Mpandrafitra
Mpanao asa tanana manamboatra zavatra amin’ny hazo. Harash ny teny hebreo ilazana ny “mpanorina”, na “mpanao asa tanana” toy ny asa vato na vy (na metaly hafa) na rafitra hazo. (2Mp 12:11; 2Ta 24:12; Ek 28:11; 1Ta 14:1) Tektôn kosa izy io amin’ny teny grika, izay nadika hoe “mpandrafitra” ao amin’ny Matio 13:55 sy Marka 6:3.
Nanao rafitra hazo be dia be i Noa sy ny zanany telo lahy rehefa nanao an’ilay sambofiara goavana araka ny modely nomen’i Jehovah.—Ge 6:14-16.
Nokaramaina hiasa tamin’ny fanorenana trano, ary tatỳ aoriana tamin’ny fanaovana synagoga, ny mpandrafitra tany Israely. Vato na tany no nanaovana ny trano tamin’ny ankapobeny, fa hazo kosa no nanaovana ny varavarana na zavatra hafa. Nanamboatra fanaka toy ny latabatra sy sezabory ary sezalava ny mpandrafitra fahiny. Hazo na nisy ampahany hazo ny angadinomby sy ny fitaovana fanosihosena varimbazaha ary fitaovana hafa. (2Sa 24:22) Notarihin’ny fanahin’i Jehovah Andriamanitra i Bezalila sy Oholiaba rehefa nanamboatra ny tranolay masina sy ireo fitaovana tao, ka nitombo ny fahaizany. Nanao sokitra hazo sy zavatra hafa tena tsara àry izy ireo. (Ek 31:2-11) Anisan’ireo nanorina ny tranon’i Davida ny mpandrafitra mahay avy any Tyro. (2Sa 5:11) Nisy mpandrafitra koa tamin’ireo nasain’i Zerobabela nanorina ny tempoly faharoa tao Jerosalema.—Ezr 3:7.
Tsy “zanaky ny mpandrafitra” (Mt 13:55) fotsiny no nahalalana an’i Jesosy, fa “mpandrafitra” koa. (Mr 6:3) Azo inoana fa i Josefa rainy nitaiza azy no nampianatra azy handrafitra, satria fanaon’ny ray hebreo ny nampianatra asa ny zanany lahy.