Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kerobima

Kerobima

(Kerôbìma).

Anjely manana toerana ambony sy andraikitra manokana. Hafa noho ny serafima izy ireo. Miseho in-89 ny hoe “kerobima” ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao malagasy, ka ao amin’ny Genesisy 3:24 ny voalohany. Nasian’Andriamanitra kerobima (heb.: kerovim) sy lelan-tsabatra mirehitra teo amin’ny fidirana atsinanan’i Edena mba “hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina”, rehefa avy noroahiny i Adama sy Eva. Tsy resahin’ny Baiboly raha mihoatra ny roa ireo kerobima ireo.

Nisy sarina kerobima tao amin’ny tranolay masina tany an-tany efitra. Nasiana kerobima volamena notefena tamin’ny marotoa, ohatra, teo amin’ny sisiny roa tamin’ny saron’ny Vata. Nifanatrika ireo kerobima, ary niondrika nijery an’ilay sarony, toy ny hoe nivavaka. Samy nanana elatra roa nivelatra niakatra izy ireo, ary nanakona sy niaro ny saron’ilay Vata ireo elany. (Ek 25:10-21; 37:7-9) Noravahana kerobima natao peta-kofehy koa ny lamba folo nanaovana ny tranolay masina sy ilay ridao nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra.​—Ek 26:1, 31; 36:8, 35.

Tsy nampahatahotra sy ratsy tarehy hoatran’ireo sarina bibiolona nanan’elatra nivavahan’ny mpanompo sampy tamin’izany ny sarin’ireo kerobima. Nilaza kosa ny lovantsofina jiosy rehetra fahiny (afa-tsy ny Baiboly) fa nanana bikan’olona izy ireo. Sarina anjely tena tsara tarehy niangaliana fatratra izy ireo, ka natao ‘araka ny modely’ nomen’i Jehovah an’i Mosesy. (Ek 25:9) Nilaza koa ny apostoly Paoly fa ‘kerobima be voninahitra nanaloka an’ilay sarony fampihavanana’ izy ireo. (He 9:5) Teo amin’ireo kerobima ireo i Jehovah no nanatrika. Hoy izy: “Eo aho no hiseho aminao. Dia hiteny aminao eo ambonin’ny saron’ilay Vata aho, eo anelanelan’ireo kerobima roa eo amin’ilay Vata misy ny tenin’ny vavolombelona.” (Ek 25:22; No 7:89) Azo lazaina àry hoe “mipetraka eo amin’ny kerobima” i Jehovah. (1Sa 4:4; 2Sa 6:2; 2Mp 19:15; 1Ta 13:6; Sl 80:1; 99:1; Is 37:16) “Sary mampiseho ny kalesy” itaingenany (1Ta 28:18) ny kerobima. Nahafahan’ireo kerobima niaro sy nandeha haingana ny elany. Afaka nilaza àry i Davida fa toy ny hoe ‘nitaingina kerobima ka nanidina’ i Jehovah rehefa tonga haingana hanampy azy, ary “teny ambony elatry ny anjely” Izy.​—2Sa 22:11; Sl 18:10.

Nasiana kerobima roa goavana tao amin’ny Masina Indrindra, tao amin’ny tempoly tsara tarehy naorin’i Solomona. Hazo mitera-menaka nopetahana takela-bolamena no nanaovana azy ireo. Folo hakiho (4,5 m) ny haavon’ny kerobima tsirairay. Nitsangana nitodika niantsinanana izy ireo, ary folo hakiho ny elanelany. Nivelatra ny elatr’izy ireo ka nifampikasika teo afovoan’ilay efitra ny tendrony. Nanakona ny Vata misy ny fifanekena sy ny bao filanjana àry ireo elatra. Nipaka tamin’ny rindrina avaratra ny elatry ny kerobima iray, ary nipaka tamin’ny rindrina atsimo ny elatry ny iray. Roapolo hakiho hoatran’ny sakan’ilay efitra àry ny fivelatry ny elatr’ireo kerobima. (Jereo TEMPOLY.) Noravahana sary sokitra kerobima nopetahana volamena koa ny rindrina sy varavaran’ny tempoly. Nasiana sarina kerobima ny kalesy varahina fasiana rano. (1Mp 6:23-35; 7:29-36; 8:6, 7; 1Ta 28:18; 2Ta 3:7, 10-14; 5:7, 8) Nisy kerobima vita sokitra koa nandravaka ny rindrina sy varavaran’ilay tempoly hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana.​—Ezk 41:17-20, 23-25.

Nahita kerobima hafakely tao amin’ny fahitana maromaro i Ezekiela. Nolazainy hoe “zavamananaina” (Ezk 1:5-28) izy ireo, ary avy eo hoe “kerobima.” (Ezk 9:3; 10:1-22; 11:22) Teo akaikin’i Jehovah be voninahitra ny kerobima tao amin’ireo fahitana ireo, ary nanompo azy foana.

Nantsoin’i Ezekiela hoe kerobima mpiaro, ny “mpanjakan’i Tyro” izay tokony ‘hanaovany hira fisaonana.’ “Tao Edena, zaridainan’Andriamanitra” izy io taloha, nefa nesorina taminy izay rehetra nahatsara tarehy azy, ary natao lasa lavenona teo amin’ny tany izy. “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ... ‘Ianao ilay kerobima voahosotra ho mpiaro. Izaho no nanendry anao. Teny amin’ny tendrombohitra masin’Andriamanitra ianao, ary teny amin’ny vato mirehitra ianao no nandehandeha. Tsy nanan-tsiny ianao tamin’izay nataonao, nanomboka tamin’ny andro namoronana anao ka mandra-pahita tsy fahamarinana tao aminao. ... Horoahiko tsy ho ao an-tendrombohitr’Andriamanitra ianao satria efa tsy masina intsony. Haringako tsy ho eny amin’ny vato mirehitra ianao, ry ilay kerobima mpiaro!’”​—Ezk 28:11-19.