (Jk 2:23; Ro 4:20-25) Hita porofo mazava tamin’ilay vidim-panavotana sy ny soa entin’izy io, fa be fitiavana sy mamindra fo izy ary manaraka hatrany ny fitsipiny ara-drariny. Ny fanomezana an’ilay vidim-panavotana mantsy no ‘nanehoany ny fahamarinany amin’izao fotoana izao, mba ho marina izy rehefa manambara fa marina ny olona mino an’i Jesosy [na dia tsy lavorary aza].’​—Ro 3:21-26; ampit. Is 42:21; jereo MANAMBARA HO MARINA.

Mpiady na dia “Andriamanitry ny fiadanana” aza. “Andriamanitry ny fiadanana” foana i Jehovah, na dia nilaza aza izy tany Edena fa hataony mifandrafy ny taranak’ilay Fahavalony sy ny an’ilay “vehivavy.” (Ge 3:15; Ro 16:20; 1Ko 14:33) Nilaza koa i Jesosy Kristy Zanany tamin’izy teto an-tany hoe: “Aza mihevitra fa tonga hitondra fihavanana eto an-tany aho. Tsy tonga hitondra fihavanana aho fa hitondra sabatra.” (Mt 10:32-40) Nampisaratsaraka mpianakavy mihitsy aza ny fanompoan’i Jesosy (Lk 12:51-53), noho izy nifikitra tamin’ny fitsipik’Andriamanitra sy ny fahamarinany sady nitory an’izany. Olona maro mantsy no nanamafy ny fony ka tsy nanaiky an’izay notoriny, fa ny hafa kosa nanaiky. (Jn 8:40, 44-47; 15:22-25; 17:14) Tsy maintsy hisy ny fisaratsarahana rehefa arahina ny toro lalan’Andriamanitra. Ireo mandà ny fahamarinana anefa no mahatonga izany.

Hisy ny fifandrafiana, satria tsy hilefitra amin’ny fikomian’ny ‘taranak’i’ Satana mihitsy i Jehovah, noho ny fitsipiny tonga lafatra. Hisy ny fisarahana, satria tsy ankasitrahany ireo mpikomy fa hotahiny kosa ireo manao ny marina (Jn 15:18-21; Jk 4:4), toy ny tamin’i Kaina sy Abela.​—Ge 4:2-8; He 11:4; 1Jn 3:12; Jd 10, 11; jereo KAINA.

Nanohitra ny zon’i Jehovah hitondra ireo olona sy anjely ratsy nikomy, ka nahatonga korontana teo amin’izao rehetra izao. Voatery nitsangana ho “mpiady mahery” àry i Jehovah (Ek 15:3-7), mba hiaro ny lazany sy ny fitsipiny ara-drariny, sy hiady ho an’ireo tia sy manompo azy, ary hampihatra didim-pitsarana amin’ireo mendrika ny haringana. (1Sa 17:45; 2Ta 14:11; Is 30:27-31; 42:13) Tsy misalasala izy indraindray mampiasa ny heriny lehibe mba handringanana, toy ny tamin’ny Safodrano na tao Sodoma sy Gomora na rehefa nanafaka ny Israelita avy tany Ejipta. (De 7:9, 10) Tsy misalasala izy mampahafantatra ny tsipiriany amin’ny ady ara-drariny ataony, ary tsy manala tsiny ny tenany izy satria tsy misy mahamenatra azy ny nataony. (Jb 34:10-15; 36:22-24; 37:23, 24; 40:1-8; Ro 3:4) Voatery manao zavatra izy noho izy manaja ny anarany sy ny fahamarinana, ary tia an’ireo tia azy.​—Is 48:11; 57:21; 59:15-19; Ap 16:5-7.

Toy izany koa no iresahan’ny Soratra Grika Kristianina azy. Nampahery an’ireo Kristianina namany toy izao, ohatra, i Paoly: “Tsy ho ela ilay Andriamanitry ny fiadanana dia hanorotoro an’i Satana eo ambany tongotrareo.” (Ro 16:20; ampit. Ge 3:15.) Nilaza koa izy fa ara-drariny raha hamaly fahoriana an’ireo mampahory ny mpanompony Andriamanitra, ka handringana an’ireny mandrakizay. (2Te 1:6-9) Mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Zanak’Andriamanitra izany. Nilaza mazava tsara mantsy izy fa tapa-kevitra hampiasa hery ny Rainy, mba hanafoanana ny faharatsiana rehetra sy handringanana ny mpanao ratsy. (Mt 13:30, 38-42; 21:42-44; 23:33; Lk 17:26-30; 19:27) Andininy maro be ao amin’ny Apokalypsy no miresaka momba ny ady eken’Andriamanitra. Hampisy fiadanana maharitra eran’izao rehetra izao anefa ireny ady rehetra ireny noho ny fahendren’i Jehovah, ka hanjaka tanteraka ny rariny sy ny hitsiny.​—Is 9:6, 7; 2Pe 3:13.

Fifandraisany amin’ny Israely ara-nofo sy ara-panahy. Izao no tsy mampitovy ny fitantaran’ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika Kristianina: Ny iray mitantara ny fifandraisan’i Jehovah tamin’ny Israely ara-nofo, fa ny iray kosa mitantara ny fifandraisany amin’ny Israely ara-panahy, na ny fiangonana kristianina. Taranaky ny razambe iray ihany ilay firenen’Israely ara-nofo nisy olona an-tapitrisany, ka tao ny tsara tao ny ratsy. Ireo anisan’ilay firenena ara-panahy kosa olona notaomin’i Jesosy Kristy ho amin’Andriamanitra, ka tia izay marina sy mahitsy ary nanokan-tena an-tsitrapo hanao ny sitrapon’i Jehovah. Tsy mitovy àry ny fifandraisan’Andriamanitra amin’ireo firenena roa ireo, satria ilay firenena ara-nofo nampahatezitra azy imbetsaka kokoa ka nahatonga azy hampihatra sazy.

Tena mampahery anefa ny toetran’i Jehovah, raha jerena ny fifandraisany tamin’ny Israely ara-nofo. Marina tokoa izao filazan’i Jehovah momba ny tenany tamin’i Mosesy izao: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy tsara fanahy, tsy mora tezitra, be hatsaram-panahy feno fitiavana sady tena tia fahamarinana, mitahiry hatsaram-panahy feno fitiavana ho an’ny taranaka an’arivony, mamela fahadisoana sy heloka ary fahotana, kanefa sanatria azy ny tsy hanasazy izay tokony hosazina, fa hosaziny noho ny fahadisoan’ny ray ny zanany sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny.”​—Ek 34:4-7; ampit. Ek 20:5.

Vahoaka nankasitrahan’Andriamanitra ny Israelita, nefa “mafy hatoka” sy “mafy loha” ny ankamaroany. Nanao ny rariny tamin’izy ireo foana i Jehovah, kanefa ny fitiavany sy ny faharetany ary ny fahari-pony no tena nisongadina. (Ek 34:8, 9; Ne 9:16, 17; Je 7:21-26; Ezk 3:7) Imbetsaka izy no naniraka mpaminany hilaza fanamelohana azy ireo. Hita tamin’izany anefa fa tena namindra fo sy nahari-po izy. Nandefitra nandritra ny 1 500 taona mahery izy. Mbola namindra fo ihany anefa izy, na dia rehefa novonoina ho faty aza ny Zanany noho ny fampirisihan’ny mpitondra fivavahana. Nasainy notorina tamin’ny Jiosy irery ihany mantsy ny vaovao tsara nandritra ny telo taona sy tapany fanampiny, mba hisy ho afaka hanantena ny hiara-manjaka amin’ilay Zanany. Nisy an’arivony tokoa ireo nibebaka ka nahazo an’ilay fampanantenana.​—As 2:1-5, 14-41; 10:24-28, 34-48; jereo FITOPOLO HERINANDRO.

Azo inoana fa misy ifandraisany ilay tenin’i Jehovah hoe ‘hosaziny ny taranak’ireo mpandika lalàna’, sy ilay tenin’i Jesosy Kristy tamin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy hoe: “Ianareo ... milaza hoe: ‘Raha velona tamin’ny andron’ny razanay izahay, dia tsy ho niombon-keloka taminy handatsaka ny ran’ny mpaminany.’ Koa ianareo ihany no miampanga tena ho zanak’ireo namono ny mpaminany. Fenoy tanteraka àry ny famarana ny fahotan’ny razanareo.” (Mt 23:29-32) Nihambo ho nanompo an’Andriamanitra izy ireo kanefa nankasitraka ny zava-dratsy nataon’ny razany, raha ny marina, ka anisan’ireo ‘nankahala an’i Jehovah’ koa. (Ek 20:5; Mt 23:33-36; Jn 15:23, 24) Tsy nibebaka sy tsy nanaraka ny tenin’ny Zanak’Andriamanitra izy ireo, ka niharan’ny didim-pitsaran’Andriamanitra rehefa natao fahirano sy noravana i Jerosalema tatỳ aoriana, ary novonoina ny ankamaroan’ny mponina tao. Tsy ho niharan’izany izy ireo raha niova, satria ho namindra fo taminy i Jehovah.​—Lk 21:20-24; ampit. Da 9:10, 13-15.

Nanahaka azy ny Zanany. Tena nanahaka ny toetra tsaran’i Jehovah Andriamanitra Rainy i Jesosy Kristy, izay tonga tamin’ny anaran’i Jehovah. (Jn 1:18; Mt 21:9; Jn 12:12, 13; ampit. Sl 118:26.) Hoy izy: “Ny Zanaka tsy manao na inona na inona araka ny nahim-pony, fa izay hitany ataon’ny Ray ihany no ataony. Fa izay rehetra ataon’ny Ray dia izany koa no ataon’ny Zanaka, sady ataony toy ny anaovan’ny Ray azy.” (Jn 5:19) Efa hitan’ny Zanaka àry fa tsara fanahy sy mangoraka i Jehovah Rainy, sady malemy fanahy, tia lalina ny fahamarinana ary mankahala ny ratsy (He 1:8, 9) ka nanahaka azy koa izy.​—Ampitahao Mt 9:35, 36 sy Sl 23:1-6 ary Is 40:10, 11; Mt 11:27-30 sy Is 40:28-31 ary Is 57:15, 16; Lk 15:11-24 sy Sl 103:8-14; Lk 19:41-44 sy Ezk 18:31, 32; 33:11.

Izay rehetra tia ny fahamarinana ka mamaky ny Soratra Masina ary ‘mahalala’ tsara ny hevitry ny anarana hoe Jehovah (Sl 9:9, 10; 91:14; Je 16:21) àry, dia tokony ho tia sy hidera an’ilay anarana (Sl 72:18-20; 119:132; He 6:10), hankalaza azy io (Sl 7:17; Is 25:1; He 13:15), hatahotra sy hanamasina azy io (Ne 1:11; Ml 2:4-6; 3:16-18; Mt 6:9), ary hatoky azy io. (Sl 33:21; Oh 18:10) Ho voatosika hilaza toy izao koa izy: “Hihira ho an’i Jehovah aho mandritra ny androm-piainako, ary hihira fiderana ho an’Andriamanitro aho raha mbola velona koa. Hahafinaritra azy anie ny fisaintsainako azy! Ary izaho kosa hifaly amin’i Jehovah. Ho ringana tsy hisy etỳ an-tany ny mpanota, ary ny ratsy fanahy tsy hisy intsony. Aoka aho hidera an’i Jehovah! Miderà an’i Jah!”​—Sl 104:33-35.