Persa, Persianina
Tany sy firenena resahin’ny Baiboly sy ny tantara, ary matetika no voatonona miaraka amin’ny Medianina. Toa samy avy amin’ny foko aryanina (tany Inde sy Iran) fahiny Ge 10:2) Nanoratra i Dariosy Lehibe fa izy dia “Persianina, zanaka Persianina, Aryanina, ary taranaka Aryanina.”—Tantaran’ny Fanjakana Persianina, nataon’i A. Olmstead, 1948, p. 123.
ny Medianina sy ny Persianina. Midika izany fa mety ho taranak’i Maday, zanak’i Jafeta, ny Persianina. I Maday koa no razamben’ny Medianina. (Miresaka ny amin’ny nanafihana an’i Media sy ny hetra naloan’ireo mpanjakan’i “Parsoa”, ny asa soratra asyrianina sasany tamin’ny andron’i Salmanesera III (azo inoana fa niara-belona tamin’i Jeho, mpanjakan’ny Israely). Toa faritra tany andrefan’ny Farihin’i Ormia i “Parsoa”, sady nifanila tamin’i Asyria. Manam-pahaizana maro no milaza fa izany no niantsoana ny tanin’ny Persianina tamin’izay, na dia misy ihany aza mihevitra azy io ho tanin’ny Partianina. Hita tamin’ny asa soratra tatỳ aoriana anefa fa tany atsimo kokoa no nisy an’ireo Persianina. Tany “Parsa” izy ireo, tany atsimoatsinanan’i Elama, any amin’ilay faritany antsoina ankehitriny hoe Fars, any Iran. Nonina tany Anshan koa ny Persianina. Faritra na tanàna nifanila tamin’i Elama izy io, ary anisan’i Elama mihitsy aza taloha.
Toa tany amin’ny tapany atsimoandrefan’ny Lembalemban’i Iran ihany àry no nisy ny Persianina, tamin’ny voalohany. I Elama sy Media no tany avaratrandrefany, i Partia no tany avaratra, i Karmania no tany atsinanana, ary ny Hoala Persika no tany atsimo sy atsimoandrefana. Ny morontsiraky ny Hoala Persika sy ny tapany atsimon’ny tandavan-tendrombohitra Zagros (elanelanina lohasaha lavalava sy lonaka eny am-pototry ny tehezan-tendrombohitra be ala) no nisy ny Persianina. Mando sy mahamay be eny amin’ny morontsiraka, antonony eny amin’ireo lohasaha, fa mangatsiaka be kosa ny ririnina eny amin’ireo lembalemba ngazana sy be rivotra. Mpiompy ny ankamaroan’ny Persianina, sahala amin’ny Medianina ihany. Mpamboly koa anefa ry zareo. Nirehareha erỳ i Dariosy Lehibe, mpanjaka persianina, hoe “tsara tarehy sady be olona no be soavaly” ny taniny.—Rakipahalalana Britannica, 1959, Boky Faha-17, p. 603.
Tso-piaina ny Persianina sady nifindrafindra monina matetika. Nanjary tia haitraitra sy fiainana mirenty anefa izy ireo, rehefa natanjaka ilay fanjakana. (Ampitahao amin’ny Es 1:3-7 sy ny akanjo nampanaovina an’i Mordekay, 8:15.) Hita amin’ireo sary sokitra tany Persepolisy fa akanjo malalaka misy fehikibo sady lava hatreny an-kitrokely no fitafiany. Nanao kiraro nisy tadiny koa izy ireo. Ny Medianina kosa nanao akanjo lava tanana sy nanara-batana hatreny amin’ny lohalika. (SARY, Boky Faha-2, p. 328) Toa samy nanao pataloa ny Persianina sy ny Medianina. Misy sary, ohatra, ahitana miaramila persianina manao pataloa sy akanjo ambony misy tanany eo ambonin’ny akanjo vy fitondra miady. Tena nahay nitaingin-tsoavaly izy ireo, ary nampiasaina be ireo mpitaingin-tsoavaly rehefa nisy ady.
Sokajina ho anisan’ny fiteny fampiasa tany Inde sy Eoropa fahiny ny teny persianina, sady hita fa misy ifandraisany amin’ny teny sanskrit fampiasa any Inde. Nampiasa soratra miendri-pantsika ny Persianina tatỳ aoriana. Vitsy kely anefa ny marika nampiasainy, tsy toy ny an’ny Babylonianina sy Asyrianina, izay nampiasa marika an-jatony. Nosoratana tamin’ny teny persianina tranainy ny asa soratra sasany, ary nadika tamin’ny fiteny akadianina sy fiteny antsoina hoe “elamita”, tamin’ny fotoana nampahatanjaka ny Fanjakana Persianina. Natao tamin’ny teny aramianina anefa ny ankamaroan’ireo taratasy ofisialy, satria io no fiteny iraisam-pirenena tamin’izany.—Ezr 4:7.
Niforona ny Fanjakana Medianina-Persianina. (SARINTANY, Boky Faha-2, p. 327) Toa fianakaviana ambony vitsivitsy no nitondra tany Persa, toy ny tany Media ihany. Ny iray tamin’ireo fianakaviana ireo no nipoiran’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Achéménès, anisan’izany i Kyrosy Lehibe, ilay mpanjaka voalohan’ny Fanjakana Persianina. Persianina ny rain’i Kyrosy ary Medianina ny reniny, araka ny filazan’i Hérodote sy Xénophon. Izy no nampivondrona an’ireo Persianina teo ambany fitondrany. (Hérodote, I, 107, 108; Cyropaedia, I, ii, 1) Ny Medianina no nifehy ny Persianina hatramin’izay. Resin’i Kyrosy anefa i Astyage, mpanjaka medianina, ka lasany i Ekbatana renivohiny (550 T.K.). (Ampit. Da 8:3, 20.) Ny Persianina indray àry no nifehy ny Fanjakana Medianina.
Nofehezin’ny Persianina foana ny Medianina, nandritra ny fitondran’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Achéménès. Niara-nitondra ihany anefa ny Medianina sy ny Persianina. Hoy àry ilay boky hoe Tantaran’ny Fanjakana Persianina (p. 37): “Tsy nohadinoina mihitsy ilay fifandraisana akaiky teo amin’ny Medianina sy ny Persianina. Mbola i Ekbatana foana no tanàna tian’ny mpanjaka nipetrahana, na dia efa voaroba aza. Nomem-boninahitra toy ny Persianina ihany ny Medianina. Nomena toerana ambony izy ireo ary nofidina hitarika ny tafika persianina. Niresaka momba ny Medianina sy ny Persianina foana ny vahiny, ary nantsoiny fotsiny hoe ‘ny Medianina’ aza izy ireo.”
Nitatra niankandrefana hatrany amin’ny Ranomasina Égée ny Fanjakana Medianina-Persianina, teo ambany fitondran’i Kyrosy. Resiny mantsy i Crésus, mpanjakan’i Lydia, sy ny tanàna grika sasany teny amoron-tsiraka. Ny nandreseny an’i Babylona, firenena natanjaka tamin’izany, anefa no tena niavaka. Resin’ny tafika medianina sy Is 21:2, 9; 44:26–45:7; Da 5:28) Tsy taranak’i Sema intsony ny mpitondra fanjakana natanjaka indrindra taorian’izay, fa taranak’i Jafeta (Aryanina). Lasa anisan’ny faritra nofehezin’i Media sy Persa koa i Joda (sy Syria ary Fenisia). Namoaka didy i Kyrosy tamin’ny 537 T.K., ka nahazo nody tany amin’ny taniny, izay efa lao nandritra ny 70 taona katroka, ireo Jiosy natao sesitany.—2Ta 36:20-23; jereo KYROSY.
persianina ary elamita notarihin’i Kyrosy izy io tamin’ny 539 T.K. Tanteraka ny faminanian’ny Baiboly! (Ireo renivohitr’i Persa. Medianina iray nantsoina hoe Dariosy no notendrena ho mpanjakan’ireo Kaldeanina resy. Azo inoana anefa fa teo ambany fahefan’i Kyrosy ihany izy io. (Da 5:31; 9:1; Jereo DARIOSY No. 1.) Mbola tanànan’ny mpanjakan’i Media sy Persa ihany i Babylona. Foibe ara-pivavahana sy ara-barotra koa izy io. Toa tamin’ny ririnina ihany anefa ireo mpanjaka persianina vao nipetraka tany, satria nahamay be ny vanin-taona mafana, ka tsy zakan’izy ireo. Hita tamin’ny fikarohana natao fa niverina tany Ekbatana (Hamadàna ankehitriny) i Kyrosy, rehefa avy nandresy an’i Babylona. Any amin’ny 1900 m mahery ambonin’ny haabon’ny ranomasina no misy an’i Ekbatana, eo am-pototry ny Tendrombohitra Elvend. Mamirifiry sy be lanezy ny ririnina any, kanefa antonony tsara ny hafanana rehefa vanin-taona mafana. Tany no hita ilay hafatra nosoratan’i Kyrosy momba ny hanorenana indray ny tempolin’i Jerosalema, rehefa nokarohina taona vitsivitsy tatỳ aoriana. (Ezr 6:2-5) I Pasargades no renivohitr’i Persa talohan’i Ekbatana. Tany amin’ny 650 km teo ho eo atsimoatsinanan’i Ekbatana no nisy azy io, kanefa nitovy haavo taminy ihany. Tany akaikin’izy io i Persepolisy no naorin’i Dariosy sy Ksersesy ary Artaksersesy Lava Tanana, izay samy mpanjaka persianina. Nasiana lakandrano maro be tao ambanin’io tanàna io, mba hamatsiana rano madio azy io. Efa renivohitr’i Persa koa i Sosa (Sosana), teo amoron’ny Reniranon’i Choaspès (Karkeh) tany Elama fahiny. Tsara toerana izy io, satria latsaka afovoan’i Babylona sy Ekbatana ary Persepolisy. Nanorina lapa tsara tarehy tao i Dariosy Lehibe. Rehefa ririnina izy matetika no nipetraka tao, satria nahamay be ny vanin-taona mafana, toy ny tany Babylona ihany. Tao Sosa anefa no nitantanana ny raharaham-panjakana rehetra, tatỳ aoriana.—Jereo EKBATANA; SOSANA No. 2.
Fivavahana sy lalàna. Nisy lozabe ihany ireo mpanjaka persianina, toa an’ireo mpanjaka asyrianina sy babylonianina. Toa niezaka nanao ny rariny sy ny hitsiny foana anefa izy ireo teo am-piandohana, rehefa nifampiraharaha tamin’ireo firenena resiny. Toa nanana fitsipika momba izay tsara sy ratsy ihany ny fivavahany. I Ahoura Mazda no andriamaniny lehibe indrindra, ary i Mithra, andriamanitry ny ady, no nanarakaraka. Andriamanitry ny fifanekena koa anefa i Mithra, ary matsilo erỳ, hono, ny masony sy ny sofiny ka tonga dia tratrany izay mandika fifanekena. (Jereo ANDRIAMANITRA SY ANDRIAMANIBAVY.) Hoy ilay Grika mpahay tantara atao hoe Hérodote (I, 136, 138) momba ny Persianina: “Ny ankizilahy dimy ka hatramin’ny roapolo taona no ampianariny, ary zavatra telo ihany no ampianarina azy ireo: Mitaingin-tsoavaly sy mitifitra zana-tsipìka ary milaza ny marina. ... Ny lainga no maharikoriko azy ireo indrindra.” Nisy mpamitaka sy be tetika ny mpanjaka persianina, araka ny asehon’ny tantara. Nohajainy anefa ilay fitsipika hoe tokony ‘hitana ny teny nataony ny tsirairay’, ka izany no mety ho nahatonga azy ireo hanizingizina fa tsy azo dikaina “ny lalàn’ny Medianina sy ny Persianina.” (Da 6:8, 15; Es 1:19; 8:8) Rehefa hita àry ilay didin’i Kyrosy, 18 taona teo ho eo taorian’ny namoahany azy, dia neken’i Dariosy Mpanjaka fa ara-dalàna ny nanorenan’ireo Jiosy ny tempoly. Nanome baiko mihitsy aza izy hoe tokony hampiana izy ireo.—Ezr 6:1-12.
Hita fa tena nahay nitantan-draharaha ny tao amin’ny fitondrana persianina. Ankoatra an’ireo Es 1:14; Ezr 7:14), izay mpanolo-tsain’ny mpanjaka, ohatra, dia nisy koa lehibem-paritany voatendry hifehy faritra na tany lehibe toa an’i Media, Elama, Partia, Babylonia, Asyria, Arabia, Armenia, Kapadokia, Lydia, Ionia, ary koa Ejipta sy Etiopia ary Libya izay lasa anisan’ilay fanjakana. Azo lazaina ho nahaleo tena ihany ireo lehibem-paritany, ary andraikiny ny fitsarana sy ny toe-karena tao amin’ny faritra niandraiketany. (Jereo LEHIBEM-PARITANY.) Toa nisy koa governoran’ny faritany (nisy faritany 127 tamin’ny andron’i Ahasoerosy Mpanjaka), ary nisy mpifehy isam-pirenena tao amin’ny faritany tsirairay. (Ezr 8:36; Es 3:12; 8:9) Somary tany an-tsisin’ny Fanjakana Persianina no nisy ny renivohitra. Mba hahafahan’ny mpanjaka hifandray haingana amin’ny faritany rehetra àry, dia nampiasa iraka mitaingina soavaly haingam-pandeha izy. (Es 8:10, 14) Nokojakojaina koa ireo lalambe nampanamboarin’ny mpanjaka, anisan’izany ilay avy tany Sosana nankany Sardisy, any Azia Minora.
“andriana fiton’i Persa sy Media” (Ny nahafatesan’i Kyrosy ka hatramin’ny nahafatesan’i Dariosy. Nifarana tamin’ny 530 T.K. ny fitondran’i Kyrosy Lehibe satria maty tany an’ady izy. I Cambyse zanany indray no nandimby azy, ary izy io no naharesy an’i Ejipta. Tsy hita ao amin’ny Baiboly ny anarana hoe Cambyse, nefa azo inoana fa izy ilay “Ahasoerosy” ao amin’ny Ezra 4:6. Tany aminy ireo mpanohitra ny asa fanorenana ny tempoly no nandefa taratasy fiampangana an’ireo Jiosy.
Tsy tena fantatra mazava hoe ahoana no nifaranan’ny fitondran’i Cambyse. Araka ilay soratra nataon’i Dariosy Lehibe tao Béhistoun, dia nasain’i Cambyse novonoina mangingina i Bardiya rahalahiny (nantsoin’i Hérodote hoe Smerdisy). Mitovitovy amin’izany koa no notantarain’i Hérodote sy ny hafa. Rehefa nankany Ejipta, hono, i Cambyse dia nandrombaka fahefana ny mpisorona iray atao hoe Gaumata (nantsoin’i Hérodote koa hoe Smerdisy), izay nisandoka ho Bardiya (Smerdisy). Izy io indray, hono, no neken’ny vahoaka ho mpanjaka. Maty i Cambyse tamin’izy niverina avy tany Ejipta, ka lasa mafy orina ny fitondran’ilay mpandrombaka fahefana. (Hérodote, III, 61-67) Misy indray milaza fa tsy nisy namono i Bardiya, ary izy, hono, fa tsy mpisandoka, no nandrombaka fahefana, tamin’i Cambyse tsy teo an-toerana. Miray hevitra amin’izany koa ny mpahay tantara sasany.
Na ahoana na ahoana, dia nifarana tamin’ny 522 T.K. ny fitondran’i Cambyse. Nanjaka fito volana monja anefa ilay nandimby azy (mety ho Bardiya na Gaumata, ilay nihambo ho Smerdisy), satria nisy namono. Nifarana tamin’ny 522 T.K. koa àry ny fitondran’izy io. Fotoana fohy no nitondrany nefa toa tany aminy ireo mpanohitra no nandefa taratasy fanindroany fiampangana an’ireo Jiosy. Antsoin’ny Baiboly hoe “Artaksersesy” (anaram-boninahitra na anarana nomena azy tamin’izy lasa mpanjaka) izy. Nahazo fahafaham-po ireo mpiampanga tamin’izay, satria nanome baiko ilay mpanjaka hoe hatsahatra ny fanorenana ny tempoly. (Ezr 4:7-23) Nitsahatra àry ilay asa “hatramin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy mpanjakan’i Persa.”—Ezr 4:24.
I Dariosy I (antsoina hoe Dariosy Hystaspe na Dariosy Lehibe) no nanao tetika hamonoana an’ilay mpanjaka persianina, ka azony ny fitondrana. Nekeny ny hanorenana indray ny tempoly tao Jerosalema, ka vita izy io tamin’ny taona fahenina nanjakany (tany am-piandohan’ny 515 T.K.). (Ezr 6:1-15) Nitatra be ny faritra nofehezin’ny Persianina nandritra ny fotoana nanjakany. Nipaka hatrany India (Inde) ny tany atsinanana, ary hatrany Thrace sy Makedonia ny tany andrefana.
Efa nanatanteraka ny faminanian’ny Daniela 7:5 sy 8:4 ny mpanjaka persianina, tamin’izany fotoana izany. Oharina amin’ny orsa sy ondrilahy ny Fanjakana Medianina-Persianina ao. Voalaza ao koa fa nitariny nianavaratra sy niankandrefana ary nianatsimo ny faritaniny. Resy tao Marathon anefa ny tafik’i Dariosy tamin’ny 490 T.K., rehefa nanafika an’i Gresy. Maty tamin’ny 486 T.K. i Dariosy.—Jereo DARIOSY No. 2.
Ny fitondran’i Ksersesy sy Artaksersesy. Azo inoana fa i Ksersesy, zanak’i Dariosy, ilay Ahasoerosy ao amin’ny bokin’i Estera. Rehefa dinihina ny nataony, dia izy koa ilay mpanjaka persianina fahefatra, izay ‘hanentana ny rehetra mba hanafika ny fanjakan’i Gresy.’ (Da 11:2) Te hamaly faty noho ny faharesen’ny Persianina tany Marathon i Ksersesy, ka nitondra tafika lehibe hanafika an’i Gresy tamin’ny 480 T.K. Nandresy izy ireo tao Thermopyles na dia be dia be aza ny miaramila maty, ary noravany i Atena. Resy kosa anefa izy ireo tao Salamisy sy tany Platées, ka voatery nody tany Persa i Ksersesy.
Nohatsaraina ny fitantanana ny raharaham-panjakana nandritra ny fitondrany. Novitainy koa ny ankamaroan’ny asa fanorenana natomboky ny rainy tao Persepolisy. (Ampit. Es 10:1, 2.) Resahin’ireo tantara grika fa nikorontana ny tokantranon’i Ksersesy ary nahita olana tamin’ireo vadikeliny izy, rehefa hifarana ny fanjakany. Toa ny tandapany sasany indray koa, hono, no nibaiko azy. Mety ho izay voalazan’ny bokin’i Estera ihany anefa no resahin’ireo tantara ireo, saingy misafotofoto sy tsy araka ny tena izy. Milaza, ohatra, ny bokin’i Estera fa nosoloana an’i Estera i Vasty vadin’ny mpanjaka, ary lasa nanana fahefana be i Mordekay. (Es 2:17; 10:3) Misy mitantara fa maty novonoin’ny iray tamin’ireo tandapany i Ksersesy.
I Artaksersesy Lava Tanana no nandimby an’i Ksersesy. Niavaka io mpanjaka io noho izy nanome alalana an’i Ezra hiverina any Jerosalema, sady nampitondra azy fanomezana be dia be ho an’ny tempoly, tamin’ny taona fahafito nanjakany (468 T.K.). (Ezr 7:1-26; 8:24-36) Nahazo alalana hankany Jerosalema koa i Nehemia mba hanorina an’ilay tanàna, tamin’ny taona faha-20 nanjakan’i Artaksersesy (455 T.K.). (Ne 1:3; 2:1, 5-8) Niverina kely tao an-dapan’i Artaksersesy izy, tamin’ny taona faha-32 nanjakan’izy io (443 T.K.).—Ne 13:6.
Tsy mitovy ny lazain’ny mpahay tantara momba ny fotoana nanjakan’i Ksersesy sy Artaksersesy. Ao ny milaza hoe tamin’ny 465 T.K. i Artaksersesy no nahazo fahefana. Ny hafa indray milaza fa nanjaka 21 taona i Ksersesy rainy. Misy mihevitra fa tamin’ny 486 T.K. i Ksersesy no nanomboka nanjaka, satria tamin’izay no maty i Dariosy rainy. Tamin’ny 485 T.K. àry, hono, no taona voalohany nanjakany, ary ny 465 T.K. no taona faha-21 nanjakany sy nahazoan’i Artaksersesy fahefana. Ny 424 T.K. kosa matetika no lazain’ny manam-pahaizana fa taona farany nanjakan’i Artaksersesy. Misy milaza fa tamin’io no taona faha-41 nanjakany. Raha marina izany, dia tamin’ny 465 T.K. izy no nahazo fahefana ary tamin’ny 464 T.K. no taona voalohany nanjakany.
Ny tantara grika sy persianina ary babylonianina anefa, no porofo telo ahafahana milaza fa tamin’ny 475 T.K. no taona farany nanjakan’i Ksersesy sy ny taona nahazoan’i Artaksersesy fahefana.
Ny tantara grika. Manampy antsika hamantatra ny fotoana nanombohan’i Artaksersesy nanjaka, ny zava-nitranga iray teo amin’ny tantaran’i Gresy. Nisy Grika mpanao politika sady miaramila nalaza natao hoe Thémistocle. Lasa tsy tian’ny mpiray tanindrazana taminy anefa izy, ka nandositra tany Persa. Nitantara i Thucydide (I, CXXXVII, 3), Grika mpahay tantara nalaza ho nilaza ny marina foana, fa “vao nahazo fahefana i Artaksersesy Mpanjaka, zanak’i Ksersesy, ary nanoratra tany aminy” i Thémistocle. Hoy ilay boky hoe Ny Fiainan’i Plutarque (Thémistocle, XXVII, 1): “Nilaza i Thucydide sy Charon avy any Lampsaque fa efa maty i Ksersesy, ka tamin’i Artaksersesy zanany i Thémistocle no nifampiresaka.” Persianina i Charon, ary velona tamin’ny fotoana nandimbiasan’i Artaksersesy an’i Ksersesy. Hita avy amin’ny tenin’i Thucydide sy Charon àry, fa vao nanomboka nanjaka i Artaksersesy tamin’i Thémistocle tonga tany Persa.
Hahafantatra ny taona nanombohan’i Artaksersesy nanjaka isika, raha manisa miverina manomboka eo amin’ny fotoana nahafatesan’i Thémistocle. Marina fa tsy mitovy ny daty lazain’ireo boky fa taona nahafatesany. Nilaza anefa i Diodore avy any Sicile (Diodore avy any Sicile, XI, 54, 1; XI, 58, 3), mpahay tantara, fa “i Praxierge no tompon’andraiki-panjakana tany Atena” tamin’ilay fotoana nahafatesany. Tamin’ny 471/470 T.K. i Praxierge no tompon’andraiki-panjakana tany Atena. (Daty Manan-tantara Tany Gresy sy Roma, nataon’i Alan Samuel, Munich, 1972, p. 206) Nilaza koa i Thucydide fa nianatra teny persianina herintaona aloha i Thémistocle rehefa tonga tany Persa, mba hahafahany hifampiresaka amin’i Artaksersesy. Navelan’ilay mpanjaka hipetraka tany Persa izy avy eo sady nomeny voninahitra. Raha tamin’ny 471/470 T.K. àry i Thémistocle no maty, dia tsy maintsy ho tamin’ny 472 T.K. izy no nanorim-ponenana tany Persa ary herintaona talohan’izay no tonga tany, izany hoe tamin’ny 473 T.K. Voalaza anefa fa “vao nahazo fahefana” i Artaksersesy tamin’izay.
Hoy i M. de Koutorga momba ny fotoana nahafatesan’i Ksersesy sy ny nahazoan’i Artaksersesy fahefana: “Araka ireo daty nomen’i Thucydide, dia tamin’ny faramparan’ny 475 T.K. i Ksersesy no maty. Nilaza koa io mpahay tantara io fa vao nahazo fahefana kelikely i Artaksersesy Lava Tanana, no tonga tany Azia Minora i Thémistocle.”—Famelabelaran’ireo Manam-pahaizana avy Amin’ny Akademian’ny Asa Soratra ao Amin’ny Ivo-toeram-panjakan’i Frantsa (frantsay), andian-dahatsoratra voalohany, Boky Faha-6, tapany faharoa, Paris, 1864, p. 147.
Manamafy izany koa ny tenin’i E. Levesque hoe: “Tokony ho tamin’ny 475 T.K. àry i Ksersesy no maty, araka ny Tantaran’i Aleksandria, rehefa avy nanjaka iraika ambin’ny folo taona. Manamarina an’io voalaza io sy ny tenin’i Thucydide i Justin, III, 1, mpahay tantara. Nilaza izy fa mbola kely, puer [ankizilahy], i Artaksersesy, tamin’ny fotoana namonoan’olona an’i Ksersesy rainy. Marina izany raha tamin’ny 475 i Ksersesy no maty, satria vao 16 taona i Artaksersesy tamin’izay. Tsy mitombina kosa izany raha tamin’ny 465 i Ksersesy no maty, satria efa enina amby roapolo taona i Artaksersesy tamin’izay. Koa satria tamin’ny 475 i Artaksersesy no nanomboka nanjaka, araka ny hita amin’ireo daty ireo, dia tamin’ny 455 ny taona faha-20 nanjakany fa tsy tamin’ny 445, araka ny fiheveran’ny maro azy.”—Gazety Milaza ny Zava-misy (frantsay), Paris, Boky Faha-68, 1939, p. 94.
Raha tamin’ny 486 T.K. àry i Dariosy no maty ary tamin’ny 475 T.K. i Ksersesy, nahoana no misy asa soratra tranainy milaza fa nanjaka 21 taona i Ksersesy? Fantatsika tsara fa mety hiara-manjaka ny mpanjaka iray sy ny zanany. Raha niara-nanjaka
àry i Dariosy sy Ksersesy, dia mety ho nanomboka tamin’ireo taona niarahan’izy mianaka nanjaka no nanisan’ny mpahay tantara sasany ny taona nanjakan’i Ksersesy. Ny taona nanjakany taorian’ny nahafatesan-drainy kosa angamba no nisain’ny sasany. Mety hisy hilaza àry hoe nanjaka 21 taona i Ksersesy, satria niara-nanjaka tamin-drainy 10 taona aloha izy vao nanjaka irery 11 taona. Ny hafa kosa mety hilaza hoe nanjaka 11 taona izy.Misy porofo marim-pototra ahafahana milaza fa niara-nanjaka i Ksersesy sy Dariosy rainy. Hoy i Hérodote (VII, 3): “Hitan’i Dariosy hoe rariny raha nangataka [ny ho mpanjaka] izy [Ksersesy], ka nataony mpanjaka. Tsy maintsy ho natao mpanjaka ihany anefa i Ksersesy, araka ny hevitro, na dia tsy nisy an’iny fangatahana iny aza.” Midika izany fa tamin’ny fotoana nanjakan’i Dariosy rainy i Ksersesy no lasa mpanjaka.
Ny tantara persianina. Asehon’ireo sary mivohitra persianina hitan’ny mpikaroka, fa niara-nanjaka tokoa i Ksersesy sy Dariosy. Ahitana an’i Ksersesy mitsangana aorian’ny seza fiandrianan-drainy, ohatra, ny sary mivohitra sasany tany Persepolisy. Manao akanjo mitovy amin’ny an’ny rainy izy, ary mitovy haavo ny lohan’izy mianaka. Tsy mahazatra izany, satria matetika no avo noho ny an’ny rehetra ny lohan’ny mpanjaka. Milaza ny Asa Soratra Vaovaon’i Ksersesy avy any Persepolisy (nataon’i Ernst Herzfeld, 1932) fa ireo asa soratra sy trano hita tany Persepolisy, dia samy toa manaporofo fa niara-nanjaka tamin’i Dariosy rainy i Ksersesy. Hoy i Herzfeld ao amin’ny pejy faha-8 amin’ilay boky: “Toa tsy dia manavaka loatra ny zavatra nataony sy ny nataon-drainy ireo asa soratr’i Ksersesy tao Persepolisy. Mitovitovy koa ny tranon’izy mianaka, ka sarotra ny manavaka hoe iza no an’i Dariosy ary iza no an’i Ksersesy. Izany rehetra izany dia toy ny manaporofo fa niara-nanjaka tamin-drainy i Ksersesy. Mampiseho izany koa ny sary sokitra roa tao Persepolisy.” Hoy i Herzfeld momba ny sary sokitra iray: “Ahitana an’i Dariosy manao akanjom-boninahitra sady mipetraka ambony seza fiandrianana izy io, ary eo ambony lampihazo avo be ilay seza. Manohana an’ilay seza avy ao ambany ny solontenan’ny firenena samy hafa tao amin’ilay fanjakana. Mijoro ao aoriany i Ksersesy, izany hoe eo ankavanany raha ny tena izy. Manao akanjom-boninahitra mitovy [amin’ny an’i Dariosy] koa izy, ary apetrany ambony eo andamosin’ilay seza ny tanany havia. Hita avy amin’io fihetsiny io fa tsy hoe mpandimby fotsiny izy, fa mpiara-manjaka mihitsy.”
Oviana no natao ireo sary sokitra ireo? Hoy i Ann Farkas ao amin’ilay boky hoe Sary Sokitra Tamin’ny Andron’ny Tarana-mpanjaka avy Amin’i Achéménès (Istanbul, 1974, p. 53): “Mety ho tamin’ny fotoana nanitarana voalohany ny Trano Fitehirizan-karena no napetraka tao ireo sary sokitra, tamin’ny 494/493–492/491 T.K. Azo antoka fa nety tsara raha tamin’izay no nafindra tao ireo vato makadiry ireo. Na oviana na oviana anefa izy ireo no nafindra tao amin’ilay Fitehirizan-karena, dia angamba teo anelanelan’ny taona 500 sy 490 izy ireo no natao.”
Ny tantara babylonianina. Nahitana porofo tany Babylona fa niara-nanjaka tamin-drainy i Ksersesy teo anelanelan’ny 500 sy 490 T.K. Nofongarina tany mantsy ny lapa iray natao ho an’i Ksersesy, vita tamin’ny 496 T.K. Hoy i A. Olmstead ao amin’ilay boky hoe Tantaran’ny Fanjakana Persianina (p. 215): “Fantatray fa mbola naorina tany Babylona ny tranon’ny zanaky ny mpanjaka [izany hoe i Ksersesy, zanak’i Dariosy], tamin’ny 23 Oktobra 498. Azo antoka fa ilay lapan’i Dariosy teo amin’ilay faritra afovoany noresahinay tetsy aloha ihany izy io. Nisy soratra ... hita teny akaikin’i Borsippa nilaza fa efa vita ilay ‘lapa vaovao’ roa taona tatỳ aoriana [496 T.K.].”
Misy takelaka tanimanga roa hafakely koa toa manaporofo fa niara-nanjaka i Dariosy sy Ksersesy. Momba ny fanofana trano iray tamin’ny taona nahazoan’i Ksersesy fahefana ilay iray. Ny volana Nisana, volana voalohany, no daty eo. (Ny Lisitr’ireo Takelaka Babylonianina Hita Vao Haingana, ao Amin’ny Tranombokin’i Bodley, Oxford, nataon’i Campbell Thompson, Londres, 1927, p. 13, takelaka A. 124) “Volana Aba (?), taona nahazoan’i Ksersesy fahefana” kosa no hita eo amin’ilay takelaka iray. Marihina fa tsy miantso an’i Ksersesy hoe “mpanjakan’i Babylona sady mpanjakan’ireo firenena” izy io, nefa nahazatra ny nanome an’io anaram-boninahitra io ho an’ny mpanjaka.—Taratasy Babylonianina Momba ny Lalàna sy ny Raharaham-panjakana (alemà), nataon’i San Nicolò sy A. Ungnad, Leipzig, 1934, Boky I, fizarana faha-4, p. 544, takelaka No. 634, antsoina hoe VAT 4397.
Manahiran-tsaina ireo takelaka roa natao tamin’ny fotoana nahazoan’i Ksersesy fahefana ireo. Rehefa maty mantsy ny mpanjaka iray, vao tokony hanomboka ny taona nahazoan’ilay mpandimby azy fahefana. Voaporofo fa maty tamin’ny volana fahafiton’ny taona farany nanjakany i Dariosy, ilay mpanjaka nodimbiasan’i Ksersesy. Talohan’ny volana fahafito (volana voalohany ny iray, ary volana fahadimy ilay iray) anefa ny daty eo amin’ireo takelaka roa ireo. Tsy ny nahazoan’i Ksersesy fahefana taorian’ny nahafatesan-drainy àry no resahin’izy ireo, fa ny nahazoany fahefana tamin’ny fotoana niarahany nanjaka tamin-drainy. Raha tamin’ny 496 T.K. i Ksersesy no nahazo fahefana, tamin’ny taona nahavitan’ilay lapany tao Babylona,
dia ho nanomboka tamin’ny Nisana 495 T.K. ny taona voalohany niarahany nanjaka tamin’i Dariosy. Ho tamin’ny 475 T.K. kosa ny taona faha-21 farany nanjakany. Midika izany fa niara-nanjaka tamin’i Dariosy 10 taona i Ksersesy (496-486 T.K.), vao nanjaka irery 11 taona (486-475 T.K.).Miombon-kevitra ireo mpahay tantara fa tamin’ny voalohandohan’ny 423 T.K. no nanomboka ny taona voalohany nanjakan’i Dariosy II. Milaza ny takelaka babylonianina iray fa efa mpanjaka i Dariosy II ny fahefatry ny volana faha-11, izany hoe ny 13 Febroary 423 T.K., tamin’ny taona nahazoany fahefana. (Fanisan-taona Babylonianina, 626 T.K.–75 A.K., nataon’i R. Parker sy W. Dubberstein, 1971, p. 18) Misy takelaka roa anefa milaza fa mbola nanjaka i Artaksersesy (mpanjaka nodimbiasan’i Dariosy II) taorian’ny fahefatry ny volana faha-11, tamin’ny taona faha-41 nanjakany. Ny faha-17-n’ny volana faha-11 tamin’ny taona faha-41 nanjakany no daty misoratra eo amin’ilay voalohany. (p. 18) Ny iray kosa tamin’ny volana faha-12 tamin’io taona faha-41 io ihany. (Testamenta Taloha sy Fandalinana ny Fiteny Semitika, nataon’i Harper sy Brown ary Moore, 1908, Boky 1, p. 304, takelaka No. 12, antsoina hoe CBM, 5505) Tsy tamin’ny taona faha-41 nanjakany àry i Artaksersesy no nisy nandimby, satria mpanjaka foana izy mandra-pahatapitr’io taona io. Midika izany fa nanjaka 41 taona mahery izy, ary tsy tamin’ny 464 T.K. ny taona voalohany nanjakany.
Nanjaka 41 taona mahery tokoa i Artaksersesy Lava Tanana, araka ny soratra iray tao Borsippa izay miresaka momba ny varotra. Natao tamin’ny taona faha-50 nanjakan’i Artaksersesy mantsy izy io. (Lisitr’ireo Takelaka Babylonianina ao Amin’ny Tranombakoka Britanika, Boky Faha-7: Takelaka avy any Sippar 2, nataon’i E. Leichty sy A. Grayson, 1987, p. 153; takelaka antsoina hoe B. M. 65 494) Misy takelaka milaza fa misy ifandraisany ny nifaranan’ny fitondran’i Artaksersesy sy ny niandohan’ny fitondran’i Dariosy II. Toy izao no daty eo amin’iray amin’izy ireo: “Taona faha-51, taona nahazoan’i Dariosy mpanjakan’ireo firenena fahefana, ny faha-20-n’ny volana faha-12.” (Nitsidika An’i Babylona Ireo avy tao Amin’ny Oniversiten’i Pennsylvanie, Tapany A: Soratra Miendri-pantsika, Boky Faha-8, Fizarana I, nataon’i Albert Clay, 1908, p. 34, 83, sy Plaky 57, Takelaka No. 127, antsoina hoe CBM 12 803) Tamin’ny 423 T.K. anefa no taona voalohany nanjakan’i Dariosy II. Tamin’ny 424 T.K. àry no taona faha-51 nanjakan’i Artaksersesy, ary tamin’ny 474 T.K. no taona voalohany nanjakany.
Samy manaporofo àry ny tantara grika sy persianina ary babylonianina fa tamin’ny 475 T.K. i Artaksersesy no nahazo fahefana, ary tamin’ny 474 T.K. no taona voalohany nanjakany. Midika izany fa tamin’ny 455 T.K. no taona faha-20 nanjakany, ary nanomboka teo ireo 70 herinandro resahin’ny Daniela 9:24. Ho fantatsika ny taona niavian’ny Mesia Mpitarika, raha manisa 69 herinandron-taona (483 taona) isika manomboka eo amin’ny 455 T.K., araka ny voalazan’ny Daniela 9:25.
Misy 455 taona katroka manomboka eo amin’ny 455 T.K. ka hatramin’ny taona 1 A.K. Ho tonga amin’ny taona 29 isika, raha ampiantsika 28 taona ireo 455 taona ireo (mba ho feno 483 taona). Tamin’io taona io tokoa i Jesosy avy any Nazareta no lasa Mesia na Kristy, rehefa avy natao batisa sy nohosorana tamin’ny fanahy masina. Nanomboka ny fanompoany koa izy tamin’io.—Lk 3:1, 2, 21, 22.
Resy ilay fanjakana, ka voazarazara. Hoy i Diodore avy any Sicile momba an’ireo mpanjaka persianina nandimby an’i Artaksersesy Lava Tanana: “Maty tany Azia i Ksersesy Mpanjaka rehefa avy nanjaka herintaona, na roa volana araka ny filazan’ny sasany. Nandimby azy i Sogdianos rahalahiny, izay nanjaka fito volana. Namono azy io kosa i Dariosy, izay nanjaka sivy ambin’ny folo taona.” (Diodore avy any Sicile, XII, 71, 1) I Ochus no tena anarany, fa novany hoe Dariosy (fantatra amin’ny hoe Dariosy II) izany rehefa lasa mpanjaka izy. Toa io “Dariosy” io ilay resahin’ny Nehemia 12:22.
I Artaksersesy II (antsoina hoe Mnemona) no nandimby an’i Dariosy II. Nikomy i Ejipta nandritra ny fitondrany (404-359 T.K.), ary niharatsy ny fifandraisan’ny Persianina sy ny Grika. Nandimby azy i Artaksersesy III zanany (antsoina koa hoe Ochus), izay voalaza fa nanjaka 21 taona teo ho eo (358-338 T.K.). Izy io, hono, no mpanjaka persianina nandatsa-dra be indrindra. Ny namerina an’i Ejipta ho eo ambany fahefan’ny Persianina no zava-bitany niavaka. Lazain’ny tantara fa nandimby azy i Arsesy, izay nanjaka roa taona. I Dariosy III (Codoman) indray no nandimby azy io, ka nanjaka dimy taona. Tamin’izay no nisy namono i Filipo mpanjakan’i Makedonia (336 T.K.), ka nodimbiasan’i Aleksandra zanany. Notafihin’i Aleksandra ny Fanjakana Persianina tamin’ny 334 T.K., ka resiny tao Granique tany avaratrandrefan’i Azia Minora ny tafika persianina. Resiny indray izy ireo tao Issus, tany atsimoatsinanan’i Azia Minora (333 T.K.). Nandresy an’ireo Persianina tao Gaugamèles koa ny Grika tamin’ny 331 T.K., rehefa avy nandresy an’i Fenisia sy Ejipta. Nifarana hatreo ny Fanjakana Persianina.
Maty i Aleksandra tatỳ aoriana, ka voazarazara ny fanjakany. Saika lasan’i Séleucus Nicator avokoa Da 11:4-6.
àry ireo faritany tany Azia, anisan’izany i Persa izay teo afovoany. Ny tarana-mpanjaka avy amin’i Séleucus indray no nanjaka tany hatramin’ny 64 T.K. Toa i Séleucus Nicator no “mpanjakan’ny avaratra” voalohany noresahin’ny faminanian’i Daniela, ary ny tarana-mpanjaka avy amin’i Ptolémée tany Ejipta kosa no “mpanjakan’ny atsimo” voalohany nifanandrina taminy.—Tany amin’ny faritra andrefan’ilay fanjakana no tena nitondra ireo tarana-mpanjaka avy amin’i Séleucus. Nanafika foana mantsy ny Partianina, ka lasan’izy ireo i Persa tamin’ny taonjato fahatelo sy faharoa T.K. Resin’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Sassan ny Partianina tamin’ny taonjato fahatelo A.K., ka ireo indray no nitondra mandra-pandresin’ny Arabo azy ireo tamin’ny taonjato fahafito.
Naminany i Ezekiela (27:10) hoe nisy lehilahy mpiady persianina tao amin’ny tafik’i Tyro, ary anisan’ny nahatonga an’ilay tafika ho be voninahitra izy ireo. Voalaza koa fa i Persa dia ho anisan’ireo firenena ao amin’ny tafik’i “Goga avy any amin’ny tany Magoga”, izay hamely ny vahoaka nanaovan’i Jehovah fifanekena.—Ezk 38:2, 4, 5, 8, 9.