Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lavaka Fanangonan-drano

Lavaka Fanangonan-drano

Lavaka nohadina mba hanangonana ranonorana na rano avy amin’ny loharano, fa tsy toy ny lavadrano izay ahazoana rano avy any ambanin’ny tany. Nosaronana ireny lavaka ireny matetika, fa tsy toy ny dobo. Ny teny hebreo hoe bôhr no nadika hoe “lavaka fanangonan-drano”, na dia tsy nisy rano aza tao (Ge 37:20-29; 2Sa 23:20), sy nadika hoe “lavaka figadrana” rehefa nidika hoe fonja (Ge 40:15), ary hoe ‘lavaka’ rehefa nilazana ny hoe “Fasana” na nampiarahina tamin’izy io (Sl 30:3; Oh 1:12; Ezk 31:14, 16).

Tena nilaina ny lavaka fanangonan-drano tany amin’ny Tany Nampanantenaina, satria ireny ihany no nahafahana nitahiry rano ampy. Be tendrombohitra mantsy tany ka vitsy ny lavadrano sy loharano, ary ritra izy ireny matetika rehefa nifarana ny vanin-taona mafana. Na ny toerana zara raha nisy rano toa an’i Negeba aza lasa nisy tanàna kely, satria nanaovana lavaka fanangonan-drano. Nampanantena i Jehovah fa hahita lavaka fanangonan-drano efa nohadina ny vahoakany ao amin’ny Tany Nampanantenaina. (De 6:10, 11; Ne 9:25) Nihady “lavaka maro fanangonan-drano” nanerana an’i Joda i Ozia Mpanjaka. (2Ta 26:1, 10) An’arivony ny lavaka toy izany hatrany Galilia Ambony ka hatrany Negeba, ary nahita toerana feno azy ireny ny mpikaroka. Toa samy te hanana lavaka fanangonan-drano ny tokantrano tsirairay, na dia tany Moaba aza. Hoy mantsy i Mesa mpanjaka araka ny hita eo amin’ny Vato Moabita nosoratana tamin’ny taonjato fahasivy T.K.: “Tsy nisy lavaka fanangonan-drano tao amin’ny tanànan’i Karhoh, ka hoy aho tamin’ny vahoaka: ‘Samia manao lavaka fanangonan-drano ao an-tranony!’” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 320) Nampanantena i Sankeriba hoe “samy hisotro ny rano avy amin’ny lavaka fanangonan-dranony” ny mponin’i Jerosalema, raha manaiky hitolo-batana aminy.​—2Mp 18:31; Is 36:16.

Matetika ny vatolampy no noloahana hatao fanangonan-drano. Tsy nitete ilay lavaka rehefa mafy sy tsy nisy tresaka ilay vatolampy. Vatosokay nisy lavadavaka kely anefa ny ankamaroan’ny vatolampy tany Palestina, ka nila nolalorina ny atiny mba tsy hitsika ny rano. Nasiana biriky na vato kosa ny atin’ny lavaka nohadina tao anaty tany, ary nolalorina mba tsy hihotsaka. Niendrika poara ireny lavaka ireny matetika, ka lehibe ny fanambaniny ary tery ny vavany (30-60 sm monja ny savaivony indraindray). Raha lava-bato voajanahary no namboarina na nitarina mba hanangonan-drano, dia izay vato teo ihany no natao andry hanohanana ny tampony tsy hihotsaka, na nasiana andohalambo tao, toy ny hita tany Negeba. Lakandrano teo amin’ny tehezan-kavoana no nikorianan’ny ranonorana nankao anatin’ilay lava-bato.

Miresaka momba ny “bolaky eo amin’ny lavadrano” ny Mpitoriteny 12:6. Siny tanimanga nafatotra tamin’ny tady fotsiny anefa matetika no nanovozana rano. Vaky indraindray izy ireny, ka ny potik’ireny no hita eny amin’ny fanambanin’ny lavaka maro. Be fotaka koa ny lavaka maro, satria fanaon’ny olona taloha ny nanipy vovoka tao mba hidinan’ny loto tany ambany raha nihandrona ela loatra na naloto ilay rano. Nosaronana ireo lavaka sao lasa naloto ny rano, na sao nisy olona na biby latsaka tao. Tsy naloto anefa ilay rano, hoy ny Lalàna, raha sendra nisy fatim-biby na fatin’olona latsaka tao, fa izay olona naka an’ilay faty no naloto. (Ek 21:33; Le 11:35, 36) Nangatsiatsiaka koa ilay rano rehefa nosaronana sady kely kokoa no lasa etona. (Je 6:7) Nisy vavany maromaro fanovozana rano ny lavaka lehibe fanangonan-drano sasany. Nisy tohatra 30 m na mihoatra nidinana tao amin’ireo lavaka lehibe sy lalina.

Nampiasaina tamin-javatra hafa. Tsy natao fanangonan-drano fa fitehirizam-bokatra ny lavaka sasany tany amin’ny toerana maina. Nosaronana tsara izy ireny sao nidiran’ny hamandoana sy ny voalavo ary ny bibikely. Tsy mora tazan’ny mpangalatra koa izy ireny. Toa natao hitehirizana vokatra koa ny lavaka sasany tany amin’ny toerana tsy nisy loharano. Natao tao anaty lavaka tsy misy rano ny voafonja indraindray. (Za 9:11) Natsipin’ny rahalahiny tao amin’ny lavaka toy izany i Josefa (Ge 37:20-24), ary mbola natao tao an-davaka figadrana (a.b.t.: lavaka fanangonan-drano) koa tany Ejipta. (Ge 40:15; 41:14) “Hatramin’ny lahimatoan’ny babo tao amin’ny lavaka figadrana [a.b.t.: trano misy lavaka fanangonan-drano]” aza tratran’ny loza fahafolo tany Ejipta. (Ek 12:29) Nogadraina tao amin’ny “trano nisy lavaka fanangonan-drano” i Jeremia, ary avy eo natsipy tao amin’ny lavaka tsy nisy afa-tsy fotaka. (Je 37:16; 38:6-13) Nisy niafina tao anaty lavaka fanangonan-drano ny Israelita nandositra an’ireo Filistinina, ary fatin’olona 70 no natsipy tao amin’ny lavaka lehibe fanangonan-drano nataon’i Asa. (1Sa 13:6; Je 41:4-9) Natao famantarana toerana ny lavaka sasany satria teo foana.​—1Sa 19:22; 2Sa 3:26; 2Mp 10:14.

Heviny an’ohatra. Andininy roa no ahitana izany. “Nihady lavaka fanangonan-drano ho an’ny tenany, nefa lavaka misy triatra sy tsy mahatana rano” ireo nahafoy an’i Jehovah ilay “loharanon’ny rano velona”, satria nangataka firenen-kafa hiaro sy hanampy azy. (Je 2:13, 18) Nampirisika an’ireo mpivady tsy hifanitsakitsaka i Solomona, ka hoy izy: “Misotroa rano avy amin’ny lavaka fanangonanao rano.”​—Oh 5:15.