Rafitr’ity Tontolo Ity
Io no nandikana impolo mahery ny teny grika hoe aiôn, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.
Hoy i R. Trench momba ny dikan’ny hoe aiôn: ‘Manana heviny ara-bakiteny izy io [aiôn], tsy misy hafa amin’ny hoe [kôsmôs, tontolo] ihany, nefa manana heviny hafa koa. Ny hevitr’izy io voalohany dia hoe fotoana mitohy, fohy na lava, indrindra fa ny fotoana iainan’ny zavaboary rehetra sy ny faharetan’ny fahavelomany. Ilazana an’izay rehetra misy eto amin’ity tontolo ity mandritra ny fotoana iray voafaritra àry izy io. Ny toe-piainana eto amin’ity tontolo ity kosa no heviny faharoa.’ Mba hanamafisana an’io heviny faharoa io, dia naverin’i Trench ity famaritana nomen’i C. Grimm, manam-pahaizana alemà, momba ny hoe aiôn ity: “Ny zava-drehetra miseho mandritra ny vanim-potoana iray.”—Teny Mitovy Dika ao Amin’ny Testamenta Vaovao, Londres, 1961, p. 202, 203.
“Andro”, “fotoana”, na “vanim-potoana isehoan’ny zavatra iray” àry no tena dikan’ny hoe aiôn. Ilazana fotoana lava be (As 3:21; 15:18) izy io matetika ao amin’ny Baiboly, toy ny hoe fotoana tsy voafetra na mandrakizay. (Mr 3:29; 11:14; He 13:8) Manazava izany ny lahatsoratra hoe “FOTOANA TSY VOAFETRA.” Ilay heviny faharoa noresahina tetsy aloha anefa no hodinihintsika ato.
Hanampy antsika hahazo ny hevitr’izy io ny fampiasan’ny Malagasy ny teny hoe ‘andro’ na ‘fotoana.’ Matetika no ampiasaina ilay fitenenana hoe ‘tamin’ny andron’ny...’ na ‘tamin’ny fotoanan’ny...’, rehefa nisy zava-niseho niavaka na olona niavaka nandritra ilay vanim-potoana. Mety hilaza isika, ohatra, hoe “tamin’ny andron’i Radama” mba hilazana ny vanim-potoana nitondran’i Radama Mpanjaka. Fiteny koa ny hoe “tamin’ny fotoanan’ny krizy.” Tsy dia ny halavan’ilay vanim-potoana loatra no tiana hasongadina amin’ireo, fa ny mampiavaka azy io. Ny zava-nitranga niavaka nandritra ilay vanim-potoana no mamaritra ny fiandohan’izy io sy ny faharetany ary ny fiafarany, ka
mahatonga azy io tsy hitovy amin’ny vanim-potoana hafa.Izao no anisan’ny famaritan’ny Rakibolana Grika-Anglisy ny hoe aiôn: “Fotoana voafaritra tsara, vanim-potoana, andro.” (Nataon’i Liddell sy Scott, nohavaozin’i H. Jones, Oxford, 1968, p. 45) Hoy koa ny Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao (1981, Boky 1, p. 41): “Andro, vanim-potoana, ... fotoana tsy voafetra ny faharetany, na fotoana itrangan’ny zavatra iray.”
Rehefa tsy ilay fotoana loatra no asongadina fa ny zava-mitranga miavaka mandritra ilay fotoana, dia mety ny nandikana ny aiôn amin’ny hoe “tontolo” na “rafitr’ity tontolo ity.” Izany, ohatra, no hita ao amin’ny Galatianina 1:4, manao hoe: “Nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika izy mba hanafahany antsika amin’ity tontolo [endriny hafa amin’ny hoe aiôn] ratsy ity, araka ny sitrapon’ilay Andriamanitra Raintsika.” Baiboly maro no mandika an’ilay aiôn eo hoe “andro.” Tsy nafahan’ny sorom-panavotan’i Kristy tamin’ny andro na vanim-potoana tamin’izany anefa ny Kristianina, satria mbola velona izy ireo. Nafahana tamin’ilay tontolo na rafitra nisy tamin’izany sy nampiavaka an’ilay fotoana kosa izy ireo.—Ampit. Tit 2:11-14.
Hoy i Paoly tamin’ny Kristianina tany Roma: “Aza manaiky intsony hovolavolain’ity tontolo ity, fa miovà ka havaozy ny sainareo.” (Ro 12:2) Tsy ilay vanim-potoana tamin’izany no namolavola ny olona, fa ny fitsipika, fomba amam-panao, fomba fijery, na lafin-javatra hafa nampiavaka an’ilay vanim-potoana. Nilaza koa i Paoly fa ‘maty tao amin’ny helok’izy ireo sy ny fahotan’izy ireo’ ny Kristianina. ‘Tao amin’izany mantsy no nandehanan’izy ireo taloha, araka an’ity tontolo ity [“araka ny fomban’izao tontolo izao”, Prot.; “nanaraka ny satan’izao tontolo izao”, Kat.].’ (Ef 2:1, 2) Milaza Ny Fanazavana ny Testamenta Grika fa tsy dia fotoana loatra no dikan’ilay hoe aiôn eo, ka mety ny nandikana azy io hoe “fomba.” Hoy koa izy io: “Hevitra telo no fonosin’io teny io, dia ny hoe lalan-kizorana, fivoarana, ary fotoana voafetra. Ratsy ilay tontolo ka ratsy koa ny fomba fiainany, ary heloka sy fahotana no mahazo vahana eo amin’ny fiainan’ireo manaraka ny fombany.”—Nataon’i W. Nicoll, 1967, Boky III, p. 283.
Andro, rafitra. Maro ny rafitra na tontolo efa nisy sy mbola hisy. Azo antoka fa tsara ireo rafitra naorin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Zanany.
Nanomboka tamin’ny fotoana nanaovan’Andriamanitra ny fifaneken’ny Lalàna, ohatra, ilay antsoin’ny sasany hoe Andron’ny Jiosy na Andron’ny Israelita. Ny fomba fiaina sy ireo lafin-javatra samy hafa notakin’ny Lalàna anefa no nampiavaka an’ilay vanim-potoana (raha jerena ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olona). Anisan’izany ny asa fisoronana, fanatitra, lalàna momba ny sakafo, fanompoana tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly, ary fety sy sabata, izay samy aloky ny zavatra ho avy. Nanana mpanjaka koa ilay firenena. Azo lazaina hoe lany andro anefa ilay fifanekena taloha na dia mbola navela hanan-kery nandritra ny taonjato maro aza (He 8:13), rehefa naminany Andriamanitra fa hanao fifanekena vaovao. (Je 31:31-34) Nofaranany ny fifaneken’ny Lalàna tamin’ny taona 33, rehefa nofantsihany tamin’ny hazo fijalian’ny Zanany izy io.—Kl 2:13-17.
Hoy àry ny Hebreo 9:26: “Niseho indray mandeha monja izy [Kristy] mandritra ny fifaranan’ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity, mba hanaisotra ny ota amin’ny alalan’ny soron’ny tenany.” Tamin’ny taona 70 anefa vao nifarana tanteraka ireo lafin-javatra nampiavaka an’ilay vanim-potoana, rehefa noravana i Jerosalema sy ny tempoliny, ary niparitaka ny Jiosy. Tamin’izay no nitsahatra tanteraka ny asan’ny mpisorona jiosy, ny fanaovana sorona, ny fanompoana tao amin’ny tempoly, ary ny naha firenena voafidin’Andriamanitra ny Jiosy (na dia telo taona tatỳ aoriana aza, tamin’ny taona 73, vao resin’ny Romanina i Masada, ilay toerana voaro mafy farany niafenan’ny Jodianina). Izany no nahafahan’i Paoly nilaza toy izao rehefa avy nitantara momba ny firenen’Israely izy: “Nanjo azy ireny izany mba ho anatra, ary nosoratana ho fampitandremana ho antsika, dia isika izay tratran’ny faran’ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity.” Oviana izy no nilaza izany? Taona maro taorian’ny nahafatesan’i Kristy, nefa talohan’ny nandravan’ny Romanina an’i Jerosalema.—1Ko 10:11; ampit. Mt 24:3; 1Pe 4:7.
Nampiasain’Andriamanitra hanorina rafitra vaovao i Jesosy Kristy noho ny sorom-panavotana nataony sy ny fifanekena vaovao. Anisan’ilay rafitra ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra. (He 8:7-13) Nanomboka teo ny vanim-potoana vaovao iray, ary ireto avy no mampiavaka azy io: Ny fanompoana fampihavanana, ny fiasan’ny fanahy masina bebe kokoa, ny fanompoana ao amin’ny tempoly ara-panahy fa tsy ao amin’ny tempoly ara-bakiteny, ary ny fanaovana sorona ara-panahy fa tsy sorona biby. (1Pe 2:5) Lasa mazava kokoa ny fikasan’Andriamanitra ary mifandray akaiky kokoa aminy ireo tafiditra ao amin’ny fifanekena vaovao, ka manjary vaovao ny fomba fiainan’izy ireo. Ireo rehetra ireo no mampiavaka an’ilay rafitra vaovao naorin’i Kristy, ary mifanitsy amin’ny zavatra notakin’ny Lalàna ireo.
Rafitra na tontolo ratsy. Noresahin’i Paoly tamin’i Timoty ny momba an’ireo “manankarena eto amin’ity tontolo ity.” Tsy ny tontolo jiosy nisy 1Ti 6:17) Nilaza koa i Paoly fa nandao azy i Demasy “satria tia an’ity tontolo ity izy.” Tsy ilay tontolo jiosy nisy tamin’izany no nolazainy hoe tian’i Demasy, fa ny toe-piainana sy ny fomba fiainan’ny olona tamin’izany.—2Ti 4:10; ampit. Mt 13:22.
tamin’izany anefa no noresahiny satria maro ny Kristianina hafa firenena nifanerasera tamin’i Timoty, ankoatra ny Kristianina jiosy, ary tsy voatery ho ilay tontolo jiosy no nampanan-karena an’ireo Kristianina hafa firenena ireo. (Efa nisy ny aiôn na ny rafitr’ity tontolo ity, talohan’ny nanaovana ny fifaneken’ny Lalàna. Niara-nisy izy io sy ilay aiôn na rafitra nofehezin’ny Lalàna, ary mbola teo foana izy io na dia efa nifarana aza ny fifaneken’ny Lalàna. Nanomboka nisy mantsy ny aiôn na ny rafitr’ity tontolo ity taoriana kelin’ny Safodrano, rehefa nanjaka ny tsy fahamarinana sy ny ota ary ny fikomiana tamin’Andriamanitra. Nilaza koa i Paoly fa manajamba ny sain’ny tsy mino “ny andriamanitr’ity tontolo ity” na i Satana Devoly. (2Ko 4:4; ampit. Jn 12:31.) Mifehy sy mamolavola an’ity tontolo ity i Satana, ka tsy mahagaga raha ratsy ny toe-tsaina sy lafin-javatra mampiavaka azy ity. (Ampit. Ef 2:1, 2.) Hoy Ny Fanazavana ny Testamenta Grika (Boky II, p. 688) momba ny Romanina 12:2: “Ho potika ny fiainan’ny Kristianina raha mody manahaka ny toe-tsain’ity tontolo ity izy, mainka moa fa raha hoe tena manao ny fanaony.” Mbola hisy io tontolo io na dia ela be taorian’ny nahafatesan’i Paoly aza.
Toy izao, ohatra, no nampiasan’i Jesosy ny hoe aiôn tao amin’ny fanoharana nataony: “Ny tanimbary dia izao tontolo izao [kôsmôs] ... Ny fotoam-pijinjana dia ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity [endriny hafa amin’ny hoe aiôn] ... Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy, dia ho toy izany koa amin’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Mt 13:37-43) “Izao tontolo izao” no andikan’ny Baiboly sasany, toy ny Fandikan-teny Protestanta, ny hoe kôsmôs sy aiôn ao amin’ireo andininy ireo. Tsy ilay “tanimbary” na “izao tontolo izao” anefa no hodoran’ilay mpamboly tao amin’ilay fanoharana, fa ny “tsimparifary” ihany. Tsy ity “tontolo” (kôsmôs) ity àry no ‘hifarana’, fa ny “rafitr’ity tontolo ity” (aiôn). Hoy ny nandikan’i George Campbell an’ireo andininy ireo: “Ny tanimbary dia izao tontolo izao ... ny fijinjana dia ny fifaranan’ny toe-piainana eo aminy ... dia ho toy izany koa rehefa hifarana ny toe-piainana eo aminy.”—Ny Filazantsara Efatra, Londres, 1834.
Nohazavain’i Jesosy fa ny Kristianina voahosotra ireo vary, ary ny Kristianina sandoka ny tsimparifary. Tsy ny fifaranan’ny tontolo jiosy na ny fifaranan’ny famelana ny “vary” sy ny “tsimparifary” hiara-maniry àry ilay fotoam-pijinjana na fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity eo, fa ny fifaranan’ilay “tontolo” nolazain’i Paoly hoe fehezin’i Satana. (1Ti 6:17) Io koa ilay tontolo noresahin’i Jesosy tao amin’ny fanoharany momba ny harato tarihina sy ny fanavahana an’ireo trondro. Hoy izy: “Ho toy izany koa amin’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity: Hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy amin’ny olo-marina.” (Mt 13:47-50) Azo inoana fa ireo tenin’i Jesosy ireo no tao an-tsain’ny mpianany, rehefa nanontany azy momba ny ‘famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity’ izy ireo. (Mt 24:3) Ny fifaranan’ilay tontolo fehezin’i Satana koa no tian’i Jesosy holazaina, rehefa nampanantena ny mpianany izy fa homba azy ireo foana amin’ny asa fampianarana ataon’izy ireo, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.—Mt 28:19, 20.
Mbola io tontolo ratsy io ihany ilay aiôn resahin’ny Lioka 16:8 sy 1 Korintianina 1:20; 2:6, 8; 3:18 ary Efesianina 1:21.
Ilay tontolo ho avy. Nilaza i Jesosy fa tsy hahazo famelan-keloka “na eto amin’ity tontolo ity na any amin’ilay ho avy”, ireo miteny manohitra ny fanahy masina. (Mt 12:32) Mety hisy hihevitra fa ilay tontolo jiosy tamin’izany sy ilay rafitra vaovao haorin’i Kristy noho ilay fifanekena vaovao no resahina eo. Ny tontolo ratsy efa nisy tamin’izany ka hatramin’izao sy ilay tontolo hisy aorian’ny hamaranana an’io tontolo ratsy io anefa no noresahiny. Io tontolo ho avy io koa no tiany holazaina, rehefa nampanantena an’ireo nahafoy trano sy havana noho ny Fanjakan’Andriamanitra izy hoe: “Hahazo be lavitra [izy ireo] amin’izao andro izao [endriny hafa amin’ny hoe kairôs, “fotoana voatondro”], ary fiainana mandrakizay ao amin’ilay tontolo ho avy [endriny hafa amin’ny hoe aiôn].” (Lk 18:29, 30) Ao amin’io tontolo ho avy io koa no hisy maty hatsangana ka afaka ny ho tonga zanak’Andriamanitra. (Lk 20:34, 35) Aiôn amin’ny endriny milaza maro no nadika hoe “ireo rafitra ho avy” ao amin’ny Efesianina 2:7. Voalaza ao fa tsy misy toa azy ny harenan’ny hatsaram-panahy tsy manan-paharoa asehon’Andriamanitra amin’ny Kristianina voahosotra “tafaray amin’i Kristy Jesosy”, amin’ny fotoana hisian’ireo rafitra ireo. (Ampit. Ef 1:18-23; He 6:4, 5.) Hisy rafitra maro samy hafa àry ao amin’ilay “tontolo ho avy.” Efa nisy rafitra maro koa tamin’ny fotoana nisian’ilay rafitra nofehezin’ny Lalàna, araka ny efa hitantsika tetsy aloha.
Mandamina an’ireo ‘rafitra misy eto amin’ity tontolo ity’ Andriamanitra. Hoy ny Hebreo 11:3: “Finoana no ahatakarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nandamina ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity [aiôn, mr.], ka ny zavatra tsy miseho no iavian’ny zavatra hita maso.” Maro no mihevitra fa ireo rafitra ireo ihany no resahin’ny Hebreo 1:2, izay ahitana koa an’ilay teny hoe aiôn amin’ny endriny milaza maro. Voalaza ao fa miteny amin’ny alalan’i Jesosy Kristy i Jehovah, ary io Zanany io no “notendreny ho mpandova ny zava-drehetra, ary tamin’ny alalan’io no nanaovany ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity.” Ny fahazoan’ny olona ny dikan’ilay teny grika hoe aiôn ao amin’ireo andininy ireo anefa no tsy mitovy.
Misy milaza fa ireo zavatra miavaka mandritra ny vanim-potoana iray no resahina eo. Hazavain’ny Hebreo toko faha-11 fa ny finoana no nahazoan’ny “olona fahiny porofo fa nankasitrahan’Andriamanitra izy ireo.” (And. 2) Tanisain’i Paoly avy eo ireo olona nanam-pinoana talohan’ny Safodrano, sy tamin’ny andron’ireo loham-pianakaviana fahiny, ary tamin’ny fotoana naha teo ambanin’ny Lalàna ny Israelita. Nandritra ireo vanim-potoana ireo Andriamanitra no nanatanteraka tsikelikely ny fikasany hanafoana ny fikomiana sy hampihavana aminy indray an’ireo olona mendrika. Nampiasa ny zava-nitranga teo amin’ireo “rafitra [nifandimby] teto amin’ity tontolo ity” ireo koa izy mba hanatanterahana izany fikasany izany. Tsy maintsy nino àry ireo olona fahiny ireo fa nitarika ny zava-drehetra tamin’ny fomba nilamina tsara ilay Andriamanitra tsy hita maso, ary nino izany tokoa izy ireo. Nino koa izy ireo fa Andriamanitra no nampisy an’ireo rafitra samy hafa, ary natoky izy ireo fa tsy maintsy ‘ho tanteraka ny fampanantenany’ amin’ny fotoana voatondrony. Tsy andrin’izy ireo ny hanatanterahan’Andriamanitra an’ilay fikasany hampisy rafitra hafa, izay haorina noho ny soron’i Jesosy sy ny fifanekena vaovao.—He 11:39, 40; 12:1, 18-28.
Misy indray milaza fa mitovy amin’ny hevitry ny teny grika hoe kôsmôs ihany ilay aiôn ao amin’ny Hebreo 1:2 sy 11:3, ka midika hoe izao tontolo izao na izao rehetra izao noforonina, anisan’izany ny masoandro, volana, kintana, ary tany. Toa manamafy izany ny voalazan’ny Hebreo 11:3 hoe “ny zavatra tsy miseho no iavian’ny zavatra hita maso.” Mety ho ny tantaran’ny famoronana ao amin’ny Genesisy koa no tian’io andininy io horesahina, satria avy eo i Paoly niresaka momba an’i Abela (and. 4), Enoka (and. 5, 6), ary Noa (and. 7). Mety ho te hanazava bebe kokoa ny atao hoe finoana àry i Paoly matoa izy niresaka momba an’izao rehetra izao, toy ny masoandro sy volana ary kintana, mba hanaporofoana fa misy ny Mpamorona.—Ampit. Ro 1:20.
Ao amin’ny Soratra Hebreo. Mitovy dika amin’ny hoe aiôn ny teny hebreo hoe heled, izay nadika indraindray hoe ‘androm-piainana.’ (Jb 11:17; Sl 39:5; 89:47) Ny lafiny nampiavaka ny vanim-potoana iray anefa no tena hevitr’izy io, ka azo adika koa izy io hoe “tontolo” (ny toe-piainana misy amin’ny fotoana ahaterahan’ny olona iray sy mandritra ny fahavelomany).—Sl 17:13, 14; 49:1.