Kosita
(Kosìta) [An’i Kosy (Etiopia)].
Mety ho ny mponina tany amin’ny tanin’i Kosy tany Afrika, na angamba firenena nonina tany amin’ny Saikinosin’i Arabia. Toa anisan’io firenena io i Zipora, vadin’i Mosesy. (Ek 18:1-5; No 12:1) Kenita i Zipora, saingy tsy fantatra hoe iza no razambeny. (Ge 15:18, 19; Mpts 4:11) Miresaka an’ireo Arabo “tany akaikin’ny Etiopianina [Kosita]” ny 2 Tantara 21:16. Mety hidika koa izany hoe “teo ambany fahefan’ny Etiopianina” ireo Arabo ireo, ka tsy taranak’i Kosy angamba ilay antsoina hoe “Kosita” eto. Toa nisy zanak’i Kosy vitsivitsy nanorim-ponenana tany amin’ny Saikinosin’i Arabia.—Jereo HAVILA No. 3; SABTA.
Ny Afrikanina nonina tany amin’ilay faritra nantsoina fahiny hoe Etiopia anefa matetika no natao hoe “Kosita.” Ireto avy ny Kosita resahin’ny Baiboly: “Zera Etiopianina [Kosita]”, “Tiraka mpanjakan’i Etiopia” (2Ta 14:9; 2Mp 19:9), Ebeda-meleka (Je 38:7-12; 39:16-18), ilay tandapa etiopianina lasa Kristianina, ary Kandasy Mpanjakavavy. (As 8:26, 27) Mpihazakazaka kosita, fa tsy israelita, no nirahin’ny Jeneraly Joaba hanambara tamin’i Davida fa resy i Absaloma zanany ary maty.—2Sa 18:19-32; jereo KOSY No. 2.