Lalao
Efa hatry ny ela ny olona no tia niala voly. Voalaza fa “nipoiran’ny mpitendry harpa sy mpitsoka sodina rehetra” i Jobala, taranaka fahafito avy tamin’i Adama. (Ge 4:21) Namorona kilalao ny olona tatỳ aoriana, taorian’ny Safodrano, fara fahatarany.
Ejipta sy Mezopotamia. Nofongarin’ny mpikaroka tamin’ny toerana maromaro tany Ejipta, Palestina, ary Mezopotamia ny kilalao samihafa (toy ny fanorona) sy ny kojakojany, ary kodiakely, izay efa nisy talohan’ny andron’i Abrahama ny sasany. Ahitana an’i Ramsès III sy ny vadikeliny iray manao kilalao toy ny fanorona ny sary mivohitra iray eo amin’ny vavahadin’ny tempoly ejipsianina iray. Nanipy kodiakely na hazokely ny mpilalao, rehefa anjarany ny nilalao.
Ahitana olona mandihy, mitendry zavamaneno, ary ankizivavy manao tanisa baolina kely maromaro ny sary hoso-doko ejipsianina. Kilalaon’ny ankizy koa ny kanety sy ny nifampisintona tamin’ny tady.
Israely. Tsy miresaka mivantana momba ny lalao nataon’ny Hebreo ny Baiboly, nefa fantatra ihany fa niala voly izy ireo, nitendry mozika, nihira, nandihy ary nifampiresadresaka. Nilalao teny an-tany malalaka ny ankizy (Za 8:5), ary nisy ankizilahy nihira sy nandihy. (Jb 21:11, 12) Nilalao tantaran’olona faly na nalahelo koa ny ankizy tamin’ny andron’i Jesosy. (Mt 11:16, 17) Ireto ny kilalaon’ankizy nofongarina tany Palestina: Korintsana, kiririoka, ary vilany sy kalesy kely. Niompy voron-dia efa voafolaka ny olona sasany. (Jb 41:5) Toa nisy koa nitifitra tamin’ny zana-tsipìka na nampiasa pilotra (1Sa 20:20-22, 35-40; Mpts 20:16), saingy efa tamin’ny andron’ny Grika vao nanao fifaninanana momba an’ireo ny Jiosy.
Tian’ny Israelita ny nanao ankamantatra isan-karazany, toy ilay nataon’i Samsona tamin’ny Filistinina.—Mpts 14:12-14.
Gresy. Tokotokony ho tamin’i Isaia nanomboka naminany tany Joda ny Grika no nanomboka an’ireo lalaony olympika nalaza, ho fanomezam-boninahitra an’i Zeosy, tamin’ny 776 T.K. Ny lalao tany Olympie no tena nalaza, nefa nisy fifaninanana koa tany amin’ny tanàn-dehibe grika telo: Ny Lalao Ismika teo amin’ny andilan-tany tany akaikin’i Korinto ho fankalazana an’i Poséidon, ny Lalao Pytika tany Delphes, ary ny Lalao Nemeanina tany akaikin’i Némée ho fanomezam-boninahitra an’i Zeosy koa.
Natao isaky ny efa-taona ny Lalao Olympika, izay nisy ifandraisany tamin’ny fivavahana. Nisy sorona natao tamin’izay, ary nohindrahindraina ny afo olympika. Natao isaky ny roa taona kosa ny Lalao Ismika tany akaikin’i Korinto.
Hazakazaka, tolona, ady totohondry, fanipazana kapila sy lefona, hazakazaka an-kalesy, ary taranja hafa no nifaninanana. Nanao fanazaran-tena folo volana aloha ireo mpandray anjara, ary nivoady fa hifantoka tanteraka amin’izany. Niara-nipetraka tamin’izy ireo ny mpitsara ka nanara-maso azy. Matetika no henjana kokoa noho ny tena fifaninanana ilay fanazaran-tena. Nasiana vy mavesatra, ohatra, ny tongotry ny mpihazakazaka, ary nanao akanjo be ireo mpanao ady totohondry. Efa nanazatra tena an-taonany maro ny olona iray vao nandrombaka fandresena. Ravinkazo natohitohy ny loka, ka ravin’olivadia ny an’ny Lalao Olympika, ravin-kesika ny an’ny Lalao Ismika, ravina lorie ny an’ny Lalao Pytika, ary seleriadia ny an’ny Lalao Nemeanina. Matetika no naseho teo amin’ny tsipika fahatongavana teo akaikin’ny mpitsara ilay loka, mba ho hitan’ireo mpihazakazaka ka handrisihana azy hanezaka mafy. Tsy nahazo nandray anjara intsony anefa izay tsy nanaraka fitsipika. Ilay lalao no ambentin-dresaky ny olona, tsy nandritra ilay fotoana ihany, fa taloha sy taoriany koa. Nohindrahindraina be, nomena fanomezana be dia be, ary nomem-boninahitra ireo nandresy. Nomen’ny fanjakan’i Korinto vola mandra-pahafatiny ny atletany nahazo loka.
Roma. Tsy hoatran’ny lalao grika ny an’ny Romanina, izay nisy adin’ny gladiatera sy lalao feno habibiana be. Tamin’ny taonjato fahatelo T.K. ny adin’ny gladiatera voalohany. Anisan’ny fotoam-pivavahana tamin’ny fandevenana izy io, ary mety ho nifandray tamin’ny fanaon’ny mpanompo sampy fahiny hoe mandidididy vatana mba handeha ra, ho fanomezam-boninahitra ny andriamaniny na ny maty. (1Mp 18:28; ampitahao amin’ny Le 19:28 izay mandrara ny Israelita tsy hanao izany.) Nankalazana ny andriamanitra Satiorna ny lalao romanina tatỳ aoriana. Tena lozabe sy mafy fo ireo mpilalao. Adin’ny gladiatera 10 000 no nalamin’i Trajan Mpanjaka indray mandeha, ka niady mandra-pahafatiny ny ankamaroany. Nisy aza senatera, vehivavy “nanan-kaja”, ary mpanjaka (antsoina hoe Commode) nanao gladiatera. Kristianina maro no novonoina teo amin’ny kianja fiadian’ny gladiatera, nanomboka tamin’ny andron’i Néron.
Tafiditra tany Palestina ny lalaon’ny mpanompo sampy. Nampiditra ny kolontsaina grika sy fifaninanana ara-panatanjahan-tena tany Israely ny Jiosy nandala izany, tamin’ny andron’i Antiokosa Epifana Mpanjaka (taonjato faha-2 T.K.). Nasiana kianja fanaovana fanatanjahan-tena tao Jerosalema. (1 Makabeo 1) Na ny mpisorona aza nanao tsirambina ny andraikiny satria te handray anjara tamin’ireo lalao. (2 Makabeo 4:12-15) Nisy Jiosy nanohitra mafy an’ireny fanaon’ny mpanompo sampy ireny anefa.
Nanorina kianja filalaovana tantara an-tsehatra tao Jerosalema, kianja be teny amin’ny lemaka, ary kianja toy ireo roa ireo tany Kaisaria i Heroda Lehibe (taonjato voalohany T.K.). Nataony isaky ny dimy taona ho fanomezam-boninahitra an’i Kaisara ireo lalao, izay nisy tolona, hazakazaka an-kalesy, sy fifaninanana hafa, ary lalao romanina, toy ny bibidia niady tamin’ny bibidia, na olona voaheloka ho faty niady tamin’ny bibidia. Nisy Jiosy tezitra ka nikasa hamono an’i Heroda, saingy tsy nahomby ilay tetika, hoy i Josèphe.—Rakitry ny Ela Jiosy, XV, 267-291 (viii, 1-4); XV, 331-341 (ix, 6).
Fiheveran’ny Kristianina. Hoy i Tertullien, mpanoratra (taonjato faha-2 sy faha-3): “Adala ireo nilalao teny amin’ny kianja, tsy nahalala menatra ireo nanao tantara an-tsehatra, lozabe ireo gladiatera, ary nieboebo ireo atleta” romanina. “Tsy [tianay Kristianina] mihitsy ny nijery na nihaino na nifampiresaka momba” ny fialam-bolin’ny Romanina. Hoy koa izy: “Nahoana no sorena ianareo raha zavatra hafa no mahafinaritra anay? ... Tsy tianay izay mahafinaritra anareo, ary tsy tianareo ny anay.” (Fanamarinana, XXXVIII, 4, 5) Noresahin’ny apostoly Paoly ao amin’ny 1 Timoty 4:7-10 ny fiheveran’ny Kristianina ny fampiasan-tena sy fanatanjahan-tena.
Heviny an’ohatra. Nisy lafiny tamin’ny lalao fahiny natao fanoharana. Tsy ravinkazo natohitohy mora malazo toy ny loka tamin’ny lalao grika, hoy i Petera, ny satroboninahitry ny Kristianina voahosotra, fa ny ho lasa tsy mety maty. (1Pe 1:3, 4; 5:4) Tapa-kevitra ny hahazo ilay loka ny Kristianina, hoy i Paoly, ka mibanjina azy io rehefa mihazakazaka, fa tsy mitodika any aoriana sao lavo. (1Ko 9:24; Fi 3:13, 14) Tsy maintsy manaraka fitsipi-dalao koa izy, izany hoe madio fitondran-tena foana. (2Ti 2:5) Tena ilainy ny mifehy sy mamolaka ny tenany ary miofana. (1Ko 9:25; 1Pe 5:10) Mikendry ny handresy izy, toy ny mpanao ady totohondry tsara ofana izay mikendry tsara fa tsy mamely rivotra. Tsy olona anefa no asian’ny Kristianina fa izay rehetra mety hisakana azy tsy handresy, toy ny fanirian’ny tenany. (1Ko 9:26, 27; 1Ti 6:12) Esoriny izay rehetra manavesatra sy ny ota mamatopatotra, dia ny tsy fahampiam-pinoana, toy ny analan’ny mpifaninana an’izay akanjo manelingelina azy. Hazakazaka ilana fiaretana no ataon’ny Kristianina, fa tsy hoe mandeha mafy nefa vetivety dia mijanona.—He 12:1, 2.
Nilaza i Paoly fa misy “vavolombelona [gr.: martyrôn] maro be toy ny rahona manodidina antsika.” (He 12:1) Tsy mpitazana fotsiny izy ireo, rehefa jerena ny Hebreo toko faha-11 izay nahatonga an’i Paoly hilaza hoe “Koa satria ...” Nampirisihiny àry ny Kristianina mba handroso, satria modely fakan-tahaka ireo mpihazakazaka talohany fa tsy mpitazana fotsiny. Tokony hobanjinin’izy ireo koa ilay efa nandresy ary Mpitsara ankehitriny, dia i Kristy Jesosy.
Tamin’ny lalao romanina, dia ny lalao nahatsiravina indrindra no natao farany, ary tsy maintsy maty izay natokana ho amin’izy io. Mety ho izany no nataon’i Paoly fanoharana, rehefa nilaza izy fa toy ireo farany nalefa nankao amin’ny kianja ny tenany sy ny apostoly hafa. (1Ko 4:9) Ny lalao romanina koa no tao an-tsainy tamin’izy nanoratra ny Hebreo 10:32, 33. (Jereo KIANJA FILALAOVANA TANTARA AN-TSEHATRA.) Toa efa saika maty tamin’ny lalao romanina i Paoly, matoa izy nilaza hoe “niady tamin’ny bibidia tany Efesosy” ny tenany. (1Ko 15:32) Tsy nampiadiana tamin’ny bibidia izy satria olom-pirenena romanina, fa ireo mpanohitra azy tany Efesosy no nolazainy hoe bibidia, hoy ny sasany. Notandindomin-doza anefa izy tany amin’ny faritr’i Azia, izay nisy an’i Efesosy, saingy nanafaka azy tamin’ny “loza saika nahafaty” azy Andriamanitra. (2Ko 1:8-10) Tena niady tamin’ny bibidia àry izy tany Efesosy, fa tsy hoe nisy olona nanohitra fotsiny. (As 19:23-41) “Saika maty” matetika izy rehefa nanompo, ary mety ho anisan’izany ilay tany Efesosy.—2Ko 11:23; jereo FIALAM-BOLY.