Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Paradisa

Paradisa

Toerana tsara tarehy na zaridaina midadasika. Tao amin’ny Soratra Grika Kristianina tany am-boalohany, dia miseho intelo ilay teny grika hoe paradeisôs. (Lk 23:43; 2Ko 12:4; Ap 2:7) Nampiasa an’io teny io ny mpanoratra grika taloha be toa an’i Xénophon (t. 431-t. 352 T.K.), ary nilaza i Pollux fa avy tamin’ny teny persianina (pairidaeza) izy io. (Cyropaedia, I, iii, 14; Anabasis, I, ii, 7; Onomasticon, IX, 13) Misy mpanao diksionera mihevitra fa avy amin’ny teny persianina koa ilay teny hebreo hoe pardes, midika matetika hoe zaridaina. Tsy dia azo inoana hoe mitombina anefa izany. Efa tamin’ny taonjato faha-11 T.K. mantsy i Solomona no nampiasa ilay teny hoe pardes tao amin’ny asa soratra nataony (Mpto 2:5; To 4:13), nefa tamin’ny taonjato fahenina T.K. tany ho any ny Persianina vao nanana asa soratra. Ireo andininy roa (Mpto 2:5; To 4:13) ireo sy ny Nehemia 2:8 ihany no ahitana ny hoe pardes ao amin’ny Soratra Hebreo. Ny alan’ny mpanjaka persianina (Artaksersesy Lava Tanana) tamin’ny taonjato fahadimy T.K., no resahina ao.​—Jereo SAHA.

Samy midika hoe toerana tsara tarehy na zaridaina midadasika anefa ireo teny telo ireo (hebreo: pardes, sy persianina: pairidaeza, ary grika: paradeisôs). I Jehovah Andriamanitra Mpamorona no nanao ny zaridaina voalohany toy izany, tao Edena. (Ge 2:8, 9, 15) Nantsoina hoe gan, na “zaridaina”, izy io tamin’ny teny hebreo, saingy miharihary fa toy ny valan-javaboary satria lehibe sady nisy biby sy zavamaniry isan-karazany. Mety tsara ny teny hoe paradeisôs nampiasain’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo mba hilazana an’io zaridaina io. (Jereo EDENA No. 1; ZARIDAINA [Zaridainan’i Edena].) Tsy nanan-jo hipetraka tao amin’io paradisa io intsony i Adama, satria nanota. Very koa ny zony hiaina mandrakizay, satria nihinana tamin’ny voan’ny hazo iray teo afovoan’ilay zaridaina izy. Efa nilaza mantsy Andriamanitra fa ho faty izay mihinana amin’izy io. Toa voafefy ilay zaridaina, satria teo amin’ny ilany atsinanana ihany no nilana anjely mpiambina, mba hisakanana ny olona tsy hiditra tao intsony.​—Ge 3:22-24.

Inona ilay Paradisa nampanantenain’i Jesosy an’ilay jiolahy maty teo anilany?

Sahy niteny mba hiarovana an’i Jesosy Kristy ny jiolahy iray novonoina teo anilany. Hoy izy avy eo: “Jesosy ô, tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.” Namaly azy i Jesosy hoe: “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.” (Lk 23:39-43) Tsy nisy mari-piatoana ny soratra grika tany am-piandohana, ka ireo mpandika Baiboly no nanisy mari-piatoana, arakaraka ny fahazoany ny hevitr’io tenin’i Jesosy io. Tamin’ny taonjato fahasivy tany ho any mantsy vao be mpampiasa ireo mari-piatoana fahita ankehitriny. Baiboly maro no manisy faingo na teboka roa eo alohan’ny teny hoe “anio”, ka toy ny hoe nilaza i Jesosy fa tamin’iny andro iny ihany ilay jiolahy dia niditra tao amin’ny Paradisa. Tsy misy andininy hafa manaporofo izany anefa ao amin’ny Soratra Masina. I Jesosy aza mantsy maty tao am-pasana ary tsy nitsangana tamin’ny maty raha tsy tamin’ny andro fahatelo, mba ho “voaloham-bokatra” amin’ireo atsangana amin’ny maty. (As 10:40; 1Ko 15:20; Kl 1:18) Ary 40 andro taorian’izay izy vao niakatra tany an-danitra.​—Jn 20:17; As 1:1-3, 9.

Te hanasongadina ny andro hahazoan’ilay jiolahy ny Paradisa àry ve i Jesosy, raha nilaza hoe “anio”? Tsy izany. Ny andro nilazany an’ilay fampanantenana sy ny andro nampisehoan’ilay jiolahy ny finoany kosa no tiany holazaina. Nolavin’ireo mpitondra fivavahana ambony indrindra teo amin’ny fireneny i Jesosy tamin’io andro io ary nomelohin’izy ireo. Nasain’ny fanjakana romanina novonoina ho faty izy, avy eo. Nambanina sy nesoina koa izy. Nampiseho toetra niavaka sy nanana toe-po tsara àry ilay jiolahy teo anilany, rehefa tsy nanara-driandrano fotsiny fa sahy niaro an’i Jesosy sy nanambara ny finoany hoe ho lasa Mpanjaka i Jesosy. Maro ny Baiboly mampiseho fa ny andro nilazana an’ilay fampanantenana no tokony hasongadina fa tsy ny andro ahatanterahany. Anisan’ireny ny Baiboly anglisy nadikan’i Rotherham sy ny nadikan’i Lamsa, ary ny Baiboly alemà nadikan’i Reinhardt sy ny nadikan’i W. Michaelis. Ao koa ny Dikan-teny Syriàkan’i Cureton tamin’ny taonjato fahadimy. Samy nandika an’ilay andininy toy ny nandikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao azy, araka ny hitantsika ato, ireo Baiboly ireo.

Mazava fa tsy ny Fanjakan’i Kristy any an-danitra ilay Paradisa noresahin’i Jesosy. Nahoana? Efa nilaza tamin’ireo mpianany tsy nivadika i Jesosy, tamin’io andro io ihany, fa hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra izy ireo satria ‘nifikitra taminy tao anatin’ireo fitsapana nahazo azy.’ (Lk 22:28-30) Mbola tsy nanao izany mihitsy kosa ilay jiolahy, sady nahavita heloka lehibe izy matoa novonoina teo amin’ny hazo fijaliana. (Lk 23:40, 41) Miharihary fa tsy ‘nateraka indray’ koa izy, izany hoe tsy ‘nateraky ny rano sy ny fanahy.’ I Jesosy anefa efa nanazava fa tena ilaina izany mba hidirana ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra. (Jn 3:3-6) Tsy anisan’ireo ‘mpandresy’ voalazan’i Jesosy Kristy hoe hiara-mipetraka aminy eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra koa ilay jiolahy, ary tsy anisan’ireo ‘hatsangana voalohany.’​—Ap 3:11, 12, 21; 12:10, 11; 14:1-4; 20:4-6.

Milaza ny boky sasany fa misy toerana iray toy ny paradisa, na faritra iray voatokana ho an’ny olona ankasitrahan’Andriamanitra, any amin’ny Haides na Sheôl, ary izany no Paradisa noresahin’i Jesosy. Nampianatra, hono, ireo raby jiosy tamin’ny andron’i Jesosy hoe paradisa toy izany no itoeran’ny maty eo am-piandrasany ny fitsanganana amin’ny maty. Manazava ny diksionera iray fa ‘ahitana hevitra maro be mifangaroharo ny fampianaran’ireo raby, raha ireo fampianarana tonga hatratỳ amintsika no jerena. Hazavain’io diksionera io koa fa saro-pantarina ny daty niandohan’ny maro tamin’ireny fampianarana ireny. Toa nihevitra ny raby sasany hoe eto an-tany ihany ny Paradisa. Ny hafa kosa nihevitra azy io ho faritra iray ao amin’ny Sheôl. Nisy koa nihevitra hoe tsy eto an-tany na any ambanin’ny tany izy io, fa any an-danitra. Tsy hoe marina daholo anefa izany rehetra izany. Hita ao amin’ny fampianaran’ny Fivavahana Jiosy tatỳ aoriana tokoa ireo hevitra samihafa ireo. Misy fanazavana voafaritra tsara sy amin’ny an-tsipiriany momba izany, ohatra, ao amin’ny Fivavahana Jiosy manaraka ny Kabbalah (taona t. 500-t. 1500). Tsy fantatra tsara anefa hoe nanomboka oviana ireo fampianarana ireo. Raha ny fampianarana jiosy tranainy fotsiny no jerena, dia toa tsy ahitana firy, na tsy ahitana mihitsy, fanazavana miresaka hoe misy ambaratonga samy hafa ny Paradisa. Manazava kosa io fampianarana io fa ho any amin’ny Gehinnôm ny ratsy fanahy, ary ho any amin’ny Gan Eden, na zaridainan’i Edena, ny olo-marina. Sarotra inoana hoe mampianatra zavatra hafa ankoatra an’ireo izy io, indrindra moa fa ny hoe misy Paradisa any amin’ny Sheôl.’​—Ny Diksioneran’ny Baiboly nataon’i Hastings, 1905, Boky III, p. 669, 670.

Na nampianatra izany aza ireo raby, dia tena sarotra inoana hoe nampita hevitra toy izany i Jesosy, satria izy aza nanameloka an’ireo mpitondra fivavahana jiosy izay nampianatra zavatra tsy mifanaraka amin’ny Baiboly. (Mt 15:3-9) Azo inoana fa ilay Paradisa teto an-tany tao Edena, izay resahin’ny boky voalohany ao amin’ny Soratra Hebreo, no paradisa fantatr’ilay jiolahy jiosy niresahan’i Jesosy. Azo inoana àry fa nampanantena i Jesosy teo hoe haverina ho paradisa indray ny tany. Noho izany, rehefa nilaza an’ilay fampanantenana izy, dia toy ny hoe nanome toky fa hatsangana amin’ny maty ny olona tsy marina toa an’ilay jiolahy, mba ho afaka hiaina ao amin’io paradisa eto an-tany io.​—Ampit. As 24:15; Ap 20:12, 13; 21:1-5; Mt 6:10.

Paradisa ara-panahy. Maro ny faminaniana ao amin’ny Baiboly ahitana ny fampanantenan’Andriamanitra hoe haverina ao amin’ny taniny ny Israely rehefa avy babo. Hataon’Andriamanitra hisy olona hiasa tany sy hamafy voa indray any Israely, na dia efa lasa tany lavavolo aza ilay izy. Hamokatra be ilay tany amin’izay, ary ho lasa maro be ny olona sy ny biby any. Haorina indray ireo tanàna ary honenana. Hisy hilaza hoe: “Oay! Lao irỳ tany irỳ taloha, nefa lasa sahala amin’ny zaridainan’i Edena izao!” (Ezk 36:6-11, 29, 30, 33-35; ampit. Is 51:3; Je 31:10-12; Ezk 34:25-27.) Hita amin’ireny faminaniana ireny koa anefa fa nahakasika ny olona ny paradisa. Voalaza, ohatra, fa afaka ‘nitsimoka’ sy nandrobona toy ny “hazon’ny fahamarinana” ireo olona tafaverina tao amin’ny taniny, rehefa tsy nivadika tamin’Andriamanitra. Nifandray tsara tamin’Andriamanitra indray izy ireo, ka oharina amin’ny “tanimboly azon-drano tsara.” Nahazo fitahiana be dia be izy ireo, satria nankasitrahany. (Is 58:11; 61:3, 11; Je 31:12; 32:41; ampit. Sl 1:3; 72:3, 6-8, 16; 85:10-13; Is 44:3, 4.) Toy ny tanimboalobok’Andriamanitra sy tanimboliny ny Israely, tamin’izy ireo mbola tsy nivadika. Niala tamin’ny fivavahana marina anefa izy ireo ka azo lazaina hoe ‘nalazo’, na dia mbola tsy lao ara-bakiteny aza ny taniny.​—Ampit. Ek 15:17; Is 5:1-8; Je 2:21.

Azo antoka anefa fa ho tanteraka ara-bakiteny ao amin’ny Paradisa eto an-tany koa ny tsipiriany sasany, ao amin’ireo faminaniana momba ny famerenana ny Israely ao amin’ny taniny ireo. Tsy tanteraka ara-bakiteny tamin’ny Israely tafaverina avy tany Babylona mantsy ny tsipiriany sasany, ohatra hoe ho sitrana ny jamba sy ny malemy tongotra. (Is 35:1-7) Tsy tanteraka ara-bakiteny amin’ireo Kristianina ao anatin’ny paradisa ara-panahy koa izany. Tsy azo inoana mihitsy anefa hoe hampanoratra faminaniana toy ny Isaia 11:6-9 sy Ezekiela 34:25 ary Hosea 2:18 Andriamanitra, nefa avy eo tsy hanatanteraka an’ilay izy ara-bakiteny amin’ny mpanompony akory, fa amin’ny ara-panahy fotsiny. Ary inona ilay paradisa hitan’i Paoly ao amin’ny 2 Korintianina 12:4? Mety ho ny paradisa ho avy (paradisa ara-bakiteny sy paradisa ara-panahy) resahin’ireo faminaniana voalaza eo ambony ireo izy io. Mety ho ilay “paradisan’Andriamanitra” koa no hitan’i Paoly tao amin’ny fahitana, izany hoe ny fitahiana ho azon’ireo voahosotra rehefa any an-danitra izy ireo.​—Ap 2:7.

Mihinana ao amin’ny “paradisan’Andriamanitra.” Miresaka momba ny “hazon’aina” ao amin’ny “paradisan’Andriamanitra” ny Apokalypsy 2:7, ary voalaza ao fa “izay mandresy” no afaka mihinana amin’izy io. Misy fampanantenana hafa koa natao ho an’ireo “mandresy” ireo, ao amin’ny toko faharoa sy fahatelo, ary mazava fa ny lovan’izy ireo any an-danitra no resahiny. (Ap 2:26-28; 3:12, 21) Toa azo inoana àry fa any an-danitra koa ilay “paradisan’Andriamanitra.” Ksylôn no teny grika nadika hoe ‘hazo’ eo, ary mety hidika hoe saham-boankazo io teny io rehefa milaza maro. Afaka niaina mandrakizay ny olona raha nihinana tamin’ilay hazon’aina, tao amin’ilay Paradisa teto an-tany tao Edena. (Ge 3:22-24) Tohan’aina ho azy ireo koa na dia ny voan’ny hazo hafa tao amin’ilay zaridaina aza, raha nankatò an’Andriamanitra foana izy ireo. Azo inoana àry fa ny hoe mihinana “amin’ny hazon’aina” ao amin’ny “paradisan’Andriamanitra”, dia midika hoe mandray soa amin’izay ataon’Andriamanitra mba hahazoana fiainana mandrakizay. Natao ho an’ireo Kristianina mandresy ihany izany. Misy andininy hafa koa milaza fa tsy mety maty sy tsy mety lo intsony izy ireo, toa an’i Kristy Jesosy, izay Lohany sady Tompony any an-danitra.​—1Ko 15:50-54; 1Pe 1:3, 4.