Ora, I
1. [Fahazavana]. Rain’i Elifala lehilahy mahery tao amin’ny tafik’i Davida. (1Ta 11:26, 35) Toa i Ora ihany no Ahasbay.—2Sa 23:34.
2. Tanàna tany Mezopotamia, ary nantsoina hoe “Oran’ny Kaldeanina.” Tao i Harana rahalahin’i Abrama (Abrahama) no teraka (mety ho tao koa i Abrahama no teraka). (Ge 11:28; As 7:2, 4) Niseho tamin’i Abrahama i Jehovah, ary niangavy azy handao an’i Ora. Noho i Tera loham-pianakaviana anefa, dia lazain’ny Baiboly fa izy no nanapa-kevitra hifindra, ka nitondra an’i Abrahama zanany lahy, sy Saraha vinantovaviny, ary Lota zafikeliny, niala tao Ora nankany Harana.—Ge 11:31; 12:1; Ne 9:7.
Maro no mihevitra an’i Ora ho i Mokaiyir, any andrefan’ny Reniranon’i Eofrata ankehitriny, tokotokony ho 240 km any atsimoatsinanan’i Babylona. Misy tanàna efa rava ao, ary tokotokony ho 910 m ny lavan’ilay faritra misy azy io ary 730 m ny sakany. Foiben’ny fivavahana tamin’ilay andriamanitra volana atao hoe Nanna (na Sîn) io Ora io taloha. Mbola mampiavaka azy io foana ny tempoly mijoalajoala miendrika piramida, mirefy 61 m eo ho eo ny halavany, 46 m ny sakany ary 21 m ny haavony.—SARY, Boky Faha-2, p. 322.
Mikoriana any amin’ny 16 km any atsinanan’ny toerana nisy an’i Ora ny Reniranon’i Eofrata izao. Asehon’ny porofo anefa fa teo akaiky kelin’i Ora, teo andrefany, izy io no nikoriana taloha. Hoy i Henri Gaubert mpahay tantara sy jeografia: “Tamin’ny andron’i Abrama, dia tsy nitambatra ireo renirano telo lehibe (Karona, Tigra, ary Eofrata) rehefa nivarina tao amin’ny Hoala Persika. Tsara homarihina fa teo amin’ny morony ankavia [atsinanana] tamin’i Eofrata no nisy an’i Ora. Tena mety tsara àry raha lazaina hoe ‘olona avy any ampitan’ny renirano’ ny foko Hebreo taranak’i Abrama, izay avy tao amin’ilay tanàna sady fanjakana tao Ora.”—Abrahama, Ilay Tian’Andriamanitra, 1968, p. 8.
Nilaza koa Atoa Leonard Woolley tao amin’ilay bokiny hoe Fikarohana Tany Ora (fanontana nohavaozina) fa tena teo andrefan’i Ora tokoa i Eofrata, taloha. Izao no voalazany momba ireo zavatra niaro ny tanànan’i Ora: “Vao mainka sarotra tafihina ilay tanàna satria ny reniranon’i Eofrata no tao ambadika andrefan’ilay manda (raha jerena ny lempona narahin’ilay renirano fahiny). Nisy lakandrano lehibe nohadina koa, tokotokony ho dimampolo metatra avy teo amin’ny ilany atsinanan’ilay manda. Teo avaratr’ilay tanàna no nifandray tamin’ilay renirano io lakandrano io. Nisy rano àry teo amin’ny lafiny telo tamin’ny tanànan’i Ora.” (Oran’ny Kaldeanina, nosoratan’i R. Moorey, 1982, p. 138) Mety tsara àry ny ilazana hoe nalain’i Jehovah “avy tany ampitan’ny Renirano” i Abrahama, izany hoe tany ampitan’i Eofrata.—Js 24:3.
Nahitan’ny mpikaroka zavatra maro vita tamin’ny volamena, volafotsy, ary vatomanga lapis-lazuli tao anatin’ireo fasan’ny mpanjaka tao Ora. Nahitana zavatra hafa lafo vidy koa tao anatin’ireny fasana ireny. Fantatry ny mpikaroka avy tamin’ny zavatra hitany tao fa niara-nalevina tamin’ny mpanjaka sy mpanjakavavy somerianina ny mpanompony rehetra na lahy na vavy.
Nahitana sisan-javatra hafa koa tao Ora. Toa tranon’olon-tsotra izy ireny, trano biriky nisy efitra 13 na 14, izay nolalorina sady nolokoana fotsy tamin’ny sokay. Naorina nanodidina ny tokotany vita rarivato ireo efitra ireo. Misy milaza fa teo anelanelan’ny taonjato faha-20 sy faha-16 T.K. ireny trano ireny. Nisy takelaka tanimanga hita tao amin’ilay toerana, ary nisy tamin’ireny nampiasaina hampianarana soratra miendri-pantsika. Fantatra tamin’izy ireny koa fa nampianarina kajy ny mpianatra, nampianarina nampitombo sy nizara, ary nampianarina matematika momba ny faka toradroa sy faka toratelo. Maro tamin’ireny takelaka ireny no niresaka raharaham-barotra.
Fantatra avy tamin’ireo zavatra hitan’ny mpikaroka tao Ora àry fa nisy zavatra maro tsy maintsy nafoin’i Abrahama rehefa niala tao izy. Nanam-pinoana anefa izy ka “ilay tanàna manana fototra tena izy no nandrasany, ary Andriamanitra no mpanorina sy mpanao azy io.”—He 11:8-10.