Moria
(Morìa).
Anaran’ilay tendrombohitra be vato nanorenan’i Solomona tempoly tsara tarehy ho an’i Jehovah. Nividy an’io toerana io tamin’i Araona (Ornana) Jebosita i Davida rainy, talohan’izay mba hanorenana alitara. Nasain’Andriamanitra nanorina an’io izy mba hampitsaharana ny loza nanjo ny vahoaka. Nanota mantsy i Davida satria nampanao fanisam-bahoaka, ka izay no nahatonga ilay loza.—2Sa 24:16-25; 1Ta 21:15-28; 2Ta 3:1; jereo ARAONA.
Lazain’ny lovantsofina jiosy fa teo amin’ny tendrombohitra iray tany “amin’ny tany Moria” no nisy an’ilay tempoly, izany hoe ilay tendrombohitra nalehan’i Abrahama tamin’izy nasain’Andriamanitra nanao sorona an’i Isaka. (Ge 22:2; jereo Rakitry ny Ela Jiosy, VII, 329-334 [xiii, 4].) Ilay faritra be tendrombohitra manodidina an’i Jerosalema àry ilay tany antsoina hoe Moria, raha izany. Tany amin’ny “tany Moria” i Abrahama no nandeha rehefa niala tany akaikin’i Beri-sheba. Tamin’ny andro fahatelo izy vao nahatazana an’ilay toerana nasain’Andriamanitra nalehany.—Ge 21:33, 34; 22:4, 19.
Misy milaza fa tsy ny Tendrombohitra Moria ilay tendrombohitra nisy ny tempoly tao Jerosalema. Akaiky loatra an’i Beri-sheba mantsy, hono, ny Tendrombohitra Moria. Tany “amin’ny tany Moria” anefa no nasaina nalehan’i Abrahama. Nifoha maraina izy tamin’ny andro voalohany: Nanisy lasely ny ampondrany izy, namaky kitay, nametraka izany teo andamosin’ilay biby, ary avy eo lasa. (Ge 22:2, 3) “Efa tamin’ny andro fahatelo i Abrahama vao nahatazana ilay toerana [ny tany Moria] avy lavitra, tamin’izy nanopy ny masony.” Tamin’ny andro faharoa ihany àry izy no nandeha tontolo andro. Aiza ho aiza no manomboka tazana ny Tendrombohitra Moria, ary lalana firy andro no mankany? Hoy Ny Diksionera Ara-baiboly Misy Sary: “Misy 80 km eo ho eo manasaraka ny faritra atsimon’i Filistia sy Jerosalema. Mety ho lalana telo andro tokoa izany. Tsy ‘tendrombohitra Moria’ koa no ilazan’ny Genesisy an’ilay toerana, fa iray tamin’ireo tendrombohitra tany amin’ny tany Moria. Tazana avy lavitra ireo havoana misy an’i Jerosalema. Azo antoka àry fa teo amin’ilay toerana nanjary nantsoina hoe Jerosalema i Abrahama no nanao sorona, ary mety hoe teo amin’ilay havoana nisy ny Tempoly mihitsy aza.” (Nataon’i J. Douglas, 1980, Boky Faha-2, p. 1025) Tena mety ho lalana dia an-tongotra roa andro mahery àry ilay 80 km eo ho eo nanasaraka an’i Beri-sheba sy ny Tendrombohitra Moria.
Azo inoana fa tsy nifanakaiky ny Tendrombohitra Moria sy ilay Salema (Jerosalema) tamin’ny andron’i Abrahama. Tsy hitan’ny mponina tao amin’ilay tanàna àry i Abrahama tamin’izy vonona hanolotra an’i Isaka. Tsy voalaza koa hoe nanatri-maso izany ny mponina tao na nanao zavatra hisakanana an’i Abrahama. Somary nitokana ilay toerana, taonjato maro tatỳ aoriana, satria voalaza fa nisy famoloana teo amin’ny Tendrombohitra Moria tamin’ny andron’i Davida. Tsy misy firesahana anefa hoe nisy trano teo.—2Ta 3:1.
Toerana masina (Dôme du Rocher) fivavahan’ny Silamo no eo an-tampon’ny Tendrombohitra Moria, ankehitriny.—Jereo JEROSALEMA (Tatỳ aoriana kokoa).