Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kianja Filalaovana Tantara An-tsehatra

Kianja Filalaovana Tantara An-tsehatra

Toerana (nantsoin’ny Grika hoe teatrôn) filalaovana tantara mampalahelo na mampihomehy, sy fanaovana dihy, hira, mozika, ary fampisehoana hafa. Ratsy fitondran-tena matetika ny olona tao amin’ireo tantara nolalaovina, ka tsy nijery azy ireny ny Kristianina tsy nivadika. (Ef 5:3-5) Fanaovana fivoriana samihafa koa anefa ilay kianja.

Nentina tao amin’ny kianja filalaovana tantara an-tsehatra tao Efesosy ireo niara-dia tamin’i Paoly, rehefa nampisahotaka vahoaka i Demetrio mpanefy volafotsy. Vonona hiatrika an’ilay vahoaka vory tao i Paoly, saingy tsy namela azy ny mpianany sy ny olona tsara fanahy taminy, izay mpiandraikitra ny fety sy ny lalao.​—As 19:23-31.

Nanomboka nanorina kianja filalaovana tantara an-tsehatra ny tany Gresy tamin’ny taonjato fahadimy T.K. tany ho any, ary avy eo ny tany amin’ny tanàn-dehibe samihafa. Teny amin’ny tehezan-kavoana ny ankamaroan’ny kianja grika, izay niendrika antsasa-paribolana nisolampy. Nifanao ambaratonga ireo fipetrahana hazo na vato, ary noelanelanin’ny lalankely. Teo afovoany ny ôrkestra (faritra nandihizana na nihirana), ary tao andamosin’izy io ny sehatra avoavo sy ny skene na haingon-tsehatra.

Nahitana kianja efa ravarava tany Efesosy, Atena, ary Korinto. Nisy laharana 66 ireo fipetrahana tany Efesosy, ary nahazaka olona 25 000 teo ho eo. Mbola re tsara ny feo ao hatramin’izao, satria re hatreny amin’ny farany ambony ny feon’olona eo ambony sehatra na dia miteny mora aza.

Tsy teo amin’ny toerana nisolampy kosa ny ankamaroan’ny kianja romanina, ary mety ho nitafo ny sehatra sy ny ampahany tamin’ny faritra fipetrahana. Nanana kianja be boribory na boribory lavalava tsy nitafo koa ny Romanina. Nisy sehatra lehibe teo afovoany, ary somary nanodidina azy io ireo fipetrahana nifanao ambaratonga. Malaza, ohatra, ny Colisée naorin’ny Romanina tamin’ny taona 80, ary mbola hita any Roma ny sisa aminy. Nanorina kianja tany Damaskosy sy Kaisaria ary tany amin’ny tanàna hafa i Heroda Lehibe. “Nanorina kianja filalaovana tantara an-tsehatra tany Jerosalema, ary avy eo kianja goavana iray teo amin’ny lemaka” i Heroda, hoy i Josèphe.​—Rakitry ny Ela Jiosy, XV, 268 (viii, 1).

Mety ho ilay “fampisehoana an-tsehatra” na ny toerana anaovana azy io no atao hoe teatrôn (gr.). Hoy i Paoly: “Fa amiko, dia toa izahay apostoly no nataon’Andriamanitra farany niakatra an-tsehatra, toy ny olona voaheloka hovonoina, satria nanjary fampisehoana an-tsehatra [teatrôn] hojeren’izao tontolo izao sy ny anjely ary ny olona izahay.” (1Ko 4:9) Fanaon’ny Romanina ny nitondra mpandray anjara sasany tao an-kianja, rehefa hifarana ny adin’ny gladiatera. Nitanjaka sy tsy nanam-piarovana izy ireny, ka novonoina tamin-kabibiana. Izany angamba no noresahin’i Paoly teo.

Nentin’ny Grika sy Romanina namakivaky ny kianja filalaovana ireo voaheloka ho faty, mba hesoin’ny olona vory tao. Toa izany no noresahin’i Paoly tamin’ny Kristianina hebreo, na dia tsy misy asa soratra milaza aza fa natao toy izany izy ireo. Nitovitovy tamin’izany anefa ny fahoriana niaretan’izy ireo, ka hoy i Paoly: ‘Tadidio hatrany ny andro taloha izay niaretanareo ady mafy tao anatin’ny fijaliana, rehefa avy nohazavaina ianareo: Indraindray ianareo dia noharatsina sy nampahorina toy ny olona natao teo ambony sehatra, ary indraindray niara-ory tamin’ireo natao toy izany.’​—He 10:32, 33.