Mpamandri-borona
Mpihaza na mpisambotra vorona. (Oh 6:5; Sl 124:7) Toa fandrika na harato no tena nampiasain’ny Hebreo hamandriham-borona, nefa koa indraindray tsipìka sy zana-tsipìka ary pilotra.
Nahazo nihinana vorona efa nalatsa-dra tsara ny olona, taorian’ny Safodrano. (Ge 9:2-4) Noraran’ny Lalàn’i Mosesy ny fihinanana vorona sasany, nefa azo nohanina ny ankamaroan’ny vorona satria “madio.” (De 14:11-20) Tsy maintsy ‘nararaka tamin’ny tany ka nototofana vovoka’ ny ran’ny vorona nohazaina. (Le 17:13, 14) Tsy hoe nohanina fotsiny ny vorona sasany nohazaina (Ne 5:18; 1Mp 4:22, 23) fa azo natao sorona koa, toy ny zana-boromailala sy domohina. ( Le 1:14) Avy tamin’ny mpamandri-borona angamba ny voromailala sasany namidy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, fony i Jesosy tetỳ an-tany. (Jn 2:14, 16) Toa nisy nividy sy niompy tao an-trano ny vorona tsara tarehy na manga feo.—Ampit. Jb 41:5; 1Mp 10:22.
Fandrika. Teny hebreo roa (môhkesh sy pah) no toa tena ilazana ny fandrika fampiasan’ny mpamandri-borona. Mety ho fandrika nosintonin’ny mpamandri-borona iray na maromaro ny hoe môhkesh. (Am 3:5) Ilay hoe pah (Jb 22:10; Sl 91:3) kosa fandrika tonga dia nikaratoka, raha vao tafiditra ilay vorona voasariky ny jono na zavatra hafa natao tao. (Oh 7:23) Avy amin’ny matoanteny fototeny hoe yakôsh (“mamandrika”) ny teny hebreo hoe yakosh na yakôhsh (“mpamandri-borona”).—Je 50:24.
Tsy maintsy nandinika ny fiaimpiainana sy fanaon’ny karazam-borona tsirairay sy nahay nanafina an’izay fandrika novelariny ny mpamandri-borona fahiny. (Ampit. Jb 18:10; Sl 64:5, 6; 140:5.) Mahita kokoa ny manodidina azy ny ankamaroan’ny vorona, tsy hoatran’ny olona, satria eo amin’ny andaniny roa amin’ny lohany ny masony. Misy koa vorona mahita lavitra kokoa, fa ny olona kosa mila mampiasa masolavitra. Mailo koa ny vorona. Marina àry ilay hoe: “Very maina ny amelarana harato raha hatao eo imason’izay manana elatra.”—Oh 1:17.
Tsy mahalala ny hoavy ny olona sady tsy tena afa-manoatra rehefa misy loza, ka toy ny ‘vorona azon’ny fandrika [heb.: bappah], izay voafandrika rehefa tonga tampoka aminy ny fotoana ahitan-doza.’ (Mpto 9:12) Velarin’ny ratsy fanahy eo anoloan’ny olo-marina ny fandrika miafina na manintona, mba hitaomana azy haloto fitondran-tena sy hiala amin’Andriamanitra. (Sl 119:110; 142:3; Ho 9:8) Melohina ny mpaminanivavy sandoka satria ‘mihaza olona, izay hazainy toy ny vorona.’ (Ezk 13:17-23) Ampian’i Jehovah kosa ny mpanompony tsy mivadika, ka ‘toy ny vorona afa-nandositra avy tao amin’ny fandriky ny mpamandri-borona. Tapaka ilay fandrika, ka afa-nandositra izy ireo.’ (Sl 124:1, 7, 8) Nivavaka toy izao ny mpanao salamo: “Arovy aho mba tsy ho voaketoky ny fandrika [fah,endriny hafa amin’ny hoe pah] napetrak’izy ireo, sy tsy ho azon’ny vela-pandriky [omôkeshôht, mr., endriny milaza vavy; tkn.: môhkesh] ny mpanao ratsy. Ho latsaka ao amin’ny fandrika harato nataony ihany ny ratsy fanahy rehetra, fa izaho kosa handalo fotsiny.”—Sl 141:9, 10.