Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpihazakazaka

Mpihazakazaka

Iraka haingam-pandeha na mpanompo nihazakazaka teo alohan’ny kalesin’ny olona ambony. Endriny hafa amin’ny teny hebreo hoe rots (“mihazakazaka”) no nadika hoe “mpihazakazaka.” Ny Baiboly sasany manao hoe “olona mandeha an-tongotra”, “mpiambina”, na “miaramila mpanotrona.” Ragli na ʼish ragli anefa ny teny hebreo ilazana ny “olona mandeha an-tongotra.”

Iraka haingam-pandeha na olona nahery nihazakazaka ireo “mpihazakazaka”, toa an’i Asahela rahalahin’i Joaba, sy Ahimaza zanak’i Zadoka. (2Sa 2:18; 18:19, 23, 27) Toa 30 km, fara fahakeliny, no vitan’i Elia rehefa nihazakazaka teo anoloan’ny kalesin’i Ahaba Mpanjaka avy tao Karmela hatrany Jezirela izy, satria “nomba an’i Elia ny tanan’i Jehovah.”​—1Mp 18:46.

Lehilahy nahery nihazakazaka no nofidina ho mpihazakazaka teo anoloan’ny kalesin’ny mpanjaka. Samy nanana mpihazakazaka 50 nandeha teo anoloan’ny kalesiny i Absaloma sy Adonia rehefa nitady hanongana mpanjaka, satria te hiseho hoe olo-manan-kaja sy be voninahitra. (2Sa 15:1; 1Mp 1:5) Azo lazaina hoe miaramila mpiaro ny mpanjaka ny mpihazakazaka. (1Sa 22:17; 2Mp 10:25) Mpiambina ny fidirana nankao an-tranony izy ireo, ary nanaraka azy nankany amin’ny tempoly. (1Mp 14:27, 28; 2Mp 11:6-8, 11; 2Ta 12:10) Nitondra hafatra avy taminy koa izy ireo. (2Ta 30:6) Toa nosoloana mpitaingina soavaly haingam-pandeha ireo iraka nandeha an-tongotra, tamin’ny andron’i Ahasoerosy mpanjakan’i Persa.​—Es 3:13, 15; 8:10, 14.

Heviny an’ohatra. Resahin’ny Soratra Grika Kristianina fa nisy nihazakazaka satria maika fotsiny. (Mt 28:8; Mr 9:15; 10:17; Jn 20:2) Ilay heviny an’ohatra anefa no noresahin’ny apostoly Paoly tamin’ny Korintianina hoe: “Tsy fantatrareo ve fa mihazakazaka avokoa ny mpihazakazaka rehetra manao fifaninanana, nefa iray monja no mahazo ny loka? Mihazakazaha koa mba hahazoanareo azy io. Ary mifehy tena amin’ny zava-drehetra koa izay rehetra mandray anjara amin’ny fifaninanana. Mazava ho azy fa manao izany izy ireo mba hahazoana satroboninahitra mety lo, fa isika kosa mba hahazoana ny tsy mety lo. Koa rehefa mihazakazaka aho, dia tsy mihazakazaka befahatany fotsiny. Ary tsy toy ny mamely rivotra aho rehefa mamely totohondry, fa asiako mafy ny vatako ka andevoziko, sao izaho indray no tsy hankasitrahana kanefa efa nitory tamin’ny hafa.”​—1Ko 9:24-27.

Niofana mafy ireo mpifaninana tamin’ny lalao grika. Henjana ny fitsipika nifehy azy ireo. Narahi-maso akaiky ny sakafony sy izay nataony ary nojeren’ny mpitsara izay tsy nanaraka fitsipi-dalao. Very maina ny hazakazak’izay tonga voalohany raha nandika fitsipika izy. Hoy i Paoly: “Raha misy mandray anjara amin’ny lalao fifaninanana, dia tsy hahazo satroboninahitra izy raha tsy nanaraka ny fitsipi-dalao.” (2Ti 2:5) Nifantoka tamin’ny loka teo amin’ny tsipika fahatongavana ny mason’ny mpihazakazaka. Nifantoka koa i Paoly rehefa ‘nihazakazaka’ tamin’ny fony manontolo. (Ga 2:2; Fi 2:16; 3:14) Hoy izy taloha kelin’ny nahafatesany: “Efa niady ny ady tsara aho, efa nahavita ny fihazakazahako aho, efa nihazona ny finoana aho. Manomboka izao, dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana.”​—2Ti 4:7, 8.

Taranak’i Abrahama ny Israely ara-nofo ka nihevi-tena ho olom-boafidy. (Ro 9:6, 7, 30-32) Tsy nety anefa ny fomba ‘nihazakazahany’ na nikatsahany ny fahamarinana, satria tsy nanaiky ny fahamarinan’Andriamanitra izy ireo fa nitady hanamarin-tena. (Ro 10:1-3) Nanao ny rariny Andriamanitra, hoy i Paoly, rehefa nolaviny izy ireo ka nosoloany Israely ara-panahy. Hoy izy momba ny fifidianana an’ireo anisan’ny Israely ara-panahy: ‘Tsy miankina amin’izay maniry na amin’izay mihazakazaka izany, fa miankina kosa amin’Andriamanitra izay mamindra fo.’​—Ro 9:15, 16.