Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpisoronabe

Mpisoronabe

Ilay nisolo tena ny vahoaka teo anatrehan’Andriamanitra. Izy koa no niandraikitra an’ireo mpisorona hafa rehetra.

Maromaro ny anarana iantsoana ny mpisoronabe ao amin’ny Baiboly, toy ny hoe “mpisoronabe [a.b.t.: mpisorona lehibe]” (No 35:25, 28; Js 20:6), “mpisorona, voahosotra” (Le 4:3), “lehiben’ny [a.b.t.: lohan’ny] mpisorona” (2Ta 26:20; 2Mp 25:18), “lohany” (2Ta 24:6), na “mpisorona” fotsiny (2Ta 26:17). Ny teny manodidina no ahalalana raha mpisoronabe ilay “mpisorona” resahina eo na tsia. Ny lohandohan’ny mpisorona ireo “lehiben’ny mpisorona” ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Mety ho anisan’izy ireny ireo nesorina tsy ho mpisoronabe sy ireo lehiben’ny antoko-mpisorona 24.​—Mt 2:4; Mr 8:31.

Andriamanitra no nanendry an’i Arona ho mpisoronabe voalohany teo amin’ny Israely. (He 5:4) Ny lahimatoany no nandimby azy ary toy izany hatrany, raha tsy hoe maty na tsy nahafeno fepetra angaha ilay lahimatoa, toa an’ireo zanaka lahimatoan’i Arona roa lahy, izay nanota tamin’i Jehovah ka maty. (Le 10:1, 2) Nesorin’i Solomona Mpanjaka tsy ho mpisoronabe ny lehilahy iray mba hahatanteraka ny faminaniana, ka nosoloany olon-kafa nahafeno fepetra avy tamin’ny taranak’i Arona. (1Mp 2:26, 27, 35) Rehefa nofehezin’ny hafa firenena i Israely, dia izay tian’ilay mpitondra hatao mpisoronabe no notendreny ary nesoriny izay tsy tiany. Toa saika taranak’i Arona foana anefa no natao mpisoronabe mandra-paharavan’i Jerosalema tamin’ny taona 70, na dia nisy ihany aza naningana toa an’i Menelasa na Oniasa (Rakitry ny Ela Jiosy, XII, 238, 239 [v, 1]) Benjamita.​—2 Makabeo 3:4, 5; 4:23.

Fepetra takina. Hentitra ny fepetra notakina tamin’ny mpisoronabe, satria mendri-kaja ny asany sady tandindon’ny zavatra ho avy. Akaiky an’i Jehovah koa izy noho izy nisolo tena an’ilay firenena teo anatrehany.

Tsy nahafeno fepetra ho mpisorona izay rehetra nanana an’ireo takaitra tanisain’ny Levitikosy 21:16-23. Nisy fepetra hafa koa notakina tamin’ny mpisoronabe: Tsy nahazo naka vady mpitondratena izy, fa virjiny israelita ihany. (Le 21:13-15) Tsy nahazo nandoto tena tamin’ny faty na nikasika faty koa izy, na dia ny fatin-drainy sy ny fatin-dreniny aza. Tsy tokony havelany hisavoritaka koa ny volony na horovitiny ny akanjony rehefa nisy maty.​—Le 21:10-12.

Tsy resahin’ny Baiboly hoe firy taona ny lehilahy iray no azo notendrena ho mpisoronabe. Nitsahatra tsy nanompo intsony ny Levita rehefa feno 50 taona. Tsy mba toy izany kosa ny mpisorona, ary nanompo mandra-pahafatiny ny mpisoronabe. (No 8:24, 25) Efa 83 taona i Arona tamin’izy niaraka tamin’i Mosesy nankeo anatrehan’i Farao, ary toa nohosorana ho mpisoronabe izy herintaona taorian’izay. (Ek 7:7) Mpisoronabe foana izy mandra-pahafatiny, tamin’izy 123 taona. (No 20:28; 33:39) Maty ny mpisoronabe vao nahazo niala tao amin’ny tanàna fialokalofana ireo nahafaty olona tsy nahy.​—No 35:25.

Napetraka teo amin’ny toerany. Nanomana an’i Arona ho amin’ny asany ny andraikitra nomen’i Jehovah azy taoriana kelin’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta. Nasaina napetrany teo anoloan’ny Tenin’ny Vavolombelona, ohatra, ny siny nisy mana mba hotehirizina, tamin’ny Israelita tany an-tany efitra ho any Sinay. Mbola tsy nisy ny tranolay fihaonana sy ny Vata misy ny fifanekena tamin’izany. (Ek 16:33, 34) I Arona no niandraikitra ny tranolay masina sy ilay Vata, tatỳ aoriana. Ankoatra an’ireo 70 lahy tamin’ny anti-panahin’ny Israely, dia voatonona hoe nahazo nanatona ny Tendrombohitra Horeba i Arona sy ny zanany roa lahy, ka nahazo fahitana an’Andriamanitra.​—Ek 24:1-11.

Rehefa nanome toromarika an’i Mosesy momba ny akanjon’ny mpisorona anefa i Jehovah, vao nilaza fa hataony mpisorona i Arona sy ny zanany lahy. (Ek 28) Nohazavainy hoe ahoana no hametrahana mpisorona eo amin’ny toerany. Hoy koa izy: “Ho anjaran’izy ireo ny asa fisoronana, ary ho lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra izany.”​—Ek 29:9.

Heni-kaja sy madio i Jehovah, ka tsy nahazo nanao ny asan’ny mpisorona i Arona sy ny zanany lahy raha tsy nohamasinina sy napetraka teo amin’ny toerany. (Ek 29) I Mosesy, mpanelanelana tamin’ny fifaneken’ny Lalàna, no nametraka azy ireo teo amin’ny toerany. Fito andro (1-7 Nisana 1512 T.K.) no nanaovana an’ilay izy sy nanamasinana ary nanomezana fahefana azy ireo ho mpisorona. (Le 8) Nisy fandrakofam-pahotana ho an’ilay firenena ny ampitson’iny, ny 8 Nisana (toy izay natao tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana fanao isan-taona, isaky ny 10 Tisry; ao amin’ny Levitikosy 9 ny mombamomba an’io fandrakofam-pahotana voalohany nataon’ny mpisorona io). Nila nodiovina ho afaka tamin’ny fahotany mantsy ny Israely, satria vao avy nivavaka tamin’ny zanak’omby volamena koa izy ireo.​—Ek 32.

Akanjon’ny mpisoronabe teo amin’ny Israely

Nasain’Andriamanitra nanamboatra menaka masina fanosorana i Mosesy, ary iny no nararany teo an-dohan’i Arona rehefa napetraka teo amin’ny toerany ny mpisoronabe. (Le 8:1, 2, 12; Ek 30:22-25, 30-33; Sl 133:2) Voalaza fa “voahosotra” ireo mpisoronabe nandimby an’i Arona. Marina fa tsy resahin’ny Baiboly hoe nohosorana menaka ara-bakiteny izy ireo, nefa misy lalàna toy izao ao: “Ireo fitafiana masin’i Arona dia hanaovan’izay taranany mandimby azy, amin’ny fotoana hanosorana sy hanomezana fahefana azy ho mpisorona. Koa hanao ireo fitafiana ireo mandritra ny fito andro, ny mpisorona anisan’ny taranany izay mandimby azy sy miditra ao amin’ny tranolay fihaonana mba hanompo ao amin’ny toerana masina.”​—Ek 29:29, 30.

Akanjony. Nanao akanjo vita tamin’ny lamba rongony toy ny an’ny mpisorona ny mpisoronabe, rehefa nanao ny asany mahazatra. Nanao akanjo mihaja sy tsara tarehy kosa izy indraindray. Resahin’ny Eksodosy toko faha-28 sy 39 ny didin’ireo akanjo ireo sy ny nanamboarana azy, araka ny natoron’Andriamanitra an’i Mosesy. Akanjo lava (heb.: kottônet) vita tamin’ny rongony tena tsara (fotsy angamba), sady natao karôkarô ny tenony, no akanjo anatiny indrindra (ankoatra an’ireo kilaoty lava vita tamin’ny lamba rongony “avy eo amin’ny andilana ka hatreo amin’ny fe”, izay nanaovan’ny mpisorona “mba hanaronan’izy ireo ny fitanjahany”; Ek 28:42). Toa tsy nisy vitrana ilay akanjo ary lava tanana sy hatreo an-kitrokely. Nisy fehikibo lamba ilay izy. Notenomina tamin’ny kofehy rongony miolana tsara, sy kofehy manga sy volomparasy somary mena, ary kofehy mena midorehitra ilay fehikibo, ary nafatotra teo amin’ny andilana angamba.​—Ek 28:39; 39:29.

Natao tamin’ny lamba rongony tena tsara koa ny satroka, izay tsy nitovy tamin’ny saron-dohan’ny mpisorona lefitra. (Ek 28:39) Nafatotra teo anoloana tamin’ilay satroka ny takelaka mamirapiratra vita tamin’ny volamena tsy misy fangarony, izay nisy soratra hoe “An’i Jehovah ny fahamasinana.” (Ek 28:36) Io takelaka io no “famantarana masina hoe voatokana” ilay mpisoronabe.​—Ek 29:6; 39:30.

Natao teo ambonin’ilay akanjo lava ny akanjo manga tsy misy tanany (heb.: meʽil). Toa notenomina sy tsy nisy vitrana koa ilay izy, ary nasiana sisiny matevina tsara ny vozony mba tsy ho rovitra. Natsofoka avy teo amin’ny loha ilay izy, ary fohy kokoa noho ilay akanjo lava. Ny morontongony kosa nasiana lakolosy kely volamena nifanelanelana tamin’ny ampongabendanitra vita tamin’ny kofehy manga sy volomparasy somary mena ary mena midorehitra. Re ny feon’ireo lakolosy rehefa nanompo tao amin’ny toerana masina ilay mpisoronabe.​—Ek 28:31-35.

Teo koa ny efoda, izay toy ny aron’akanjo misy aloha sy aoriana, ary hatreo ambany kelin’ny andilana. Nanao azy io daholo ny mpisorona, ary ny tsy mpisorona koa aza indraindray. (1Sa 2:18; 2Sa 6:14) Tsara tarehy anefa ny efodan’ny mpisoronabe satria natao peta-kofehy. Niavaka ilay izy satria natao tamin’ny kofehy rongony miolana tsara sy kofehy volonondry volomparasy somary mena ary kofehy mena midorehitra natao nifampidipiditra tamin’ny kofehy volamena (takela-bolamena nokapokapohina hanify ary nodidididiana). (Ek 39:2, 3) Toa nisy lamban-tsoroka roa nidina avy teo amin’ny soroka nankeo amin’ny fehikibo. Nisy tranom-bato volamena nasiana vato oniksa teo amin’ny soroky ny efoda. Natao sokitra teo amin’ireo vato ny anaran’ny zanak’i Israely (Jakoba), ka nasiana anarana enina nilahatra arakara-jokiny ny vato tsirairay. Namatotra an’ilay efoda teo amin’ny andilana ny fehikibo vita tamin’ireo kofehy nanaovana ny efoda. ‘Teo amboniny’ ilay fehikibo satria nizaitra taminy angamba.​—Ek 28:6-14.

Ny saron-tratra fitsarana no lafo vidy sy tsara tarehy indrindra tamin’ny akanjon’ny mpisoronabe. Mitovy ny kofehy nanaovana azy sy ny efoda. Mahitsizoro izy io, ary avo roa heny noho ny sakany ny lavany. Lasa efamira manana lafy 22 sm eo ho eo àry izy io rehefa avalona roa, ka toy ny paosy. (Jereo SARON-TRATRA.) Noravahana vatosoa 12 natao tao anaty tranom-bato volamena ilay saron-tratra, ary natao sokitra teo amin’ny vato tsirairay ny anaran’ny zanak’Israely. Natao laharany efatra ireo vatosoa, toy ny robia, topaza, emeraoda. Nasiana rojo roa volamena mirandrana toy ny tady teo amin’ilay saron-tratra. Nasiana mason-drojo volamena koa teo amin’ireo zorony. Natsofoka teo amin’ny mason-drojo ambony ireo rojo volamena ary nafatotra tamin’ny soroky ny efoda. Kofehy manga kosa no namatorana an’ireo mason-drojo roa ambany tamin’ny lamban-tsoroka, teo ambonin’ny fehikibo.​—Ek 28:15-28.

Nataon’i Mosesy “tao amin’ny saron-tratra” ny Orima sy Tomima. (Le 8:8) Tsy fantatra marina hoe inona ireo. Misy manam-pahaizana milaza fa nampiasaina hanaovana antsapaka izy ireo, ka tamin’ny alalan’ireo i Jehovah no namaly hoe “eny” na “tsia” rehefa nisy nanontany. Mety ho natao tao amin’ny ‘paosin’ilay’ saron-tratra àry izy ireo. (Ek 28:30, AT; Mo) Toa manamarina izany ny 1 Samoela 14:41, 42. Misy indray milaza fa ireo vatosoa teo amin’ilay saron-tratra ny Orima sy Tomima, nefa toa sarotra inoana izany. Miresaka momba ny Orima sy Tomima koa ny Nomery 27:21; Deoteronomia 33:8; 1 Samoela 28:6; Ezra 2:63 ary Nehemia 7:65.​—Jereo ORIMA SY TOMIMA.

Nanao an’ireo akanjo tsara tarehy ireo ny mpisoronabe rehefa nisy raharaha lehibe nanontaniany an’i Jehovah. (No 27:21; Mpts 1:1; 20:18, 27, 28) Nosoloany an’ireo koa ilay akanjony fotsy vita tamin’ny lamba rongony, rehefa avy nanolotra ny fanatitra noho ny ota izy tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. (Le 16:23, 24) Toa nanao an’ireo akanjony tsara tarehy ireo koa izy tamin’ny fotoana hafa.

Resahin’ny Levitikosy toko faha-16 izay tokony hatao amin’ny Andro Fandrakofam-pahotana, saingy tsy hita ao hoe tokony hanandra-tanana hitso-drano ny vahoaka ny mpisoronabe rehefa avy nanao an’ireo akanjony tsara tarehy. “Nanandratra ny tanany tandrifin’ny vahoaka [anefa] i Arona ka nitso-drano azy”, nandritra an’ilay fandrakofam-pahotana natao ny ampitson’ny nametrahana mpisorona teo amin’ny toerany (nitovitovy tamin’izay natao rehefa Andro Fandrakofam-pahotana). (Le 9:22) Izao no tsodrano tokony holazainy, araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy: “Lazao amin’i Arona sy ny zanany hoe: ‘Izao no tsodrano hataonareo amin’ny zanak’Israely: “Hitahy anao sy hiaro anao anie i Jehovah! Hampamirapiratra ny tavany aminao anie i Jehovah ka ho tsara fanahy aminao! Hanandratra ny tavany aminao anie i Jehovah ka hanome anao fiadanana!”’”​—No 6:23-27.

Andraikitra sy adidy. Mendri-kaja sy lehibe ny andraikitry ny mpisoronabe, matoa nahameloka ny vahoaka ny fahotana nataony. (Le 4:3) Izy irery no nahazo niditra tao amin’ny Masina Indrindra, ary indray mandeha isan-taona ihany tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. (Le 16:2) Tsy nisy mpisorona nahazo nijanona tao amin’ny tranolay fihaonana, rehefa nankao izy tamin’io andro io. (Le 16:17) Izy no nanao ny fanompoana rehetra tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. Nanao fandrakofam-pahotana ho an’ny fokony sy ho an’ny vahoaka izy tamin’ny fotoan-dehibe sasany (Le 9:7), ary nitalaho tamin’i Jehovah ho an’ny vahoaka rehefa nirehitra tamin’izy ireo ny fahatezerany. (No 15:25, 26; 16:43-50) Izy no nanontany an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny Orima sy Tomima, rehefa nisy raharaha lehibe momba an’ilay firenena. (No 27:21) Teo anatrehany no namonoana sy nandoroana ombivavy mena iray, ary ny lavenon’izy io no nampiasaina ho amin’ny rano fanadiovana.​—No 19:1-5, 9.

Afaka nandray anjara tamin’izay asa na fankalazana nataon’ny mpisorona ny mpisoronabe, raha tiany. Nihamaro be ny mpisorona tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka, ka notsinjarainy ho fizarana 24 izy ireo mba ho afa-manompo daholo. (1Ta 24:1-18) Nisy foana ireo fizarana ireo mandra-pifaran’ny asa fisoronana. Voafetra ny fotoana nanompoan’ny mpisorona tao amin’ny toerana masina, fa tsy toy izany kosa ny an’ny mpisoronabe izay afaka nanompo tao tamin’ny fotoana rehetra. (Afaka nanampy foana anefa ny mpisorona, saingy nisy andraikitra sasany natokana ho an’ireo mpisorona tao amin’ilay fizarana nanana anjara fanompoana.) Rehefa fotoanan’ny fety no tena be atao ny mpisorona sy mpisoronabe.

Niandraikitra ny tranolay masina sy ny fanompoana ary ny fitehirizan-karena tao ny mpisoronabe. (2Mp 12:7-16; 22:4) Toa nisy mpisorona lefitra iray niara-niasa akaiky taminy. (2Mp 25:18) Io mpiara-miasa na Sagan io tatỳ aoriana no nanao ny asan’ny mpisoronabe, rehefa tsy afaka izy. (Ny Tempoly, nataon’i A. Edersheim, 1874, p. 75) Nisy andraikitra manokana nankinina tamin’i Eleazara, zanak’i Arona.​—No 4:16.

Ny mpisoronabe no tompon’andraikitra voalohany tamin’ny fampianarana an’ilay firenena momba ny fivavahana.​—Le 10:8-11; De 17:9-11.

Ny mpisoronabe sy ny mpitondra fanjakana (Josoa, ireo Mpitsara, ary ny mpanjaka) no tao amin’ny fitsarana avo tany Israely. (De 17:9, 12; 2Ta 19:10, 11) Lasa filohan’ny Fitsarana Avo Jiosy ny mpisoronabe rehefa niforona izy io. (Tsy nanao ny asan’ny filoha foana akory izy isaky ny nisy fitsarana, fa rehefa te hanao izany ihany, hoy ny lovantsofina sasany.) (Mt 26:57; As 5:21) Nanampy an’i Josoa nizara ny tany Kanana tamin’ireo foko 12 i Eleazara Mpisoronabe.​—Js 14:1; 21:1-3.

Tsy maintsy nambara tany amin’ireo tanàna fialokalofana nanerana an’ilay tany ny fahafatesan’ny mpisoronabe. Tamin’izay vao nahazo niala tao amin’ireo tanàna ireo izay meloka ho namono olona tsy nahy.​—No 35:25-29.

Ny tetirazan’ny mpisoronabe. Hita ao amin’ilay tabilao ato amin’ity lahatsoratra ity ny taranaky ny mpisoronabe sy ny anaran’ireo nitana an’io andraikitra io. Vitsy ihany ny anarana mpisoronabe ao amin’ny Baiboly, nefa hita ao ny tetirazan’i Arona. Lasa mpisoronabe ny ankamaroan’ireo voatanisa ao amin’ilay tetirazana, na dia tsy resahin’ny Baiboly mivantana aza ny nataony sy ny hoe mpisoronabe izy ireo. Vitsy loatra mantsy ny mpisoronabe voatonona anarana ao amin’ny Baiboly, raha ireo monja no mpisoronabe nanomboka tamin’ny 1512 T.K. (nanombohan’ny asa fisoronana) ka hatramin’ny 607 T.K. (taona nandravana an’i Jerosalema). Misy anaran’olona koa tsy hita ao amin’ilay tetirazana, na dia mety ho mpisoronabe aza izy ireo. Tsy mitanisa ny anaran’ny mpisoronabe rehetra àry ilay tabilao, fa natao hanampiana ny mpamaky hahalala bebe kokoa ny tetirazan’ny mpisoronabe fotsiny.

Fisoronan’i Melkizedeka. I Melkizedeka, “mpisoron’ilay Andriamanitra Avo Indrindra” sady mpanjakan’i Salema (Jerosalema), no mpisorona voalohany resahin’ny Baiboly. Nihaona tamin’io mpanjaka sady mpisorona io i Abrahama, rehefa avy nandresy an’i Kedorlaomera mpanjakan’i Elama sy ireo mpanjaka telo niray dina taminy. Niaiky i Abrahama fa Andriamanitra no nanome fahefana an’i Melkizedeka, matoa izy nanome azy ny ampahafolon’ny zavatra azony babo sy nahazo tsodrano avy taminy. Tsy resahin’ny Baiboly ny razamben’i Melkizedeka sy ny nahaterahany ary ny nahafatesany, ary tsy nisy mpisorona nodimbiasany na nandimby azy.​—Ge 14:17-24; jereo MELKIZEDEKA.

I Jesosy Kristy Mpisoronabe. Lasa “mpisoronabe mandrakizay tahaka an’i Melkizedeka” i Jesosy Kristy, rehefa natsangana tamin’ny maty sy nankany any an-danitra. (He 6:20; 7:17, 21) Ambony sy tsara kokoa noho ny fisoronan’ny taranak’i Arona ny an’i Kristy satria toy ny an’i Melkizedeka, izay notendren’ilay Andriamanitra Avo Indrindra ho mpanjaka sady mpisorona, fa tsy nandova izany tamin’ny razambeny. Avy tamin’ny fokon’i Joda sy taranak’i Davida koa i Kristy Jesosy fa tsy avy tamin’ny fokon’i Levy, ka tsy nandova ny fisoronany tamin’ny taranak’i Arona. (He 5:10) Notendrena ho Mpanjaka sady Mpisorona any an-danitra izy, araka ilay fampanantenana hoe: “Nianiana i Jehovah ka tsy hanenina, eny, nianiana izy hoe: ‘Mpisorona mandritra ny fotoana tsy voafetra ianao, tahaka an’i Melkizedeka!’” (Sl 110:4) Manana fahefana hanjaka koa i Kristy satria taranak’i Davida. Izy no mpandova an’ilay fanjakana nampanantenain’i Jehovah an’i Davida, izay nanaovany fifanekena. (2Sa 7:11-16) Mpanjaka sady Mpisorona tahaka an’i Melkizedeka àry izy.

Tsara lavitra noho ny fisoronan’ny fokon’i Levy koa ny an’i Kristy. Toy ny hoe nanome ampahafolon-karena ho an’i Melkizedeka mpisorona sady mpanjakan’i Salema i Levy razamben’ireo mpisorona jiosy, rehefa nanome ny ampahafolon’ny zavatra azony babo ho an’io mpanjaka io i Abrahama. Mbola tao an-kibon’i Abrahama mantsy i Levy tamin’izay. Toy ny hoe nahazo tsodrano avy tamin’i Melkizedeka koa izy. Fantatsika anefa fa ny kely kokoa no mahazo tsodrano avy amin’izay lehibe kokoa. (He 7:4-10) “Tsy nanan-dray [i Melkizedeka] ary tsy nanan-dreny, tsy nanana tetirazana, tsy nisy fiandohana ny androm-piainany sady tsy nisy fiafarana”, hoy i Paoly. Mifanitsy tsara aminy àry i Jesosy Kristy izay ho mpisoronabe mandrakizay, satria nomena “fiainana tsy mety levona” izy rehefa natsangana tamin’ny maty.​—He 7:3, 15-17.

Tsy nolovan’i Kristy tamin’ny taranak’i Arona ny fisoronany ary tsy nisy mpisorona nodimbiasany na nandimby azy, nefa nifanitsy tamin’izay nataon’ny mpisoronabe taranak’i Arona ny nataony. Nilaza mantsy i Paoly hoe tandindon’ilay “tena tranolay, izay naorin’i Jehovah fa tsy naorin’olona” ny tranolay masina tany an-tany efitra, ary nanao “fanompoana masina izay tandindona fotsiny sady aloky ny zavatra any an-danitra” ny Levita mpisorona. (He 8:1-6; 9:11) Nanazava izy fa tsy nilaina intsony ny sorona biby, satria ny tenan’i Jesosy Kristy lavorary mihitsy no nataony sorona. “Lasa nankany an-danitra” i Jesosy avy eo, “ary tsy ran’osilahy sy ran’ny vantotr’ombilahy no nentiny niditra, fa ny ran’ny tenany mihitsy, ka niditra indray mandeha monja tao amin’ny toerana masina izy, ary nahazo fanafahana mandrakizay ho antsika.” (He 4:14; 9:12; 10:5, 6, 9) Niditra tao amin’ny Masina Indrindra i Arona. Niditra tao amin’ilay Masina Indrindra an’ohatra koa i Jesosy, dia ny “lanitra mihitsy, mba hisehoany ankehitriny eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika.”​—He 9:24.

Tsy nila naverimberina toy ireo sorona natolotry ny mpisorona taranak’i Arona ny soron’i Jesosy Mpisoronabe, satria nanaisotra ny fahotana izy io. (He 9:13, 14, 25, 26) “Mahavonjy tanteraka an’ireo manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany koa [i Kristy], satria velona mandrakariva mba hiangavy ho an’ireo.” Tsy ela velona kosa ny mpisorona taranak’i Arona, ka tsy nisy tamin’izy ireo nahavonjy tanteraka na nanao izay hahalavorary an’ireo nanao fanatitra biby.​—He 7:23-25.

Nitso-drano ny vahoaka koa ny mpisoronabe, ary izy no tena nampianatra azy ireo ny lalàn’Andriamanitra. Izany koa no ataon’i Jesosy Kristy. Niseho teo anatrehan’ny Rainy tany an-danitra izy, rehefa avy “nanolotra sorona noho ny ota, dia sorona iray monja ho mandrakizay. Ary nipetraka teo ankavanan’Andriamanitra izy. Koa nanomboka tamin’izay, dia niandry izy mandra-panao ny fahavalony ho fitoeran-tongony.” (He 10:12, 13; 8:1) “Rehefa hiseho fanindroany [àry] izy, dia tsy hanaisotra fahotana, fa hiseho amin’ireo miandry azy fatratra ho famonjena an’ireo.”​—He 9:28.

Azo lazaina koa hoe tsara kokoa ny fisoronan’i Jesosy Kristy Mpisoronabe, satria efa niharam-pitsapana mafy izy. Tonga olona nofo aman-dra toa an’ireo “rahalahiny” mantsy izy (He 2:14-17), ka notoherina sy nenjehina. Na ny fomba nahafatesany aza nanala baraka. “Na dia Zanaka aza izy, dia nianatra nankatò avy tamin’ny zavatra niaretany. Ary rehefa avy natao lavorary izy, dia nahatonga an’izay rehetra mankatò azy hahazo famonjena mandrakizay.” (He 5:8, 9) Mahasoa antsika ny nitsapana azy, satria hoy i Paoly: “Noho izy efa nijaly rehefa niharam-pitsapana, dia afaka manampy an’izay iharam-pitsapana izy.” (He 2:18) Tena mamindra fo sy mangoraka an’ireo mila fanampiana izy, satria “tsy mba mpisoronabe tsy mahay mangoraka antsika amin’ny fahalementsika no ananantsika, fa izay efa notsapaina tamin’ny lafiny rehetra toa antsika koa, nefa tsy nanota.”​—He 4:15, 16.

Mpisorona lefitr’i Kristy. I Jesosy Kristy irery no mpisorona “tahaka an’i Melkizedeka.” (He 7:17) Nomen’i Jehovah Rainy mpisorona lefitra anefa izy, toy ny nataony tamin’i Arona mpisoronabe. Ho mpiara-mandova amin’i Kristy any an-danitra ireo, ka hiara-manjaka aminy ao amin’ny Fanjakany. (Ro 8:17) “Sady mpisorona no mpanjaka” izy ireo. (1Pe 2:9) Resahin’ny Apokalypsy fa mihira hira vaovao izy ireo hoe novidin’i Kristy tamin’ny rany izy ireo, ary ‘nataony fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika, ka ho mpanjaka hitondra ny tany.’ (Ap 5:9, 10) Voalaza koa fa miisa 144 000 izy ireo. “Novidina avy teto an-tany” ireo mpanara-dia ny Zanak’ondry ireo. “Novidina avy teo amin’ny olombelona izy ireo ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry.” (Ap 14:1-4; ampit. Jk 1:18.) Mampitandrina momba ny mariky ny bibidia ny Apokalypsy (toko 14), ka “mila fiaretana ny olona masina” raha tsy te handray an’io marika io. (Ap 14:9-12) Miaritra sy tsy mivadika ireo 144 000 novidina ireo, ka velona ary hiara-manjaka amin’i Kristy. “Ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo, ka hiara-manjaka aminy mandritra ny arivo taona.” (Ap 20:4, 6) Hahazo an’io toeram-boninahitra io izy ireo noho ny fanompoan’i Jesosy Mpisoronabe.

Ireo handray soa amin’ny asan’ny mpisorona any an-danitra. Hisy tokoa ireo handray soa amin’ny fanompoan’ilay Mpisoronabe sy ireo mpisorony lefitra any an-danitra, araka ilay fahitana momba an’i Jerosalema Vaovao ao amin’ny Apokalypsy. Nanao ny asa fisoronana ho an’ireo foko 12 tany Palestina ry Arona sy ireo mpisorona hafa taranak’i Levy. “Handeha amin’ny fahazavan’ilay tanàna” na i Jerosalema Vaovao kosa “ireo firenena.”​—Ap 21:2, 22-24.

Jereo koa MPISORONA.