Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpitondra

Mpitondra

Olona manam-pahefana na mifehy; mpanjaka. Midika hoe “mitondra, mifehy” ny matoanteny hebreo hoe mashal. Ny teny grika hoe arkôn kosa no nadika hoe “mpitondra.”​—Jereo LEHIBEN’NY TANÀNA.

I Jehovah Andriamanitra no Mpitondra sy manam-pahefana fara tampony eo amin’izao rehetra izao hita maso na tsy hita maso, noho izy Mpamorona sy Mpanome aina.​—Da 4:17, 25, 35; 1Ti 1:17.

I Jehovah no tena Mpanjaka tsy hita maso, ary solontenany ireo mpanjaka taranak’i Davida tany Israely. Azo lazaina hoe voahosotr’Andriamanitra sy nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah” àry izy ireo. (1Ta 29:23) Tsy nohosorana menaka fa nohosorana fanahy masina i Jesosy Kristy “Zanak’i Davida” (Mt 21:9; Lk 20:41), mba ho mpanjaka any an-danitra. (As 2:34-36) Hitondra an’izao rehetra izao izy sy ireo mpiara-mandova aminy, saingy ho eo ambany fahefan’i Jehovah.​—Ap 14:1, 4; 20:4, 6; 22:5.

Mpitondra koa i Satana Devoly sy ny demoniany. “Mpitondra an’izao tontolo izao” sy “mpitondra ny fahefan’ny rivotra” i Satana. (Jn 12:31; 14:30; Ef 2:2) Izy no mifehy an’ireo fanjakana rehetra eto amin’ity tontolo ity matoa izy nanolotra an’ireo ho an’i Jesosy Kristy, raha niankohoka indray mandeha teo anatrehany izy io. (Mt 4:8, 9) Izy koa no manome fahefana an’ireny fanjakana ireny. (Ap 13:2) Manam-pahefana koa ny demoniany satria “mpanjakan’izao tontolo anaty haizina izao”, ary efa nifehy firenena natanjaka fahiny. “Andrianan’i” Persa sy Gresy, ohatra, izy ireo. (Ef 6:12; Da 10:13, 20) Ny Devoly no lehiben’izy ireo.​—Mt 12:24.

Nofehezin’ny Fanjakana Romanina i Palestina tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Nifehy azy io koa ireo mpitondra jiosy, indrindra fa ny Fitsarana Avo Jiosy (nisy anti-panahy 70) nomen’ny Romanina fahefana voafetra hitantana ny raharaham-pirenena. Izy ireo no resahin’ny Jaona 7:26, 48, ary anisan’izy ireo i Nikodemosy. (Jn 3:1) Nantsoina hoe arkôn ny mpitantana ny synagoga. (Ampitahao Mt 9:18 sy Mr 5:22.) Tokony hohajaina ny mpitondra, hoy ny Lalàna. (As 23:5) Lasa tia kolikoly anefa ny mpitondra jiosy ary tena tompon’andraikitra tamin’ny namonoana an’i Jesosy Kristy.​—Lk 23:13, 35; 24:20; As 3:17; 13:27, 28.

Ilazana tompon’andraiki-panjakana sy manam-pahefana amin’ny ankapobeny koa ny hoe arkôn. (As 16:19, 20; Ro 13:3) Ny teny hebreo hoe seganim (amin’ny endriny milaza maro foana) nadika hoe “mpanapaka” (Prot.) na “solontenam-panjakana” (TV) no ilazana an’ireo Jiosy nanam-pahefana nofehezin’ny Fanjakan’i Persa (Ne 2:16; 5:7) sy Media, Asyria, ary Babylona. (Je 51:28; Ezk 23:12, 23) Hita im-17 ao amin’ny Baiboly ny hoe “solontenam-panjakana”, toy ny ao amin’ny Ezra 9:2; Nehemia 2:16; Isaia 41:25; Jeremia 51:23 ary Ezekiela 23:6. Mpitondra lefitra na manam-pahefana madinika izy ireo, fa tsy olona ambony na andriana na governora.

Ny mpitondra no mahatonga ny vahoaka hanan-karena sy ho sambatra, na hahantra sy hijaly. (Oh 28:15; 29:2) Hoy i Jehovah Andriamanitra: “Raha olo-marina no mitondra ny olombelona, ka amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra no itondrany, dia toy ny fahazavana amin’ny maraina izany, rehefa miposaka iny ny masoandro, amin’ny maraina tsy semban-drahona.” (2Sa 23:3, 4) Mpitondra toy izany i Jesosy Kristy, ilay Andrianan’ny Fiadanana.​—Is 9:6, 7.