Manala Zaza, Afa-jaza
Manaisotra zaza avy ao an-kibon-dreniny alohan’ny fotoana tokony hahaterahany. Matetika no avahan’ny olona ny hoe manala zaza sy ny hoe afa-jaza. Ny olona manala zaza mantsy minia manao izay hahafahan’ny zaza ao an-kibon-dreniny. Ny olona afa-jaza kosa tsy ninia nanala an’ilay zaza fa voina na zavatra tsy nampoizina no nahatonga izany. Manana heviny malalaka kokoa anefa ireo teny ireo ao amin’ny Baiboly, ary indraindray aza azo ampifamadihana. Midika hoe “afa-jaza” (Ek 23:26) ny teny hebreo hoe shakal, izay nadika koa hoe ‘mahafaty’ (De 32:25), ‘manao izay hahafongana zanaka’ (Le 26:22), “tsy mahatana zaza” (Ho 9:14), ary ‘tsy mamoa.’ (Ml 3:11) Nadika hoe “afa-jaza” ilay teny hebreo hoe yôhtseʼt ao amin’ny Salamo 144:14, ary avy amin’ny fototeny midika hoe ‘miala’ izy io. (Ampit. Ge 27:30.) Nadika hoe “zaza afaka tao an-kibon-dreniny” sy hoe “zaza maty teo am-piterahana” (Sl 58:8; Mpto 6:3) ny teny hebreo hoe nefel, izay avy amin’ny fototeny hoe nafal (midika hoe “tsy misy nateraka”).—Ampit. Is 26:18.
Mety ho afa-jaza tsy fidiny ny reny noho ny voina, areti-mifindra, adin-tsaina sy harerahana tafahoatra, na fahosan’ny taova. Nahafaty, ohatra, ny rano tany akaikin’i Jeriko, ka nahatonga ny olona ho afa-jaza. Tsy nitsahatra izany raha tsy nositranin’i Elisa mpaminanin’i Jehovah ny rano.—2Mp 2:19-22.
Fahotana lehibe eo imason’Andriamanitra ny minia mampiasa fanafody na zavatra hafa mba hanalana zaza, satria fotsiny hoe tsy nirina ilay zaza ka tiana hesorina. Fanomezana sarobidy avy amin’Andriamanitra mantsy ny aina ka masina. Niaro ny zaza mbola tany am-bohoka àry ny lalàn’Andriamanitra nampitainy tamin’i Mosesy. Tsy ny finiavana manala zaza ihany no nomelohin’ny lalàna, fa na ny loza sendra nitranga ka nahatonga an’ilay zaza ho afaka koa aza. Raha nisy, ohatra, lehilahy nifanditra mafy ary nandratra vehivavy bevohoka, ka nisy nanjo an’ilay reny na ilay zaza, dia tsy maintsy ampiharina ilay hoe “aina ho solon’ny aina.” (Ek 21:22-25) Tsy maintsy namotopototra tsara izay tena nitranga aloha ny mpitsara, ary namantatra raha tena niniana natao ilay izy, izay vao nampiharina ny sazy. (Ampit. No 35:22-24, 31.) Nilaza ny Dr. Glenn fa tsy zavatra tsotsotra ny hoe minia mandratra zaza ao am-bohoka. Hoy izy: “Ny zaza vao miforona ao anaty tranon-jaza dia efa TENA olona, ka mandika ny didy fahenina izay mamono an’ilay zaza.”—Ny Baiboly sy ny Fitsaboana Maoderina, 1963, p. 176.
Tokony hoheverina ho fitahiana avy amin’i Jehovah ny naloaky ny kibo. (Le 26:9; Sl 127:3) Nampanantena Andriamanitra fa hitahy ny Israely, ka ho teraka soa aman-tsara izay bevohoka ary hitoe-jaza izay momba. Hoy izy: “Tsy hisy vehivavy ho afa-jaza na ho momba eo amin’ny taninao.” (Ek 23:26) Asehon’ny vavaky ny olo-marina fa porofon’ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra an’ireo fahavalony ny hoe tsy hahatana zaza ny kibon’ny vehivavy eo amin’izy ireo ary ho toy ny zaza afaka izy ireo ka tsy hahita masoandro mihitsy.—Sl 58:8; Ho 9:14.
Nijaly loatra i Joba, ka hoy izy: “Tsy tokony ho velona koa aho, toy ny zaza vao mitsaika nefa afaka, sady tsy fantatry ny reniny akory ny fisiany.” Nitaraindraina izy hoe: “Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e?” (Jb 3:11-16) Nilaza koa i Solomona fa ny zaza maty teo am-piterahana aza tsara kokoa noho ny lehilahy ela velona nefa tsy nankafy fiainana mihitsy.—Mpto 6:3.
Misy areti-mifindra mahafa-jaza. Mety ho voan’izany ny omby, soavaly, ondry, ary osy ka hamotsotra ary tsy hahavanona anaka. Efa tamin’ny andron’i Jakoba sy Joba koa no nisy biby tsy nahavanona anaka noho ny loza na tsirambina na aretina.—Ge 31:38; Jb 21:10.