Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpilaza ny Hoavy

Mpilaza ny Hoavy

Olona mihambo ho mahalala ny hoavy, anisan’izany ireo mpisorona nampiasa herin’ny maizina sy mpisikidy ary mpanandro resahin’ny Baiboly. (Jereo FILALAOVANA ODY; SIKIDY.) Avy amin’ny fototeny hoe yadaʽ (mahalala) ny teny hebreo hoe yiddeʽôni nadika hoe “mpilaza ny hoavy”, ary midika hoe mahalala zavatra tsy fantatry ny olon-tsotra. Matetika izy io no miaraka amin’ny hoe ʼôhv, izay midika hoe “mpamoha angatra.” (De 18:11) Manana hery hafahafa ny olona mifandray amin’ny demonia, izay anjely ratsy fahavalon’Andriamanitra sady mpiandany amin’i Satana Devoly lehiben’ny demonia. (Lk 11:14-20) Nampiasa fomba maro samihafa ireo mpanombantombana ny hoavy: Nijery kintana (Is 47:13), nandinika atin-kena na taova hafan’ireo biby natao sorona (Ezk 21:21), nitady fambara (2Mp 21:6), ary nifandray tamin’ny fanahin’ny maty, hono.​—De 18:11.

Zatra nankany amin’ny mpilaza ny hoavy ny Ejipsianina sy ny Babylonianina. (Is 19:3) Ny mpanompon’ilay tena Andriamanitra kosa tsy mba toy izany. Norarana tsy ho any amin’ny “mpilaza ny hoavy” ny Israelita, araka ny Lalàna nomena azy ireo taoriana kelin’ny nanafahana azy ireo avy tany Ejipta. (Le 19:31) Naringana tsy ho anisan’ny vahoakan’Andriamanitra izay ‘nanana fifandraisana mamoafady’ tamin’izy ireny. Hoy ny Lalàna: “Tsy maintsy vonoina ho faty ny lehilahy na ny vehivavy mpamoha angatra na itoeran’ny fanahy mpilaza ny hoavy.” (Le 20:6, 27) Nampahatsiahivina toy izao ny Israelita efa ho 40 taona tatỳ aoriana, rehefa hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina sy handroaka ny mponina tao: “Aza mianatra manao ny zava-maharikoriko fanaon’ireo firenena ireo. Aoka tsy hisy eo aminao ny ... olona mankany amin’ny mpamoha angatra na mankany amin’ny mpilaza ny hoavy, na olona manontany amin’ny maty.”​—De 18:9-11.

I Saoly no mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely, 350 taona mahery tatỳ aoriana. Nesoriny tsy ho eo amin’ilay tany ny mpilaza ny hoavy. Niala tamin’i Jehovah anefa izy talohan’ny nahafatesany, ka nitady ‘vehivavy mahay mamoha angatra tao En-dora’ mba hilaza taminy izay hiafarany. Natahotahotra ilay vehivavy tamin’ny voalohany, nefa nanaiky ihany izy rehefa niangavy azy mafy i Saoly mba ‘hampiakatra an’i Samoela.’ Nilaza ilay vehivavy fa nahita ‘lahiantitra manao akanjo ivelany tsy misy tanany.’ Tonga dia nino i Saoly fa i Samoela mpaminany ilay izy. (1Sa 28:3, 7-19) Tsy i Samoela mihitsy anefa ilay izy satria efa maty izy, ary ny maty “tsy mahalala na inona na inona.” (Mpto 9:5) Azo antoka fa tsy nankany amin’ny mpamoha angatra mihitsy i Samoela fony fahavelony. Tsy ho niara-niasa tamin’izy ireny koa i Jehovah Andriamanitra sy ny anjeliny masina. Hoy mantsy Izy tamin’ny vahoakany: “Mety hisy hiteny aminareo hoe: ‘Manontania mpamoha angatra na olona itoeran’ny fanahy mpilaza ny hoavy, izay samy manao feom-boronkely sy mibitsibitsika.’ Tsy ny Andriamaniny anefa ve no tokony hanontaniany? Ny maty indray ve no hanontaniana mba hahasoa ny velona? Ao amin’ny lalàna sy ny teny fanamarinana ihany! Hamerimberina izany teny izany tokoa izy ireo, nefa tsy hahazo ny fahazavan’ny maraina.”​—Is 8:19, 20.

Lasa mpanjakan’ny Joda i Manase, efa ho 400 taona taorian’ny nanjakan’i Saoly. “Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy mba hampahatezitra azy, ary be tokoa ny ratsy vitany”, anisan’izany ny fankanesana tany amin’ny mpilaza ny hoavy, izay be dia be tamin’ny androny. (2Mp 21:6; 2Ta 33:6) Tsy maintsy nesorin’i Josia Mpanjaka zafikelin’i Manase ireo mpampiasa herin’ny maizina ireo.​—2Mp 23:24.

Indray mandeha ihany ny Soratra Grika Kristianina no miresaka momba ny mpilaza ny hoavy. Nifanena tamin’ny apostoly Paoly tany Filipy “ny mpanompovavy anankiray nisy fanahy ratsy, izany hoe nisy demonia mpilaza ny hoavy.” “Nahay naminany” ilay mpanompovavy ka nahazo tombony be avy tamin’izany ny tompony. Nentin’izy ireo teo anatrehan’ny tompon’andraiki-panjakana àry i Paoly sy Silasy, rehefa nesorin’i Paoly ilay demonia. Nasaina nokapohina sy naiditra am-ponja izy roa lahy. Porofo izany fa tena avy amin’ny demonia tokoa ilay fahaizana milaza ny hoavy, ary mifanohitra tanteraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.​—As 16:12, 16-24.