Ora, II
Ilazana fotoana fohy, fotoana tsy miovaova sy voafaritra tsara, na ampahany amin’ny andro ny teny grika hoe hôra (ora), ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Tsy nampiasa hoe “ora” kosa ny Soratra Hebreo tany am-boalohany. Toa nozarain’ny Israelita fahiny ho efatra ny andro mazava. (Ne 9:3, f.a.p.) Tsy nilaza ora voafaritra ny Soratra Hebreo, fa nanao hoe “maraina”, “mitataovovonana”, ary “takariva.” (Ge 24:11; 43:16; De 28:29; 1Mp 18:26) Fotoana voafaritra kokoa ny hoe “raha vao miposaka ny masoandro” (Mpts 9:33), “tamin’ny fotoana nisian’ny tsio-drivotra malefaka” (Ge 3:8), “tamin’ilay nahamay be iny ny andro” (Ge 18:1; 1Sa 11:11), ary “rehefa hilentika ny masoandro” (Js 10:27; Le 22:7). ‘Teo anelanelan’ny takariva roa’ ny zanak’ondrin’ny Paska no novonoina (Ek 12:6), izany hoe toa teo anelanelan’ny filentehan’ny masoandro sy ny alina, hoy ny manam-pahaizana sasany sy ny Jiosy karahita ary ny Samaritanina. Ny Fariseo sy ny mpianatr’ireo raby kosa nilaza hoe teo anelanelan’ny fanombohan’ny filentehan’ny masoandro sy ny tena filentehany izany.
‘Tamin’ny maraina’ sy ‘teo anelanelan’ny takariva roa’ ny fanatitra dorana no natolotra teo ambony alitara, ary nisy fanatitra varimbazaha nampiarahina taminy. (Ek 29:38-42) Somary voafaritra ihany àry ny hoe “fotoana fanolorana ny fanatitra varimbazaha” (asehon’ny teny manodidina raha maraina na takariva) (1Mp 18:29, 36), sy “fotoana fanaterana ny fanatitra takariva.”—Da 9:21.
Nozaraina telo ny alina, dia ny ‘fotoam-piambenana tamin’ny alina’ (Sl 63:6), “fotoam-piambenana teo antenatenan’ny alina” (Mpts 7:19), ary “fiambenana maraina” (Ek 14:24; 1Sa 11:11).
Andro misy 24 ora. Ny Ejipsianina no nizara ny andro ho 24 ora, ka adiny 12 ny antoandro ary adiny 12 ny alina. Niovaova arakaraka ny fizaran-taona anefa izany, ka lava kokoa ny antoandro ary fohy kokoa ny alina tamin’ny fotoana mafana (afa-tsy eo amin’ny ekoatera). Nolovantsika tamin’ny Ejipsianina sy Babylonianina (izay nampiasa fomba fikajiana nandeha tsienimpoloenimpolo) ny fizarana ny andro iray ho 24 ora ary ny ora iray ho 60 minitra. Nanomboka tamin’ny misasakalina ka hatramin’ny misasakalina kosa ny andro, ho an’ny Romanina, ka tsy niovaova arakaraka ny fizaran-taona intsony ny halavan’ny ora. Mbola toy izany hatramin’izao.
Tamin’ny taonjato voalohany. Nanomboka tamin’ny fiposahan’ny masoandro ny andro, ho an’ny Jiosy tamin’izany, ary nisy adiny 12. Hoy i Jesosy: “Tsy adiny roa ambin’ny folo moa no mazava ny andro?” (Jn 11:9) Niovaova àry ny halavan’ny ora arakaraka ny fizaran-taona, afa-tsy rehefa ekinôksa (andro ao anatin’ny taona itovizan’ny halavan’ny andro sy alina). Tsy nampaninona ny olona tany Palestina anefa ilay fiovaovana satria kely ihany. Nanomboka tamin’ny enina maraina teo ho eo ny andro tsirairay. Noresahin’i Jesosy tao amin’ny fanoharany momba ny mpiasa teny an-tanimboaloboka ny ora faha-3 (8.00-9.00 maraina), faha-6 (11.00-12.00 antoandro), faha-9 (2.00-3.00 tolakandro), faha-11 (4.00-5.00 hariva), ary ny “hariva”, izay adiny iray taorian’izay (ora faha-12 na 5.00-6.00 hariva). (Mt 20:3, 5, 6, 8, 12; As 3:1; 10:9) Resahin’ny Soratra Grika Kristianina koa ny misasakalina sy ny “maneno akoho.” (Mr 13:35; Lk 11:5; As 20:7; 27:27; jereo MANENO AKOHO.) Toa narahin’ny Jiosy ny fanaon’ny Romanina mpanjanaka, ka nozarainy ho fotoam-piambenana efatra fa tsy telo intsony ny alina.—Lk 12:38; Mt 14:25; Mr 6:48.
Fotoana toa tsy mitovy. Milaza ny Marka 15:25 fa tamin’ny “ora fahatelo” i Jesosy no nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana. Milaza anefa ny Jaona 19:14 fa tamin’ny “ora fahenina teo ho eo” no vita ny fitsaran’i Pilato azy. Toa mifanohitra ireo. Afaka namaky an’izay nosoratan’i Marka i Jaona, ka afaka namerina fotsiny an’izay fotoana nolazainy. Misy antony àry matoa i Jaona nilaza ora hafa.
Inona no antony? Samy manana ny heviny ny olona, nefa tsy misy tena mahafa-po izy ireny. Tsy fantatsika tsotra izao ny tena anton’ilay tsy fitoviana. Nanome fanazavana fotsiny angamba i Marka na i Jaona, fa tsy nilaza zava-nitranga nilahatra araka ny fotoana nisehoany. Azo antoka anefa fa samy nahazo ny herin’ny fanahy masina izy ireo rehefa nanoratra.
Resahin’ny Filazantsara telo voalohany fa efa nofantsihana elaela i Jesosy tamin’ny ora fahenina (amin’ny 12.00 antoandro), matoa efa nataon’ny miaramila antsapaka ny akanjony ary efa notevatevain’ny lehiben’ny mpisorona, mpanora-dalàna, miaramila ary mpandalo izy. Efa maty koa izy tokony ho tamin’ny telo tolakandro. (Mt 27:38-45; Mr 15:24-33; Lk 23:32-44) Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe maty noho ny fahotantsika i Jesosy ny 14 Nisana taona 33.—Mt 27:46-50; Mr 15:34-37; Lk 23:44-46.
Heviny hafa. Matetika no midika hoe “avy hatrany” na tao anatin’ny fotoana fohy ny hoe hôra, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Sitrana “tamin’izay ora izay”, ohatra, ny vehivavy iray nikasika ny mikiramborambo tamin’ny morontongotry ny akanjo ivelan’i Jesosy. (Mt 9:22) Fotoana manokana na fotoan-dehibe tsy voafaritra na fiandohan’io fotoana io koa ny hoe “ora”, toy ireto voalaza ireto: “Tsy misy mahalala ny amin’izany andro sy ora izany” (Mt 24:36), “Nanomboka nivavaka [izy] mba tsy hiatrika an’izany ora izany” (Mr 14:35), ary hoe “Efa tonga ny ora! Jereo fa hisy hamadika ny Zanak’olona ka hatolotra eo an-tanan’ny mpanota” (Mr 14:41).
Mety ho fotoana tsy voafaritra ao anatin’ny andro koa ny hoe “ora.” Hoy ny mpianatra tamin’i Jesosy momba ilay vahoaka nanaraka azy: “Mitokana ity toerana ity, ary efa hariva sahady ny andro [gr.: hôra]. Koa ravao ny vahoaka.”—Mt 14:15; Mr 6:35.
Heviny an’ohatra. Ilazana fotoana fohy ny hoe “ora.” Hoy i Jesosy tamin’ilay vahoaka efa hisambotra azy: “Izao no fotoananareo [gr.: hôra] sy ny fahefan’ny haizina.” (Lk 22:53) Mpanjaka folo hahazo fahefana hanjaka “adiny iray” miaraka amin’ilay bibidia ny tandroka folon’ny bibidia mena midorehitra. (Ap 17:12) ‘Ao anatin’ny adiny iray monja’ koa ‘no hampiharana ny fanamelohana’ an’i Babylona Lehibe. (Ap 18:10) Hoy i Jaona, ilay apostoly velona farany: “Izao, anaka, no ora farany. Araka ny efa renareo, dia ho avy ny antikristy. Ary efa misy antikristy maro sahady izao. Izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.” Izany dia mifanaraka amin’ny tenin’i Jesosy momba ny vary sy ny tsimparifary (Mt 13:25, 38), sy ny fampitandreman’i Paoly momba ny fivadiham-pinoana (As 20:29; 2Te 2:3, 7), ary ny tenin’i Petera momba ny mpampianatra sandoka (2Pe 2:1-3). Tena fohy ilay “ora farany”, na fotoana nisian’ny apostoly farany. Niroborobo avy eo ny fivadiham-pinoana.—1Jn 2:18.
Hitan’i Jaona ny anjely iray nanolotra emboka manitra niaraka tamin’ny vavaky ny olona masina rehetra, nandritra ny fanginana “antsasak’adiny teo ho eo” tany an-danitra (Ap 8:1-4), hoatran’ilay fanao tao amin’ny tempolin’i Jerosalema tamin’ny “ora fanolorana emboka manitra.” (Lk 1:10) Toy izao ny fitantaran’ny Jiosy momba io “ora” io: “Niakatra tohatra moramora ho ao amin’ny Toerana Masina ny mpisorona nitondra ny emboka manitra sy ireo nanampy azy. ... Nanaparitaka ny saribao teo ambonin’ny alitara volamena ny mpanampy iray, fa ny iray kosa nametraka ny emboka manitra. Navela ho irery tao amin’ny Toerana Masina ny lehiben’ny mpisorona avy eo ka niandry ny baikon’ny mpitari-draharaha, vao nandoro an’ilay emboka. ... Vao nanome baiko ny mpitari-draharaha hoe tonga ny ‘fotoanan’ny emboka manitra’, dia niala teo amin’ny tokotany anatiny ny ‘vahoaka rehetra’ ka niankohoka teo anatrehan’ny Tompo ary nivavaka anakampo sady namelatra ny tanany. Io no fotoan-dehibe indrindra. Nangina daholo ireo olona nivavaka nanerana ny Tempoly, fa ny mpisorona kosa nanolotra ny emboka manitra teo ambonin’ny alitara volamena tao amin’ny toerana masina, ka niakatra teo anatrehan’ny Tompo ny setroky ny ‘fofona.’”—Ny Tempoly, nataon’i Alfred Edersheim, 1874, p. 138.